Fitsapana sy fanasivanana amin’izao androntsika izao
“Iza no hahazaka ny andro fiaviany, ary iza no hahajoro hatrany rehefa hiseho izy?” — MALAKIA 3:2, MN.
1. Rehefa tonga tao amin’ny tempoliny ara-panahy Jehovah tamin’izao androntsika izao, inona no tsapany? Mametraka fanontaniana hoe ahoana izany?
“NY TENA Tompo” dia tonga tao amin’ny tempoliny ara-panahy narahin’ny “iraky ny fanekena” nalefany, taoriana kelin’ny niorenan’ilay Fanjakana tany an-danitra tamin’ny 1914. Inona no tsapan’i Jehovah tamin’izay? Nila ny hodiovina sy hofotsina ireo mpanompony. Kanefa moa ve izy ireo hanaiky an-tsitrapo ny fanaovan-javatra toy izany ka hizaka ny fanadiovana ilaina hatao, amin’ny fandaminany, ny asany, ny fampianarany sy ny fitondrantenany? Izao no nosoratan’i Malakia: “Iza no hahazaka ny andro fiaviany, ary iza no hahajoro hatrany rehefa hiseho izy?” — Malakia 3:1, 2, MN.
2. Iza moa, amin’izao androntsika izao no “taranak’i Levy” resahina ao amin’ny Malakia 3:3?
2 Iantsorohan’i Jehovah ny andraikitra hanadio sy hamotsy “ny taranak’i Levy”. (Malakia 3:3.) Teo amin’ny Isiraely fahiny dia noraisina tao amin’ny fokon’i Levy ireo mpisorona sy ireo mpanompo tao amin’ny tempoly. Ireny “taranak’i Levy” ireny dia mifanitsy amin’izao andro izao amin’ny fitambaran’ny kristiana voahosotra izay manompo amin’ny maha-mpisorona eo ambany fitarihan’i Jesosy Kristy Mpisoronabe (I Petera 2:7-9; Hebreo 3:1). Izy ireo no voalohany niharam-pitsapana rehefa tonga tao amin’ny tempoliny ara-panahy niaraka tamin’ny ‘iraky ny fanekena’ nalefany Jehovah. Inona anefa no porofo ananantsika fa nitranga izany fanadiovana izany nanomboka tamin’ireo andro faran’ny Ady Lehibe Voalohany?
Fotoam-pitsapana mafy
3. Nanao ahoana moa, tamin’ny lohataonan’ny 1918, ny toe-piainan’ireo vavolombelon’Andriamanitra?
3 Rehefa niaraka tamin’ny “iraky ny fanekena” tao amin’ny tempoly ara-panahy Jehovah, dia tsapany fa nila ny hofotsina sy hodiovina ny sisa tamin’ny kristiana voahosotra. Ohatra, Ny Tilikambo Fiambenana (frantsay) dia namporisika ny mpamaky azy hanao ny 30 may 1918 ho andro hanaovana vavaka ho an’ny fandresen’ireo fanjakana demokratika, araka ny nangatahin’ny Kongresy amerikana sy ny prezidà Wilson. Izany dia fandikana ny toeram-pialanalanany kristiana. — Jaona 17:14, 16.
4. Fanenjehana inona moa no nihatra tamin’ireo mpanompon’i Jehovah?
4 Nampihatra fanerena mafy teo amin’ireo mpanompon’i Jehovah voahosotra ny klerjy sy ireo fitondram-panjakana. Rehefa nampangaina tamin’ny fomba tsy marina ho nikomy izy ireo, dia nampiseho ampahibemaso ny tsy fananany tsiny. Ny 7 may 1918 anefa, dia nosamborina ny mpikambana valo tao amin’ny fitondrana sy fanoratan’ny Fikambanana Watch Tower, ka anisan’izany ny prezidà, Joseph Rutherford. Ny fitsarana azy ireo dia nanomboka ny alatsinainy 3 jona. Ny 20 jona, dia niaiky ny fitambaran’olona mpitsara fa meloka izy ireo noho ny anton-javatra efatra niampangana, ary ny 4 jolay, ireny kristiana nanolo-tena ho an’Andriamanitra ireny dia nentina tamin’ny fiarandalamby ho any amin’ny tranomaizin’i Atlanta, any Géorgie (Etazonia).
