Ilay Hafatra Tsy Maintsy Torintsika
Nanome antsika andraikitra sy tombontsoa lehibe i Jehovah. Hoy izy: “Hianareo no vavolombeloko, . . . ary Izaho no Andriamanitra.” (Isaia 43:12) Tsy mpino na mpivavaka fotsiny isika, fa vavolombelona manambara ampahibemaso ny fahamarinana ao amin’ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra. Inona moa ilay hafatra asain’i Jehovah torintsika ankehitriny? Momba an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy ary ilay Fanjakan’ny Mesia, izy io, voalohany indrindra.
“ANDRIAMANITRA NO ATAHORY, ARY NY DIDINY NO TANDREMO”
ELA be talohan’ny Kristianisma, dia nilaza tamin’i Abrahama nahatoky i Jehovah fa hisy fandaharana hitahiana “ny firenena rehetra ambonin’ny tany.” (Gen. 22:18) Nanome tsindrimandry an’i Solomona koa izy mba hanoratra izao zavatra takina amin’ny olona rehetra izao: “Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra.” (Mpit. 12:13) Ahoana anefa no hahafantaran’ny mponina any amin’ny firenena rehetra an’ireo zavatra ireo?
Na dia efa nisy foana aza olona nino ny tenin’Andriamanitra, dia asehon’ny Baiboly fa amin’ny “Andron’ny Tompo” vao tena hambara amin’ny firenena rehetra maneran-tany ny vaovao tsara. Nanomboka tamin’ny 1914 io andro io. (Apok. 1:10) Momba io fotoana io, dia efa voalazan’ny Apokalypsy 14:6, 7 fa hisy fanambarana lehibe hotarihin’ny anjely hatao “amin’ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra.” Hampirisihina toy izao izy ireo: “Matahora an’Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany; ary miankohofa eo anoloan’Izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano.” Tian’Andriamanitra ny hanambarana io hafatra io. Manana tombontsoa handray anjara amin’io asa io isika.
‘Ilay Andriamanitra marina.’ Tamin’ny fotoana iray niadiana hevitra ny amin’izay tena Andriamanitra no nilazan’i Jehovah hoe: “Hianareo no vavolombeloko.” (Isaia 43:10) Ilay hafatra tsy maintsy torina àry dia tsy momba ny tokony hananan’ny olona fivavahana na hinoany andriamanitra iray fotsiny. Tokony hampahafantarina ny olona kosa fa ilay Mpamorona ny lanitra sy ny tany no hany Andriamanitra marina. (Isaia 45:5, 18, 21, 22; Jaona 17:3) Ilay hany Andriamanitra marina ihany no tena afaka milaza ny hoavy. Tombontsoantsika ny mampiseho fa ny fahatanterahan’ny tenin’i Jehovah tamin’ny lasa dia porofo azo antoka fa ho tanteraka ny zava-drehetra nampanantenainy momba ny hoavy.—Josoa 23:14; Isaia 55:10, 11.
Maro amin’ireo itoriantsika no efa mivavaka amin’andriamani-kafa na milaza ho tsy mpivavaka. Zavatra samy mahaliana antsika sy ilay olona aloha angamba no ilaintsika horesahina, mba hihainoany antsika. Afaka mijery ny ohatra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 17:22-31 isika. Mariho fa na dia nahay nandanjalanja aza i Paoly, dia nilaza mazava tsara fa hampamoahin’ilay Andriamanitra Mpamorona ny lanitra sy ny tany ny olona rehetra.
Ampahafantaro ny anaran’Andriamanitra. Ampahafantaro foana ny anaran’ilay Andriamanitra marina. Tia ny anarany i Jehovah. (Eks. 3:15; Isaia 42:8) Tiany ho fantatry ny olona io anarana io. Nasainy nampidirina tao amin’ny Baiboly mihoatra ny im-7000 io anarany be voninahitra io. Andraikitsika ny mampahafantatra azy io amin’ny olona.—Deot. 4:35.
Miankina amin’ny fahafantarana an’i Jehovah sy ny fiantsoana azy amim-pinoana no hahafahan’ny olona rehetra hahazo fiainana amin’ny hoavy. (Joela 3:5; Mal. 3:16; 2 Tes. 1:8) Tsy mahalala an’i Jehovah anefa ny ankamaroan’ny olona, eny, fa na dia ireo izay milaza ho mivavaka amin’ilay Andriamanitry ny Baiboly aza. Manana sy mamaky Baiboly izy ireo, nefa mety ho mbola tsy mahalala ny anaran’Andriamanitra ihany, satria nesorina tao amin’ny fandikan-teny maoderina maro io anarana io. Ny hany nandrenesan’ny sasany ny anaran’i Jehovah dia fony izy ireo nasain’ny mpitondra fivavahana tsy hampiasa azy io.
