Toko 28
Miady Amin’ny Biby Masiaka Roa
Fahitana 8—Apokalypsy 13:1-18
Foto-kevitra: Ilay bibidia manan-doha fito, ilay bibidia manan-tandroka roa, ary ny sarin’ilay bibidia
Fotoana fahatanterahany: Nanomboka tamin’ny andron’i Nimroda ka hatramin’ny fahoriana lehibe
1, 2. a) Inona no nolazain’i Jaona momba ilay dragona? b) Inona no nolazain’i Jaona momba ny fandaminana hita maso ampiasain’ilay dragona?
NATSIPY tetỳ an-tany ilay dragona lehibe! Nianarantsika tao amin’ny Apokalypsy fa tsy havela hiverina any an-danitra intsony ilay Menarana sy ireo demonia mpanaraka azy. Mbola tsy vita hatreo anefa ny amin’ilay “antsoina hoe Devoly sy Satana, izay mamitaka ny tany rehetra misy mponina.” Lazain’ilay fitantarana amin’ny an-tsipiriany ny fitaovana ampiasain’i Satana hiadiana amin’ilay ‘vehivavy sy ireo zanany.’ (Apokalypsy 12:9, 17) Hoy i Jaona momba ilay dragona toy ny menarana: “Ary nijanona teo ambonin’ny fasiky ny ranomasina ilay dragona.” (Apokalypsy 13:1a) Andeha àry isika handinika ny fomba fiadin’ilay dragona.
2 Tsy afaka mampahory ny an-danitra intsony i Satana sy ny demoniany, satria efa noroahina avy tany izy ireo, ary tsy afa-miala etỳ amin’ny manodidina ny tany. Izany no mampitombo be ny fifandraisana amin’ny fanahy ratsy ankehitriny. Mifehy fandaminana tsy hita maso ilay Menarana fetsy. Mampiasa fandaminana hita maso koa ve anefa izy mba hamitahana olona? Hoy i Jaona: “Ary nahita bibidia niakatra avy tao amin’ny ranomasina aho. Ary nanana tandroka folo sy loha fito io bibidia io, ary nisy diadema folo teo amin’ireo tandrony, fa teo amin’ireo lohany kosa nisy anarana fanevatevana an’Andriamanitra. Ary ilay bibidia hitako dia tahaka ny leopara, fa ny tongony tahaka ny an’ny orsa, ary ny vavany tahaka ny vavan’ny liona. Ary ilay dragona dia nanome hery sy seza fiandrianana ary fahefana lehibe an’ilay bibidia.”—Apokalypsy 13:1b, 2.
3. a) Inona avy ireo biby masiaka hitan’i Daniela mpaminany? b) Manondro inona ireo biby lehibe ao amin’ny Daniela 7?
3 Inona io biby sampona io? Mamaly izany ny Baiboly. Nahazo fahitana momba ny biby masiaka i Daniela, talohan’ny nianjeran’i Babylona tamin’ny 539 T.K. Resahiny ao amin’ny Daniela 7:2-8 ny biby efatra avy tamin’ny ranomasina. Ny voalohany dia nitovy tamin’ny liona, ny faharoa tamin’ny orsa, ny fahatelo tamin’ny leopara, ary “indro ny fahefatra, biby mahatsiravina sady matanjaka sy mahery indrindra, ... sady nanana tandroka folo.” Mitovy be amin’ilay bibidia hitan’i Jaona tamin’ny taona 96 izany. Misy itoviany amin’ny liona sy orsa ary leopara koa izy io, ary nanana tandroka folo. Inona ireo biby lehibe hitan’i Daniela? Hoy izy: “Ireo biby lehibe efatra ireo dia mpanjaka efatra izay hitsangana avy amin’ny tany.” (Daniela 7:17) Manondro “mpanjaka”, na fitondrana ara-politika, tokoa ireo biby.
4. a) Mifanitsy amin’ny inona ny ondrilahy sy ny osilahy ao amin’ny Daniela 8? b) Inona no dikan’ny hoe tapaka ny tandroka lehiben’ilay osilahy, ka tandroka efatra no nisolo azy?
4 Hitan’i Daniela tao amin’ny fahitana hafa ny ondrilahy iray nanan-tandroka roa nasian’ny osy iray nanan-tandroka iray lehibe. Nohazavain’ny anjely Gabriela taminy ny dikan’izany, hoe: “Ilay ondrilahy ... dia ny mpanjakan’i Media sy Persia. Ary ny osilahy lava volo dia ny mpanjakan’i Grisia.” Nolazain’i Gabriela koa fa ho tapaka ny tandroka lehiben’ilay osilahy, ka tandroka efatra no hisolo azy. Tanteraka izany 200 taona mahery tatỳ aoriana, rehefa maty i Aleksandra Lehibe, ka nizara efatra ny fanjakany, izay nentin’ny jeneraliny efatra.—Daniela 8:3-8, 20-25.a
5. a) Inona avy no hevitra fonosin’ilay teny grika nadika hoe biby? b) Mifanitsy amin’ny inona ilay bibidia ao amin’ny Apokalypsy 13:1, 2 sy ny lohany fito?
5 Mazava àry fa antsoin’ilay Loharanon’ny Baiboly hoe bibidia ireo mpitondra ara-politika. Bibidia manao ahoana? Nolazain’ny mpivaofy teny iray fa “lozabe” ilay bibidia ao amin’ny Apokalypsy 13:1, 2, ary hoy koa izy: “Ekentsika ny hevitra rehetra fonosin’ny hoe θηρίον [the·riʹon, ilay teny grika nadika hoe “biby”], dia ny hoe tsy mifaditrovana, mpandringana, mampihorohoro, mpiremby, sns., mampahatahotra.”b Tena izany tokoa ny tontolo ara-politika mpandatsa-dra, izay ampiasan’i Satana ny olombelona! Ny loha fiton’ilay bibidia dia manondro firenena natanjaka fito. Araka ny tantara ao amin’ny Baiboly, dia enina no nisy hatramin’ny andron’i Jaona: Ejipta, Asyria, Babylona, Media sy Persa, Gresy, ary Roma. Hiseho atỳ aoriana kosa ny firenena matanjaka fahafito.—Ampitahao amin’ny Apokalypsy 17:9, 10.
