“Ity no andro lehibe indrindra amin’ny andro rehetra”
“Voatsindrin’ny Fanahy tamin’ny Andron’ny Tompo aho.” — APOKALYPSY 1:10.
1. “Andro” inona no iainantsika amin’izao fotoana izao, ary nahoana izany no manentana?
“ITY no andro lehibe indrindra amin’ny andro rehetra. Indro manapaka ilay Mpanjaka!” Ankehitriny dia mbola manentana antsika foana ireo teny mampihetsi-po ireo, nolazain’ny prezidà faharoan’ny Fikambanana Watch Tower tamin’ny 1922. Mampahatsiahy antsika foana izany fa miaina amin’ny vanim-potoana mahavariana indrindra teo amin’ny tantara isika, dia ilay antsoin’ny Baiboly hoe “Andron’ny Tompo”. (Apokalypsy 1:10.) Miaina amin’ny “andro lehibe indrindra amin’ny andro rehetra” tokoa isika, dia ilay, amin’ny alalan’ny Fanjakan’i Kristy, hanatanterahan’i Jehovah ireo fikasany be voninahitra sy hanamasinany ny anarany masina eo anatrehan’ny zavatra noharìna rehetra.
2, 3. a) Manao ahoana ny faharetan’ny andron’ny Tompo? b) Aiza no mety hahitantsika filazana hentitra ny amin’izany andro izany?
2 Niandoha tamin’ny 1914 io andro io rehefa nandray ny fahefan’ny Mpanjaka ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra Jesosy, ary haharitra hatramin’ny fiafaran’ny Fanjakana arivo taona izy io rehefa “hatolony [Kristy] ho an’Andriamanitra Ray ny fanjakana”. (1 Korintiana 15:24.) Niandry amim-pahadodonana hatramin’ny taonjato maro ny andron’ny Tompo ny kristiana mahatoky. Farany, tonga izany! Inona anefa no hevitr’io “andro lehibe indrindra amin’ny andro rehetra” io ho an’ny vahoakan’Andriamanitra sy izao tontolo izao amin’ny ankapobeny?
3 Amin’ireo boky rehetra ao amin’ny Baiboly, dia ny Apokalypsy no miresaka be dia be indrindra ny amin’ny andron’ny Tompo. Mahita ny fahatanterahany mandritra io andro io tokoa saika ny faminaniany rehetra. Kanefa farany fotsiny amin’ny fitohitohizam-boky ara-paminaniana miresaka ny amin’io andro io ny Apokalypsy, tahaka ny an-dry Isaia sy Jeremia ary Ezekiela sy Daniela. Matetika dia manampy antsika hahatakatra tsaratsara kokoa ny hevitr’ireo faminaniana ao amin’ny Apokalypsy ireny boky ireny. Aoka hojerentsika indrindra ny hoe ahoana no anazavan’ny bokin’i Ezekiela ny fomba ahatanterahan’ny Apokalypsy mandritra ny andron’ny Tompo.
Ireo mpitaingin-tsoavaly efatra
4. Araka ny Apokalypsy toko faha-6, inona no niseho teo am-piandohan’ny andron’ny Tompo?
4 Ohatra, ao amin’ny toko fahenina amin’ny Apokalypsy, dia mitantara fahitana mahagaga ny apostoly Jaona: “Ary hitako fa, indro, nisy soavaly fotsy, ary izay nitaingina azy dia manana tsipìka; ary nomena satroboninahitra izy; dia nivoaka izy ka naharesy sady mbola haharesy.” (Apokalypsy 6:2). Iza io mpitaingin-tsoavaly mandresy io? Tsy iza fa Jesosy Kristy nandray ny fahefan’ny Mpanjaka ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ka miriotra eo ambony soavaly mba handresy ny fahavalony (Salamo 45:3-6; 110:2). Ny dia an-tsoavaly nataony tamim-pandresena dia nanomboka tamin’ny 1914, teo am-piandohan’ny andron’ny Tompo (Salamo 2:6). Nahazo ny fandreseny voalohany izy tamin’ny fanjerana an’i Satana sy ny demoniany ho eto an-tany. Inona no vokatr’izany ho an’ny olombelona? “Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina.” — Apokalypsy 12:7-12.