Ahoana no hampahafantarantsika ny anaran’Andriamanitra amin’ny olona? Ny fomba mandaitra indrindra dia ny fampisehoana azy io avy ao amin’ny Baiboly, eny, ao amin’ny azy mihitsy, raha mety. Misy fandikan-tenin’ny Baiboly isehoan’io anarana io inarivony maro. Ny hafa kosa mety tsy hahitana azy io afa-tsy ao amin’ny Salamo 83:18 na Eksodosy 6:3-6 ihany, na ao amin’ny fanamarihana ambany pejy momba ny Eksodosy 3:14, 15 na Ek 6:3. Fandikan-teny maromaro no nanala ny anaran’Andriamanitra tao amin’ny soratra tany am-boalohany, ka nanolo azy tamin’ny hoe “Tompo” sy “Andriamanitra”, ataony amin’ny soratra miavaka. Mila maka fandikan-tenin’ny Baiboly tranainy kokoa angamba ianao, mba hampisehoana fa nesorin’ny mpandika teny maoderina tanteraka ny anaran’Andriamanitra. Any amin’ny tany sasany, dia mety hisy hiram-pivavahana sy toerana ahitana ny anaran’Andriamanitra, izay azonao aseho.
Azo ampiasaina tsara ny Jeremia 10:10-13, na dia amin’ireo manompo andriamani-kafa aza. Tsy milaza ny anaran’Andriamanitra fotsiny izy io, fa manazava tsara koa hoe iza izy.
Aza soloana amin’ny hoe “Andriamanitra” sy “Tompo” ny anaran’i Jehovah, toy ny ataon’ny Kristianisma Anarana. Tsy midika anefa izany fa tsy maintsy ampiasaina eo am-piandohan’ny resaka rehetra io anarana io. Hamarana avy hatrany ilay resaka ny olona tsy mankasitraka azy io. Rehefa mandeha tsara kosa anefa ilay resaka, dia aza misalasala mampiasa ny anaran’Andriamanitra.
Miseho imbetsaka kokoa ao amin’ny Baiboly ny anarana hoe Jehovah noho ny hoe “Tompo” sy “Andriamanitra” miaraka. Na izany aza, dia tsy nitady hampiditra ny anaran’Andriamanitra isaky ny fehezanteny ireo mpanoratra ny Baiboly. Nandeha ho azy sy tsotra ary feno fanajana ny fampiasany azy io. Ohatra tsara tokony harahina izany.
Ilay mitondra io anarana io. Zava-dehibe ny fahafantarana fa manana anarana Andriamanitra, nefa vao fiandohana fotsiny izany.
Mila mahafantatra ny olona hoe karazan’Andriamanitra manao ahoana i Jehovah, mba hitiavany azy sy hiantsoany azy amim-pinoana. Fony i Jehovah nampahafantatra ny anarany tamin’i Mosesy tao Sinay, dia tsy namerimberina fotsiny ny hoe “Jehovah” Izy. Nilaza ny toetrany miavaka sasany koa Izy. (Eks. 34:6, 7) Ohatra tokony hotahafintsika izany.
Raha miresaka momba ireo fitahiana hoentin’ilay Fanjakana ianao rehefa mitory na manao lahateny, dia hazavao izay asehon’izy ireny momba ilay Andriamanitra nampanantena azy. Raha ny didin’Andriamanitra no tononinao, dia antitrantero ilay fahendrena sy fitiavana hita ao amin’izy ireny. Hazavao tsara fa tsy enta-mavesatra akory izay takin’Andriamanitra amintsika, fa vao mainka aza mahasoa antsika. (Isaia 48:17, 18; Mika 6:8) Asehoy fa ny fahagagana tsirairay nataon’i Jehovah dia mampiharihary zavatra momba ny toetrany, ny zavatra ekeny sy tsy ekeny, ny fikasany. Mariho fa mifandanja tsara ny fanehoan’i Jehovah ireo toetrany samihafa. Aoka ho fantatry ny olona ny fihetseham-ponao momba an’i Jehovah. Ny fitiavanao an’i Jehovah dia hahatonga ny hafa ho tia azy koa.