6. a) Inona no nataon’ireo loha fiton’ilay bibidia? b) Ahoana no nampiasan’i Jehovah an’i Roma mba hanatanteraka ny didim-pitsarany tamin’ny tontolo jiosy, ary nanao ahoana ny Kristianina tany Jerosalema?
6 Marina fa nisy firenena natanjaka hafa teo amin’ny tantara. Nanana vatana koa mantsy ilay bibidia hitan’i Jaona, ankoatra ireo lohany fito sy tandrony folo. Ireo loha fito anefa dia manondro ireo firenena natanjaka fito lehibe, izay nifandimby nampijaly ny vahoakan’Andriamanitra. Tamin’ny taona 33, dia i Roma no lohan’ilay bibidia nanjaka, ary nampiasain’i Satana izy io hamonoana ny Zanak’Andriamanitra. Nolavin’i Jehovah tamin’izay fotoana izay ny tontolo jiosy tsy nahatoky, ary navelany hanatanteraka ny didim-pitsarany tamin’ilay firenena i Roma, tamin’ny taona 70. Soa ihany fa efa nampitandremana ny tena Israelin’Andriamanitra, dia ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra. Afa-nandositra tany ampitan’ny Reniranon’i Jordana ny Kristianina tany Jerosalema sy Jodia.—Matio 24:15, 16; Galatianina 6:16.
7. a) Inona no tokony hitranga mandritra ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity sy eo am-piandohan’ny andron’ny Tompo? b) Iza ilay loha fahafiton’ilay bibidia ao amin’ny Apokalypsy 13:1, 2?
7 Maro tamin’ireo anisan’ny fiangonana voalohany anefa no niala tamin’ny fahamarinana, tamin’ny faramparan’ny taonjato voalohany. Difotry ny tsimparifary na ny “zanak’ilay ratsy”, ny vary, izany hoe ny tena Kristianina na ny “zanak’ilay fanjakana.” Niseho indray anefa ny Kristianina voahosotra mandritra ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity, sady voalamina izy ireo. Tokony “hamirapiratra tahaka ny masoandro” ny olo-marina, mandritra ny andron’ny Tompo. Nalamina indray àry ny asan’ny fiangonana kristianina. (Matio 13:24-30, 36-43) Efa tsy teo intsony ny Fanjakana Romanina tamin’izay, fa ny Fanjakana Britanika sy Etazonian’i Amerika indray no nifehy an’izao tontolo izao. Ireo firenena matanjaka roa mitambatra ireo no loha fahafiton’ilay bibidia.
8. Nahoana no tsy tokony hanafintohina ny fampitahana ny fanjakana matanjaka anglisy-amerikanina amin’ny bibidia?
8 Tsy manafintohina ve ny miantso an’ireo fitondrana ara-politika hoe bibidia? Nilaza izany ny mpanohitra ny Vavolombelon’i Jehovah, nandritra ny Ady Lehibe II, rehefa niadiana tany amin’ny fitsarana eran-tany ny maha ara-dalàna azy ireo. Eritrereto anefa izao: Moa ve tsy ireo firenena ihany no mampiasa biby na bibidia ho famantarana ny fireneny? Liona, ohatra, ny an’i Grande-Bretagne, voromahery ny an’i Etazonia, ary dragona ny an’i Chine. Koa nahoana àry no tsy hekena raha bibidia no ampiasain’ilay Loharanon’ny Baiboly Masina hanondroana firenena matanjaka?
9. a) Nahoana no tokony hekena ny filazan’ny Baiboly hoe i Satana no manome fahefana lehibe an’ilay bibidia? b) Ahoana no ilazana an’i Satana ao amin’ny Baiboly, ary inona no heriny eo amin’ireo fitondram-panjakana?
9 Nahoana koa àry no tsy hekena ny filazan’ny Baiboly hoe i Satana no manome fahefana lehibe an’ilay bibidia? Andriamanitra no niteny izany, ary ‘tahaka ny rano indray mitete avy amin’ny siny sy tahaka ny vovoka madinika amin’ny mizana’ ireo firenena, eo anatrehany. Tsy aleon’ireo firenena ve mitady sitraka amin’Andriamanitra, toy izay ho tezitra ny amin’ny fomba ilazan’ny faminaniany momba azy ireo? (Isaia 40:15, 17; Salamo 2:10-12) Tsy araka izay lazain’ny olona hoe mampijaly ny fanahin’ny maty ao amin’ny afobe i Satana. Tsy misy ny toerana toy izany. Lazain’ny Soratra Masina kosa fa “anjelin’ny mazava” izy, izany hoe mpamitaka raindahiny sy manan-kery lehibe eo amin’ny raharaha politika.—2 Korintianina 11:3, 14, 15; Efesianina 6:11-18.
10. a) Inona no dikan’ny hoe misy diadema ny tsirairay amin’ireo tandroka folo? b) Manondro inona ireo tandroka folo sy ny diadema folo?
10 Misy tandroka folo ny loha fiton’ilay bibidia. Mety ho tandroka iray avy no eo amin’ny loha efatra, ary roa avy kosa ny eo amin’ireo loha telo. Nisy diadema folo koa teo amin’ireo tandrony. Manazava momba ny bibidia mampahatahotra ny bokin’i Daniela, ary isa ara-bakiteny ny isan’ireo tandrony. Ny tandroka roan’ny ondry iray, ohatra, dia manondro firenena natanjaka roa nitambatra, dia i Media sy Persa. Ny tandroka efatry ny osy iray kosa dia fanjakana efatra nipoitra avy tamin’ny Fanjakana Grika nentin’i Aleksandra Lehibe. (Daniela 8:3, 8, 20-22) Toa tsy ara-bakiteny anefa ny isan’ireo tandroka folon’ilay bibidia hitan’i Jaona. (Ampitahao amin’ny Daniela 7:24; Apokalypsy 17:12.) Manondro ny fitondram-panjakana rehetra ao amin’ilay fandaminana ara-politikan’i Satana kosa izy ireo. Mahery setra daholo ireo tandroka, nefa loha iray ihany no firenena matanjaka amin’ny fotoana iray, araka ny asehon’ireo loha fito. Ireo diadema folo dia midika fa miara-misy amin’izay firenena matanjaka eo ny fitondram-panjakana hafa rehetra.
