Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-27 — Daniela
Mpanoratra: Daniela
Toerana Nanoratana: Babylona
Vita Tamin’ny: 536 al.f.i. tany ho any
Fe-potoana Voafaoka: 618 al.f.i. – 536 al.f.i. tany ho any
1. Karazana tantara inona no raketin’ny Daniela, ary inona no asongadiny?
AMIN’IZAO andro maha-eo am-bavahoana ny firenena rehetra amin’ny tany izao, dia mitarika ny saina ho amin’ny hafatra ara-paminaniana lehibe dia lehibe ny bokin’i Daniela. Raha miorina amin’ny firaketana an-tsoratra nataon’ny vavolombelona nanatri-maso momba ny tantaran’ny fanjakan’Andriamanitra tandindona (ny tarana-mpanjaka davidika) ny bokin’i Samoela sy ny Mpanjaka ary ny Tantara ao amin’ny Baiboly, ny Daniela kosa dia mifantoka amin’ireo firenen’izao tontolo izao. Manome fahitana mialoha ny amin’ny ady ho an’ny fahefana ataon’ireo tarana-mpanjaka lehibe nanomboka tamin’ny andron’i Daniela ka hatramin’ny “andro farany” mihitsy, koa izy io. Tantaran’izao tontolo izao nosoratana mialoha izy io. Mitarika ho amin’ny fiafarana maharevo ny saina aoka izany izy io rehefa mampiseho izay hitranga ‘atỳ am-parany’. Toa an’i Nebokadnezara, ireo firenena dia tsy maintsy ho voa vao hahafantatra “fa ny Avo Indrindra no [Mpanapaka, NW ] amin’ny fanjakan’ny olona”, ary koa fa amin’ny farany dia homeny ho an’ny olona iray “toy ny zanak’olona”, ny Mesia sady Andriana, dia i Kristy Jesosy, izany. (Dan. 12:4; 10:14; 4:25; 7:13, 14; 9:25; Jaona 3:13-16). Raha mandinika akaiky ireo fahatanterahana ara-paminanian’ny boky ara-tsindrimandrin’i Daniela isika, dia hahatakatra amin’ny fomba feno kokoa ny herin’i Jehovah haminany sy ireo toky nomeny fa hiaro sy hitahy ny vahoakany izy. — 2 Pet. 1:19.
2. Inona no manamarina fa i Daniela dia olona tena nisy, ary nandritra ny fe-potoana feno fisehoan-javatra toy inona no naminaniany?
2 Nomena ny anaran’ny mpanoratra azy ilay boky. Ny hevitry ny hoe “Daniela” (Hebreo: Da·ni·yeʼlʹ ) dia hoe “Ny Mpitsara Ahy dia Andriamanitra”. I Ezekiela, izay niaina tamin’io fotoana io koa, dia nanamarina fa olona tena nisy i Daniela, tamin’ny fanononana azy niaraka tamin’i Noa sy i Joba. (Ezek. 14:14, 20; 28:3). Ny daty nomen’i Daniela ny fiandohan’ny bokiny dia “ny taona fahatelo nanjakan’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda”. Izany dia ny taona 618 al.f.i., ny taona fahatelo naha-mpanjaka niankina tamin’i Nebokadnezara an’i Joiakima.a Ireo fahitana ara-paminanian’i Daniela dia nitohy hatramin’ny taona fahatelo nanjakan’i Kyrosy, tamin’ny 536 al.f.i. tany ho any. (Dan. 1:1; 2:1; 10:1, 4). Taona feno fisehoan-javatra toy inona moa no voafaokan’ny androm-piainan’i Daniela! Ireo taona voalohany tamin’ny fiainany dia nolaniny teo ambanin’ny fanjakan’Andriamanitra tany Joda. Avy eo, tamin’ny naha-andriana mbola zatovo azy, niaraka tamin’ireo namany jodiana ambony razana, dia nentina tany Babylona izy ka nahita ny fiakarana sy fianjeran’io herim-panjakana fahatelo teo amin’izao tontolo izao io, araka ny tantara ara-baiboly. Mbola niaina taorian’izany i Daniela ka nanompo toy ny nanamboninahitra tao amin’ny fitondram-panjakana tao amin’ilay herim-panjakana fahefatra, dia i Media-Persia. Tsy maintsy ho efa ho zato taona ny halavan’ny androm-piainan’i Daniela.
3. Inona no manaporofo ny maha-kanônika sy ny maha-azo itokiana ny bokin’i Daniela?
3 Ny bokin’i Daniela dia nampidirina foana tao amin’ny katalaogin’ireo Soratra ara-tsindrimandry neken’ireo Jiosy. Nisy tapatapany tamin’ny Daniela hita niaraka tamin’ny an’ireo boky kanônika hafa tao amin’ireo Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty, ka ny sasany tamin’ireo dia hatrany amin’ny tapany voalohany tamin’ny taonjato voalohany al.f.i. Kanefa, ny porofo lehibe kokoa aza ny amin’ny maha-azo itokiana ilay boky dia ireo firesahana momba azy, hita ao amin’ny Soratra Grika Kristiana. I Jesosy dia manonona manokana an’i Daniela ao amin’ny faminaniany momba ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”, izay akany teny maromaro avy ao amin’ilay boky. — Matio 24:3, NW; jereo koa ny Dan. 9:27 sy 11:31 ary 12:11 — Matio 24:15 sy Marka 13:14; Dan. 12:1 — Matio 24:21; Dan. 7:13, 14 — Matio 24:30.
