Toko 22
Loza Voalohany: Ny Valala
1. Iza no miara-miasa amin’ireo anjely rehefa tsofina ny trompetra, ary inona no ambaran’ilay trompetra fahadimy?
MIOMANA hitsoka ny trompetrany ilay anjely fahadimy. Efa notsofina ny trompetra efatra, ary nisy loza efatra namely ny ampahatelon’ny tany izay heverin’i Jehovah ho meloka indrindra, dia ny Kristianisma Anarana. Naharihary fa toy ny olona marary efa ho faty izy io. Rehefa mitsoka trompetra ireo anjely any an-danitra, dia manambara ny hafatra mifandray amin’izany ireo mpitory eto an-tany. Hanambara ny loza voalohany izao ilay anjely fahadimy hitsoka ny trompetrany. Loza mampahatahotra kokoa noho ireo teo aloha izy io. Tsy inona izany fa ny valala! Andeha hojerentsika aloha ny andinin-teny hafa manazava ilay loza.
2. Inona no boky ao amin’ny Baiboly milaza loza momba ny valala toy ny hitan’i Jaona, ary inona no vokatr’izany teo amin’ny Israely fahiny?
2 Lazain’ny bokin’i Joela, nosoratana tamin’ny taonjato fahasivy T.K., ny amin’ny loza samihafa avy amin’ny bibikely, anisan’izany ny valala, izay mitovy amin’ny hitan’i Jaona. (Joela 2:1-11, 25)a Natao hampahoriana ny Israely nivadi-pinoana izany, sady handrisika ny Jiosy sasany mba hibebaka, ka hahazo sitraka amin’i Jehovah indray. (Joela 2:6, 12-14) Nandatsaka ny fanahiny tamin’ny “nofo rehetra” i Jehovah, rehefa nisy Jiosy nibebaka. Nanome famantarana sy fambara mampahatahotra koa izy, talohan’ny ‘nahatongavan’ny andron’i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina.’—Joela 2:11; 3:1-5.
Loza tamin’ny taonjato voalohany
3, 4. a) Oviana no tanteraka ny Joela toko 2 sy 3, ary tamin’ny fomba ahoana? b) Inona ilay loza momba ny valala tamin’ny taonjato voalohany, ary nitohy hatramin’ny oviana izany?
3 Tanteraka tamin’ny taonjato voalohany ny Joela toko 2 sy 3. Tamin’ny Pentekosta taona 33 tokoa no nalatsaka ny fanahy masina, ka nanosotra ny Kristianina voalohany sy nanome hery azy ireo, mba hiresahany tamin’ny fiteny maro “momba ny asa lehibe nataon’Andriamanitra.” Nisy vahoaka maro àry tonga mba hihaino. Gaga izy ireo, rehefa nanazava ny Joela 3:1, 2 i Petera, ka nilaza hoe tanteraka teo amin’izy ireo izany faminaniana izany. (Asan’ny Apostoly 2:1-21) Tsy nisy andiam-bibikely ara-bakiteny nampahory ny olona, na nahatonga azy hibebaka tamin’izay.
4 Nisy loza tsy ara-bakiteny kosa ve tamin’izany? Eny tokoa! Vokatry ny fitoriana tsy tapaka nataon’ireo Kristianina voahosotra ilay izy.b Nampiasain’i Jehovah izy ireo mba hanasa ny Jiosy hibebaka ka hahazo fitahiana. (Asan’ny Apostoly 2:38-40; 3:19) Tena nahazo ny fankasitrahany ireo nandray ilay hafatra. Toy ny andiam-balala mpandrava kosa ireo Kristianina voalohany, ho an’ireo tsy nanaiky ilay fanasana. Nanomboka tany Jerosalema izy ireo, ka niparitaka eran’i Jodia sy Samaria. Tongan’izy ireo daholo ny toerana rehetra, ka nijaly ny Jiosy tsy mpino, vokatry ny fanambaran’izy ireo ampahibemaso ny fitsanganan’i Jesosy sy izay mifandray amin’izany. (Asan’ny Apostoly 1:8; 4:18-20; 5:17-21, 28, 29, 40-42; 17:5, 6; 21:27-30) Nitohy ilay loza, hatramin’ilay ‘andro lehibe sady mahatsiravina’ tamin’ny taona 70, rehefa navelan’i Jehovah handrava an’i Jerosalema ny miaramila romanina. Ny Kristianina nanam-pinoana sy niantso ny anaran’i Jehovah ihany no voavonjy.—Joela 3:5; Asan’ny Apostoly 2:20, 21; Ohabolana 18:10.
