HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | APOKALYPSY 10-12
Maty Ireo ‘Vavolombelona Roa’ ary Velona Indray avy Eo
‘Vavolombelona roa’: Ireo rahalahy voahosotra nitarika ny vahoakan’i Jehovah tamin’ny 1914. Tamin’io no nanomboka nanjaka ny Fanjakan’Andriamanitra
Novonoina ho faty: Nogadraina izy ireo, ary tsy afaka nitarika ny asa fitoriana intsony. Nitranga izany rehefa avy nitory ‘nitafy akanjo gony’ nandritra ny telo taona sy tapany izy ireo
Novelomina indray: Navoaka ny fonja ireo rahalahy voahosotra ireo, ary afaka nitarika ny asa fitoriana indray. Nitranga izany rehefa tapitra ireo telo andro sy tapany nahafatesan’izy ireo