4, 5. Ahoana no nandresen’ny arkeolojia lahatra ireo fanambarana nataon’ireo mpanao tsikera ambony momba ny Daniela?
4 Na dia naneho fisalasalana ny amin’ny maha-ara-tantara ny bokin’i Daniela aza ireo mpanao tsikera ambony, ireo zavatra hitan’ny arkeolojia tao anatin’ireo taona lasa dia nandresy lahatra tanteraka ny filazan’izy ireo. Ohatra, ireo mpanao tsikera ireo dia nihomehy noho ilay fanambarana nataon’i Daniela hoe mpanjaka tao Babylona tamin’ny fotoana nahafantaran’ny rehetra fa nanapahan’i Nabonida, i Belsazara. (Dan. 5:1). Efa nanaporofo tamin’ny fomba tsy azo lavina izao ny arkeolojia fa i Belsazara dia olona tena nisy ary koa fa mpiara-manjaka tamin’i Nabonida izy nandritra ireo taona farany nisian’ny Empira Babyloniana. Ohatra, ny soratra tranainy tamin’ny litera cunéiformes iray nantsoina hoe ny “Fitantaran’i Nabonida” dia manamarina mazava tsara fa i Belsazara dia nampihatra ny fahefan’ny mpanjaka tany Babylona. Nohazavain’izy io koa ny fomba nahatongavany ho mpiara-manapaka tamin’i Nabonida.b Misy porofo amin’ny litera cunéiformes hafa manohana ilay fomba fihevitra hoe nampihatra ny fahefan’ny mpanjaka i Belsazara. Ny takelaka iray, tamin’ny taona faha-12 nanjakan’i Nabonida, dia mirakitra voady iray natao tamin’ny anaran’i Nabonida mpanjaka, sy ny an’i Belsazara, zanakalahin’ny mpanjaka, ka manaporofo araka izany fa nitovy laharana tamin-drainy i Belsazara.c Mahaliana koa izany, satria manazava ny antony nanoloran’i Belsazara ny hanao an’i Daniela “ho isan’ny mpanapaka telo lahy amin’ny fanjakana [“ny fahatelo ao amin’ny fanjakana”, NW ]”, raha toa ka afaka nilaza ny hevitr’ilay sora-tanana teo amin’ny rindrina izy. I Nabonida no hoheverina ho voalohany, i Belsazara ny faharoa, ary i Daniela no nambara fa ilay mpanapaka fahatelo. (5:16, 29). Hoy ny nolazain’ny mpanao fikorahana iray: “Ireo teny tamin’ny litera cunéiformes natao momba an’i Belsazara dia nanampy be dia be aoka izany mba hahatakarana ny anjara asany, hany ka miharihary mazava ny toerana notanany teo amin’ny tantara. Misy soratra maro mampiseho fa saiky nitovy tamin’i Nabonida i Belsazara raha ny amin’ny toerana sy ny haja. Ny fisian’ny fanapahana roa sosona nandritra ny ankamaroan’ny fanjakana babyloniana vaovao farany dia zava-misy voaporofo. I Nabonida dia nampihatra ny fahefana tampony avy tany amin’ny lapany tany Tema, any Arabia, ary i Belsazara kosa dia nanao ny asan’ny mpiara-manjaka tao amin’ilay tany mihitsy, ka i Babylona no foiben’ny fampiharany fahefana. Miharihary fa tsy mpanjaka lefitra nalemy i Belsazara; nanankinana ny ‘fanjakana’ izy.”d
5 Nisy nanandrana nanao izay tsy hinoana ny fitantarana ao amin’ny Daniela momba ilay lafaoro nisy afo (toko faha-3), tamin’ny filazana fa zavatra noforonin’ny angano izy io. Hoy ny vakina ao amin’ny tapany amin’ny taratasy babyloniana tranainy iray: “Izao no lazain’i Rîm-Sin tomponao: Satria nanipy ilay zazalahy andevo tao amin’ny lafaoro izy, dia aoka kosa ianao hanipy azy ao amin’ilay lafaoro.” Mahaliana fa, rehefa niresaka momba izany i G. R. Driver, dia nanambara fa io famaizana io dia “miseho ao amin’ny tantaran’ireo Lehilahy Masina Telo (Dan. III 6, 15, 19-27).”e
6. Fizarana roa inona avy no mahaforona ny bokin’i Daniela?
6 Ireo Jiosy dia nampiditra ny bokin’i Daniela, tsy ho anisan’ireo Mpaminany, fa ho anisan’ireo Asa Soratra. Etsy an-danin’izany kosa, ny Baiboly Malagasy dia manaraka ny filaharana ao amin’ny katalaogin’ireo boky ao amin’ny Septante grika sy ny Vulgate latina, ka mametraka ny Daniela eo anelanelan’ireo mpaminany lehibe sy ireo mpaminany madinika. Misy fizarana roa ao amin’ilay boky, raha ny marina. Ny voalohany, ny toko voalohany ka hatramin’ny faha-6, dia manolotra, araka ny fandehan’ny fotoana, ireo fanandraman-javatra hitan’i Daniela sy ireo namany tamin’ny fiasana tao amin’ny fitondram-panjakana, nanomboka tamin’ny 617 al.f.i. ka hatramin’ny 538 al.f.i. (Dan. 1:1, 21). Ny tapany faharoa, voaforon’ny toko faha-7 ka hatramin’ny faha-12, dia nosoratan’ny tenan’i Daniela, mpirakitra an-tsoratra, tamin’ny fampiasana ny mpisolo anarana hoe “aho”. Izy io dia milazalaza ny amin’ireo fahitana azon’ny tenany manokana sy ireo fifampiresahan’ny anjely taminy, nanomboka tamin’ny 553 al.f.i. tany ho anyf ka hatramin’ny 536 al.f.i. tany ho any. (7:2, 28; 8:2; 9:2; 12:5, 7, 8). Ireo tapany roa ireo miaraka dia mahaforona boky mirindra iray, dia ny an’i Daniela.