Mampirisika ny olona rehetra hatahotra an’Andriamanitra ilay hafatra maika ankehitriny. Ny tenintsika dia tokony hampirisika ny hafa hiezaka hanana io tahotra io. Izany dia tahotra miharo fanajana lalina an’i Jehovah. (Sal. 89:7) Tafiditra amin’izany koa ny fahafantarana fa Mpitsara fara tampony i Jehovah, ary miankina amin’ny fahazoantsika sitraka aminy ny fahafahantsika hahazo fiainana amin’ny hoavy. (Lioka 12:5; Rom. 14:12) Mifamatotra amin’ny fitiavana lalina an’i Jehovah sy ny faniriana mafy hampifaly azy àry io tahotra io. (Deot. 10:12, 13) Manosika antsika hankahala ny ratsy, sy hankatò ny didin’Andriamanitra, ary hanompo azy amin’ny fo manontolo koa ny tahotra an’Andriamanitra. (Deot. 5:26; 1 Tant. 28:9; Ohab. 8:13) Hisakana antsika tsy hitady hanompo an’Andriamanitra nefa ho tia koa ny zavatra eo amin’ity tontolo ity, izy io.—1 Jaona 2:15-17.
“Tilikambo mafy” ny anaran’Andriamanitra. Manana fiarovana mafy ireo tena mahafantatra an’i Jehovah. Tsy ny fampiasany ny anarany na ny fahaizany manonona ireo toetrany fotsiny akory no ahazoany ilay fiarovana, fa noho izy mitoky tanteraka amin’i Jehovah. Hoy ny Ohabolana 18:10, momba azy ireo: “Ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy; ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy.”
Hararaoty tsara ireo fahafahana hampirisika ny hafa hitoky amin’i Jehovah. (Sal. 37:3; Ohab. 3:5, 6) Mampiseho finoana an’i Jehovah sy ny fampanantenany ny fitokisana toy izany. (Heb. 11:6) Rehefa ‘miantso ny anaran’i Jehovah’ ny olona, satria tia ny lalany sy mahafantatra fa izy no Tompon’izao Rehetra Izao ary mino tanteraka fa avy aminy ihany ny tena famonjena, dia hovonjena izy ireo; izany no toky omen’ny Tenin’Andriamanitra. (Rom. 10:13, 14) Ampio hanana finoana toy izany eo amin’ny lafim-piainany rehetra ny olona, rehefa mampianatra ianao.
Olona maro no ianjadian’ny zava-manahirana. Mety tsy hahita vahaolana izy ireo, ka ampirisiho hianatra ny sitrapon’i Jehovah, sy hitoky aminy ary hampihatra izay ianarany. (Sal. 25:5) Ampirisiho izy ireo hangataka ny fanampian’Andriamanitra amim-pahatsoram-po sy hisaotra azy noho ny fitahiany. (Fil. 4:6, 7) Manjary mahafantatra an’i Jehovah izy ireo, rehefa mamaky izay voalazan’ny Baiboly sy mahita eo amin’ny fiainany ny fahatanterahan’ny fampanantenan’i Jehovah. Amin’izay izy ireo dia hanomboka hahatsapa ilay fiarovana entin’ny fahazoana tsara ny hevitry ny anaran’i Jehovah.—Sal. 34:8; Jer. 17:7, 8.
Hararaoty ny fahafahana rehetra hanampiana ny olona hahatakatra fa fanehoam-pahendrena ny matahotra an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina, sy ny mitandrina ny didiny.
“NY FILAZANA AN’I JESOSY”
NANOME izao toromarika izao ho an’ny mpianany i Jesosy Kristy, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, sy talohan’ny niverenany tany an-danitra: “Ho vavolombeloko ... hatramin’ny faran’ny tany [ianareo].” (Asa. 1:8) Lazaina fa “mitana ny filazana an’i Jesosy” ireo mpanompon’Andriamanitra mahatoky ankehitriny. (Apok. 12:17) Mazoto manao izany asa izany ve ianao?
