TENDROMBOHITRA
Dongon-tany lehibe ary avo kokoa noho ireo havoana manodidina. Eo amin’ny faritra be havoana iva, dia antsoina hoe tendrombohitra ny havoana avo indrindra, na dia kely fotsiny aza ny elanelany amin’ny havoana manodidina. Eny amin’ny faritra be tendrombohitra kosa, dia mety ho azo antsoina hoe havoana ireo tendrombohitra iva kokoa, na dia mbola avo kokoa noho ny tendrombohitra any an-toeran-kafa aza izy ireo. Lazaina hoe tendrombohitra, ohatra, i Tabara nefa 562 m fotsiny ny haavony.—Mpts 4:6.
Mety hanondro tendrombohitra iray ilay teny hebreo hoe har, anisan’izany ny Tendrombohitra Sinay, Gerizima, Ebala, Gilboa, ary Ziona. (Ek 19:11; De 11:29; 1Sa 31:8; Is 4:5) Mety hanondro tandavan-tendrombohitra koa anefa io teny io, anisan’izany ny tendrombohitra Ararata (Ge 8:4); na hanondro ny faritra avo toy ilay faritra be tendrombohitr’i Efraima (Js 17:15), Naftaly (Js 20:7), ary Gileada (De 3:12); na koa hanondro ny faritra nonenan’ny Amorita sy Amonita fahiny. (De 1:7, 20; 2:37) Midika hoe tendrombohitra ilay teny aramianina hoe tor (Da 2:35) sy ilay teny grika hoe ôrôs.—Jereo ny lahatsoratra momba ny anaran-tendrombohitra tsirairay.
Ireo tendrombohitra any Palestina. Azo lazaina hoe tany be tendrombohitra i Palestina, na dia vitsy ihany aza no tena mijoalajoala. Misy tendrombohitra, ohatra, eo amin’ny faritra andrefana amin’ny Reniranon’i Jordana. Eo atsimo amin’io faritra io ireo tendrombohitr’i Joda, anisan’izany ny Tendrombohitra Moria sy Ziona ary Oliva. (2Ta 3:1; Sl 48:2; Mr 13:3) Tonga hatrany avaratratsinanana, hatrany amin’ny Tendrombohitra Gilboa (1Sa 31:1) ny faritra afovoany amin’ilay tandavan-tendrombohitra, ary anisan’izy io ireo tendrombohitr’i Efraima sy Samaria, izay ahitana an’i Gerizima sy Ebala manan-tantara. (Js 19:50; De 11:29) Miditra hatrany amin’ny Ranomasina Mediterane ny ampahan’ny Tandavan-tendrombohitra Karmela, any avaratra avaratrandrefana.—Je 46:18.
Ny Lohasahan’i Jezirela (Esdraelona) no manasaraka an’ilay tandavan-tendrombohitra, ka lasa any avaratra ny tapany faharoa amin’izy io. Anisan’io tapany faharoa io ny Tendrombohitra Tabara (Mpts 4:6) sy ny Tandavan-tendrombohitra Libanona eo amoron-tsiraka.—Mpts 3:3; 1Mp 5:6.
Eo atsinanan’ny Lohasaha Mitsefaka no misy ny lembalemban’i Edoma sy Moaba (2Ta 20:10) sy ny harambato avo eo amin’ny ilany atsinanana amin’ny Ranomasina Maty. Eo amin’io ilany io no misy ny Tendrombohitra Nebo izay nitazanan’i Mosesy an’ilay Tany Nampanantenaina. Eo koa ny lembalemba eo atsinanan’ny Lohasahan’i Jordana. Mahatratra 600 m eo ho eo ny haavon’izy io. (De 3:10; 34:1-3; Js 13:8, 9; 20:8) Mitohy hatrany avaratra io faritra be tendrombohitra io ka mihaona amin’ny Tandavan-tendrombohitra Amana, ary anisan’izy io i Hermona izay tendrombohitra avo indrindra any Palestina.—To 4:8.