LOHA HEVITRA RAKETIN’NY DANIELA
7. Inona no nitarika an’i Daniela sy ireo namany hiditra hiasa tao amin’ny fitondram-panjakana babyloniana?
7 Fiomanana ho amin’ny asa tao amin’ny fitondram-panjakana (1:1-21). Tamin’ny 617 al.f.i. i Daniela dia tonga tao Babylona niaraka tamin’ireo Jiosy babo. Tonga tao koa ireo fanaka masina avy tao amin’ny tempolin’i Jerosalema, ka notahirizina tao amin’ny trano firaketan’ny fanompoan-tsampy. Anisan’ireo zatovo jodiana avy tamin’ny tarana-mpanjaka nofidina mba hanaraka fampiofanana haharitra telo taona tao amin’ny lapan’ny mpanjaka, i Daniela sy ireo namany hebreo telo mirahalahy. Tapa-kevitra tao am-pony ny tsy handoto ny tenany tamin’ny hanina sy ny divain’ny fanompoan-tsampin’ny mpanjaka i Daniela, ka nanolotra ny hisian’ny fizahan-toetra hafoloana, tsy hihinanany afa-tsy legioma (NW ). Hita fa nahasoa an’i Daniela sy ireo namany ilay fizahan-toetra, ary nomen’Andriamanitra fahalalana sy fahendrena izy ireo. Nanendry azy efatra mirahalahy mba hitoetra teo anatrehany ho toy ny mpanolo-tsaina i Nebokadnezara. Ny andininy farany amin’ny toko voalohany, izay nety ho nanampy ela be taorian’ny nanoratana ilay tapany teo aloha, dia mampiseho fa mbola teo am-piasana ho an’ny mpanjaka ihany i Daniela, tokony ho 80 taona taorian’ny nandehanany tany an-tsesitany, izay nety ho tamin’ny 538 al.f.i. tany ho any.
8. Nofy sy hevitr’ilay nofy inona no nahariharin’Andriamanitra an’i Daniela, ary ahoana no nampisehoan’i Nebokadnezara ny fankasitrahany?
8 Nofy momba ny sariolona nahatahotra iray (2:1-49). Tamin’ny taona faharoa nanjakany (azo inoana fa nanomboka tamin’ny fandringanana an’i Jerosalema tamin’ny 607 al.f.i.), dia nitebiteby noho ny nofy iray i Nebokadnezara. Tsy afaka nampiharihary (NW ) taminy ilay nofy sy ny heviny ireo ombiasiny. Nanolotra ny hanome azy ireo fanomezana lehibe izy, kanefa nanda izy ireo tamin’ny filazana fa tsy nisy afa-tsy ireo andriamanitra no nahay nilaza tamin’ny mpanjaka ilay zavatra nanontaniany. Nanjary vinitra ny mpanjaka ary nandidy ny hamonoana ho faty ireo olon-kendry. Koa satria tafiditra tao amin’izany didy izany ireo Hebreo efatra mirahalahy, dia nangataka ny homena andro i Daniela mba hampiharihariana ilay nofy. Nivavaka tamin’i Jehovah mba hahazoana fitarihana i Daniela sy ireo namany. Nahariharin’i Jehovah tamin’i Daniela ilay nofy sy ny heviny. Avy eo i Daniela dia nankeo anatrehan’ny mpanjaka ka nanao hoe: “Misy Andriamanitra any an-danitra, Izay [mampiharihary, NW ] zava-miafina ka mampahafantatra an’i Nebokadnezara mpanjaka izay ho tonga any am-parany.” (2:28). Nilazalaza ilay nofy i Daniela. Momba ny sariolona lehibe iray ilay izy. Ny lohan’ilay sary dia volamena, ny tratrany sy ny sandriny volafotsy, ny kibony sy ny feny varahina, ary ny ranjony vy, fa ny tongony kosa vy sy tanimanga. Nisy vato iray namely sy nahatorotoro ilay sary ary tonga tendrombohitra lehibe nahafeno ny tany rehetra. Inona no hevitr’izany? Nampahafantarin’i Daniela fa ny mpanjakan’i Babylona no ilay loha volamena. Aorian’ny fanjakany dia hisy fanjakana iray faharoa sy fahatelo ary fahefatra, hanaraka azy. Farany, “Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay (...), fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” (2:44). Velom-pankasitrahana ilay mpanjaka ka nankalaza ny Andriamanitr’i Daniela ho toy ny “Andriamanitry ny andriamanitra”, ary nanendry an’i Daniela “ho mpanapaka any Babylona sy ny fehiny rehetra, sy ho lehiben’ny mpanapaka ny olon-kendrin’i Babylona rehetra”. Ireo naman’i Daniela telo mirahalahy dia natao tonian’ny raharahan’ny fanjakana sy ny fehiny. — 2:47, 48.