Maro no milaza amim-pahatsorana fa mino an’i Jesosy, nefa tsy mahalala akory fa efa nisy izy talohan’ny naha olombelona azy. Tsy fantatr’izy ireo fa tena olombelona tokoa izy fony teto an-tany. Tsy azony ny hevitry ny hoe Zanak’Andriamanitra i Jesosy. Zara raha fantany ny asa ataon’i Jesosy eo amin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra. Tsy fantany izay ataon’i Jesosy amin’izao fotoana izao, sy izay mbola hataony ary ny ho vokatr’izany eo amin’ny fiainan’izy ireo. Mety hihevitra mihitsy aza izy ireo fa tsy mino an’i Jesosy ny Vavolombelon’i Jehovah. Tombontsoantsika ny mampahafantatra ny marina momba izany zavatra izany.
Misy koa olona tsy mino fa tena nisy ilay Jesosy resahin’ny Baiboly. Ny sasany mihevitra fa olona nalaza fotsiny i Jesosy. Maro no tsy manaiky azy ho Zanak’Andriamanitra. Tena mitaky ezaka sy faharetana ary fahaiza-mandanjalanja ny manambara “ny filazana an’i Jesosy” amin’ny olona toy izany.
Na inona na inona inoan’ny mpihaino anao, dia mila mahafantatra an’i Jesosy Kristy izy ireo, raha te hahazo ilay fiainana mandrakizay avy amin’Andriamanitra. (Jaona 17:3) Sitrapon’Andriamanitra ny “haneken’ny [olona velona] rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo”, sy ny haneken’izy ireo hofeheziny. (Fil. 2:9-11) Tsy azontsika ialana fotsiny àry ireo olona hitantsika, izay manizingizina hevi-diso na manao fitsarana an-tendrony. Indraindray dia afaka miresaka tsara momba an’i Jesosy Kristy isika, dieny eo amin’ny resaka voalohany. Misy fotoana koa anefa ilantsika fitandremana kokoa, rehefa manampy olona hanana fomba fihevitra marina kokoa momba an’i Jesosy. Angamba koa isika tsy maintsy mitady fomba hafa hanazavana bebe kokoa ilay foto-kevitra amin’ny fitsidihana manaraka. Rehefa mitarika fampianarana Baiboly amin’ilay olona ihany anefa isika vao afaka manazava aminy ny zava-drehetra.—1 Tim. 2:3-7.
Ny toerana lehibe tanan’i Jesosy ao amin’ny fikasan’Andriamanitra. Mila manampy ny olona isika, mba hahafantarany fa i Jesosy no ‘lalana ahafahan’ny olona mankany amin’ny ray’, ka tsy azo atao ny manana fifandraisana tsara amin’Andriamanitra, raha tsy mino an’i Jesosy Kristy. (Jaona 14:6) Tsy hahazo ny hevitr’izay lazain’ny Baiboly mihitsy ny olona iray raha tsy takany ny toerana lehibe nomen’i Jehovah an’ilay Zanany lahimatoa. Nahoana? Satria io Zanany io no nomen’i Jehovah ny anjara asa lehibe indrindra eo amin’ny fanatanterahana ny fikasany rehetra. (Kol. 1:17-20) Mifantoka amin’izany ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly. (Apok. 19:10) I Jesosy Kristy no hanome ny vahaolana ho an’ireo zava-manahirana rehetra napoitran’i Satana sy i Adama, fony izy ireo nikomy sy nanota.—Heb. 2:5-9, 14, 15.
Mba hahazoana tsara ny toerana tanan’i Kristy, dia tsy maintsy ekena fa mahonena ny toe-piainana misy ny olombelona, ary tsy ho tafavoaka samirery avy amin’izany izy. Teraka tao anatin’ny ota isika rehetra. Samy hafa ny fomba isehoan’ny vokatr’izany eo amintsika, nefa na ho ela na ho haingana, dia fahafatesana no hiafarany. (Rom. 3:23; 5:12) Hazavao amin’ireo itorianao izany. Asehoy avy eo fa nampiasa tamim-pitiavana ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy i Jehovah mba hanafahana ireo mino an’io sorona io, amin’ny fahotana sy ny fahafatesana. (Marka 10:45; Heb. 2:9) Izany no hahafahany hahazo ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny fahatanterahana. (Jaona 3:16, 36) Tsy misy fomba hafa ankoatra izany. (Asa. 4:12) Aza mianina fotsiny amin’ny filazana ireo zavatra ireo rehefa mampianatra olona, na mitokana, na eo anivon’ny fiangonana. Ampio amin-katsaram-panahy sy amim-paharetana ny mpihaino anao mba hankasitraka ny fanavotan’i Kristy antsika. Hisy vokany lalina eo amin’ny toe-tsainy sy ny fitondran-tenany ary ny zava-kendreny eo amin’ny fiainana, ny fankasitrahany an’io fanomezana io.—2 Kor. 5:14, 15.
