Rahoviana no Hanomboka ny Taonarivo Fahatelo?
EFA mba renao ve ilay filazana hoe tsy hanomboka amin’ny taona 2000 ny taonarivo fahatelo, fa amin’ny taona 2001? Misy maha marina azy izany. Raha heverintsika hoe teraka tamin’ilay taona fantatra ankehitriny amin’ny hoe 1 al.f.i. i Jesosy Kristy, araka ny noheverin’ny olona sasany taloha, dia ny 31 Desambra 2000 tokoa (fa tsy 1999) no mamarana ny taonarivo faharoa, ary ny 1 Janoary 2001 no manomboka ny taonarivo fahatelo.a Amin’izao andro izao anefa, dia saiky ireo manam-pahaizana rehetra no miaiky fa tsy teraka tamin’ny taona 1 al.f.i. i Jesosy Kristy. Oviana àry izy no teraka?
Oviana i Jesosy no teraka?
Tsy mampahafantatra ny daty marina nahaterahan’i Jesosy ny Baiboly. Milaza kosa anefa izy io fa teraka “tamin’ny andron’i Heroda mpanjaka” i Jesosy. (Matio 2:1). Maro ireo manam-pahaizana momba ny Baiboly izay mino fa maty tamin’ny taona 4 al.f.i. i Heroda, ary teraka talohan’izay i Jesosy — angamba taloha be, tamin’ny taona 5 na 6 al.f.i. Ny fanatsoahan-kevitr’izy ireo momba ny nahafatesan’i Heroda dia miorina amin’ny filazana nataon’i Flavius Josèphe, mpahay tantara jiosy tamin’ny taonjato voalohany.b
Araka ny voalazan’i Josèphe, dia nisy fanakonam-bolana (éclipse de lune) taloha kelin’ny nahafatesan’i Heroda Mpanjaka. Misy manam-pahaizana momba ny Baiboly milaza fa ilay fanakonam-bolana ampahany tamin’ny 11 Martsa 4 al.f.i., no porofo fa tsy maintsy maty tamin’io taona io i Heroda. Tamin’ny taona 1 al.f.i. anefa, dia nisy fanakonam-bolana manontolo ny 8 Janoary ary nisy fanakonam-bolana ampahany tamin’ny 27 Desambra. Tsy misy afaka milaza raha ny iray tamin’ireo fanakonam-bolana tamin’ny taona 1 al.f.i. na ilay tamin’ny taona 4 al.f.i. no nasian’i Josèphe fitenenana. Noho izany, dia tsy azontsika ampiasaina mba hamaritana ny taona marina nahafatesan’i Heroda ny tenin’i Josèphe. Ary na dia afaka manao izany aza isika, dia mbola tsy ho azontsika faritana ihany ny fotoana nahaterahan’i Jesosy raha tsy misy fanazavana fanampiny.
Ny porofo mahery indrindra ananantsika momba ny daty nahaterahan’i Jesosy dia avy ao amin’ny Baiboly. Milaza ny fitantarana ara-tsindrimandry fa i Jaona Mpanao Batisa, izay zanak’olo-mpiray tam-po tamin’i Jesosy, dia nanomboka ny asa naha mpaminany azy tamin’ny taona faha-15 nanjakan’i Tiberio Kaisara, Emperora romanina. (Lioka 3:1, 2). Hamarinin’ny tantara tsy ara-pivavahana fa voatendry ho emperora i Tiberio tamin’ny 15 Septambra 14 am.f.i., koa ny faha-15 taona nanjakany àry dia ho nanomboka tamin’ny faramparan’ny taona 28 am.f.i. ka hatramin’ny faramparan’ny taona 29 am.f.i. Nanomboka ny fanompoany nandritra izany fotoana izany i Jaona, ary miharihary fa nanomboka ny fanompoany enim-bolana taorian’izay, i Jesosy. (Lioka 1:24-31). Raha ampiarahina amin’ny porofo hafa izany, dia mametraka ny fiandohan’ny fanompoan’i Jesosy ho tamin’ny fararanon’ny taona 29 am.f.i., any amin’ny ila bolan-tany avaratra.c Lazain’ny Baiboly fa “tokony ho efa telo-polo taona” i Jesosy fony izy nanomboka ny fanompoany. (Lioka 3:23). Raha 30 taona izy tamin’ny fararanon’ny taona 29 am.f.i., dia tsy maintsy teraka tamin’ny fararanon’ny taona 2 al.f.i. izy. Raha manisa roa arivo taona àry isika, manomboka amin’ny fararanon’ny taona 2 al.f.i. mankatỳ, (amin’ny fitadidiana fa tsy misy ny taona zerô, hany ka roa taona no teo anelanelan’ny taona 2 al.f.i. sy ny 1 am.f.i.), dia hitantsika fa ao anatin’ny fararanon’ny taona 1999 no mifarana ny taonarivo faharoa ary manomboka ny taonarivo fahatelo!