Tena ilaina ny tendrombohitra. Misy vokany eo amin’ny toetrandro sy ny rotsakorana ny tendrombohitra. Izy ireny no manangona ny ranonorana ary mitarika izany hikoriana any amin’ireo renirano, na mitahiry izany any ambanin’ny tany ka mampisy loharano eny an-dohasaha. (De 8:7) Maniry tsara eny amin’ny tehezan-tendrombohitra ny hazo (2Ta 2:16, 18) sy ny voaloboka ary ny voly hafa. (Sl 72:16; Oh 27:25; Is 7:23-25; Je 31:5) Azo atao famoloana ny toerana avoavo eny amin’ny tendrombohitra. (Is 17:13) Fiarovana voajanahary amin’ny tafika fahavalo (Sl 125:2) izy ireny, ary azo iafenana sy itehirizam-bokatra rehefa misy loza. (Ge 19:17, 30; Mpts 6:2; Mt 24:16; ampit. Ap 6:15.) Azon’ny bibidia ialokalofana tsara eny an-tendrombohitra. (Sl 50:10, 11; 104:18; Is 18:6) Mety tsara hanorenana tanàna koa eny (Mt 5:14), ary azo itrandrahana harena an-kibon’ny tany. (De 8:9) Mamaky vato eny an-tendrombohitra koa ny olona mba hatao fitaovam-panorenana.—1Mp 5:15-17.
An’i Jehovah ny tendrombohitra. An’i Jehovah Andriamanitra ny tendrombohitra rehetra, satria izy no Mpamolavola azy ireny. (Sl 95:4; Am 4:13) Nantsoina hoe “tendrombohitr’i Jehovah” na ‘tendrombohitr’Andriamanitra’ kosa ny tendrombohitra sasany, satria teny i Jehovah no niseho. Anisan’ireny ny Tendrombohitra Sinay na Horeba (Ek 3:1; No 10:33) ary ilay tendrombohitra nisy ny toerana masin’i Jehovah.—Sl 24:3.
Heviny an’ohatra sy ara-paminaniana. Ny nofon-tany sy ny zavamaniry ary ny hazo eny an-tendrombohitra no tiana holazaina amin’ny hoe “tendrombohitra”, indraindray. (Ampit. Sl 83:14.) Hoy ny mpanao salamo momba an’i Jehovah: “Kasihiny ny tendrombohitra, dia midona-tsetroka.” (Sl 104:32; 144:5, 6) Angamba izany te hilaza fa mety handoro an’ireo ala eny an-tendrombohitra ny tselatra, ka lasa midona-tsetroka ny tendrombohitra. Toa ny vokatry ny oram-baratra mahery no resahin’ny Baiboly rehefa milaza hoe ‘mitsonika’ ny tendrombohitra. (Mpts 5:5; Sl 97:5) Toy ny hoe nitsonika mantsy ny nofon-tany, satria lasan’ny riaka be. Voalaza fa maro no ho faty rehefa hampihatra ny fahatezerany amin’ireo firenena i Jehovah. Hampitsonika an’ireo tendrombohitra ny ran’ireo voavono, izany hoe hifaoka ny nofon-tany. (Is 34:1-3) Ary ahoana ilay hoe “hisy divay mamy hitete” eny an-tendrombohitra? Midika izy io fa hamokatra be ny voaloboka maniry eny amin’ny tehezan-tendrombohitra.—Jl 3:18; Am 9:13.
Nisy zavatra hita maso (tselatra, setroka, afo) nanaporofo fa nanatrika teo amin’ny Tendrombohitra Sinay i Jehovah. Nihovotrovotra koa izy io tamin’izay. (Ek 19:16-18; 20:18; De 9:15) Toa io zava-nitranga io sy ny zava-mahagaga hafa no atao teny an’ohatra any amin’ny andininy hafa ao amin’ny Baiboly. (Ampit. Is 64:1-3.) Azo inoana, ohatra, fa ny Tendrombohitra Sinay izay nihovotrovotra no resahina hoe “nitsambikimbikina toy ny ondrilahy.” (Sl 114:4, 6) Ary ahoana raha ny “fototry ny tendrombohitra” no lazaina hoe ‘ampirehetina’? Angamba ny volkano izay mamoaka afo no tiana holazaina amin’izany. (De 32:22) Voalaza koa fa ‘mihorohoro ny fototry ny tendrombohitra’, izany hoe mihovotrovotra, angamba noho ny horohoron-tany.—Sl 18:7.