5. Soavaly mahatonga alahelo inona avy moa no manaraka ilay Mpitaingin-tsoavaly fotsy, ary fahefana inona no ananan’ny tsirairay avy aminy?
5 Nisy soavaly telo mahatonga alahelo nanaraka ny soavaly voalohany, ao amin’ilay fahitana: soavaly mena mampiseho ny ady sy soavaly mainty mampiseho ny mosary ary soavaly hatsatra ka ilay mitaingina azy dia nitondra ny anarana hoe “Fahafatesana”. Momba an’io soavaly io, ny fahefatra, dia izao no vakintsika: “Ary hitako fa, indro, nisy soavaly hatsatra, ary ny anaran’izay nitaingina azy atao hoe Fahafatesana, ary ny Fiainan-tsi-hita nanaraka azy. Ary nomena fahefana tamin’ny ampahefatry ny tany ireo hamono amin’ny sabatra sy ny mosary sy ny fahafatesana sy ny bibi-dia etỳ an-tany.” — Apokalypsy 6:3-8; Matio 24:3, 7, 8; Lioka 21:10, 11.
6. Vokany inona no nentin’ny dian’ireo mpitaingain-tsoavaly telo mampahatahotra ireo teto an-tany?
6 Mifanaraka amin’io faminaniana io, hatramin’ny 1914, dia mijaly amin’ny fomba mahatsiravina noho ny ady sy ny mosary ary ny aretina ny olombelona. Nefa mamono amin’ny alalan’ny “bibi-dia etỳ an-tany” koa ilay mpitaingin-tsoavaly fahefatra. Azo hamarinina amin’ny fomba miharihary ve izany hatramin’ny 1914? Ny fandinihana faminaniana iray mitovy amin’izany ary nosoratan’i Ezekiela, dia hanampy antsika hahazo io endrik’ilay faminaniana io.
7. a) Faminaniana inona moa no notononin’i Ezekiela tamin’i Jerosalema? b) Ahoana no nahatanterahan’izany faminaniana izany?
7 Angamba dimy taona talohan’ny fandravana an’i Jerosalema tamin’ny 607 alohan’ny fanisan-taona iraisana dia naminany Ezekiela fa hihatra amin’ny Jiosy ny famaizana mahatsiravina noho ny fivadihany. Izao no nosoratany teo ambany tsindrimandrin’Andriamanitra: “Koa mainka raha alefako hamely an’i Jerosalema izao fitsarako efatra mandoza izao, dia ny sabatra sy ny mosary sy ny biby masiaka ary ny areti-mandringana, mba hahafongotra azy, na olona na biby!” (Ezekiela 14:21; 5:17). Moa ve nisy fahatanterahany ara-bakiteny ireo teny ireo tamin’izany fotoana izany? Tsy misy isalasalana fa nahita mosary sy ady Jerosalema teo am-panatonan’ny fiafarany. Ary anefa ny mosary dia miteraka aretina amin’ny ankapobeny (2 Tantara 36:1-3, 6, 13, 17-21; Jeremia 52:4-7; Fitomaniana 4:9, 10). Ary ny bibi-dia? Moa ve namely ny olona koa izy ireny tamin’izany fotoana izany? Azo inoana fa nisy biby namely ny olona na namono nahafaty azy mihitsy aza nandritra izany vanim-potoana izany satria Jeremia dia naminany fa hitranga izany. — Levitikosy 26:22-33; Jeremia 15:2, 3.