5. Nahoana moa no niharihary fa tsy maintsy nandalo tamin’ny fanasivanana ireo mpanompon’Andriamanitra, ary inona no mampiseho fa tena nitranga tokoa izany?
5 Tamin’ny lohataonan’ny 1918, ny fitoriana ampahibemaso ho fanohanana ny Fanjakan’i Jehovah nataon’ny kristiana voahosotra, izay nahery sy voalamina tsara teo aloha, dia nihena hery aoka izany. Toy ny hoe ‘maty’ ireny kristiana ireny raha ny amin’ny asany ampahibemaso (Apokalypsy 11:3, 7). Tamin’ny andron’ireo fivoriambe nalamin’ny Fikambanana tamin’io lohataona io, dia nisy mpivadi-pinoana niendaka taminy ary namorona antoko ara-pivavahana mpanohitra. Nampiseho ny toetoetra mampiavaka ny “mpanompo ratsy fanahy” ireny mpivadi-pinoana ireny ka ‘nokororohina’ toy ny “akofa”, mba ho tafasaraka amin’ny sisa amin’ireo mpanompo mahatokin’i Jehovah (Matio 3:12; 24:48-51). Nankalazaina ny alahady 13 aprily 1919 ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy tany amin’ny tany maro. 17 961 ny isan’ny mpanatrika. Io isa io dia latsaka 3 000 mahery noho ny tamin’ny 1917 izay tsy feno anefa; izany no vokatry ny fanasivanana nitranga.
6. Nahoana moa no azo atao ny milaza fa rehefa namela ny hisian’ny fitsapana toy izany Jehovah dia nikendry ny fitahiana ny vahoakany?
6 Matoa navelan’i Jehovah handalo fitsapana mafy toy izany anefa ireo mpanompony, dia satria nikendry ny hitahy azy ireo izy. Tsy nahafoy azy ireo tanteraka mihitsy izy. Araka izany, ny talata 25 martsa 1919, dia nafahana nasiana antoka Joseph Rutherford sy ireo mpiara-miasa taminy fito, ary nohamarinina tanteraka tatỳ aoriana. Ho an’ireo izay tafavoaka voadio avy amin’izany vanim-potoam-pitsapana izany, dia tonga tampoka ny fahafahana. “Nisy fanahin’aina avy tamin’Andriamanitra niditra tao anatin’ireo, ary nijoro tamin’ny tongony izy’, vonona ny hiasa. — Apokalypsy 11:11.
7. a) Inona no nataon’ireny vavolombelona ireny rehefa avy narenin’Andriamanitra indray? b) Inona no vokatr’izany fanadiovana sy famotsiana izany?
7 Inona no hataon’izy ireo izao? Nandini-tena ireo anisan’ny sisa izay nahaforona an’io kongregasiona kristiana tafarina indray io. Nivavaka tamin’i Jehovah izy ireo mba hamela ny fahotana nataon’izy ireo tamin’ny fanekeny lembenana (jereo Salamo 106:6; Isaia 42:24). Avy eo, rehefa nodiovina izy ireo izao dia nandroso. Rehefa nofotsina tsy izany ny sisa nahatoky dia ‘tonga vahoaka mpanatitra fanatitra amim-pahamarinana ho an’i Jehovah’. (Malakia 3:3.) Nanjary nankasitrahany ny fanati-piderana ara-panahy natolotr’ireny kristiana ireny ho an’Andriamanitra (Hebreo 13:15). Faly izy ireo satria tapitra ny vanim-potoana fohy nanehoan’i Jehovah ny tsy fahafaliany, ary natoky izy ireo fa hankasitrahany ny asa hataon’izy ireo amin’ny ho avy (Isaia 12:1). Tamin’ny 1 ka hatramin’ny 8 septambra 1919, dia nisy fivoriambe nahafaly tokoa tany Cedar Point (Etazonia), nanisana mpanatrika 7 000, izay natao batisa ny 200. Izany rehetra izany dia porofo fa nisy fampiverenana tamin’ny laoniny nitranga ary nirina ny hanatanteraka asa fitoriana sitrak’i Jehovah.