11. Inona no dikan’ny hoe “nisy anarana fanevatevana an’Andriamanitra” teo amin’ireo lohan’ilay bibidia?
11 “Nisy anarana fanevatevana an’Andriamanitra” teo amin’ireo lohan’ilay bibidia. Midika izany fa tena tsy manaja an’i Jehovah Andriamanitra sy Kristy Jesosy izy io. Ampiasainy ny anaran’Andriamanitra sy Kristy mba hanatanterahana ny tanjony ara-politika. Miara-miasa amin’ny fivavahan-diso izy, ary avelany handray anjara amin’ny politika mihitsy aza ny mpitondra fivavahana. Misy eveka, ohatra, ao amin’ny Parlemantan’i Angletera. Nanana anjara toerana lehibe teo amin’ny sehatra politika ireo kardinaly katolika tany Frantsa sy Italia, ary mitana toerana politika ny pretra any Amerika Latinina. Teny fanevan’ny fitondram-panjakana sasany, soratany eo amin’ny vola taratasy, ny hoe “ANDRIAMANITRA NO ITOKISANAY.” Soratany eo amin’ny vola madinika sasany koa fa “noho ny fahasoavan’Andriamanitra” no nahazoan’ireo mpitondra ny fahefany. Manevateva an’Andriamanitra izany rehetra izany, satria toy ny milaza hoe voarohirohy amin’ny politika maloto manindrahindra firenena Andriamanitra.
12. a) Inona no dikan’ny hoe avy tao amin’ny “ranomasina” ilay bibidia, ary oviana izy io no nipoitra? b) Inona no dikan’ny hoe nanome fahefana lehibe an’ilay bibidia ilay dragona?
12 Avy tao amin’ny “ranomasina” ilay bibidia. Manondro tsara an’ireo vahoaka mihotakotaka, izay nipoiran’ireo fitondram-panjakana, ny ranomasina. (Isaia 17:12, 13) Tamin’ny andron’i Nimroda (taonjato faha-21 T.K. tany ho any) no nipoiran’ilay bibidia avy tao amin’ny ranomasina, na ny olombelona nikorontana, rehefa nisy nanohitra an’i Jehovah taorian’ny Safodrano. (Genesisy 10:8-12; 11:1-9) Tamin’izao andron’ny Tompo izao anefa vao tena nipoitra ilay loha fahafito farany. Mariho koa fa ilay dragona no “nanome hery sy seza fiandrianana ary fahefana lehibe an’ilay bibidia.” (Ampitahao amin’ny Lioka 4:6.) Rafitra politika noforonin’i Satana teo anivon’ny olombelona ilay bibidia. I Satana tokoa no “mpitondra an’izao tontolo izao.”—Jaona 12:31.
Ratra saika nahafaty
13. a) Inona no loza nanjo an’ilay bibidia teo am-piandohan’ny andron’ny Tompo? b) Nahoana no ilay bibidia manontolo no nijaly, nefa loha iray ihany no naratra mafy?
13 Nisy loza nahazo an’ilay bibidia, teo am-piandohan’ny andron’ny Tompo. Hoy i Jaona: “Ary hitako fa ny lohany iray dia toy ny hoe voakapa ka efa ho faty, nefa sitrana ihany ilay ratra saika nahafaty azy. Ary nanaraka an’ilay bibidia ny tany manontolo sady nitolagaga taminy.” (Apokalypsy 13:3) Milaza io andininy io fa nisy ratra saika nahafaty ny lohany iray tamin’ilay bibidia. Lazain’ny andininy faha-12 anefa fa toy ny hoe ilay bibidia manontolo no nijaly. Nahoana? Tsy niara-nanana fahefana ireo lohan’ilay bibidia. Nifandimby izy ireo nifehy ny olombelona, indrindra fa ny vahoakan’Andriamanitra. (Apokalypsy 17:10) Loha iray ihany àry, dia ny fahafito, no natanjaka indrindra teo am-piandohan’ny andron’ny Tompo. Nampijaly be an’ilay bibidia manontolo anefa ny ratra mafy nahazo an’io loha io.
14. Oviana no voan’ilay ratra saika nahafaty azy ilay bibidia, ary ahoana no nilazan’ny miaramila iray ny vokatr’izany?
14 Inona ilay ratra saika nahafaty azy? Voalaza any aoriana fa ratra avy tamin’ny sabatra ilay izy, ary manondro ady ny sabatra. Mifandray amin’ny Ady Lehibe I ilay ratra nahazo azy teo am-piandohan’ny andron’ny Tompo. Voa mafy sy lany hery tanteraka tamin’ilay ady ilay bibidia, na ny tontolo ara-politikan’i Satana. (Apokalypsy 6:4, 8; 13:14) Miaramila tamin’io ady io i Maurice Genevoix, izay nanoratra hoe: “Eken’ny rehetra fa ny 2 Aogositra 1914 no anisan’ny daty nanan-tantara indrindra teo amin’ny olombelona. I Eoropa aloha no tafiditra tao amin’io loza io, ary avy eo dia saika izao tontolo izao manontolo mihitsy. Rava ny fifanarahana sy ny lalàm-pitondran-tena, eny, ny zava-drehetra niorenan’ny fiaraha-monina. Tampoka teo dia nanjary niadian-kevitra daholo ny zava-drehetra. Tsy azo an-tsaina sady tsy nampoizina mihitsy ilay zava-nitranga. Mbola namela takaitra hatramin’izao ilay ady lehibe izay nisafotofoto sy nahatsiravina.”—Maurice Genevoix, anisan’ny Akademia Frantsay, tao amin’ny boky Fampanantenana Fahefana (frantsay, 1968).
15. Ahoana no nahatonga ny loha fahafiton’ilay bibidia ho voan’ny ratra saika nahafaty azy?
15 Loza lehibe ho an’ny loha fahafiton’ilay bibidia io ady io. Maro be ireo tovolahy tany Grande-Bretagne sy ny firenena eoropeanina hafa no maty tamin’io. Tamin’ny Ady Tany Amin’ny Reniranon’i Somme fotsiny tamin’ny 1916, dia miaramila britanika 420 000, sy miaramila frantsay 200 000, ary miaramila alemà 450 000 no maty, izany hoe maherin’ny 1 000 000 ny fitambarany! Potika koa ny toe-karen’i Grande-Bretagne sy Eoropa manontolo. Nihozongozona ilay Fanjakana Britanika natanjaka, ary tsy nety tafarina intsony. Nandraingiraingy tokoa izao tontolo izao, toy ny hoe voan’ny ratra saika nahafaty azy, tamin’ilay ady nidiran’ny firenena lehibe 28. Nilaza toy izao ny gazety Toe-karena (anglisy), tany Londres, any Angletera, tamin’ny 4 Aogositra 1979, izany hoe 65 taona taorian’ny nipoahan’ny Ady Lehibe I: “Rava tamin’ny 1914 ny filaminan’izao tontolo izao, ary tsy tafaverina intsony hatramin’izao.”