8. Nanao ahoana ny famonoana ho faty avy amin’ny bibi-dia hatramin’izao, mandritra ny andron’ny Tompo?
8 Ary amin’izao androntsika izao? Any amin’ireo tany manana dia tsy mitondra loza tahaka ny tamin’ny lasa intsony ny biby dia. Any amin’ny tany hafa kosa dia mbola mitera-pahavoazana ho an’ny olona ihany izy ireny, indrindra raha kilasina ho anisan’ny “bibi-dia etỳ an-tany” ny bibilava sy ny voay. Mahalana ny gazety milaza vaovao iraisam-pirenena no miresaka ny amin’ireny loza mahafaty olona ireny, nefa mateti-piseho ihany izany. Araka ny boky Ny planeta Tany — ny tondra-drano (anglisy), any Inde sy Pakistan dia olona maro no “maty tao anatin’ny fijaliana mahatsiravina rehefa voakaikitry ny bibilava misy poizina” raha mbola mandositra ny tondra-drano izy ireny. Manoratra ny gazety India Today fa any Bengale andrefana dia vehivavy sahabo ho enimpolo no namoy ny vadiny izay matin’ny tigra. Mety ho mbola fahita ihany izany loza izany amin’ny hoavy noho ny tsy fahampian’ny fandaminana eo amin’ny fitambaran’olona sy ny fitomboan’ny mosary.
9. Karazam-“biby” hafa inona no nitarika famonoana ho faty sy fijaliana teo amin’ny olombelona tamin’izao taonjato faha-20 izao?
9 Manisy fitenenana ny amin’ny karazam-“biby” hafa anefa Ezekiela rehefa milaza hoe: “Mikomy ny mpaminany ao aminy; tahaka ny liona mierona mamiravira haza izy; mihinana olona izy. (...) Toy ny amboadia mamiravira haza ny lehibeny ao aminy.” (Ezekiela 22:25, 27). Tena misy olona mitondra tena tahaka ny biby tokoa indraindray, ka fahoriana toy inona moa no nentin’ireny mpivelona tamin’ny haza ireny teo amin’ny olombelona tamin’izao taonjato faha-20 izao! Maro be no maty noho ny nataon’ny mpanao heloka bevava sy ny mpampihorohoro toy ny biby. Araka izany, tamin’ny fomba mihoatra ny iray, dia naka olona be dia be ny fahafatesana tamin’ny alalan’ny “bibi-dia etỳ an-tany”.
10. Manampy antsika hanavaka inona moa ny fahitan’i Jaona rehefa manisy fitenenana ny amin’ny ady sy mosary sy aretina ary bibi-dia izy?
10 Ny ady sy mosary ary ny aretina sy ireo biby izay voaresaka ao amin’ny fahitan’i Jaona dia manampy antsika hahatakatra fa ireo fahoriana hitan’i Jerosalema tamin’ny 607 alohan’ny fanisan-taona iraisana dia tokony hanana izay mifanitsy aminy maro amin’izao androntsika izao. Efa niseho tamin’ny fahoriana ho an’izao tontolo izao àry ny andron’ny Tompo, amin’ny tapany lehibe dia satria tsy nety nanaiky an’ilay Mpitaingin-tsoavaly, dia Jeosy Kristy, ilay Mpanjaka nomem-pahefana, ireo filohan’ny olombelona (Salamo 2:1-3). Inona kosa no hevitry ny andron’ny Tompo ho an’ireo izay manompo an’Andriamanitra.
Mandrefy ny tempoly Jaona
11. Baiko inona no azon’i Jaona araka ny Apokalypsy 11:1, ary tempoly inona no resahina ao amin’io andininy io?
11 Ao amin’ny Apokalypsy 11:1 dia manoratra toy izao ny apostoly Jaona: “Ary nomena volotara tahaka ny tehina aho, ka nisy nilaza tamiko hoe: Mitsangàna, ka refeso ny tempolin’Andriamanitra sy ny alitara ary isao izay mivavaka ao.” Izany fandrefesana ny haben’ny tempoly tao amin’ny fahitana izany dia manana heviny lehibe ho an’ny vahoakan’Andriamanitra. Fitoerana masina inona moa no norefesin’i Jaona? Tsy ny tempoly jiosy izay nivavahany talohan’ny nahatongavany ho kristiana akory izany. Efa nolavin’i Jehovah io tempoly io ka noravana tamin’ny taona 70 amin’ny fanisan-taona iraisana (Matio 23:37 ka hatramin’ny 24:2). Tsia, izy io kosa dia ny tempolin’i Jehovah ara-panahy lehibe. Ao amin’ny kianja etỳ an-tanin’io tempoly ara-panoharana io no anompoan’ireo kristiana voahosotra amin’ny maha-mpisorona lefitra azy. — Hebreo 9:11, 12, 24; 10:19-22; Apokalypsy 5:10.