8. a) Manao ahoana ny mahavoakasika antsika amin’izany dingana fanadiovana sy famotsiana izany amin’izao andro izao? b) Ankoatra ny “taranak’i Levy” amin’izao andro izao, olona hafa iza koa moa no tsy maintsy mandalo fotoam-pitsapana sy fanasivanana?
8 Nanao ahoana ny nahakasihan’izany ny olon’Andriamanitra amin’izao andro izao? Araka ny faminaniana, Jehovah, arahin’ny irany, dia “hipetraka handrendrika sy hanadio”. (Malakia 3:3.) Araka izany, dia hitohy ny dingana famotsiana sy fanadiovana, ary “hipetraka” sy handinika amim-pitandremana Jehovah. Ny nivoahan’ny sisa amin’ireo mpanompony mahatoky tamin’ny vanim-potoam-pitsapana mafy teo am-piandohan’ny taonjato dia tsy milaza akory fa nahavita ny fanadiovana azy ireo ilay Mpanadio lehibe. Nitohy mandraka ankehitriny ny fotoam-pitsapana sy fanasivanana. Mbola ao amin’ny tempoliny foana Jehovah, mipetraka mba hitsara. Tsy “ny taranak’i Levy”, dia ny sisa amin’ny kristiana voahosotra, ihany akory no nodioviny. Ny faminanian’i Malakia dia nampiharihary ny fiheveran’Andriamanitra ny “vahiny”, izay mifanitsy amin’ny “olona betsaka” manana fanantenana ny hiaina mandrakizay eto an-tany (Malakia 3:5; Apokalypsy 7:9, 10). Marina tokoa fa tao anatin’ireo 69 taona lasa dia nahita fanadiovana foana ireo mpanompon’i Jehovah tamin’ny lafiny efatra.
Nodiovina tamin’ny lafin’ny fandaminana
9. Inona moa no sasantsasany amin’ireo fanovana nitranga miandalana tamin’ny lafin’ny fandaminana nanomboka tamin’ny 1919?
9 Voalohany indrindra, dia natao ny fanadiovana noho ny fahatakarana vaovao ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly sy ny fampiharana miandalana izany tao amin’ny kongregasiona maneran-tany. Nilaina ny hanafoanana tsikelikely ireo fomba demokratika teo amin’ny fitondrana ny raharahan’ny kongregasiona. Jereo eto ambany ny fomba nanaovana izany miandalana.
1919: Natomboka ny fanendren’ny Kolejy foibe rehefa nanendry mpitondra ny asa naharitra ny foibe iraisam-pirenen’ny Fikambanana Watch Tower isaky ny kongregasiona mba hanara-maso ny asa fitoriana.
1932: Tsy nofidina isan-taona intsony ireo loholona sy diakona; ireny lehilahy ireny, nofidin’ny kongregasiona, hatramin’izao dia nosoloana komitin’asa izay manampy ny mpitondra ny asa voatendrin’ny Fikambanana.
1937: Nekena fa afaka miantsoroka andraikitra ao anatin’ny kongregasiona ny “Jonadaba [kristiana manana fanantenana ny hiaina eto an-tany]”.
1938: Ny mpiandraikitra rehetra sy ireo mpanampy azy dia tokony hotendren’ny Fikambanana amin’ny fomba teokratika.
1972: Naseho mazava fa, araka ny Soratra masina, ny kongregasiona tsirairay avy dia tsy tokony hoentin’ny kristiana matotra iray monja, fa kolejin’ny loholona tendren’ny Fikambanana.
1975: Fametrahana tamin’ny toerany an’ireo komitin’ny Kolejy foibe mba hiantsoroka andraikitra samihafa; tsy lehilahy iray monja no hanao ireo fanapahan-kevitra, na dia eo anivon’ny komity iray aza, kanefa hitovy lanja ny feon’ny rehetra, ary ny rehetra dia hitady, ao anatin’ny firaisan-tsaina, ny fitarihan’i Jesosy Kristy.
10. a) Inona no vokatr’ireny fanovana ireny? b) Manao ahoana ny fihetseham-ponao ny amin’izany?