Andiam-balala ankehitriny
5. Ahoana no nahatanterahan’ny faminanian’i Joela nanomboka tamin’ny 1919?
5 Mbola misy fahatanterahany mandritra ny andro farany ve ny faminanian’i Joela? Izany tokoa! Nirotsaka mantsy ny fanahin’i Jehovah tamin’ny fivoriamben’ny Mpianatra ny Baiboly tany Cedar Point, any Ohio, Etazonia, ny 1-8 Septambra 1919, ka nandrisika ny vahoakany handamina fitoriana eran-tany. Izy ireo ihany, tamin’ireo nitonona ho Kristianina, no niezaka mafy nitory ilay vaovao tsara eran-tany hoe efa Mpanjaka any an-danitra i Jesosy. Tsy nitsahatra nitory izy ireo, ka toy ny loza nampijaly ny Kristianisma Anarana mpivadi-pinoana izany, araka ilay faminaniana.—Matio 24:3-8, 14; Asan’ny Apostoly 1:8.
6. a) Inona no hitan’i Jaona, rehefa nitsoka ny trompetrany ilay anjely fahadimy? b) Iza io “kintana” io, ary nahoana?
6 Milaza momba io loza io koa ny Apokalypsy, nosoratana 26 taona taorian’ny nandravana an’i Jerosalema. Inona koa no lazainy ankoatra ny efa voalazan’i Joela? Andeha hovakintsika ny tenin’i Jaona: “Ary nitsoka ny trompetrany ny anjely fahadimy. Ary hitako fa nisy kintana avy tany an-danitra nilatsaka tetỳ an-tany, ary nomena azy io ny lakilen’ny lavaka mangitsokitsoka.” (Apokalypsy 9:1) Tsy ilay kintana vao “latsaka” resahin’ny Apokalypsy 8:10 io “kintana” io, fa “kintana avy tany an-danitra” izay efa “nilatsaka”, ary voatendry hiandraikitra ny tany. Anjely sa olombelona izy io? Manana ny “lakilen’ny lavaka mangitsokitsoka” izy io, ary voalaza atỳ aoriana fa nanipy an’i Satana tao amin’ilay lavaka. (Apokalypsy 20:1-3) Tsy maintsy ho anjely mahery àry izy io. Lazain’i Jaona ao amin’ny Apokalypsy 9:11 fa manana “mpanjaka” ireo valala, “dia ny anjelin’ny lavaka mangitsokitsoka.” Olona iray ihany no tondroin’ireo andininy ireo, satria tsy maintsy ho ilay anjelin’ny lavaka mangitsokitsoka ihany ilay manana ny lakilen’izy io. Tsy maintsy ho ilay Mpanjaka voatendrin’i Jehovah koa ilay kintana, satria iray ihany ny anjely eken’ireo voahosotra ho Mpanjakany, dia i Jesosy Kristy.—Kolosianina 1:13; 1 Korintianina 15:25.
7. a) Inona no nitranga, rehefa nosokafana “ilay lavaka mangitsokitsoka”? b) Inona “ilay lavaka mangitsokitsoka”, ary iza no nandalo kely tao?