16. Ahoana no nanehoan’i Etazonia nandritra ny Ady Lehibe I fa anisan’ireo firenena matanjaka roa mitambatra izy?
16 Afaka niseho ho anisan’ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina kosa i Etazonia, noho ilay Ady Lehibe. Tsy navelan’ny vahoaka amerikanina hiditra tamin’ilay ady i Etazonia, tamin’ny voalohany. Izao anefa no nolazain’i Esmé Wingfield-Stratford, mpahay tantara: “Ny tena zava-dehibe tamin’izay dia hoe hanadino ny tsy fifanarahany ve i Grande-Bretagne sy Etazonia, amin’ilay fotoan’ny krizy lehibe, ka hiray saina tsara sy hanangana fahefana iombonana.” Nanao izany izy ireo, araka ny tantara. Nanome fitaovana sy miaramila hanampiana an’ireo Mpiray Dina efa nangozohozo i Etazonia, tamin’ny 1917. Nandresy àry ilay loha fahafito, dia i Grande-Bretagne nitambatra tamin’i Etazonia.
17. Inona no nitranga tamin’ny tontolon’i Satana, taorian’ilay ady?
17 Niova be izao tontolo izao taorian’ilay ady. Toy ny hoe naratra saika maty ny tontolon’i Satana, nefa velona indray, sady vao mainka natanjaka, ka nampitolagaga ny olona.
18. Nahoana no azo lazaina fa “nanaraka an’ilay bibidia ny tany manontolo sady nitolagaga taminy”?
18 Hoy i Charles Mee, zanany, mpahay tantara: “Nilaina ny faharavan’ilay rafitra fahiny [nateraky ny Ady Lehibe I], mba hisian’ny fitondrana mahaleo tena, ny fahafahan’ny firenena sy saranga vaovao, ary ny fahalalahana sy fahaleovan-tena vaovao.” Nitarika ny fandrosoana taorian’ilay ady ny loha fahafiton’ilay bibidia, izay sitrana izao, ka i Etazonian’i Amerika no lasa natanjaka kokoa. Loha laharana tamin’ny fanohanana ny Fikambanam-pirenena sy ny Firenena Mikambana ireo firenena matanjaka roa mitambatra. Hatramin’ny taona 2005, dia nitarika an’ireo firenena mandroso ny fanjakana amerikanina mba hampisy fari-piainana ambony kokoa, sy hiady amin’ny aretina, ary hampandroso ny fahaizana teknika. Nametraka olona 12 teny amin’ny volana mihitsy aza izy. Tsy mahagaga raha “nanaraka an’ilay bibidia ny tany manontolo sady nitolagaga taminy.”
19. a) Nahoana no tsy nitolagaga tamin’ilay bibidia fotsiny ireo firenena? b) Iza no tena mifehy ny fanjakana rehetra eto an-tany, ary ahoana no ahalalantsika izany? d) Ahoana no anomezan’i Satana fahefana an’ilay bibidia, ary inona no vokatr’izany eo amin’ny ankamaroan’ny olona?
19 Tsy nitolagaga tamin’ilay bibidia fotsiny ireo firenena, fa izao koa no nolazain’i Jaona: “Ary nivavaka tamin’ilay dragona izy ireo, satria izy no nanome fahefana an’ilay bibidia, ary nivavaka tamin’ilay bibidia izy ireo sady niteny hoe: ‘Iza no tahaka ny bibidia, ary iza no afaka miady aminy?’ ” (Apokalypsy 13:4) Nilaza i Satana, tamin’i Jesosy tetỳ an-tany, fa azy ny fanjakana rehetra eto an-tany. Tsy nanda izany i Jesosy. Nolazainy mihitsy aza fa i Satana no mpitondra an’izao tontolo izao, ka tsy nety nandray anjara tamin’ny politika izy. Hoy i Jaona momba ny tena Kristianina: “Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika, fa izao tontolo izao manontolo kosa dia eo ambany fahefan’ilay ratsy.” (1 Jaona 5:19; Lioka 4:5-8; Jaona 6:15; 14:30) Manome fahefana an’ilay bibidia i Satana, ka zarazarainy isaky ny firenena izany. Tsy mifankatia àry ny olombelona, fa vao mainka mizarazara noho ny foko niaviany sy ny firazanany ary ny fireneny. Toy ny mivavaka amin’ilay bibidia manam-pahefana eo amin’ny taniny, raha ny marina, ny ankamaroan’ny olona. Mampitolagaga sady ivavahana àry ilay bibidia manontolo.
20. a) Nahoana ny olona no lazaina hoe mivavaka amin’ilay bibidia? b) Nahoana ny Kristianina mpivavaka amin’i Jehovah Andriamanitra no tsy mivavaka amin’ilay bibidia, ary manahaka an’iza izy ireo?
20 Nahoana izy ireo no lazaina hoe mivavaka amin’ilay bibidia? Satria tiany kokoa noho Andriamanitra ny tanindrazany. Tia ny tany nahaterahany ny ankamaroan’ny olona. Olom-pirenena mahafinaritra koa ny tena Kristianina, ka manaja ny mpitondra sy ny sainam-pirenena, manara-dalàna, ary mandray anjara amin’izay hahasoa ny fiaraha-monina. (Romanina 13:1-7; 1 Petera 2:13-17) Tsy afaka ny hifikitra an-jambany amin’ny taniny anefa izy ireo. Tsy fampianarana kristianina ny hoe “tanindrazako foana io, na marina na diso.” Tsy mety amin’ny Kristianina mpivavaka amin’i Jehovah Andriamanitra àry ny manindrahindra tanindrazana, satria toy ny mivavaka amin’ilay bibidia izany. Mitovy amin’ny mivavaka amin’ilay dragona nanome fahefana an’ilay bibidia koa izany. Tsy afaka ny hilaza izy ireo hoe: “Iza no tahaka ny bibidia?” Manohana ny zon’i Jehovah hitondra kosa izy ireo, toy ny ataon’i Mikaela. “Iza no Tahaka An’Andriamanitra?” no dikan’ny hoe Mikaela. Hiady sy handresy an’ilay bibidia, toy ny nandreseny sy nandroahany an’i Satana tany an-danitra, i Mikaela, dia i Jesosy Kristy, amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra.—Apokalypsy 12:7-9; 19:11, 19-21.