10 Inona no vokatr’izany fanovana izany? Tsy azo lavina fa lehibe tokoa ny fitahian’i Jehovah, araka ny porofoin’ny fitomboan’ny isan’ireo mpivavaka aminy sy ny fandrosoan’izy ireo ara-panahy (jereo Asan’ny apostoly 6:7; 16:5). Marina fa ny mpiandraikitra vitsivitsy sy ny kristiana hafa dia nailika noho izany fanasivanana izany, satria izy ireny tsy tia ny hanaiky tamim-pahatokiana ny fomba fanaovan-javatra nomanin’Andriamanitra. Niseho ho nankatò anefa ny ankamaroan’ny mpanompon’i Jehovah ary nanaiky izany fanatsarana tamin’ny lafin’ny fandaminana izany (Hebreo 13:17). Tsapan’izy ireny fa tamin’izany fanovana izany, ilay Mpanadio lehibe dia nitarika azy ireny hanaraka akaiky kokoa ireo fomba nolazalazain’ny Soratra Masina ho an’ireo kongregasiona.
Ny fitoriana
11. Nitafy miandalana endriny nanao ahoana avy moa ny fitoriana tao anatin’izao am-polony taona maromaro farany izao?
11 Faharoa manaraka izany, dia nisy fanadiovana tamin’ny alalan’ny fitsapana nifandray tamin’ny fandraisana anjara amin’ny fitoriana.
1922: Izay rehetra miaraka amin’ireo kongregasiona dia namporisihina handray anjara amin’ny fitoriana isan-trano. Navoaka isam-bolana ny Bulletin (Ny Fanompoana ilay Fanjakana amin’izao andro izao) izay nanome toromarika ho amin’ny asa.
1927: Natomboka ny fitoriana tsy tapaka isan-trano ny alahady; nozaraina ny boky sy bokikely ho takalon’ny fandraisana anjara kely.
1937: Famoahana ny bokikely voalohany Fianarana halain-tahaka amin’ny fampianarana Baiboly any an-tokantrano.
1939: Fiezahana manokana voalohany mba hanolorana famandrihana herintaona tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana; famandrihana vaovao 93 000 mahery no voamarika.
1940: Nosantarina ny fampielezana gazety eny amin’ny arabe.
Taorian’izany ny fitoriana ampahibemaso dia nitatra tamin’ny endriny vaovao, toy ny fiverenana mitsidika sy ny fampianarana Baiboly any an-tokantrano.
12. a) Inona no vokatr’izany fanatsarana izany teo amin’ny lafin’ny fitoriana? b) Ahoana no azontsika ampisehoana ny tsy fivadihantsika amin’ny fomba nanadiovan’i Jehovah ny olony?
12 Inona no vokatr’izany? Tao anatin’ireo taona, ny kristiana sasany dia nailika tamin’ny alalan’izany fanasivanana izany, satria izy ireny tsy vonona ny hanome vokatra (Jaona 15:5). Ny ankamaroan’ireo mpanompon’i Jehovah anefa dia namaly ny fanasana ka tonga mpitory ilay Fanjakana. Nitombo ilay antokon’olom-bitsy nisy mpitory latsaka ny 8 000 tamin’ny 1919, hany ka tamin’ny 1986, dia nomarihina ny tampon’isan’ny mpitory ilay Fanjakana 3 229 022. Inona koa no holazaina ny amin’ny fanompoana manontolo andro? Tamin’ny lohataonan’ny 1919, dia nisy “colporteurs” (na mpitory maharitra) 150 niasa; tamin’ny taona lasa dia nomarihina tamin’ny ara-keviny ny isan’ny mpitory maharitra 391 000 isam-bolana, tarehi-marika tsy mbola tratra mihitsy teo amin’ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny. Rehefa mandray anjara amim-paharisihana amin’ny fitoriana ny vaovao tsara isika, dia mampiseho ny fanohanantsika amim-pahatokiana ny fomba nanadiovan’i Jehovah hatrany ny vahoakany. — I Korintiana 9:16.
Fahazavana mitombo
13. Manomeza ohatra vitsivitsy ny amin’ny fomba nanazavan’i Jehovah ny olony.
13 Fahatelo, ny olon’Andriamanitra dia nodiovina satria nosedraina raha ny amin’ny fanarahany ny fahazavana ara-panahy nitombo avy amin’ny Baiboly (Ohabolana 4:18). Nanomboka tamin’ny 1919, dia nisy tena onjam-pahamarinana azo kokoa tsy nitsahatra ny nikoriana.