7 Mitohy ilay fitantarana: “Ary nosokafany ilay lavaka mangitsokitsoka, dia nisy setroka nivoaka avy tao, toy ny setroky ny lafaoro lehibe, ary nanamaizina ny masoandro sy ny rivotra ny setrok’ilay lavaka. Ary avy tao amin’ny setroka dia nisy valala nivoaka nankeo amin’ny tany. Ary nomena fahefana ireo valala, toy ny fahefan’ny maingoky ny tany.” (Apokalypsy 9:2, 3) Araka ny Soratra Masina, ny hoe “lavaka mangitsokitsoka” dia midika ho tsy fanaovana na inona na inona, na fahafatesana mihitsy. (Ampitahao amin’ny Romanina 10:7; Apokalypsy 17:8; 20:1, 3.) Toy ny hoe nandalo kely tao amin’io lavaka io ireo rahalahin’i Jesosy vitsivitsy, satria zara raha niasa tamin’ny faran’ny Ady Lehibe I (1918-1919). Nandrotsaka ny fanahiny tamin’ny mpanompony nibebaka anefa i Jehovah tamin’ny 1919, ka nirohotra hanao asa lehibe izy ireo.
8. Hazavao ilay hoe nisy “setroka” be niaraka nivoaka tamin’ireo valala.
8 Voalazan’i Jaona fa nisy setroka be toy ny “setroky ny lafaoro lehibe” nivoaka niaraka tamin’ireo valala.c Nitranga tamin’ny 1919 izany. Tao anatin’ny haizina ny Kristianisma Anarana sy izao tontolo izao tamin’ny ankapobeny. (Ampitahao amin’ny Joela 3:3, 4.) Nitetika ny hanafoana ny asan’ilay Fanjakana ny mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana, sady nanda ny Fanjakan’Andriamanitra. Resy anefa izy ireo rehefa navoaka ireo valala, na ireo voahosotra toa an’i Jaona. Niparitaka eran’ny Kristianisma Anarana nivadi-pinoana ilay setroka, rehefa nomen’Andriamanitra fahefana ilay andiam-balala, ka nampiasa izany mba hanambarana didim-pitsarana nahery. Tsy mampianatra ny marina ny Kristianisma Anarana, ka toy ny hoe maizina ny ‘masoandrony.’ Toy ny feno setroka koa ny “rivotra” noho ny fanamelohan’Andriamanitra azy ireo. Naharihary mantsy fa “ilay mpitondra ny fahefan’ny rivotra” no andriamanitr’izy ireo.—Efesianina 2:2; Jaona 12:31; 1 Jaona 5:19.
Ireo valala mampijaly!
9. Inona no baiko azon’ireo valala?
9 Inona no baiko azon’ireo valala? Hoy i Jaona: “Ary nilazana izy ireo mba tsy hanimba ny ahitra amin’ny tany na ny zavamaniry na ny hazo, fa ny olona izay tsy manana ny tombo-kasen’Andriamanitra eo amin’ny handriny ihany. Ary ireo valala dia tsy navela hahafaty azy ireny, fa ny hampijaly azy dimy volana kosa. Ary ny fampijaliana azy dia toy ny fampijalian’ny maingoka rehefa mamely olona. Ary hitady fahafatesana ny olona amin’izany andro izany fa tsy hahita mihitsy, ary haniry ho faty izy nefa handositra azy foana ny fahafatesana.”—Apokalypsy 9:4-6.
10. a) Iza no tena nasiana tamin’ilay loza, ary inona no vokany teo amin’izy ireo? b) Inona ilay fampijaliana resahina eto? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)
10 Mariho fa tsy ny “zavamaniry na ny hazo” no tena nasiana tamin’ilay loza, izany hoe tsy ny vahoaka na ny olona manan-daza eo amin’izy ireo. (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 8:7.) Ireo tsy misy tombo-kasen’Andriamanitra eo amin’ny handriny ihany no hiharan’ilay loza, izany hoe ireo anisan’ny Kristianisma Anarana, izay mihambo ho voaisy tombo-kase nefa manao zavatra mifanohitra amin’izany. (Efesianina 1:13, 14) Ny mpitondra fivavahana àry no tena mijaly noho ny fanambarana ataon’ireo valala ankehitriny. Tsy maintsy ho nijaly ireny mpirehareha ireny, rehefa nandre ny filazana ampahibemaso hoe tsy hahatarika ny ondriny ho any an-danitra izy ireo, sady tsy ho lasa any akory!d Tena ‘jamba mitarika jamba’ tokoa izy ireo!—Matio 15:14.