Miady amin’ireo olona masina
21. Ahoana no ilazan’i Jaona ny fampiasan’i Satana an’ilay bibidia?
21 Mitetika ny hampiasa ilay bibidia mba hanatanterahana ny zava-kendreny i Satana. Hoy i Jaona: “Ary nomena vava mirehareha sy manevateva an’Andriamanitra ilay bibidia [manana loha fito] sady nomena fahefana hiasa roa amby efapolo volana. Ary nanao teny fanevatevana an’Andriamanitra izy, mba hanevateva ny anarany sy ny fonenany, dia ireo monina any an-danitra. Ary navela hiady tamin’ny olona masina sy handresy azy ireo izy, sady nomena fahefana tamin’ny foko sy vahoaka sy olona samy hafa fiteny ary firenena rehetra. Ary hivavaka aminy ny mponina rehetra amin’ny tany. Ary nanomboka tamin’ny nanorenana izao tontolo izao no efa tsy voasoratra tao amin’ny horonam-bokin’ny fiainana ny anaran’izy ireo, dia tao amin’ilay horonam-bokin’ny Zanak’ondry, izay efa novonoina ho faty.”—Apokalypsy 13:5-8.
22. a) Mitovy amin’inona ireo 42 volana? b) Ahoana no ‘nandresena’ ny Kristianina voahosotra, nandritra ireo 42 volana?
22 Toa mitovy ireo 42 volana resahina eto sy ireo telo taona sy tapany resahin’ny faminanian’i Daniela hoe fotoana ampahorian’ny tandroky ny bibidia iray an’ireo olona masina. (Daniela 7:23-25; jereo koa ny Apokalypsy 11:1-4.) Raha mbola nifandramatra toy ny bibidia ireo firenena niady, tamin’ny faran’ny 1914 ka hatramin’ny 1918, dia noterena ny vahoakan’ireny firenena ireny mba hivavaka tamin’ilay bibidia, hanindrahindra fatratra ny tanindrazany, ary ho vonona ho faty ho an’ny taniny mihitsy. Nijaly be àry ny maro tamin’ny voahosotra, satria tsapany fa i Jehovah Andriamanitra sy Kristy Jesosy Zanany no tokony heken’izy ireo kokoa. (Asan’ny Apostoly 5:29) Tamin’ny Jona 1918 no mafy indrindra ny fitsapana azy ireo, rehefa ‘resy’ izy ireo. Nogadraina tsy ara-drariny ireo nitana andraikitra ambony sy solontenan’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana tany Etazonia, ary voasakana be ny fitoriana nataon’ireo Kristianina rahalahiny. Voasakantsakan’ilay bibidia ny asan’Andriamanitra eran-tany, satria nanana fahefana “tamin’ny foko sy vahoaka sy olona samy hafa fiteny ary firenena rehetra” izy.
23. a) Inona ilay “horonam-bokin’ny Zanak’ondry”, ary inona no efa akaiky ho vita nanomboka tamin’ny 1918? b) Nahoana no poakaty izay toa fandresen’ny fandaminan’i Satana ny “olona masina”?
23 Toa nandresy i Satana sy ny fandaminany. Tsy hahasoa azy ireo maharitra anefa izany, satria ny anaran’ireo anisan’ny fandaminan’i Satana dia tsy misy voasoratra ao amin’ny ‘horonam-bokin’ny fiainana, dia ny horonam-bokin’ny Zanak’ondry.’ Ny anaran’ireo hiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra no ao amin’io horonam-boky an’ohatra io. Tamin’ny Pentekosta taona 33 no nosoratana ireo anarana voalohany, ary niampy hatrany izany, nanomboka teo. Nanomboka tamin’ny 1918, dia efa akaiky ho vita ny fanisiana tombo-kase ny sisa amin’ireo 144 000 handova ilay Fanjakana. Kely sisa dia ho voasoratra ao amin’ny horonam-bokin’ny Zanak’ondry ny anaran’izy rehetra, ka tsy ho voafafa intsony. Tsy hisy anaran’ireo mpanohitra mivavaka amin’ilay bibidia kosa ao. Poakaty sy vetivety ihany àry ilay toa fandresen’izy ireo ny “olona masina.”
24. Inona no nasain’i Jaona nohenoin’ireo mahay manavaka, ary mila manao inona ny vahoakan’Andriamanitra?
24 Nasain’i Jaona hihaino tsara ireo mahay manavaka: “Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino.” Hoy izy avy eo: “Raha misy natao ho amin’ny fahababoana, dia ho lasa babo izy. Raha misy mamono amin’ny sabatra, dia tsy maintsy hovonoina amin’ny sabatra izy. Eto no ilana ny fiaretan’ny olona masina sy ny finoany.” (Apokalypsy 13:9, 10) Nitovy be tamin’ireo ny tenin’i Jeremia, talohan’ny 607 T.K. Nasehony fa tsy hihemotra ny didim-pitsaran’i Jehovah tamin’i Jerosalema nivadika. (Jeremia 15:2; jereo koa ny Jeremia 43:11; Zakaria 11:9.) Nolazain’i Jesosy nazava tamin’ny mpianany, nandritra ny fitsapana mafy niaretany, fa tsy tokony hanaiky lembenana izy ireo. Hoy izy: “Ho fatin’ny sabatra izay rehetra mandray sabatra.” (Matio 26:52) Tsy maintsy manaraka akaiky ny toro lalan’ny Baiboly koa ny vahoakan’Andriamanitra, amin’izao andron’ny Tompo izao. Tsy hisy ho afa-miala ireo mivavaka amin’ilay bibidia ka tsy mibebaka. Mila miaritra sy manana finoana mafy orina isika rehetra, mba ho tafavoaka velona amin’ny fanenjehana sy fitsapana miandry antsika.—Hebreo 10:36-39; 11:6.