12. Oviana no niforona io tempoly io, ary inona ireo fisehoan-javatra momba izany niseho tamin’ny taonjato voalohany?
12 Niforona tamin’ny taona 29 amin’ny fanisan-taona iraisana io tempoly io rehefa voahosotra ho mpisoronabe Jesosy (Hebreo 3:1; 10:5). Mpisorona lefitra efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy no tokony hanompo ao. Tamin’ny taonjato voalohany dia betsaka tamin’izy ireny no voafidy sy voaisy tombo-kase, ary maty nahatoky avy eo (Apokalypsy 7:4; 14:1). Rehefa maty anefa ireny kristiana voalohany ireny dia tsy avy hatrany dia natsangana ho amin’ny fiainana any an-danitra, fa nodimandry tany am-pasana (1 Tesaloniana 4:15). Ankoatra izany dia niseho ny fivadiham-pinoana lehibe taorian’ny taonjato voalohany ka fefiky ny “tsimparifary”, dia ny mpivadi-pinoana, ny kilasin’ireo kristiana voahosotra nanao fisoronana (Matio 13:24-30). Nandritra ireo taonjato nanaraka, dia azo natao tsara àry ny nanontany tena hoe: ‘Ho voaisy tombo-kase avokoa ve ireo mpisorona lefitra 144 000 indray andro any?’ ‘Hatsangana ve ireo izay maty nahatoky mba hanompo ao amin’ny fitoerana masina any an-danitra?’ Ny refin’ny lafin’ny tempoly tao amin’ilay fahitana dia manome valiny hoe “eny” amin’ireo fanontaniana ireo. Inona no anton’izany?
13. Antoka inona no omen’ny hoe nandrefy ny fitoerana masina i Jaona, ary inona no niseho teo am-piandohan’ny andron’ny Tompo?
13 Ao amin’ireo faminanian’ny Baiboly, rehefa hoe voarefy ny zavatra iray dia milaza amin’ny ankapobeny izany fa ny fikasan’i Jehovah momba azy dia tsy maintsy ho tanteraka amin’ny fomba feno (2 Mpanjaka 21:13; Jeremia 31:39; Fitomaniana 2:8). Araka izany, ny nandrefesan’i Jaona ny fitoerana masina tao amin’ny fahitana dia nanome antoka fa ny fikasan’i Jehovah momba an’io tempoly io dia ho tanteraka avokoa mandritra ny andron’ny Tompo. Mifanaraka amin’izany antoka izany ary miharihary fa hatramin’ny 1918, ny kristiana voahosotra izay efa maty nahatoky dia nanomboka natsangana mba haka ny toerana natokana ho azy ao amin’ny fitoerana masina (1 Tesaloniana 4:16; Apokalypsy 6:9-11). Inona kosa anefa no mahazo ny sisa amin’ny 144 000?
14. Inona no nitranga tamin’ireo kristiana voahosotra taloha sy nandritra ny Ady Lehibe voalohany?
14 Efa talohan’ny fiandohan’ny andron’ny Tompo, ny kristiana voahosotra izay nivoaka avy tao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana nivadi-pinoana dia nanomboka nikambana teo anivon’ny fandaminana iray niavaka. Nahazo lazam-pahatokiana tsara izy ireo tamin’ny nanambarany ny maha-lehibe ny 1914, nefa, tamin’io taona fanapahan-javatra io dia nanomboka nampahorina izy ireo, ‘nitsahina’ raha mbola nihamafy ny Ady Lehibe Voalohany. Nahatratra ny fara tampony ny fisedrana azy ireo tamin’ny 1918 rehefa natao an-tranomaizina ireo talen’ny Fikambanana Watch Tower ka efa saika nitsahatra ny fitoriana voalamina. Tamin’izany fotoana izany dia toy ny hoe ‘novonoina’ izy ireo. (Apokalypsy 11:2-7.) Inona no hevitry ny nandrefesana ny fitoerana masina ho an’ireny kristiana ireny?