11. a) Hafiriana no avela hampijaly ny fahavalon’Andriamanitra ireo valala, ary nahoana no tsy fotoana fohy izany? b) Manao ahoana ny hamafin’ilay fampijaliana?
11 Naharitra dimy volana ilay fampijaliana. Fohy ve izany? Tsy fohy ny dimy volana amin’ny valala ara-bakiteny, satria izay no faharetan’ny fiainany manontolo. Manindrona ny fahavalon’Andriamanitra foana àry ireo valala an’ohatra ankehitriny, mandritra ny androm-piainany. Te ho faty mihitsy ireo olona ampijalin’ireo valala an’ohatra, satria mafy loatra ny fahoriany. Marina aloha fa tsy nisy tamin’izy ireo nanandrana namono tena. Tena mafy anefa ilay fampijaliana, satria toy ny fanafihana tsy an-kiato ataon’ny maingoka. Toy ny fijaliana nolazain’i Jeremia fa hanjo ny Israelita nivadika izany. Hiely any amin’ny faritra maro izy ireo satria resin’ny Babylonianina, ka aleony maty toy izay velona.—Jeremia 8:3; jereo koa ny Mpitoriteny 4:2, 3.
12. Nahoana ireo valala no nasaina hampijaly ny mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana, fa tsy navela hamono azy ireo ho faty?
12 Nahoana no nasaina hampijaly izy ireo, fa tsy navela hamono ho faty? Vao fanombohana fotsiny io loza io, eo amin’ny fanalana sarona ny laingan’ny Kristianisma Anarana sy ny tsy fahombiazany. Rehefa mandeha elaela ny andron’ny Tompo vao tena hambara hoe maty ara-panahy izy ireo. Mandritra ny loza faharoa no maty ny ampahatelon’ny olona.—Apokalypsy 1:10; 9:12, 18; 11:14.
Valala vonona ho amin’ny ady
13. Manao ahoana ny endrik’ireo valala?
13 Hafa tokoa ny endrik’ireo valala! Hoy i Jaona: “Ary tahaka ny soavaly voaomana ho amin’ny ady no fahitana ireo valala. Ary nisy toa satroboninahitra toy ny volamena teo amin’ny lohany, ary ny tarehiny dia tahaka ny tarehin’olona, ary ny volony tahaka ny volom-behivavy, ary ny nifiny tahaka ny an’ny liona, ary nanana fiarovan-tratra tahaka ny fiarovan-tratra vy izy ireo. Ary ny feon’ny elany dia tahaka ny feon’ny kalesy tarihin-tsoavaly maro mihazakazaka ho amin’ny ady.”—Apokalypsy 9:7-9.
14. Nahoana no manondro tsara an’ireo Kristianina nahazo hery indray tamin’ny 1919 ny filazan’i Jaona?
14 Manondro tsara an’ireo Kristianina mahatoky nahazo hery indray tamin’ny 1919 izany. Toy ny soavaly vonona hiady izy ireo, ka hiady ho an’ny fahamarinana, araka ny tenin’ny apostoly Paoly. (Efesianina 6:11-13; 2 Korintianina 10:4) Nahita toa satroboninahitra teny an-dohan’izy ireo i Jaona. Tsy mety raha satroboninahitra tena izy no anaovan’izy ireo, satria tsy manomboka manjaka izy ireo raha mbola eto an-tany. (1 Korintianina 4:8; Apokalypsy 20:4) Toy ny efa mpanjaka sahady anefa izy ireo tamin’ny 1919. Rahalahin’ny Mpanjaka izy ireo, ary tahirizina ho azy ny satroboninahiny any an-danitra, raha tsy mivadika mandra-pahafatiny izy ireo.—2 Timoty 4:8; 1 Petera 5:4.