9. Inona no vokatry ny nijoroan’ireo Hebreo telo mirahalahy tamin-kerim-po hanohitra ny fivavahana tamin’ny sary?
9 Tsy maty tao amin’ilay lafaoro nisy afo ireo Hebreo telo mirahalahy (3:1-30). I Nebokadnezara dia nanangana sariolona volamena goavana iray, izay nisy 60 hakiho (27 m.) ny haavony, ary nandidy ireo mpanapaka tao amin’ilay empira mba hivory ho fitokanana azy io (NW ). Raha vao re ny fanenon’ny mozika manokana iray, dia tokony hiankohoka sy hivavaka tamin’ilay sariolona ny rehetra. Izay rehetra tsy nanao izany dia hatsipy ao anatin’ny lafaoro nisy afo nirehitra. Natao ny tatitra fa i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego, ireo naman’i Daniela telo mirahalahy, dia tsy nankato. Nentina teo anatrehan’ilay mpanjaka tezitra izy ireo, ka nanao izao teny fanamarinana izao tamim-pahasahiana: “Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay (...), ary ny sariolona volamena efa natsanganao dia tsy hivavahanay.” (3:17, 18). Feno fahatezerana ilay mpanjaka, ka nandidy ny hamanana ilay lafaoro ho impito mihoatra noho ny famana azy, sy ny hamatorana ireo Hebreo telo mirahalahy ary ny hanipazana azy ireo tao. Teo am-panaovana izany, ireo natao hamono azy ireo dia matin’ny lelafo. Nanjary natahotra (NW ) i Nebokadnezara. Inona io hitany tao amin’ny lafaoro io? Nisy efatra mirahalahy nandehandeha tsy naninon-tsy naninona tao anaty afo, ary “ilay fahefatra dia toa zanak’ireo andriamanitra”. (3:25). Niantso ireo Hebreo telo mirahalahy mba hivoaka avy tao amin’ny afo ny mpanjaka. Nivoaka izy ireo, tsy nikainkona akory ny volony, ary tsy nisy fofon’afo akory teo aminy! Ho vokatry ny nijoroan’izy ireo tamin-kerim-po hanohana ny fanompoam-pivavahana marina, i Nebokadnezara dia nanambara fa nanana fahalalahana hanao ny fanompoam-pivavahany ireo Jiosy nanerana ilay empira.
10. Nofy naharaiki-tahotra inona momba ny “fetr’andro fito” no nonofisin’i Nebokadnezara, ahoana no nanomezan’i Daniela ny heviny, ary tanteraka taminy ve izy io?
10 Nofy momba ireo “fetr’andro fito” (4:1-37). Io nofy io dia miseho ao amin’ilay firaketana an-tsoratra ho toy ny fomba nandikan’i Daniela ny tahirin-kevi-panjakana iray tany Babylona. Nosoratan’i Nebokadnezara nanjary nanetry tena izy io. Niaiky ny amin’ny hery (NW ) sy ny fanjakan’ilay Andriamanitra Avo Indrindra aloha i Nebokadnezara. Avy eo izy dia nitantara ny nofy naharaiki-tahotra iray sy ny nahatanterahan’izy io taminy. Nahita hazo iray izay nipaka tamin’ny lanitra sy nanome fialofana sy hanina ho an’ny nofo rehetra, izy. Niantso toy izao ny mpiambina iray: ‘Kapao ilay hazo. Asio fehy vy sy varahina ny fotony. Aoka hisy fetr’andro fito holanina aminy, mba hahafantarana fa ny Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olona ka olona ambany toetra no ampanapahiny azy.’ (4:14-17). Nilaza ny hevitr’ilay nofy i Daniela, ka nampahafantatra fa ilay hazo dia nampiseho an’i Nebokadnezara. Tsy ela dia nanaraka izany ny fahatanterahana irain’io nofy ara-paminaniana io. Tamin’ny fotoana nanehoany fireharehana lehibe, dia lasa adala ilay mpanjaka; ary dia niaina toy ny biby tany an-tsaha nandritra ny fito taona izy. Taorian’izany, dia nampodiana taminy ny sainy, ary dia niaiky ny naha-tampony an’i Jehovah izy.
11. Nandritra ny fanaranam-po tamin’inona no nahitan’i Belsazara ilay sora-tanana nilaza loza, ahoana no nilazan’i Daniela ny heviny, ary ahoana no nahatanterahany?
11 Ny fanasan’i Belsazara: nolazaina ny hevitr’ilay sora-tanana (5:1-31). Ny alin’ny 5 Oktobra 539 al.f.i. nahitan-doza tamin’izay. I Belsazara Mpanjaka, zanak’i Nabonida, tamin’ny naha-mpiara-manjaka tao Babylona azy, dia nanao fanasana lehibe ho an’ny mpanolo-tsainy arivo lahy. Teo ambanin’ny herin’ny divay (NW ) ilay mpanjaka, ka nampaka ireo fanaka masina volamena sy volafotsy avy tany amin’ny tempolin’i Jehovah ary ireo no nisotroan’i Belsazara sy ireo vahininy, tamin’ny fanaranam-pony tamin’ny ratsy, no sady nankalazany ireo andriamaniny sampy. Avy hatrany dia nisy tanana iray niseho sy nanoratra hafatra saro-pantarina teo amin’ny rindrina. Tora-kovitra ilay mpanjaka. Tsy nahavita nilaza ny hevitr’ilay soratra ireo olon-kendriny. Farany dia nampidirina i Daniela. Nanolotra ny hanao azy ho ny olona fahatelo tao amin’ny fanjakana ilay mpanjaka, raha hainy ny namaky sy nilaza ny hevitr’ilay soratra. Nilazan’i Daniela anefa izy fa azony notazonina ho azy ihany ireo fanomezany. Avy eo izy dia nampahafantatra toy izao ilay soratra sy ny heviny: “MENE, MENE, TEKELA, OPARESINA. (...) Voaisan’Andriamanitra ny nanjakanao ka taperiny amin’izao; (...) efa voalanja tamin’ny mizana hianao ka, indro, latsa-danja; (...) zarazaraina ny fanjakanao ka omena ho an’ny Mediana sy ny Persiana.” (5:25-28). Tamin’iny alina iny ihany dia novonoina i Belsazara, ary i Dariosa Mediana no nandray ny fanjakana.