Ilay bibidia manan-tandroka roa
25. a) Ahoana no ilazan’i Jaona ny bibidia iray hafa nipoitra? b) Inona no dikan’ny hoe manan-tandroka roa ilay bibidia, ary avy tamin’ny tany?
25 Nisy bibidia hafa nipoitra anefa. Hoy i Jaona: “Ary nahita bibidia hafa iray niakatra avy tamin’ny tany aho, ary nanana tandroka roa tahaka ny an’ny zanak’ondry izy, nefa niteny toy ny dragona. Ary izy nampihatra teo imason’ilay bibidia voalohany ny fahefana rehetra nananan’izy io. Ary ny tany sy ny mponina teo aminy dia nasainy nivavaka tamin’ilay bibidia voalohany, izay sitrana tamin’ilay ratra saika nahafaty azy. Ary nanao famantarana lehibe izy, ka nandatsaka afo avy tany an-danitra ho amin’ny tany mihitsy aza, teo imason’ny olona.” (Apokalypsy 13:11-13) Manan-tandroka roa ilay bibidia, ka midika izany fa fitondrana politika roa mitambatra izy io. Tsy avy tao amin’ny ranomasina koa izy io, fa avy tamin’ny tany, izany hoe avy tao amin’ny rafitry ny tontolon’i Satana eto an-tany izay efa miorina tsara. Tsy maintsy ho firenena matanjaka efa misy izy io, izay manana anjara toerana lehibe mandritra ny andron’ny Tompo.
26. a) Inona ilay bibidia manan-tandroka roa, ary inona no ifandraisany amin’ilay bibidia voalohany? b) Nahoana no lazaina hoe toy ny an’ny zanak’ondry ny tandrony roa, ary nahoana no lazaina hoe miteny “toy ny dragona” izy? d) Inona no tena ivavahan’ny olona manindrahindra firenena, ary oharina amin’ny inona ny fanindrahindram-pirenena? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)
26 Inona àry izy io? Ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina, dia ny loha fahafiton’ilay bibidia voalohany, saingy manana anjara asa manokana izy eto! Asehon’ilay fahitana ho bibidia iray hafa izy io, mba hahitantsika tsara kokoa hoe miasa irery izy eo amin’izao tontolo izao. Fanjakana roa miara-misy sy mahaleo tena, nefa miara-miasa, io bibidia manan-tandroka roa io. “Tahaka ny an’ny zanak’ondry” ireo tandrony roa, mba hilazana fa mody miseho ho tsara fanahy sy tsy masiaka izy, ary fitondram-panjakana mandroso tokony hitodihan’izao tontolo izao. Miteny “toy ny dragona” anefa izy, satria manery sy mandrahona, ary mampiasa herisetra mihitsy, rehefa tsy ekena ny fomba fitondrana apetrany. Tsy ampirisihiny ny olona hanaiky ny Fanjakan’Andriamanitra entin’ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, fa hanaiky kosa an’i Satana, ilay dragona lehibe. Nampisy fizarazarana sy fankahalana teo amin’ireo firenena izy io, ka vao mainka nampiroborobo ny fivavahana amin’ilay bibidia voalohany.c
27. a) Mihambo ho inona ilay bibidia manan-tandroka roa, rehefa mandatsaka afo avy any an-danitra? b) Ahoana no fiheveran’ny ankamaroan’ny olona an’ilay bibidia manan-tandroka roa?
27 Manao famantarana lehibe ilay bibidia manan-tandroka roa, ka mandatsaka afo avy any an-danitra mihitsy aza. (Ampitahao amin’ny Matio 7:21-23.) Tsaroantsika amin’izany i Elia, ilay mpaminanin’Andriamanitra fahiny izay niady tamin’ireo mpaminanin’i Bala. Niantso tamin’ny anaran’i Jehovah izy ka nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra. Voaporofo fa tena mpaminany izy, ary sandoka kosa ireo mpaminanin’i Bala. (1 Mpanjaka 18:21-40) Toy ireo mpaminanin’i Bala ilay bibidia manan-tandroka roa, ka mihambo ho mpaminany. (Apokalypsy 13:14, 15; 19:20) Milaza izy fa resiny ny herin’ny ratsy tamin’ireo ady lehibe roa, ary resiny koa ny Kominisma tsy nino an’Andriamanitra! Maro tokoa no mihevitra an’ilay bibidia manan-tandroka roa ho mpiambina ny fahafahana sy loharanon’ny zavatra tsara.
Ny sarin’ilay bibidia
28. Ahoana no nilazan’i Jaona fa tena manan-tsiny ilay bibidia manan-tandroka roa, na dia toy ny an’ny ondry aza ny tandrony?
28 Tsy manan-tsiny ve ilay bibidia manan-tandroka roa, satria toy ny an’ny zanak’ondry ny tandrony? Hoy indray i Jaona: “Ary namitaka ny mponina tamin’ny tany izy, noho ireo famantarana navela hataony teo imason’ilay bibidia, sady nilaza tamin’ny mponina tamin’ny tany koa izy mba hanao ny sarin’ilay bibidia, izay voan’ny sabatra nefa velona indray. Ary navela hanome fofonaina an’ilay sarin’ny bibidia izy, mba hiteny ilay sary sady hampamono ho faty izay rehetra tsy nety nivavaka taminy mihitsy.”—Apokalypsy 13:14, 15.
29. a) Inona no zava-kendren’ny sarin’ilay bibidia, ary oviana io sary io no natao? b) Nahoana no tsy sarivongana tsy misy aina izy io?
29 Inona io “sarin’ilay bibidia” io, ary inona no zava-kendreny? Ny zava-kendreny dia ny hampandroso ny fivavahana amin’ilay bibidia manan-doha fito, ka hampaharitra ny fisian’io bibidia io. Natao ny sarin’io bibidia io, rehefa velona avy tamin’ilay ratra saika nahafaty azy ilay bibidia manan-doha fito, izany hoe taorian’ny Ady Lehibe I. Tsy sarivongana tsy misy aina toy ilay natsangan’i Nebokadnezara teo amin’ny lemak’i Dora izy io. (Daniela 3:1) Manome aina an’ilay sary ilay bibidia manan-tandroka roa, mba hahavelona azy io sy hananany anjara toerana eo amin’ny tantaran’izao tontolo izao.