15. Inona no dikan’ny a) fiarovan-tratra vy an’ireo valala? b) tarehy tahaka ny an’ny olona? d) volo tahaka ny volom-behivavy? e) nify tahaka ny an’ny liona? f) tabataba be?
15 Manao fiarovan-tratra vy ireo valala, izany hoe mitafy ny fahitsiana ka tsy miala amin’izany. (Efesianina 6:14-18) Manana tarehin’olona koa izy ireo. Manondro fitiavana izany, satria natao araka ny endrik’ilay Andriamanitra fitiavana ny olombelona. (Genesisy 1:26; 1 Jaona 4:16) Lava toy ny volom-behivavy ny volon’izy ireo, ka midika izany fa ankatoavin’izy ireo ny Mpanjakany, dia ilay anjelin’ny lavaka mangitsokitsoka. Toy ny nifin’ny liona koa ny nifin’ireo valala. Mampiasa ny nifiny mba hitsakoana hena ny liona. Afaka nandray ventin-kanina ara-panahy indray ireo voahosotra nanomboka tamin’ny 1919. Anisan’izany ireo fahamarinana momba ny Fanjakan’Andriamanitra, entin’i Jesosy Kristy, ilay “Liona avy amin’ny fokon’i Joda.” Manondro herim-po ny liona. Ilaina koa àry ny herim-po mba hahatakarana an’io hafatra mafonja io sy hanaovana azy io an-tsoratra, ary hanelezana izany eran-tany. Nitabataba be ireo valala, toy ny “feon’ny kalesy tarihin-tsoavaly maro mihazakazaka ho amin’ny ady.” Tsy hangina izy ireo, fa hanaraka ny ohatr’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany.—1 Korintianina 11:7-15; Apokalypsy 5:5.
16. Inona no dikan’ilay hoe “nanan-drambo sy fanindronana toy ny maingoka” ireo valala?
16 Tsy teny ihany no anaovana ilay fitoriana! “Ary nanan-drambo sy fanindronana toy ny maingoka koa izy ireo, ary tao amin’ny rambony no nisy ny fahefany hampanaintaina ny olona nandritra ny dimy volana.” (Apokalypsy 9:10) Inona no dikan’izany? Mitory ilay Fanjakana ny Vavolombelon’i Jehovah, amin’ny alalan’ny teny sy ireo boky aman-gazety. Toy ny hoe manana fahefana izy ireo, satria manambara hafatra mahery avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Manindrona toy ny maingoka ilay hafatra, satria mampitandrina momba ilay andro famalian’i Jehovah. (Isaia 61:2) Ho vita alohan’ny hahafatesan’ireo voahosotra rehetra, izay oharina amin’ny valala, ny asa nanirahana azy. Tsy inona izany fa ny hanambara ny didim-pitsaran’i Jehovah, ka hijaly ireo mpaniratsira mafy hatoka.
17. a) Inona no nambara tamin’ny fivoriamben’ny Mpianatra ny Baiboly tamin’ny 1919, izay nanamafy ny fanindronan’ireo valala? b) Ahoana no nampijaliana an’ireo mpitondra fivavahana, ary ahoana no navalin’izy ireo?