Ampiasaina mba hilazana fanjakana. Ampiasain’ny Baiboly mba hilazana fanjakana na fitondram-panjakana ny tendrombohitra. (Da 2:35, 44, 45; ampit. Is 41:15; Ap 17:9-11, 18.) Antsoina hoe “tendrombohitra mandravarava”, ohatra, i Babylona satria nandresy tany maro ny tafiny ka nandrava azy ireny. (Je 51:24, 25) Izao no voalaza momba an’i Jehovah: “Rakotra hazavana ianao, sady mbola manerinerina kokoa noho ny tendrombohitra fihazana remby.” (Sl 76:4) Mety ho ireo fanjakana vonon-kiady amin’i Jehovah ilay hoe “tendrombohitra fihazana remby.” (Ampit. Na 2:11-13.) Hoy i Davida tamin’i Jehovah: “Nataonao mafy orina ny tendrombohitro.” Angamba izy te hilaza hoe nasandratr’i Jehovah ny fanjakany ary nataony mafy orina. (Sl 30:7; ampit. 2Sa 5:12.) Miresaka momba ny zavatra toy ny “tendrombohitra lehibe nirehitra afo” ny Apokalypsy 8:8. Lasa mazava kokoa ny dikan’izany rehefa fantatra hoe mety hampiasaina hilazana fanjakana ny tendrombohitra. Ilay hoe zavatra toy ny tendrombohitra mirehitra àry, dia mety hanondro karazana fanjakana mandravarava toy ny afo.
Milaza ny faminanian’i Daniela fa ho lasa tendrombohitra lehibe hameno ny tany manontolo ny Fanjakan’Andriamanitra, rehefa avy nanorotoro an’ireo fanjakana hafa. (Da 2:34, 35, 44, 45) Midika izany fa io no Fanjakana hifehy ny tany manontolo. Hoy ny mpanao salamo: “Hitondra fiadanana ho an’ny olona anie ny tendrombohitra, sy ny havoana, noho ny fahamarinana!” (Sl 72:3) Hanome fitahiana ho an’ny mponin’ny tany, araka izany, ny tendrombohitr’Andriamanitra, ka anisan’izany ny fanasambe hataon’i Jehovah ho an’ny firenena rehetra.—Is 25:6; jereo koa Is 11:9; 65:25.
Misy ifandraisany amin’ny fivavahana. Nanangana tranolay teo amin’ny Tendrombohitra Ziona i Davida ary nentiny tao ny Vata masina. Lasa tendrombohitra masina àry i Ziona. (2Sa 6:12, 17) Koa satria azo inoana fa baiko avy amin’Andriamanitra no narahin’i Davida (De 12:5), ary toy ny hoe nanatrika teo amin’izay nisy an’ilay Vata i Jehovah, dia midika izany fa nifidy an’io tendrombohitra io i Jehovah mba honenany. Izany no nahatonga an’i Davida hanoratra hoe: “Tendrombohitr’Andriamanitra [izany hoe noforonin’Andriamanitra] ny faritra be tendrombohitr’i Basana. Tendrombohitra maro tendro ny faritra be tendrombohitr’i Basana. Nahoana ianareo, ry tendrombohitra maro tendro, no mialona ny tendrombohitra irin’Andriamanitra honenana? I Jehovah mihitsy no hitoetra ao mandrakizay. ... Avy tany Sinay [toerana nampiharihariany voalohany tamin’ny Israely manontolo hoe nanatrika teo izy] i Jehovah no nankao amin’ny toerana masina.” (Sl 68:15-17) Mety ho ny Tendrombohitra Haorana (Jebel ed Droz) io faritra be tendrombohitr’i Basana io, ary mety ho io ilay lazaina hoe “tendrombohitr’Andriamanitra” sy hoe “tendrombohitra maro tendro.” Iva be ny Tendrombohitra Ziona raha oharina amin’ny Tendrombohitra Haorana, nefa io toerana tsy dia nisongadina loatra io no nofidin’i Jehovah honenany.
Naorina teo amin’ny Tendrombohitra Moria ny tempoly, tatỳ aoriana, ka nanjary nantsoina hoe “Ziona” koa hatrany amin’ny faritra nisy ny tempoly. Mbola ilay tendrombohitra masin’Andriamanitra foana àry i Ziona. (Is 8:18; 18:7; 24:23; Jl 3:17) Nantsoina koa hoe ‘tendrombohitra masin’Andriamanitra’ i Jerosalema, satria tao ny tempolin’i Jehovah. (Is 66:20; Da 9:16, 20) Hoy ny mpanao salamo: “Hanopy ny masoko eny amin’ny tendrombohitra aho. Avy aiza no hahazoako fanampiana? Avy amin’i Jehovah no ahazoako fanampiana.” Angamba te hilaza ilay mpanao salamo hoe hivavaka manatrika an’ireo tendrombohitr’i Jerosalema izy.—Sl 121:1, 2; ampit. Sl 3:4; 1Mp 8:30, 44, 45; Da 6:10.