1925: Fantatra mazava fa misy fandaminana roa miavaka sy mifanohitra: ny an’i Jehovah sy ny an’i Satana.
1931: Noraisina ny anarana vaovao hoe Vavolombelon’i Jehovah.
1935: Takatra fa ny “olona betsaka” voalaza ao amin’ny Apokalypsy 7:9-15 dia kilasin’olona natao ho eto an-tany.
1941: Naseho fa tamin’ny fikomiany dia notoherin’i Satana talohan’ny zavatra rehetra ny maha-ara-drariny ny fanapahan’i Jehovah eo amin’izao rehetra izao.
1962: Ny “fahefana lehibe” voalaza ao amin’ny Romana 13:1 dia fantatra ho fitondram-panjakana eo amin’izao tontolo izao izay tokony heken’ny kristiana amin’ny fomba voafetra.
1986: Takatra fa ireo anisan’ny sisa toy ireo anisan’ny olona betsaka, raha lazaina ara-panoharana, dia tokony hanana anjara amin’ny ra sy ny nofon’i Jesosy amin’ny fanekena ny sorony mba hifanarahana aminy. — Jaona 6:53-56.
Tato anatin’ny am-polony taona maro faramparany, arakaraka ny nanazavan’i Jehovah ireo mpanompony, dia nanjary niharihary fa ny kongregasiona dia tokony hitoetra ho fandaminana madio sy mialanalana, izay manaja ny fahamasinan’ny ra. — I Korintiana 5:11-13; Jaona 17:14, 16; Asan’ny apostoly 15:28, 29.
14. a) Nanao ahoana ny fandraisan’ireo mpanompon’i Jehovah izany fanazavana miandalana izany? b) Inona ny fahavononantsika eo anoloan’ny fomba fampitana hevitra nofidin’i Jehovah?
14 Nanao ahoana ny fandraisan’ireo mpanompon’Andriamanitra izany fanazavana niandalana izany? Tao anatin’ireny taona ireny, ny sasany dia tsy nanaiky fanovana sasany. ‘Nokororohina’ àry izy ireny. (Matio 3:12.) Ireo mpanompo mahatokin’i Jehovah kosa anefa dia faran’izay sambatra nahazo izany fahazavana ara-panahy mitombo izany. Amin’ny fotoana androsoan’ny fivavahana lazaina fa kristiana mitsapatsapa ao anatin’ny fahamaizinana ara-panahy, ny lalan’ny mpanompon’i Jehovah dia mihamazava. Moa àry ve isika tsy tokony ho tapa-kevitra ny hifikitra mafy hatrany amin’ny fomba fampitana hevitra ampiasain’i Jehovah, ka hanaiky izany fanazavana miandalana rehetra izany ho toy ny “hanina [raisina] amin’ny fotoana”? — Matio 24:45.
Aoka hariantsika ireo fanao maloto
15. Ahoana no nanadiovan’i Jehovah tsikelikely ireo mpanompony tamin’ireo fanao maloto sy babyloniana?
15 Fahefatra, nisy fanadiovana rehefa nanjary voatery nariana ireo fanao maloto na babyloniana. Tao anatin’ireo taona 1920, ny olon’Andriamanitra dia nitsahatra tsy nankalaza ny Noely mbamin’ny fety hafa izay naseho fa avy amin’ny mpanompo sampy. Tamin’ny 1945, dia nohazavaina ny hoe tokony hanao ahoana ny fihetsiky ny kristiana eo anoloan’ny fampidiran-dra. Tao anatin’ireo taona 1960 sy 1970, raha mbola nikororosy hatrany ny toe-pitondrantenan’izao tontolo izao, Ny Tilikambo Fiambenana dia tsy nitsahatra nanome ho an’ireo mpanompon’Andriamanitra torohevitra hentitra ny amin’ny raharaha toy ny fitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy sy ny ilàna hanafa-tena amin’ny paraky sy sigara mbamin’ny zavatra mahadomelina hafa.