17 Tena faly ireo valala, rehefa nambara tamin’ny fivoriambe tamin’ny 1919 ny fivoahan’ny gazety Fotoam-pahasambarana. Nivoaka indroa isan-kerinandro izy io, ary natao hanamafisana ny fanindronan’ireo valala tamin’ny alalan’ny fitoriana.e Nasehon’ny No. 27 (29 Septambra 1920) tamin’izy io ny hafetsen’ny mpitondra fivavahana, izay nanenjika ny Mpianatra ny Baiboly tany Etazonia tamin’ny 1918-1919. Namoaka lahatsoratra sy kisarisary maro koa ny Fotoam-pahasambarana teo anelanelan’ny 1920 sy 1940. Tena nanindrona izy ireny, satria nampiharihary fa mitsabaka amin’ny politika ireo mpitondra fivavahana, indrindra fa ny Katolika izay nanao fifanekena tamin’ny mpitondra jadona fasista sy nazia. ‘Nisaina fampahoriana araka ny lalàna’ ireo mpitondra fivavahana, ho valin’izany.—Salamo 94:20.
Nampitandremana ireo mpitondra an’izao tontolo izao
18. Inona no asa tokony hataon’ireo valala ankehitriny, ary inona no nitranga vokatry ny feon’ilay trompetra fahadimy?
18 Manana asa tokony hatao ireo valala ankehitriny. Tsy maintsy torina ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Tsy maintsy aharihary ireo fahadisoana. Tsy maintsy tadiavina ny ondry. Nanaitra an’izao tontolo izao izany asan’izy ireo izany. Miara-miasa amin’ireo anjely mitsoka trompetra ny voahosotra toa an’i Jaona, ka mampiharihary hatrany fa mendrika ny hohelohin’i Jehovah ny Kristianisma Anarana. Nanao fivoriambe tany Londres, any Angletera, ny Mpianatra ny Baiboly tamin’ny 25-31 Mey 1926, vokatr’ilay trompetra fahadimy. Nantitranterina tamin’izany ny lafiny iray tamin’ilay didim-pitsarana. Noraisina ilay fanapahan-kevitra hoe “Fitoriana ho An’ny Mpitondra eo Amin’izao Tontolo Izao.” Natao tao amin’ny Royal Albert Hall koa ilay lahateny nitondra ny lohateny hoe “Nahoana ny Fanjakana Matanjaka Eran-tany no Mitsapatsapa, ary Inona no Vahaolana?” Navoaka manontolo tao amin’ny gazety malaza tany Londres ireo lahatsoratra roa ireo ny ampitson’io. Natao taratasy mivalona kosa ilay fanapahan-kevitra tatỳ aoriana, ka naelin’ireo valala eran-tany. Nisy 50 tapitrisa tamin’izany no nozaraina, ka tena nijaly ny mpitondra fivavahana! Mbola niresaka momba izany ihany ny mponin’i Angletera, taona maro tatỳ aoriana.
19. Inona no fitaovam-piadiana hafa voarain’ireo valala, ary inona no nolazain’izy io momba ilay fanambarana tany Londres?
19 Nahazo fitaovam-piadiana hafa koa ireo valala tamin’io fivoriambe io, dia ilay boky hoe Fanafahana. Nohazavaina tao ireo famantarana nomen’ny Soratra Masina, izay manaporofo fa teraka tamin’ny 1914 ilay “zazalahy”, na ny Fanjakan’i Kristy any an-danitra. (Matio 24:3-14; Apokalypsy 12:1-10) Noresahina tao koa ny fanambarana navoaka tany Londres tamin’ny 1917, nosoniavin’ny mpitondra fivavahana lehibe valo, izay voalaza fa “anisan’ireo mpitory teny lehibe indrindra eran-tany.” Izy ireo no solontenan’ny fivavahana protestanta lehibe, dia ny Batista, Kongregasionaly, Presbyterianina, Episkopaly, ary Metodista. Voalaza tao amin’ilay fanambarana fa “manondro ny faran’ny andron’ny Jentilisa ny krizy eran-tany”, ary “tsy ho ela dia hiharihary ny Tompo.” Nanaiky ny famantarana ny fanatrehan’i Jesosy tokoa ireo mpitondra fivavahana ireo! Nanao zavatra nifanaraka tamin’izany ve anefa izy ireo? Hoy ny boky Fanafahana: “Ny mahaliana indrindra dia hoe ireo lehilahy nanao sonia an’ilay fanambarana ireo ihany no nanda izany tatỳ aoriana, ary tsy nanaiky ireo porofo hoe ao anatin’ny andro faran’ity tontolo ity sy ny fiverenan’ny Tompo isika.”