Marina fa indray mandeha ihany i Jesosy no nanome ny ainy ho sorona. (Heb. 9:28) Efa manao ny fanompoan’ny Mpisoronabe anefa izy ankehitriny. Ampio ny hafa hahazo ny hevitr’izany. Moa ve izy ireo mitebiteby, diso fanantenana, mijaly, sa mahita zava-manahirana hafa noho ny faharatsiana nataon’ny olona taminy? Nihatra tamin’i Jesosy avokoa izany rehetra izany, fony izy olombelona. Fantany ny zavatra tsapantsika. Moa ve isika mahatsapa fa mila ny famindram-pon’Andriamanitra, noho isika tsy tanteraka? Raha mangata-pamelana amin’Andriamanitra isika, miorina amin’ny soron’i Jesosy, dia i Jesosy no ‘hisolo vava antsika ao amin’ny Ray.’ Hangoraka izy rehefa ‘mifona ho antsika.’ (1 Jaona 2:1, 2; Rom. 8:34) Noho ny soron’i Jesosy sy ny fanompoan’ny Mpisoronabe ataony, dia afaka manatona ny ‘seza fiandrianan’ny fahasoavan’i Jehovah’ isika, mba hahazoana fanampiana rehefa mila izany. (Heb. 4:15, 16) Afaka manompo an’Andriamanitra amin’ny feon’ny fieritreretana madio isika na dia tsy tanteraka aza, noho ny fanampian’i Jesosy, ilay Mpisoronabe.—Heb. 9:13, 14.
Manana fahefana lehibe koa i Jesosy, noho izy notendren’Andriamanitra ho Lohan’ny fiangonana kristianina. (Matio 28:18; Efes. 1:22, 23) Manome ny fitarihana ilaina, mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra, izy amin’izany. Ampio ny olona ampianarinao mba hahatakatra fa i Jesosy Kristy no Lohan’ny fiangonana, fa tsy olombelona. (Matio 23:10) Asao hanatrika ny fivorian’ny fiangonana ny olona liana, dieny eo amin’ny resaka voalohany. Fianarana ny Baiboly amin’ny alalan’ny fanazavana azo avy amin’ny “mpanompo mahatoky sy malina” no atao any. Hazavao aminy hoe iza ilay “mpanompo” sy hoe iza ilay Tompo, mba hanekeny ny fahefan’i Jesosy. (Matio 24:45-47) Ampifankahalalao amin’ireo anti-panahy izy, ary resaho ny fepetra ara-baiboly tsy maintsy fenoin’izy ireo. (1 Tim. 3:1-7; Tit. 1:5-9) Hazavao fa tsy an’ny anti-panahy akory ny fiangonana. Manampy antsika hanara-dia an’i Jesosy Kristy fotsiny izy ireo. (Asa. 20:28; Efes. 4:16; 1 Pet. 5:2, 3) Ampio ireo olona liana hahita fa misy fikambanana voalamina iray maneran-tany, izay miasa eo ambanin’ny fahefan’i Kristy.
Mampahafantatra antsika ireo Filazantsara fa fony niditra tao Jerosalema taloha kelin’ny hahafatesany, i Jesosy, dia noarahabain’ny mpianany ho ilay “Mpanjaka, Izay avy amin’ny anaran’i Jehovah.” (Lioka 19:38) Rehefa manohy mianatra ny Baiboly ny olona, dia ho fantany fa efa nomen’i Jehovah fahefana hitondra izao i Jesosy, ary hisy fiantraikany eo amin’ny olona any amin’ny firenena rehetra izany fitondrana izany. (Dan. 7:13, 14) Rehefa mandaha-teny eo anatrehan’ny fiangonana ianao, na mitarika fampianarana, dia ampio ny olona hahazo tsara sy hankasitraka izay hataon’ny fitondran’i Jesosy ho antsika rehetra.