12. Ahoana no nisakanana ny teti-dratsy iray natao hahavoa an’i Daniela, ary didy inona avy eo no navoakan’i Dariosa?
12 I Daniela tao an-davaky ny liona (6:1-28). Ireo komandy lehibe tao amin’ny fitondram-panjakan’i Dariosa dia nitetika ny hahavoa an’i Daniela tamin’ny fanaovana izay handanian’ny mpanjaka lalàna iray izay handrara, mandritra ny 30 andro, ny fanaovana fangatahana na amin’andriamanitra na amin’olona hafa ankoatra ny mpanjaka. Na iza na iza tsy nankato io lalàna io dia hatsipy ho an’ny liona. Nanda tsy hankato io lalàna nahakasika ny fanompoam-pivavahany io i Daniela, ka nitodika tany amin’i Jehovah tamin’ny alalan’ny vavaka. Natsipy tao an-davaky ny liona izy. Tamin’ny alalan’ny fahagagana, dia nanakombona ny vavan’ireo liona ny anjelin’i Jehovah, ary ny ampitso maraina, dia faly i Dariosa Mpanjaka nahita fa tsy naninon-tsy naninona i Daniela. Ireo fahavalo izao no nomena ho hanina ho an’ny liona, ary namoaka lalàna ny mpanjaka mba hatahorana ny Andriamanitr’i Daniela, satria “Izy no Andriamanitra velona”. (6:26). Nambinina i Daniela tamin’ny fiasana tao amin’ny fitondram-panjakana hatrany amin’ny fotoana nanjakan’i Kyrosy mihitsy.
13. Tao amin’ny nofy iray azon’ny tenany manokana, fahitana inona no azon’i Daniela ny amin’ny biby efatra sy ny fanapahan’ilay Fanjakana?
13 Ireo fahitana ny amin’ireo biby (7:1–8:27). Miverina any amin’ny “taona voalohany nanjakan’i Belsazara” isika. Miharihary fa nanomboka tamin’ny 553 al.f.i. ny fanjakany. Nahazo nofy natao ho azy manokana i Daniela, ary noraketiny an-tsoratra tamin’ny teny aramiana izany.g Nahita biby efatra lehibe sady nahatahotra izay nifandimby niseho, izy. Ilay fahefatra dia nahery indrindra, ary nisy tandroka iray kely nipoitra teo amin’ireo tandrony hafa ka ‘niteny zavatra mihoa-pampana’. (7:8). Niseho ny Fahagola ary naka toerana. “Arivoarivo no nanompo Azy”. “Nisy toy ny zanak’olona” tonga teo anatrehany ary “nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy”. (7:10, 13, 14). Avy eo i Daniela dia naharay ny hevitr’ilay fahitana ny amin’ireo biby efatra. Nampiseho mpanjaka, na fanjakana, efatra izy ireo. Avy teo amin’ireo tandroka folo teo amin’ilay biby fahefatra, dia nisy tandroka kely iray nitsangana. Nanjary nahery izy io ary niady tamin’ireo olo-masina. Kanefa, niditra an-tsehatra ny Fitsarana (NW ) any an-danitra mba hanome “ny fanjakana sy ny fanapahana ary ny fahalehibiazan’ny fanjakana eny ambanin’ny lanitra rehetra (...) [ho an’ny] olo-masin’ny Avo Indrindra”. — 7:27.
14. Fahitana inona no azon’i Daniela ka nampiseho osilahy iray sy ondrilahy iray nanana tandroka roa? Ahoana no nanazavan’i Gabriela azy io?
14 Roa taona tatỳ aoriana, ela talohan’ny nianjeran’i Babylona, dia nahita fahitana hafa iray i Daniela, ary noraisiny an-tsoratra tamin’ny teny hebreo ilay izy. Nisy osilahy nanana tandroka lehibe teo anelanelan’ny masony, niady tamin’ny ondrilahy niavonavona iray nanana tandroka roa, ary naharesy azy. Tapaka ny tandroka lehiben’ilay osilahy ary nisy tandroka efatra kely kokoa niseho. Nisy tandroka kely iray nipoitra avy tamin’ny iray tamin’ireo tandroka kely ireo kosa, ka nihalehibe ary nihaika ny tafiky ny lanitra (NW ) mihitsy. Nambara mialoha ny hisian’ny fe-potoana haharitra 2 300 andro mandra-pampiditra ny fitoerana masina ao amin’ny “toerany tsara”. (8:14, NW ). Nohazavain’i Gabriela (NW ) tamin’i Daniela ilay fahitana. Ilay ondrilahy dia ireo mpanjakan’i Media sy i Persia. Ilay osilahy dia ny mpanjakan’i Grisia, izay ho tapaka ka hizara efatra ny fanjakany. Atỳ aoriana, dia hisy mpanjaka iray izay masia-tarehy, hitsangana ka “hanohitra ny Andrianan’ny andriana”. Koa satria “mbola ho andro maro” ilay fahitana, dia tsy maintsy nihazona azy ho zava-miafina (NW ) aloha i Daniela. — 8:25, 26.