15. Tamin’ny andron’i Ezekiela, inona no hevitry ny nandrefesana ny tempoly ho an’ny vahoakan’Andriamanitra?
15 Tamin’ny 593 alohan’ny fanisan-taona iraisana, 14 taona taorian’ny fandravana ny tempolin’i Jehovah tao Jerosalema, dia nahazo fahitana ny tranon’i Jehovah i Ezekiela. Nitsidika tamin’ny antsipiriany an’io tempoly io izy ary nandinika izany raha mbola norefesina tamim-pitandremana ny tsirairay avy tamin’ny lafiny (Ezekiela toko faha-40 ka hatramin’ny faha-42). Inona no hevitr’izany? Ny tenan’i Jehovah mihitsy no manazava izany: Ny fandrefesana ny tempoly dia niaraka tamin’ny fisedrana ireo anisan’ny firenen’i Ezekiela. Raha manetry tena sy mibebaka amin’ny fahotany izy ireo ka manaraka ireo lalàn’i Jehovah, dia hampahafantarina azy ny refin’ny tempoly. Izany dia toa hamporisika azy ireo hanantena fa indray andro any dia hafahana amin’i Babylona izy ireo ka hivavaka indray amin’i Jehovah ao amin’ny tempoliny. — Ezekiela 43:10, 11.
16. a) Manome antoka inona ho an’ireo mpanompon’Andriamanitra tamin’ny 1918 moa ny nandrefesan’i Jaona ny fitoerana masina? b) Ahoana no nahatanterahan’izany antoka izany?
16 Tahaka izany koa, tamin’ny 1918, raha nanetry tena ka nibebaka tamin’ny fahotany rehetra ireo kristiana ketraka dia hafahana sy hotahin’i Jehovah izy ary hanatanteraka amin’ny fomba feno ny anjara asany ao anatin’ny faritr’ireo fandaharana naseho tamin’ny alalan’ny tempoliny. Ary izany indrindra no nitranga. Araka ny Apokalypsy 11:11, dia “nijoro tamin’ny tongony izy” ireo na natsangana an’ohatra. Ny fahitana anankiray mitovitovy amin’izany, voatantara ao amin’ny bokin’i Ezekiela, dia nampiseho ny fampodiana an’ireo Jiosy tany amin’ny taniny indray (Ezekiela 37:1-14). Amin’izao androntsika izao, izany ‘fananganana’ izany dia nifanitsy tamin’ny fampiorenana indray an’ireo mpanompon’Andriamanitra izay, avy teo amin’ny toerany feno hakiviana sy saiky tsy nihetsika, dia velombelona indray sady feno faharisihana: afaka nandany hery tamin’ny fomba feno tamin’ny fanompoana an’i Jehovah izy. Nitranga tamin’ny 1919 izany ‘fananganana’ izany.
Ilay horonamboky kely
17. a) Lazalazao ny fahitana tantarain’i Jaona ao amin’ny Apokalypsy 10:1. b) Iza moa io anjely io, ary mandritra ny andro inona no tokony hahatanterahan’izany fahitana izany?