Hamafiso fa asehon’ny fomba fiainantsika raha tena mino an’i Jesosy Kristy ho Mpanjaka isika, ary raha manaiky an-tsitrapo ny hofeheziny. Asongadino ilay asa nasain’i Jesosy hataon’ireo mpanara-dia azy, taorian’ny nanosorana azy ho Mpanjaka. (Matio 24:14; 28:18-20) Hazavao ireo zavatra tokony homena ny toerana voalohany, araka ny nolazain’i Jesosy, ilay Mpanolo-tsaina mahagaga. (Isaia 9:5, 6; Matio 6:19-34) Resaho ny amin’ilay toe-tsaina nolazain’ilay Andrian’ny fiadanana fa hasehon’ny mpanara-dia azy. (Matio 20:25-27; Jaona 13:35) Mitandrema anefa mba tsy hitsara ny hafa ny amin’izay vitany na tsy vitany. Ampio kosa izy hahatakatra fa ny zavatra ataony dia hampiharihary raha manaiky hofehezin’i Kristy Mpanjaka izy na tsia. Rehefa manazava izany ianao, dia ekeo fa mila manao izany koa ny tenanao.
I Kristy no ataovy ho fanorenana. Ampitovin’ny Baiboly amin’ny fanaovan-trano ny asa fanaovana mpianatra kristianina, ka i Jesosy Kristy no fototra na fanorenana. (1 Kor. 3:10-15) Ampio àry ny olona hahalala an’i Jesosy araka ny ampisehoan’ny Baiboly azy. Mitandrema sao ianao no manjary heveriny fa olona tokony harahiny. (1 Kor. 3:4-7) Tariho ho amin’i Jesosy Kristy foana ny sainy.
Raha tsara petraka ny fanorenana, dia ho takatry ny mpianatra fa namela fianarana ho antsika i Kristy ‘mba hanarahantsika ny diany.’ (1 Pet. 2:21) Ampirisiho izy ireo hamaky ny Filazantsara, tsy ho toy ny tantara marina fotsiny, fa mba hahitana modely harahina. Ampio izy ireo handray ao am-po ireo fihetsika sy toetra tsara nampiavaka an’i Jesosy. Asaivo dinihiny ny fihetseham-pon’i Jesosy momba ny Rainy, ny niaretany fakam-panahy sy fisedrana, ny nanekeny an’Andriamanitra, ary ny fomba nitondrany ny olona tamin’ny toe-javatra samihafa. Antitrantero ilay asa namenoan’i Jesosy ny fiainany. Amin’izay, rehefa tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra sy rehefa miatrika fisedrana ilay mpianatra, dia hanontany tena hoe: ‘Raha i Jesosy no eo amin’ny toerako izao, inona no hataony? Moa ve ny zavatra fidiko hatao hampiseho fa mankasitraka izay nataony ho ahy aho?’
Rehefa mandaha-teny eo anatrehan’ny fiangonana ianao, dia aza mihevitra hoe tsy ilaina ny miresaka manokana momba an’i Jesosy satria hoe efa mino azy, ireo rahalahinao. Hisy heviny kokoa izay lazainao, raha ampioreninao amin’izany finoana efa ananany izany. Ohatra, rehefa miresaka momba ny fivoriana ianao, dia ampifandraiso amin’ny toerana tanan’i Jesosy, izay Lohan’ny fiangonana, ny fanazavanao. Rehefa miresaka momba ny fitoriana ianao, dia asongadino ny toe-tsaina nasehon’i Jesosy teo am-panaovana ny fanompoany, ary asehoy fa io no fomba anangonan’i Kristy Mpanjaka ny olona hovonjena ho ao amin’ny tontolo vaovao.
Tsy ny fahalalana fototra momba an’i Jesosy fotsiny àry no ilaina. Tsy maintsy maneho finoana azy sy tena tia azy ny olona vao azo atao hoe tena Kristianina. Manosika azy hankatò foana ny fitiavana toy izany. (Jaona 14:15, 21) Io fitiavana io koa dia mahatonga azy hanana finoana mafy orina ao anatin’ny fotoan-tsarotra, sy hanara-dia an’i Kristy amin’ny andro rehetra iainany, ary ho Kristianina matotra izay ‘mamaka sy miorina mafy’ amin’ilay fanorenana. (Efes. 3:17) Manome voninahitra an’i Jehovah, Andriamanitra sady Rain’i Jesosy Kristy, izany.
“ITY FILAZANTSARAN’NY FANJAKANA ITY”
EFA nambaran’i Jesosy mialoha fa anisan’ny famantarana ny fanatrehany sy ny fahataperan’ity tontolo ity ny hoe: “Hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.”—Matio 24:14.