15. Inona no nahatonga an’i Daniela hivavaka tamin’i Jehovah, ary inona izao no nampahafantarin’i Gabriela momba ireo “fito-polo herinandro”?
15 Nambara mialoha ny fiavian’ny Mesia Andriana (9:1-27). “Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Dariosa (...) avy amin’ny (...) Mediana” dia teo am-pandinihana ny faminanian’i Jeremia i Daniela. Takany fa nihananatona ny farany ilay fahafoanan’i Jerosalema naharitra 70 taona nambara mialoha, ka nivavaka tamin’i Jehovah izy ho fitsorana ny amin’ny fahotan’ny tenany manokana sy ny an’ny Isiraely. (Dan. 9:1-4; Jer. 29:10). Niseho i Gabriela mba hampahafantatra fa hisy “fito-polo herinandro (...) hahatapaka ny fahadisoana sy hanampina ny fahotana, ary hanao fanavotana noho ny heloka”. Ho avy amin’ny faran’ny 69 herinandro ny Mesia Andriana, ka aorian’izany izy dia hovonoina. Haorina ho an’ny maro ilay fanekena hatramin’ny faran’ny herinandro faha-70, ary farany, dia hisy fandravana sy fahafonganana. — Dan. 9:24-27.
16. Tao anatin’ny toe-javatra toy inona avy no nisehoan’ny anjely iray indray tamin’i Daniela?
16 Miady ny avaratra sy ny atsimo, mitsangana i Mikaela (10:1–12:13). “Ny taona fahatelo nanjakan’i Kyrosy” tamin’izay, ka noho izany dia ny taona 536 al.f.i. tany ho any, tsy ela taorian’ny niverenan’ny Jiosy tany Jerosalema. Rehefa avy nifady hanina nandritra ny roatokom-bolana i Daniela, dia teo amoron’ny ony Hidekela. (Dan. 10:1, 4; Gen. 2:14). Nisy anjely iray niseho taminy ary nanazava fa ‘ilay andrianan’i Persia’ dia nanohitra ny hankanesany tany amin’i Daniela, kanefa koa fa nanampy azy i “Mikaela, anankiray amin’ireo andriana lehibe”. Izao izy dia nitantara tamin’i Daniela ny fahitana iray izay ho “any am-parany”. — Dan. 10:13, 14.
17. Tantara ara-paminaniana inona ny amin’ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjakan’ny atsimo no noraketin’i Daniela an-tsoratra izao?
17 Eo am-panombohany, io fahitana nampiaiky volana io dia miresaka momba ny tarana-mpanjaka persiana sy ny ady ho avy iray amin’i Grisia. Hisy mpanjaka mahery iray hitsangana, hanana fanapahana lehibe, kanefa ny fanjakany dia horavana ka hozaraina efatra. Amin’ny farany dia hisy fifandimbasana mpanjaka roa samy hafa, dia ny mpanjakan’ny atsimo izay hifanohitra amin’ny mpanjakan’ny avaratra. Hifandimby haharesy amin’io ady ho an’ny fahefana io izy ireo. Tsy hitsahatra hiresaka lainga eo an-databatra iray ireo mpanjaka ratsy ka tsy azo ovana ireo. “Amin’ny fotoana [voatondro, NW ]”, dia hirongatra indray ny ady. Hisy fandotoana ny fitoerana masin’Andriamanitra, ary hapetraka amin’ny toerany ilay “fahavetavetana mahatonga fandravana”. (11:29-31). Hiteny zavatra mahagaga hanoherana (NW ) ny Andriamanitry ny andriamanitra ny mpanjakan’ny avaratra, ary hankalaza ny andriamanitry ny fiarovana mafy. Rehefa hanoto ny mpanjakan’ny avaratra ny mpanjakan’ny atsimo “amin’ny faran’ny andro”, dia hiditra ao amin’ny tany maro toy ny safotra ilay mpanjakan’ny avaratra. Ho raiki-tahotra noho ny siosion-teny avy any atsinanana sy avy any avaratra izy ka hivoaka amin’ny fahatezerana ary hanorina ‘ny tranolainy izay lapany eo anelanelan’ny ranomasina sy ny tendrombohitra masina mahafinaritra’. Koa “ho tonga ao amin’ny hiafarany ihany izy, ka tsy hisy hamonjy azy”. — 11:40, 41, 45.
18. Zavatra inona avy no mitranga mandritra ny fitsanganan’i Mikaela ‘hiaro ny zanaky ny firenen’Andriamanitra’?
18 Mitohy ilay fahitana lehibe: Hita mitsangana ‘hiaro ny zanaky ny firenen’Andriamanitra’ i Mikaela. Hisy “andro fahoriana” mbola tsy hita teo amin’ny tantaran’ny olombelona hatramin’izay, kanefa ireo izay hita voasoratra ao amin’ny boky dia ho afa-mandositra (NW ). Maro no hifoha avy amin’ny vovoka ho amin’ny fiainana mandrakizay, “ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra”. Hamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana izy ireo. I Daniela dia hanisy tombo-kase ilay taratasy “mandra-pihavin’ny andro farany”. “Mandra-pahoviana vao ho tanteraka ny faran’ireo fahagagana ireo?” Nanonona fe-potoana nisy fetr’andro telo sy tapany sy 1 290 andro ary 1 335 andro ilay anjely ary nilaza fa “ny hendry [ihany] no hahafantatra”. Sambatra izay toy izany! Farany, ilay anjely dia nanolotra ilay fanantenana feno toky hoe hitsahatra izy ary avy eo dia hitsangana ho amin’ny anjarany “amin’ny andro farany”. — 12:1, 3, 4, 6, 10, 13.