17 Ao amin’ny Apokalypsy 10:1, dia milaza i Jaona fa izy dia nahita “anjely mahery anankiray koa, nidina avy tany an-danitra sady nitafy rahona; ary ny avana dia teo amin’ny lohany, ary ny tavany dia tahaka ny masoandro, ary ny tongony tahaka ny andry afo”. Izany fahitana izany dia mampahatsiahy antsika ireo fahitana avy amin’i Jehovah izay efa nojeren’i Ezekiela sy Jaona (Ezekiela 8:2; Apokalypsy 4:3). Eto anefa i Jaona dia mahita anjely iray fa tsy Jehovah. Tokony ho ilay Zanak’i Jehovah anjely be voninahitra àry izany, dia Jesosy Kristy izay “endrik’Andriamanitra tsy hita”. (Kolosiana 1:15.) Afa-tsy izany, ny Apokalypsy 10:2 dia milazalaza an’i Jesosy voatafy fahefana lehibe, ‘ny tongony ankavanana tamin’ny ranomasina, ary ny ankaviany tamin’ny tany’. Mampiseho an’i Jesosy mandritra ny andron’ny Tompo àry ilay anjely. — Jereo Salamo 8:4-8; Hebreo 2:5-9.
18. a) Inona no nasaina nohanin’i Jaona? b) Tao amin’ny fahitana iray mitovy amin’izany, inona no nasaina nohanin’i Ezekiela, ary inona no vokany?
18 Ao amin’io fahitana be voninahitra io dia mitana horonamboky kely eny an-tanany i Jesosy ary asaina Jaona mba handray sy hihinana izany (Apokalypsy 10:8, 9). Tamin’izay i Jaona dia nanao zavatra nitovitovy tamin’i Ezekiela, izay nahazo baiko koa mba hihinana horonamboky iray tao amin’ny fahitana. Raha ny amin’i Ezekiela, dia ny tenan’i Jehovah mihitsy no nanolotra azy ny horonamboky. Hitan’io mpaminany io fa “fitomaniana sy fidradradradrana sy loza no voasoratra teo”. (Ezekiela 2:8-10.) Hoy izy: “Dia nihinana aho, ka mamy tao am-bavako toy ny tantely izy.” (Ezekiela 3:3). Inona no hevitry ny nihinanany an’io horonamboky io ho an’i Ezekiela?
19. a) Mampiseho inona moa ny nihinanan’i Ezekiela ilay horonamboky? b) Ho an’iza avy moa ireo hafatra mangidy tokony hotorin’i Ezekiela?
19 Mazava fa nirakitra faminaniana azo tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra ilay horonamboky. Tamin’ny fihinanana izany dia nanaiky ny fanirahana azy mba hanambara ireny faminaniana ireny i Ezekiela, ary izany no nataony ka dia tonga tapany tamin’ny tenany mihitsy ireny (jereo Jeremia 15:16). Nefa tsy mamy ho an’ny hafa ny tao anatin’ny horonamboky. Feno “fitomaniana sy fidradradradrana sy loza” tokoa ilay horonamboky. Ho an’iza moa izany hafatra mangidy izany? Izao aloha no nolazaina tamin’i Ezekiela: “Ry zanak’olona, andeha mankany amin’ny taranak’Isiraely ka lazao aminy ny teniko.” (Ezekiela 3:4). Tato aoriana, dia nitatra ka nahakasika ireo firenena mpanompo sampy teo amin’ny manodidina ny hafatr’i Ezekiela. — Ezekiela toko faha-25 ka hatramin’ny faha-32.
20. Inona no niseho rehefa nihinana ilay horonamboky kely i Jaona, ary inona no vokany?
20 Raha ny momba an’i Jaona koa, dia nisy vokany mitovy amin’izany ny fihinanany ilay horonamboky. Hoy ny fitantarany: “Dia noraisiko ilay boky kely teny an-tànan’ny anjely ka nohaniko avokoa; ary raha mbola teo am-bavako izy, dia mamy tahaka ny tantely, kanjo nony voateliko, dia nangidy ny kiboko.” (Apokalypsy 10:10). Toa mamy tamin’i Jaona koa ilay horonamboky. Tohina izy satria tonga anisan’ny tenany ny tenin’i Jehovah. Nefa koa nanam-peo mafaitra kokoa ilay hafatra. Ho an’iza moa? Omena antsika ny valiny amin’ireto teny nolazaina tamin’i Jaona ireto: “Tsy maintsy maminany indray hianao ny amin’ny olona maro sy ny firenena maro sy ny fiteny maro ary ny mpanjaka maro.” — Apokalypsy 10:11.