30, 31. a) Iza ilay sary, rehefa jerena ny tantara? b) Nisy novonoina ve, satria tsy nety nivavaka tamin’ilay sary? Hazavao.
30 Rehefa jerena ny tantara, dia ny Fikambanam-pirenena no mifanitsy amin’ilay sary. I Grande-Bretagne sy Etazonia no nanolo-kevitra sy nampirisika ny hanorenana an’io fikambanana io, ary nanohana azy io. Bibidia velona mena midorehitra sady mahaleo tena izy io ao amin’ny Apokalypsy toko 17. ‘Miteny’ io fikambanana iraisam-pirenena io, izany hoe mirehareha ho hany afaka mitondra fandriampahalemana sy filaminana ho an’ny olombelona. Mifamaly sy mifanompa fotsiny anefa no ataon’ireo firenena mpikambana ao. Rahonany hailikilika, hatoka-monina tsy afaka mifandray amin’iza na iza, ny firenena na vahoaka tsy manaiky ny fahefany. Noroahin’ny Fikambanam-pirenena tsy ho mpikambana tao aminy tokoa izay firenena tsy nanaiky ny firehan-keviny. Eo am-piandohan’ny fahoriana lehibe, dia handravarava tokoa ireo ‘tandroky’ ny sarin’ilay bibidia, satria hampiasa ny tafiny izy ireo.—Apokalypsy 7:14; 17:8, 16.
31 Namono olona io sarin’ny bibidia io, na ny Firenena Mikambana ankehitriny, taorian’ny Ady Lehibe II. Nandray anjara tamin’ny adin’i Korea Avaratra sy Korea Atsimo, ohatra, ny tafiky ny Firenena Mikambana, tamin’ny 1950. Namono Koreanina Tavaratra sy Sinoa 1 420 000 teo ho eo izy ireo, niaraka tamin’ny tafiky ny Koreanina Tatsimo. Niady tany Congo (Kinshasa) koa ny tafiky ny Firenena Mikambana, tamin’ny 1960-1964. Ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao, anisan’izany ny Papa Paoly Faha-6 sy Jean-Paul II, dia nanamafy fa io sary an’ohatra io sisa no hany azo antenaina hitondra fandriampahalemana eto an-tany. Hifamono ny olombelona, hoy izy ireo, raha tsy manaiky azy io. Ireo mpitondra àry dia toy ny hoe mamono izay olona tsy mety manaraka an’ilay sary sy mivavaka amin’izy io.—Deoteronomia 5:8, 9.
Ny marik’ilay bibidia
32. Ahoana no ilazan’i Jaona ny fampiasan’i Satana ny ampahany ara-politika amin’ny fandaminany, mba hampijaliana ny sisa amin’ny taranak’ilay vehivavy vadin’Andriamanitra?
32 Hitan’i Jaona izao ny fampiasan’i Satana ny ampahany ara-politika amin’ny fandaminany, mba hampijaliana faran’izay mafy ny sisa amin’ny taranak’ilay vehivavy vadin’Andriamanitra. (Genesisy 3:15) Hazavainy toy izao ny momba ilay “bibidia”: “Ary notereny ny olona rehetra, na kely na lehibe, na manankarena na mahantra, na olona afaka na mpanompo, mba hasiana marika teo amin’ny tanany havanana na teo amin’ny handriny, ary mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra, afa-tsy izay nanana ilay marika, dia ny anaran’ilay bibidia na ny isa manondro ny anarany. Eto no ilana fahendrena: Aoka izay mahira-tsaina hanao kajy ilay isa manondro ny bibidia, fa isa nataon’olombelona izany. Ilay isa dia enina amby enimpolo sy eninjato.”—Apokalypsy 13:16-18.
33. a) Inona no anaran’ilay bibidia? b) Mifandray amin’ny inona ny isa enina? Hazavao.
33 Manana anarana ilay bibidia, dia ny isa 666. Mifandray amin’ny fahavalon’i Jehovah ny isa enina. “Vaventibe” ny Filistinina iray taranaky ny Refaita, ary “efatra amby roa-polo no isan’ny rantsan-tànany sy ny rantsan-tongony”, izany hoe enina avy. (1 Tantara 20:6) Nanangana sariolona volamena i Nebokadnezara Mpanjaka mba hampiraisana ny fivavahan’ireo manam-pahefana ara-politika, ka 6 hakiho ny sakany, ary 60 hakiho ny haavony. Tsy nety nivavaka tamin’ilay sariolona ny mpanompon’Andriamanitra, ka nasain’i Nebokadnezara natsipy tao anaty lafaoro mirehitra. (Daniela 3:1-23) Kely noho ny fito ny isa enina, nefa ny isa fito dia isa feno eo imason’Andriamanitra. Midika ho tsy fahalavorariana lehibe àry ny isa enina miverina intelo.
34. a) Inona no dikan’ny hoe “isa nataon’olombelona” ny anaran’ilay bibidia? b) Nahoana ny 666 no anarana mety tsara ho an’ny rafitra politikan’i Satana?
34 Ahafantarana ny olona iray ny anarany. Koa milaza inona momba ilay bibidia àry io isa io? Nolazain’i Jaona fa “isa nataon’olombelona” ilay izy, fa tsy avy amin’ny fanahy. Manamafy amintsika àry izany fa avy eto an-tany ilay bibidia, ary manondro fitondram-panjakan’olombelona. Tsy mahafeno fito ny isa enina, ka ilay isa 666, na enina miverina intelo, dia mety tsara mba hanondroana ny rafitra politika lehibe eto an-tany, izay tsy mahafeno ny fepetra napetrak’Andriamanitra momba ny fahalavorariana. Manam-pahefana be ilay bibidia ara-politika eran-tany, izay mitondra ilay anarana 666. Ny mpanao politika malaza sy ny fivavahana lehibe ary ny mpandraharaha matanjaka kosa no manohana azy eo amin’ny fampijaliana ny olona sy ny fanenjehana ny vahoakan’Andriamanitra.