MAHASOA — NAHOANA?
19. Ohatra tsara dia tsara inona avy ny amin’ny tsy fivadihana sy ny fiankinana amin’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka no hita ao amin’ny bokin’i Daniela?
19 Izay rehetra tapa-kevitra ny hihazona tsy fivadihana eo amin’ny tontolo tsy mahazatra iray dia haneho fahendrena raha mandinika ny ohatra tsara dia tsaran’i Daniela sy ireo namany telo mirahalahy. Na feno fahasiahana toy inona aza ny fandrahonana, dia nanohy niaina araka ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra izy ireo. Rehefa notandindomin-doza ny ain’izy ireo, dia nanao zavatra “tamin’ny fanahy sy ny fahendrena” sy tamim-panajana ny fahefana ambonin’ny mpanjaka, i Daniela. (2:14-16). Rehefa noterena izy ireo, dia naleon’ireo Hebreo telo mirahalahy ilay lafaoro nisy afo nirehitra toy izay hanao zavatra iray ho fanompoan-tsampy, ary naleon’i Daniela ny lavaky ny liona toy izay hamoy ny tombontsoany hivavaka tamin’i Jehovah. Tamin’ny tsirairay tamin’ireo toe-javatra ireo, i Jehovah dia nanome ny fiarovany. (3:4-6, 16-18, 27; 6:10, 11, 23). Ny tenan’i Daniela dia nanome ohatra namirapiratra raha ny amin’ny fiankinana tamin’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny alalan’ny vavaka. — 2:19-23; 9:3-23; 10:12.
20. Fahitana efatra inona avy no voarakitra an-tsoratra momba ireo herim-panjakana eo amin’izao tontolo izao, ary nahoana no manatanjaka ny finoana ny fandinihana azy ireo amin’izao andro izao?
20 Mampientana sy manatanjaka ny finoana ny fandinihana indray ireo fahitan’i Daniela. Voalohany aloha, dia diniho ireo fahitana efatra momba ireo herim-panjakana eo amin’izao tontolo izao: 1) Eo ilay fahitana ny amin’ilay sariolona nahatahotra. Ny lohany volamena dia mampiseho ny tarana-mpanjaka babyloniana nanomboka tamin’i Nebokadnezara, ary taorian’izany, dia nisy fanjakana telo hafa nipoitra, araka ny asehon’ireo tapany hafa amin’ilay sariolona. Izy ireo dia ireo fanjakana izay torotoroin’ilay “vato”, ary ilay vato kosa dia tonga “fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay”, dia ny Fanjakan’Andriamanitra. (2:31-45). 2) Manaraka izany ireo fahitana azon’i Daniela manokana, ka ny voalohany dia ny an’ireo biby efatra, izay mampiseho “mpanjaka efatra”. Izy ireo dia toy ny liona, bera, leoparda manana loha efatra, ary biby iray manana nify vy lehibe sy tandroka folo ary atỳ aoriana dia tandroka kely iray. (7:1-8, 17, 28). 3) Manaraka izany, dia eo ny fahitana ny amin’ilay ondrilahy (Media-Persia) sy ilay osilahy (Grisia), ary ilay tandroka kely. (8:1-27). 4) Farany, dia eo ilay fahitana ny amin’ny mpanjakan’ny atsimo sy ny mpanjakan’ny avaratra. Ny Daniela 11:5-19 dia milazalaza araka ny marina tsara ny fifandrafiana eo amin’ireo rantsana egyptiana sy séleucides nipoitra avy tamin’ny Empira Grikan’i Aleksandra taorian’ny ny nahafatesany tamin’ny 323 al.f.i. Manomboka eo amin’ny andininy faha-20, ilay faminaniana dia manohy milaza amin’ny an-tsipiriany ny lalana arahin’ireo firenen’ny atsimo sy avaratra nandimby izany. Ny firesahan’i Jesosy momba ilay “fahavetavetana mahatonga fandravana”, (11:31), ao amin’ny faminaniany momba ny famantarana ny fanatrehany, dia mampiseho fa io ady ho an’ny fahefana ataon’ireo mpanjaka roa io, dia mitohy hatramin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”. (Matio 24:3, NW ). Toy inona moa ny fampiononana omen’ny toky avy amin’ilay faminaniana fa, amin’ny “andro fahoriana, izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian’ny firenena ka hatramin’izany andro izany”, dia i Mikaela mihitsy no hitsangana mba hanaisotra ireo firenena tsy tia an’Andriamanitra ka hitondra fiadanana ho an’ny taranak’olombelona mankato! — Dan. 11:20–12:1.