Inona marina anefa io hafatra tsy maintsy ambara hatraiza hatraiza io? Izy io dia momba ilay Fanjakana nasain’i Jesosy hangatahintsika amin’ny vavaka hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao.” (Matio 6:10) Antsoin’ny Apokalypsy 11:15 hoe ‘fanjakan’ny Tompontsika [Jehovah] sy ny Kristiny’ izy io, satria i Jehovah no iavian’ilay fahefana, ary i Kristy no nataony ho Mpanjaka nanankinana azy io. Mariho anefa fa mihoatra lavitra noho izay notorin’ny mpanara-dia azy tamin’ny taonjato voalohany, ny hafatra nasain’i Jesosy hambara amin’ny androntsika. Hoy izy ireo tamin’ny olona: “Efa mby akaiky anareo ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 10:9) Teo anivon’izy ireo i Jesosy, ilay voahosotra ho Mpanjaka, tamin’izay. Nilaza anefa izy, araka ny Matio 24:14, fa hisy fisehoan-javatra lehibe hafa, ho fahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra, hambara maneran-tany.
Nomena fahitana ny amin’io fisehoan-javatra io i Daniela mpaminany. Nahita “toy ny zanak’olona” izy, dia i Jesosy Kristy, izay nandray avy tamin’ny “Fahagola”, i Jehovah Andriamanitra, “fanapahana sy voninahitra ary fanjakana ..., mba hanompoan’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy.” (Dan. 7:13, 14) Nitranga tany an-danitra tamin’ny taona 1914, io fisehoan-javatra nahakasika izao rehetra izao io. Nazera tetỳ an-tany ny Devoly sy ny demoniany, taorian’izay. (Apok. 12:7-10) Efa mandia ny androny farany ity tontolo tranainy ity. Alohan’ny hanjavonany tanteraka anefa, dia ambara maneran-tany fa efa manapaka any an-danitra ilay Mesia Mpanjaka notendren’i Jehovah. Ampahafantarina ny olona hatraiza hatraiza izany. Ny fanekeny izany na tsia dia mampiseho raha ekeny fa ny Avo Indrindra no Mpanapaka amin’ny “fanjakan’ny olona.”—Dan. 4:29.
Mbola ho betsaka lavitra noho izany ny zavatra hitranga. Mbola mivavaka ihany isika hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao”, nefa tsy ny hiorenan’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny hoavy no angatahintsika, fa ny hanatanterahany kosa ny faminaniana toy ny ao amin’ny Daniela 2:44 sy Apokalypsy 21:2-4. Hanova ny tany ho paradisa feno olona tia an’Andriamanitra sy tia namana, izy io. Izany zavatra ho avy izany no ambarantsika, rehefa mitory “ity filazantsaran’ny fanjakana ity” isika. Tsy misalasala koa anefa isika mampahafantatra fa efa nankinin’i Jehovah tamin’ny Zanany ny fitondrana rehetra. Manantitrantitra izany vaovao tsara izany ve ianao, rehefa mitory ilay Fanjakana?
Hazavao ny amin’ilay Fanjakana. Ahoana no hanaovantsika ilay asa fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra? Mety ho foto-kevitra samihafa no hanombohantsika resaka, nefa tokony hampahafantarintsika haingana fa momba ny Fanjakan’Andriamanitra ilay hafatra entintsika.
Mamaky na manonona andinin-teny miresaka momba ilay Fanjakana isika, eo am-panaovana io asa io. Rehefa miresaka momba ilay Fanjakana ianao, dia fantaro tsara raha azon’ilay iresahanao hoe inona izany. Mety tsy ho ampy ny milaza fotsiny hoe fitondram-panjakana ny Fanjakan’Andriamanitra. Mety ho sarotra amin’ny olona sasany ny manaiky hoe fitondram-panjakana ny zavatra iray tsy hita maso. Fomba maro samihafa no azonao ampiasaina mba hanazavana izany aminy. Ohatra, ny sinton’ny tany dia tsy hita maso, nefa manan-kery lehibe eo amin’ny fiainantsika. Tsy afaka mahita Ilay nanao ny lalàna momba ny sinton’ny tany isika, nefa miharihary fa tena manan-kery izy. Miantso azy hoe “Mpanjaka tsy manan-taloha” ny Baiboly. (1 Tim. 1:17) Azonao lazaina koa fa olona maro any amin’ny firenena lehibe, no mbola tsy tany amin’ny renivohiny, na nahita maso ny filohany. Avy amin’ny filazam-baovao no ahafantarany izany. Toy izany koa fa avy amin’ny Baiboly, izay misy amin’ny fiteny 2 200 mahery, no ahafantarantsika momba ny Fanjakan’Andriamanitra, sy ny hoe iza no nanankinana ny fahefana ary hoe inona no ataon’io Fanjakana io. Ny Tilikambo Fiambenana, izay atonta amin’ny fiteny betsaka kokoa noho ny gazety hafa rehetra, dia “Manambara ny Fanjakan’i Jehovah”, araka ny hita eo amin’ny pejiny voalohany.