20. a) Nifidy ny hanao inona ireo mpitondra fivavahana, mahakasika ireo valala sy ny Mpanjakan’izy ireo? b) Iza no lazain’i Jaona fa mitarika an’ireo valala, ary iza no anaran’izy io?
20 Tsy nitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra efa ho tonga ireo mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana, fa nifidy ny hiaraka tamin’ny tontolon’i Satana ihany. Tsy te hiaraka amin’ireo valala sy ny Mpanjakany izy ireo. Izao anefa no lazain’i Jaona momba ilay Mpanjaka: “Nanana mpanjaka izy ireo, dia ny anjelin’ny lavaka mangitsokitsoka: Abadona [midika hoe “Fandringanana”] no anarany amin’ny teny hebreo, fa Apolyona [midika hoe “Mpandringana”] kosa amin’ny teny grika.” (Apokalypsy 9:11) Efa nandefa loza hamely ny Kristianisma Anarana i Jesosy “anjelin’ny lavaka mangitsokitsoka” sady “Mpandringana.” Mbola misy loza hafa hitranga anefa!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ampitahao amin’ny Apokalypsy 9:7-9 ny Joela 2:4, 5, 7, izay milaza fa toy ny soavaly sy firenena ary lehilahy ireo bibikely, ary mamoaka feo toy ny kalesy. Ampitahao amin’ny Apokalypsy 9:2, 5 koa ny Joela 2:6, 10, izay milaza ny fanaintainana aterak’ilay loza.
b Jereo ilay lahatsoratra hoe “Tafaray mba Hiady Amin’ireo Firenena ao Amin’ny Lohasaha Fitsarana”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 1961 (anglisy).
c Mariho fa tsy azo ampiasaina io andininy io mba hilazana hoe nisy afo tao amin’ilay lavaka mangitsokitsoka, ka manjary toy ny afobe ilay lavaka. Milaza i Jaona fa nahita setroka be “toy ny” setroky ny lafaoro lehibe izy. (Apokalypsy 9:2) Tsy nilaza kosa izy hoe nahita tena lelafo.
d Avy amin’ny fototeny hoe ba·sa·niʹzo ilay teny grika ampiasaina eto. Milaza fampijaliana ara-bakiteny izy io indraindray, nefa mety hilazana fampijaliana ara-tsaina koa. Vakintsika ao amin’ny 2 Petera 2:8, ohatra, fa “nahatsiaro ho nijaly” i Lota, noho ny faharatsiana hitany tany Sodoma. Nijaly koa ny sain’ireo mpitondra fivavahana tamin’ny andron’ny apostoly, na dia tsy nitovy tamin’ny an’i Lota aza ny antony nahatonga izany.
e Novana hoe Fampiononana ny anaran’io gazety io tamin’ny 1937, ary Mifohaza! tamin’ny 1946.
[Sary, pejy 143]
Nitranga ny voalohany amin’ireo loza telo rehefa notsofina ny trompetra fahadimy
[Sary, pejy 146]
Mitsatoka ao am-pon’ny fahavalon’ny mpanjaka ny zana-tsipìkanao voaranitra. (Salamo 45:5) Izany no teny kely nanazava ilay kisarisary etsy ambony. Mitovitovy amin’io ireo sary navoaka teo anelanelan’ny 1930 sy 1940, izay nanindrona an’ireo “tsy manana ny tombo-kasen’Andriamanitra”
[Sary, pejy 147]
Ny Royal Albert Hall, namoahana ny boky Fanafahana sy nandraisana ilay fanapahan-kevitra hoe “Fitoriana ho An’ny Mpitondra eo Amin’izao Tontolo Izao”