35. Inona no dikan’ny hoe misy mariky ny anaran’ilay bibidia eo amin’ny handrina na eo amin’ny tanana havanana?
35 Inona no dikan’ny hoe misy mariky ny anaran’ilay bibidia eo amin’ny handrina na eo amin’ny tanana havanana? Izao no nolazain’i Jehovah, tao amin’ny Lalàna ho an’ny Israely: “Alatsaho ao amin’ny fonareo sy ao amin’ny fanahinareo izao teniko izao, ary fehezo ho famantarana eo amin’ny tànanareo izy, ka aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin’ny handrinareo.” (Deoteronomia 11:18) Nidika izany fa tsy maintsy nitadidy ny Lalàna foana ny Israelita, mba hisy heriny eo amin’izay rehetra nataony sy ny eritreriny izy io. Voalaza fa voasoratra eo amin’ny handrin’ireo voahosotra 144 000 ny anaran’ny Ray sy ny an’i Jesosy. Midika izany fa an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy izy ireo. (Apokalypsy 14:1) Mba maka tahaka an’izany koa i Satana ka mampiasa ny marik’ilay bibidia. Rehefa manao ny asa aman-draharahany andavanandro, toy ny mividy na mivarotra, ny olona, dia terena hanao toy ny fanaon’ilay bibidia, eo amin’ny fankalazany fety, ohatra. Antenaina hivavaka amin’ilay bibidia izy ireo, ka hamela azy io hifehy ny fiainany, mba hahazoan’izy ireo ilay marika.
36. Inona avy no olana hitan’ireo tsy mety mandray ny marik’ilay bibidia?
36 Mahita olana foana ireo tsy mety mandray ny marik’ilay bibidia. Tsy maintsy niady tany amin’ny fitsarana matetika, ohatra, izy ireo nanomboka tamin’ny taona 1930, ary niaritra ny herisetran’ny mpirotaka, sy fanenjehana hafa. Tany amin’ny tany nisy mpitondra tsy refesi-mandidy, dia nalefa tany amin’ny toby fitanana izy ireo, ary maro no maty tany. Maro ny tovolahy nogadraina ela be nanomboka tamin’ny Ady Lehibe II, ary nisy aza nampijalina sy novonoina ho faty, satria tsy nety nanao raharaha miaramila. Tsy afaka mividy na mivarotra ara-bakiteny ny Kristianina any amin’ny tany sasany. Misy tsy afaka manana tany na trano, ary misy koa vetavetaina sy vonoina ho faty, na roahina hiala amin’ny fireneny. Nahoana? Satria tsy mety mividy karatry ny antoko politika izy ireo, noho ny feon’ny fieritreretany.d—Jaona 17:16.
37, 38. a) Nahoana no sarotra amin’ireo tsy manaiky handray ny marik’ilay bibidia ny miaina eto amin’ity tontolo ity? b) Iza no tsy mivadika, ary tapa-kevitra hanao inona izy ireo?
37 Tafiditra lalina amin’ny fiainan’ny fiaraha-monina ny fivavahana any amin’ny toerana sasany, ka ailikiliky ny fianakaviana sy ny namana taloha ny olona rehetra manaraka ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Mila finoana be ireo miaritra. (Matio 10:36-38; 17:22) Ny harena no tompoin’ny ankamaroan’ny olona eo amin’izao tontolo izao, ary manjaka ny fanaovana ny tsy marina. Tsy maintsy matoky tanteraka àry ny tena Kristianina fa hanampy azy ireo hanao ny marina foana i Jehovah. (Salamo 11:7; Hebreo 13:18) Ratsy fitondran-tena koa izao tontolo izao, ka ilaina ny ho tapa-kevitra mafy ny hadio hatrany. Matetika ny Kristianina marary no teren’ny dokotera sy ny mpitsabo mpanampy handika ny lalàn’Andriamanitra momba ny fahamasinan’ny ra. Tsy maintsy miady amin’ny didim-pitsarana mifanohitra amin’ny finoany mihitsy izy ireo indraindray. (Asan’ny Apostoly 15:28, 29; 1 Petera 4:3, 4) Maro koa ny olona tsy an’asa, ka mihasarotra amin’ny tena Kristianina ny mandà asa mety hampivadika azy amin’Andriamanitra.—Mika 4:3, 5.
38 Tena sarotra amin’ireo tsy manana ny marik’ilay bibidia ny miaina eto amin’ity tontolo ity. Noho ny herin’i Jehovah sy ny fitahiany anefa, dia tsy mivadika ireo sisa amin’ny taranak’ilay vehivavy sy ireo vahoaka be enina tapitrisa mahery, na maro aza no manery azy ireo handika ny lalàn’Andriamanitra. (Apokalypsy 7:9) Enga anie isika rehetra eran-tany ka hiara-midera an’i Jehovah sy hanaraka ny fitsipiny marina hatrany, sady tsy hanaiky handray ny marik’ilay bibidia.—Salamo 34:1-3.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raha te hahita tsipiriany fanampiny ianao, dia jereo ny boky Diniho ny Faminanian’i Daniela, pejy 165-179, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
b Fanazavana ny Apokalipsa Nosoratan’i Md. Joany (anglisy), pejy 390-391, nataon’i R. Lenski.
c Lazain’ny mpanazava teny fa toy ny fivavahana mihitsy ny fanindrahindram-pirenena. Mivavaka amin’ilay bibidia eo amin’ny taniny àry ny olona manindrahindra firenena, raha ny marina. Izao no voalaza momba ny fanindrahindram-pirenena any Etazonia: “Misy itovizany betsaka amin’ny fivavahana lehibe fahiny ny fanindrahindram-pirenena, izay heverina ho toy ny fivavahana ... Ny fireneny no andriamanitry ny mpanindrahindra firenena ankehitriny, ary fantany fa miankina amin’izy io izy. Tsapany fa mila ny fanampian’izy io izy. Ekeny fa izy io no hampivoatra sy hahasambatra azy. Izy io no ekeny, toy ny fanekena an’Andriamanitra. ... Heverina fa maharitra mandrakizay ny firenena. Ary rehefa maty ho an’ny firenena ireo zanany, dia vao mainka mitombo ny lazany sy voninahiny.”—Carlton Hayes, araka ny boky Ny Zavatra Inoan’ny Amerikanina sy ny Fomba Fivavahany (anglisy), pejy 359, nosoratan’i J. Williams.
d Jereo, ohatra, Ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary 2003, pejy 27; 15 Febroary 2004, pejy 6-7; 15 Oktobra 2004, pejy 27; 1 Aprily 2006, pejy 13; Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1999, pejy 196-197; Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra, pejy 670-671.
[Sary, pejy 195]
Navela hanome fofonaina an’ilay sarin’ny bibidia izy