Izao no lazain’ny faminaniana fa hitranga: “Ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah dia ho mafy orina sady ho avo noho ny tampon’ireo tendrombohitra, ka hasandratra ho avo noho ireo havoana. Ary hitanjozotra ho any ny firenena rehetra.” (Is 2:2, 3; Mi 4:1, 2) Inona no dikan’ny hoe ho avo noho ireo tendrombohitra sy ireo havoana “ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah”? Te hilaza io faminaniana io fa hasandratra ho avo noho ny fivavahan-diso ny fivavahana marina. Maro mantsy ireo tendrombohitra sy havoana fahiny no natao toeram-pivavahana tamin’ny sampy sy toerana masina ho an’ireo andriamani-diso.—De 12:2; Je 3:6; Ezk 18:6, 11, 15; Ho 4:13.
Tanteraka voalohany io faminaniana io teo anelanelan’ny taona 29 sy 70, rehefa nadiva ho rava ny tontolo jiosy. Tamin’izay ny fivavahana tamin’i Jehovah dia nasandratra ho avo noho ny fivavahan’ny mpanompo sampy izay noheverin’izy ireny ho avo. Nanandratra ny fivavahana marina i Jesosy Kristy Mpanjaka ka azo lazaina hoe “mpanagorobaka.” Nanaraka azy ny sisa tamin’ny firenen’Israely, ary avy eo ny olona avy tamin’ny firenena rehetra. (Is 2:2; Mi 2:13; As 10:34, 35) Tanteraka amin’izao andro farany izao koa io faminaniana io, satria efa asandratra avo dia avo ny fivavahana amin’i Jehovah. Tarihin’i Jesosy Kristy Mpanjaka ho amin’ny fivavahana madio ny sisa amin’ny Israely ara-panahy, ary avy eo ny vahoaka be avy amin’ny firenena rehetra.—Ap 7:9.
Vato misakana. Ampiasaina mba hilazana vato misakana koa ny tendrombohitra, indraindray. Noharina tamin’ny tendrombohitra, ohatra, ny zava-drehetra nanakantsakana ny Israely tsy hiverina avy tany an-tsesitany tany Babylona sy izay nanakantsakana ny fanorenana indray ny tempoly tatỳ aoriana. (Is 40:1-4; Za 4:7) Ny finoana dia mahavita mamindra sakana lehibe toy ny tendrombohitra, ary na tendrombohitra ara-bakiteny mihitsy aza, raha izay no sitrapon’Andriamanitra.—Mt 17:20; 21:21; Mr 11:23; 1Ko 13:2.
Tsy mihozongozona, maharitra, na avo. Tsy mihozongozona sy maharitra ny tendrombohitra. (Is 54:10; Ha 3:6; ampit. Sl 46:2.) Milaza ny mpanao salamo fa ‘toy ny tendrombohitr’Andriamanitra’ ny fahamarinan’i Jehovah. (Sl 36:6) Te hilaza angamba izy fa tsy azo hozongozonina ny fahamarinan’i Jehovah. Mety hidika koa anefa izany hoe ambony lavitra noho ny fahamarinan’ny olona ny an’Andriamanitra. Avo dia avo mantsy ny tendrombohitra. (Ampit. Is 55:8, 9.) Voalaza fa “tsy nisy tendrombohitra hita”, rehefa nararaka ny tao anatin’ny vilia fahafito tamin’ireo vilia fiton’ny fahatezeran’Andriamanitra. (Ap 16:20) Toa midika izany fa tsy misy afa-miala amin’ny fahatezeran’Andriamanitra, na dia izay avo toy ny tendrombohitra aza.—Ampit. Je 4:23-26.
Faly sy midera an’i Jehovah ny tendrombohitra. Misy vokany tsara eo amin’ny tany ny fankasitrahan’i Jehovah ny olony. Tsy misavoritaka, toy ny olona misaona sy nidiran-doza, intsony ny tehezan-tendrombohitra fa voakarakara tsara sy voavoly. An’ohatra àry amin’izay no ilazana hoe ‘mihoby’ ny tendrombohitra, ary midera an’i Jehovah satria tsara tarehy sy mamokatra.—Sl 98:8; 148:7-9; ampit. Is 44:23; 49:13; 55:12, 13; Ezk 36:1-12.