Zava-dehibe ve izany? Ohatra, moa ve ny fiandohan’ny taonarivo fahatelo hanamarika ny fanombohan’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Jesosy Kristy izay voaresaka ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy? Tsia. Tsy milaza ny Baiboly na aiza na aiza hoe misy ifandraisany ny taonarivo fahatelo sy ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy.
Nampitandrina ireo mpanara-dia azy i Jesosy mba tsy hanombantombana daty. Izao no nolazainy tamin’ireo mpianany: “Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren’ny Ray amin’ny fahefany ihany.” (Asan’ny Apostoly 1:7). Taloha kokoa an’izay i Jesosy dia nanambara fa na ny tenany aza tamin’izay tsy nahafantatra ny fotoana hampiharan’Andriamanitra didim-pitsarana amin’ity fandehan-javatra ratsy ity. Io fisehoan-javatra io mantsy no hanomana ny Fanapahana Arivo Taonan’i Kristy. Hoy izy: “Fa ny amin’izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin’ny lanitra aza, [ary na ny Zanaka aza,] afa-tsy ny Ray ihany.” — Matio 24:36.
Ara-dalàna ve ny anantenana fa hiverina i Kristy, 2 000 taona katroka aorian’ny daty nahaterahany tamin’ny naha olombelona azy? Tsia, tsy ara-dalàna izany. Tsy maintsy nahafantatra ny daty nahaterahan’ny tenany i Jesosy. Ary azo antoka fa hainy ny manisa 2 000 taona miainga avy amin’izany daty izany. Na izany aza, dia tsy fantany ny andro sy ny ora hahatongavany. Miharihary àry fa tsy mora faritana be toy izany ny datin’ny fiverenany! Ilay ‘andro sy fotoana’ dia eo ambany fahefan’ny Ray, izany hoe, ao amin’ilay fandaharam-potoana izay izy irery ihany no mahafantatra azy.
Ankoatra izany, i Jesosy dia tsy nandidy ny mpanara-dia azy mba hiandry azy any amin’ny toerana iray manokana voafaritra tsara. Tsy ny hiangona amin’ny toerana iray sy hiandry no nasainy nataon’izy ireo, fa ny hiparitaka “hatramin’ny faran’ny tany” kosa, ary hanao mpianatra olona avy amin’ny firenena rehetra. Mbola tsy nofoanany mihitsy izany didy izany. — Asan’ny Apostoly 1:8; Matio 28:19, 20.
Hirodana ve ny fanantenan’izy ireo momba ny taonarivo iray?
Na izany aza, dia be fanantenana ny amin’ny taona 2000 ny mpivavaka sasany miraikitra amim-pototra (fondamentalistes). Mino izy ireo fa mandritra ireo volana vitsivitsy ho avy, dia hisy ampahany amin’ny bokin’ny Apokalypsy ho tanteraka ara-bakiteny. Raha ny marina, dia ny tenan’izy ireo mihitsy no azony sary an-tsaina ho mandray anjara amin’izany fahatanterahana izany. Tondroin’izy ireo, ohatra, ilay faminaniana voarakitra ao amin’ny Apokalypsy 11:3, 7, 8, izay miresaka ny amin’ny vavolombelona roa izay maminany ao amin’ny “tanàna lehibe, izay atao, araka ny hevi-panahy, hoe Sodoma sy Egypta, sady tao koa no nanomboana ny Tompony tamin’ny hazo fijaliana”. Rehefa mahavita ny fanambarany ireo vavolombelona roa ireo dia hovonoin’ny bibidia masiaka iray izay mivoaka avy ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa iray.
Araka ny tatitra nataon’ny The New York Times Magazine tamin’ny 27 Desambra 1998, dia nisy mpitarika fivavahana iray “nilaza tamin’ireo mpanaraka azy fa izy no iray amin’ireo vavolombelona roa izay efa voalahatra hanambara ny fanapotehana ny tany sy ny fahatongavan’ny Tompo — ary avy eo izy dia hovonoin’i Satana eo amin’ny araben’i Jerosalema”. Mazava ho azy fa manahy mafy ireo manam-pahefana israelianina. Matahotra izy ireo sao hisy mahery fihetsika sasany hanandrana “hanatanteraka” ilay faminaniana samirery — na dia mety hiteraka fifandonana itanam-piadiana aza izany! Tsy mila “fanampiana” avy amin’olombelona anefa Andriamanitra mba hanatanterahana ny fikasany. Ho tanteraka avokoa ireo faminaniana rehetra ao amin’ny Baiboly, amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra sy araka izay fomba itiavany azy ihany.