21. a) Asa inona mifanitsy amin’ny fihinanan’i Jaona ilay horonamboky kely no natombok’ireo kristiana voahosotra tamin’ny 1919, ary inona no vokany? b) Vokany inona no nentin’izany asa izany teo amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana sy teo amin’izao tontolo izao amin’ny ankapobeny?
21 Tamin’ny fomba ahoana no nahatanterahan’ireny sary ara-paminaniana rehetra ireny nandritra ny andron’ny Tompo? Araka ny anehoan’ireo fitrangan-javatra ara-tantara izany, dia tamin’ny 1919 no nandraisan’ireo kristiana mahatoky tamin’ny fomba feno ny tombontsoa hanompo an’i Jehovah, hany ka tonga anisan’ny tenany izany asa izany, ary tsapany ho tena mamy izany. Ny tombontsoany voatahy anefa dia niharihary ho nangidy ho an’ny hafa, indrindra ho an’ny klerjin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Noho ny antony inona? Satria ireny kristiana voahosotra mahatoky ireny dia nanambara tamin-kerim-po ny hafatr’i Jehovah iray manontolo nahakasika ny olombelona. Tsy nitory fotsiny ny “vaovao tsaran’ny fanjakana” izy, fa nanambara koa ny toe-pahafatesana ara-panahy nisy ny fivavahana lazaina fa kristiana sy izao tontolo izao amin’ny ankapobeny. — Matio 24:14, MN; Apokalypsy 8:1 ka hatramin’ny 9:21; 16:1-21.
22. a) Hatramin’izao, mandritra ny andron’ny Tompo, tamin’ny fomba mahatalanjona ahoana moa no nampiasan’i Jehovah ireo kristiana voahosotra? b) Ahoana moa no nisehoan’ny andron’ny Tompo ho an’izao tontolo izaon’i Satana etsy an-daniny, ary ho an’ny mpanompon’i Jehovah etsy an-kilany?
22 Jehovah dia nampiasa ireny kristiana mahatoky ireny mba hanangona ny farany amin’ireo 144 000 sy hanisiany tombo-kase eo aminy, ary izy ireny no voalohany nanangona ny olona betsaka, izay ny fanantenany dia ny hiaina tsy hisy fahataperany eto ambonin’ny tany (Apokalypsy 7:1-4, 9, 10). Manana anjara asa lehibe izany olona betsaka izany amin’ny fanatanterahana ireo fikasan’i Jehovah momba ny tany, ary ny fisehoany dia nahatonga fifaliana lehibe na tany an-danitra na teto an-tany (Apokalypsy 7:11-17; Ezekiela 9:1-7). Araka izany, “ny andro lehibe indrindra amin’ny andro rehetra” dia efa niseho sahady tamin’ny fahoriana ho an’izao tontolo izaon’i Satana, fa tamin’ny soa lehibe kosa ho an’ny mpanompon’i Jehovah. Aoka hojerentsika izao hoe amin’ny ahoana no ho toy izany hatrany ihany amin’ny tohin’ny andron’ny Tompo.
Ho azonao hazavaina ve?
◻ Inona moa ny andron’ny Tompo?
◻ Famonoana olona manao ahoana moa no nataon’ny “bibi-dia etỳ an-tany” nandritra ny andron’ny Tompo?
◻ Antoka inona no omen’ny hoe nandrefy ny fitoerana masina i Jaona?
◻ Mampiseho inona ho an’ny sisa voahosotra tamin’ny 1919 moa ny nihinanan’i Jaona ny horonamboky kely?
◻ Hatramin’izao, inona no hevitry ny andron’ny Tompo ho an’ny vahoakan’Andriamanitra sy ho an’izao tontolo izao amin’ny ankapobeny?
[Sary, pejy 13]
Ny hoe nandrefesan’i Jaona ny tempoly, dia manome antoka mafy orina ho an’ny kristiana voahosotra mandritra ny andron’ny Tompo.