16. Ahoana no tokony hiheverana ireo fanovana nokendrena hampanariana antsika ireo fanao maloto?
16 Mazava ho azy fa ny fanazavana toy izany, mifandray amin’ireo fanao maloto, dia matetika no nisedra ny fahatokian’ireo mpanompon’Andriamanitra. Kanefa, ireo izay nanao ny fiovana nilaina dia nahatsapa fa nanampy azy ireny hiala tamin’ny fitafiana voaloto izany (Kolosiana 3:9, 10). Takatr’izy ireny fa na dia nety ho hita fa toa tsy mampaninona aza ny fanao ampiarahina amin’ny fety sasany, dia ilaina ny miahy ny amin’ny fomba fijerin’i Jehovah, dia izy izay afaka nandinika hoe fanao ara-pivavahan’ny mpanompo sampy inona no niandohan’ireny fanao ireny. Fa raha ny amin’ireo fepetra ara-pitondrantena takin’Andriamanitra, ireny kristiana ireny dia nihevitra izany ho toy fiarovana fa tsy ho toy ny fameperana. Tamin’izany izy ireo dia notahin’i Jehovah satria nanjary nadio. Raha hitany ho sarotra raisina ny fiovana tokony hatao iray, dia nametraka ny fitokisany tamin’i Jehovah izy, noho ny fahafantarana fa ‘mampianatra antsika hahita soa’ izy. — Isaia 48:17.
17, 18. a) Ahoana moa no itsapan’ilay Mpanadio lehibe ny tsirairay avy amintsika? b) Inona no tokony ho fahavononantsika raha mbola miandry ny andron’i Jehovah isika?
17 Isan-taona isan-taona Jehovah dia manohy manadio sy mamotsy ny olony. Amin’ny fitambarany, dia neken’ireo izany fanadiovana izany na tamin’ny fandaminany izany, na tamin’ny asany, ny fampianarany na ny fahadiovany ara-pitondrantena. Ahoana ny amin’ny tsirairay avy amintsika isam-batan’olona? Amin’ny alalan’ny fandaminany, Jehovah dia manohy mizara amintsika, “ventin-kanina” izay mitari-dalana antsika sy manadio ny fontsika. Sedraina sy dinihina ny fikasantsika (Hebreo 4:12; 5:14). Raha manaraka fihetsika tsara eo anoloan’ny fanadiovana sy ny famotsiana ataon’ilay Mpanadio lehibe isika dia hitoetra ho madio raha mbola miandry “ny andron’i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra”. — Malakia 3:23.
18 Misaotra an’i Jehovah, “ilay tena Tompo”, sy Jesosy Kristy, “iraky ny fanekena” nalefany, izay manadio sy mamotsy antsika amin’izao fotoam-pitsapana sy fanasivanana izao isika. Enga anie isika rehetra samy ho tapa-kevitra ny hanohy handeha ao amin’ny lalana madio sy milamin’i Jehovah eo ambany fitarihan’ilay “Andrian’ny fiadanana”, Jesosy Kristy, ka amin’izany dia hiaro ny fifandraisantsika sambatra amin’i Jehovah! — Isaia 9:5; Salamo 72:7.
Ahoana no nanadiovan’i Jehovah ireo mpanompony raha ny amin’ny ...
◻ fanovana teo amin’ny lafin’ny fandaminana?
◻ ny fandraisana anjara amin’ny fitoriana
◻ ny fihetsika eo anoloan’ny fanazavana miandalana?
◻ ny fanariana ireo fanao maloto?
[Teny notsongaina, pejy 16]
Rehefa nodiovina sy nofotsina ny sisa nahatoky dia ‘tonga vahoaka mpanatitra fanatitra amim-pahamarinana ho an’i Jehovah’.
[Teny notsongaina, pejy 19]
Isan-taona isan-taona Jehovah dia manohy manadio sy mamotsy ireo mpanompony.
[Sary, pejy 17]
Fahiny, ireo mpanadio metaly dia nanaisotra tamin’izany ny lotony na tain-drendriny. Toy izany koa fa avelan’i Jehovah hosedraina sy hosivanina ny olony mba hanadiovana azy.
[Sary, pejy 18]
Ny sasany ‘nokororohina’ sy nariana, tahaka ny “akofa”, fa ireo mpanompo mahatokin’i Jehovah kosa dia manaiky amim-pifaliana ny fahazavana ara-panahy mitombo.
[Sary nahazoan-dalana]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.