Voasoratra “tamin’ny endrika famantarana” ny bokin’ny Apokalypsy. Araka ny Apokalypsy 1:1 (NW ), dia nirin’i Jesosy haseho tamin’ireo “mpanompony” (fa tsy izao tontolo izao amin’ny ankapobeny) izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana. Mba hahazoana ny hevitry ny bokin’ny Apokalypsy, ireo mpanompon’i Kristy, na mpanara-dia azy, dia hila ny fanahy masin’Andriamanitra izay omen’i Jehovah an’ireo izay mampifaly azy. Raha tokony horaisina ara-bakiteny ny bokin’ny Apokalypsy, dia ho afaka namaky azy io, sy nahazo ny heviny, na dia ny olona tsy manam-pinoana aza. Raha izany, dia tsy hilain’ny Kristianina hangatahina amin’ny vavaka ny fanahy masina mba hahatakarana ny hevitr’izy io. — Matio 13:10-15.
Hitantsika teo fa araka ny porofoin’ny Baiboly, dia manomboka amin’ny fararanon’ny taona 1999 ny taonarivo fahatelo raha ny daty nahaterahan’i Jesosy no iaingana. Hitantsika koa fa tsy misy heviny manokana na inona na inona, na io daty io, na ny 1 Janoary 2000, na ny 1 Janoary 2001. Na izany aza anefa, dia misy taonarivo iray izay mahaliana fatratra ny Kristianina. Koa raha tsy ny taonarivo fahatelo izy io, dia inona indray? Hamaly izany fanontaniana izany ny lahatsoratra farany amin’ity fitohitohizan-dahatsoratra ity.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ilay faritra voafefy mitondra ny lohateny hoe “Taona 2000 sa 2001?” ao amin’ny pejy faha-5.
b Araka ny fandaharan-taonan’ireo manam-pahaizana ireo, ny taonarivo fahatelo dia efa nanomboka tamin’ny taona 1995 na 1996.
c Raha mila tsipiriany fanampiny, dia jereo ny Étude perspicace des Écritures, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, Boky I, pejy faha-1114.
[Efajoro, pejy 5]
Taona 2000 sa 2001?
Mba hahatakarana ny antony ilazan’ny sasany fa hanomboka amin’ny 1 Janoary 2001 ny taonarivo fahatelo raha ny daty nahaterahan’i Jesosy no iaingana, dia diniho ity fanoharana ity. Aoka hatao hoe mamaky boky misy pejy 200 ianao. Rehefa tonga eo an-tampon’ny pejy faha-200 ianao dia efa nahavaky pejy miisa 199, ka mbola misy pejy iray tokony hovakina. Tsy ho vitanao ilay boky raha tsy rehefa tonga eo amin’ny faran’ny pejy faha-200 ianao. Toy izany koa fa, 999 taona amin’izao taonarivo hitsahintsika izao, araka ny fiheverana mahazatra, no ho tapitra amin’ny 31 Desambra 1999, ka mbola misy taona iray vao ho tonga ny faran’izao taonarivo hitsahintsika izao. Araka io fanisana io, dia hanomboka amin’ny 1 Janoary 2001 ny taonarivo fahatelo. Tsy midika anefa izany hoe, amin’io daty io dia ho 2 000 taona katroka no lasa hatramin’ny daty nahaterahan’i Jesosy, araka ny asehon’ity lahatsoratra ity.
[Efajoro, pejy 6]
Ny Fomba Nanaovana Ilay Famaritana Daty hoe Al.J.K.-A.D.
Tany am-piandohan’ny taonjato fahenina am.f.i., ny Papa Jean I dia naniraka moanina iray nantsoina hoe Denys le Petit mba hanao fomba fanisana iray izay hahatonga ny eglizy ho afaka hamaritra daty ofisialy ho an’ny fetin’ny Paka.
Nanomboka niasa i Denys. Nisainy niverina ny fotoana, nipaka hatrany amin’ny fotoana nahafatesan’i Jesosy, ka hatrany amin’ilay taona noheveriny fa nahaterahan’i Jesosy, ary avy eo dia nisainy nandroso amin’izay ny taona tsirairay nanomboka tamin’io taona io. Ny fe-potoana nanomboka teo amin’ny nahaterahan’i Jesosy dia notondroin’i Denys hoe “A.D.” (Anno Domini — “amin’ny taonan’ny Tompontsika”) na “ar.J.K.” (aorian’i Jesosy Kristy). Na dia nikasa fotsiny hamorona fomba azo antoka hamaritana ny fetin’ny Paka isan-taona aza i Denys, dia nampiditra tsy nahy ilay fomba fanisana ireo taona, nanomboka tamin’ny nahaterahan’i Kristy no ho mankatỳ.
Miaiky ny ankamaroan’ireo manam-pahaizana fa tsy teraka tamin’ilay taona nampiasain’i Denys ho fototry ny fanisany i Jesosy. Na izany aza anefa, ilay fomba fandaharan-taona nataony dia mahatonga antsika ho afaka hahita ny toeran’ireo zava-nitranga eo amin’ny fizotran’ny fotoana, sy ny fifandraisan’izy ireo eo amin’izy samy izy.