21. Ahoana no nahitan’ny faminanian’i Daniela momba ireo “fito-polo herinandro” fahatanterahana mahavariana?
21 Avy eo, dia eo ny faminanian’i Daniela ny amin’ireo “fito-polo herinandro”. Rehefa afaka 69 herinandro dia tokony hiseho ilay “Mesia Andriana”. Mahavariana fa 483 taona (7 taona in-69) taorian’ny ‘nivoahan’ny didy’ hanorenana indray an’i Jerosalema, izay nanomezan’i Artaksersesy lalana tamin’ny faha-20 taona nanjakany ary nampiharin’i Nehemia tany Jerosalema, dia natao batisa tao amin’ny Onin’i Jordana i Jesosy avy tany Nazareta ary nohosorana tamin’ny fanahy masina, ka tonga Kristy, na Mesia (izany hoe Ilay Voahosotra).h Tamin’ny taona 29 am.f.i. izany. Rehefa afaka izany, araka ny nambaran’i Daniela mialoha koa, dia tonga ny “fahafonganana” rehefa nofoanana i Jerosalema tamin’ny 70 am.f.i. — Dan. 9:24-27; Lioka 3:21-23; 21:20.
22. Fianarana inona no azontsika avy amin’ny fampietrena an’i Nebokadnezara?
22 Tao amin’ny nofin’i Nebokadnezara momba ilay hazo nokapaina, araka ny noraketin’i Daniela ao amin’ny toko faha-4, dia voatantara fa ilay mpanjaka, izay nirehareha noho ireo zava-bitan’ny tenany sy natoky ny herin’ny tenany, dia nampietren’i Jehovah Andriamanitra. Nasaina niaina toy ny biby tany an-tsaha izy mandra-piekeny “fa ny Avo Indrindra no [Mpanapaka, NW ] amin’ny fanjakan’ny olona ka manome izany ho an’izay tiany”. (Dan. 4:32). Moa ve isika amin’izao fotoana izao ho tahaka an’i Nebokadnezara, hirehareha noho ireo zava-bitantsika sy hametraka ny fitokiantsika amin’ny herin’olombelona, hany ka ho voatery hampihatra famaizana amintsika Andriamanitra? Sa kosa isika hiaiky amim-pahendrena fa Izy no Mpanapaka ao amin’ny fanjakan’ny olona sy hametraka ny fitokiantsika amin’ny Fanjakany?
23. a) Ahoana no anantitranterana ny fanantenana ny amin’ilay Fanjakana, manomboka amin’ny voalohany ka hatramin’ny faran’ny Daniela? b) Tokony hampirisika antsika hanao inona io bokim-paminaniana io?
23 Ny fanantenana ny amin’ilay Fanjakana dia antitranterina manomboka amin’ny voalohany ka hatramin’ny faran’ny bokin’i Daniela amin’ny fomba manome finoana! I Jehovah Andriamanitra dia aseho ho toy ilay Tompom-piandrianana Tampony izay manangana Fanjakana iray tsy ho rava mandrakizay ary hanorotoro ny fanjakana hafa rehetra. (2:19-23, 44; 4:25). Na dia i Nebokadnezara sy i Dariosa, mpanjaka mpanompo sampy, aza dia voatery niaiky ny maha-tampony an’i Jehovah. (3:28, 29; 4:2, 3, 37; 6:25-27). Asandratra sy ankalazaina ho toy ny Fahagola izay manao ny fitsarana momba ny raharahan’ilay Fanjakana, i Jehovah ary manome ho an’ny olona iray “toy ny zanak’olona” ilay “fanapahana sy voninahitra ary fanjakana” mandrakizay “mba hanompoan’ny fokom-pirenena sy ny firenena Azy”. “Ny olo-masin’ny Avo Indrindra” no miara-mandray anjara amin’i Kristy Jesosy, “ny Zanak’olona”, ao amin’ilay Fanjakana. (Dan. 7:13, 14, 18, 22; Matio 24:30; Apok. 14:14). Izy no i Mikaela, ilay andriana lehibe, izay mampihatra ny fahefany ao amin’ilay Fanjakana mba hanorotoroana sy handevonana ny fanjakana rehetran’itỳ tontolo tranainy itỳ. (Dan. 12:1; Matio 24:3, 21; Apok. 12:7-10). Ny fahazoana ny hevitr’ireo faminaniana sy fahitana ireo dia tokony hampirisika ireo tia ny fahamarinana mba handrisi-tena handinika ireo pejin’ny Tenin’Andriamanitra. Izany dia mba hahitany ireo tena “fahagagana” marina momba ireo fikasan’ilay Fanjakan’Andriamanitra, izay aharihary amintsika amin’ny alalan’ny boky ara-tsindrimandry sady mahasoan’i Daniela. — Dan. 12:2, 3, 6.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 765.
b Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 186.
c Archaeology and the Bible, 1949, nataon’i George A. Barton, pejy 483.
d The Yale Oriental Series · Researches, Boky XV, 1929.
e Archiv für Orientforschung, Boky 18, 1957-1958, pejy 129.
f Miharihary fa i Belsazara dia nanomboka ny asan’ny mpiara-manjaka nanomboka tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Nabonida. Koa satria inoana fa nanomboka ny fanapahany tamin’ny 556 al.f.i. i Nabonida, ny taona fahatelo nanapahany sady “ny taona voalohany nanjakan’i Belsazara” dia miharihary fa ny 553 al.f.i. — Daniela 7:1; jereo ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 186 sy 1056-1057.
g Ny Daniela 2:4b–7:28 dia nosoratana tamin’ny teny aramiana, fa ny tapany sisa amin’ilay boky kosa dia nosoratana tamin’ny teny hebreo.
h Nehemia 2:1-8; jereo koa ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 1413-1414.