Mba hanampiana ny olona hahatakatra hoe inona ilay Fanjakana, dia lazao ny sasany amin’ireo zavatra tian’izy ireo hotanterahin’ny fitondram-panjakana: toe-karena azo antoka, fandriampahalemana, fanafoanana ny heloka bevava, tsy fanavakavahana foko, fampianarana, ary fikarakarana ara-pahasalamana. Asehoy fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hanome fahafaham-po feno ny amin’izany sy ny zavatra hafa rehetra irin’ny olombelona.—Sal. 145:16.
Ampirisiho ny olona haniry ho tonga olom-pehezin’ilay Fanjakana izay manana an’i Jesosy Kristy ho Mpanjaka. Tonòny ireo fahagagana nataony mba hampisehoana izay mbola hataony rehefa ho tonga Mpanjaka any an-danitra izy. Resaho matetika ireo toetra mahafinaritra nasehony. (Matio 8:2, 3; 11:28-30) Hazavao fa nanome ny ainy ho antsika izy, ary avy eo dia natsangan’Andriamanitra ho amin’ny fiainana tsy misy fahafatesana any an-danitra. Avy any izy no manjaka.—Asa. 2:29-35.
Antitrantero fa efa manapaka any an-danitra izao ny Fanjakan’Andriamanitra. Aza hadinoina anefa fa tsy ilay toe-piainana heverin’ny ankamaroan’ny olona fa tokony hoentin’izany fitondrana izany no hitany ankehitriny. Lazao aminy izany, ary anontanio izy ireo raha fantany izay nolazain’i Jesosy Kristy fa ho porofon’ny nandraisany ny fitondrana. Asongadino ny lafiny sasany amin’ilay famantarana voalaza ao amin’ny Matio toko faha-24, Marka toko faha-13, na Lioka toko faha-21. Anontanio avy eo hoe nahoana no toy izao ny toe-piainana eto an-tany, nefa efa nomena ny fanjakana any an-danitra i Kristy. Asehoy ny fanazavana omen’ny Apokalypsy 12:7-10, 12.
Mba hanomezana porofo mivaingana kosa fa efa manao zavatra ny Fanjakan’Andriamanitra, dia vakio ny Matio 24:14, ka hazavao ilay fampianarana ara-baiboly atao maneran-tany ankehitriny. (Isaia 54:13) Lazao amin’ny olona ireo sekoly samihafa manampy ny Vavolombelon’i Jehovah. Samy miorina amin’ny Baiboly izy ireo, ary maimaim-poana. Hazavao fa tsy mitory isan-trano fotsiny isika, fa mampianatra Baiboly maimaim-poana amin’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana koa, any amin’ny tany maherin’ny 230. Fitondram-panjakan’olombelona iza no afaka manome fampianarana toy izany, tsy ho an’ny olom-peheziny ihany, fa ho an’ny olona rehetra maneran-tany? Asao ho any amin’ny Efitrano Fanjakana, sy hanatrika fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah, ny olona, mba hahitany ny vokatr’izany fampianarana izany eo amin’ny fiainan’ny olona.—Isaia 2:2-4; 32:1, 17; Jaona 13:35.
Ho takatr’ilay tompon-trano ve anefa fa voakasik’izany koa ny fiainany manokana? Lazao aminy amim-pahaiza-mandanjalanja fa matoa ianao tonga mitsidika azy, dia mba hilaza aminy fa afaka mifidy ny ho tonga olom-pehezin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny rehetra, ka hahazo ny fiainana. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fianarana izay takin’Andriamanitra sy amin’ny fampiharana izany dieny izao.—Deot. 30:19, 20; Apok. 22:17.
Ampio ny hafa hikatsaka ilay Fanjakana aloha. Misy fanapahan-kevitra tsy maintsy raisin’ny olona, na dia rehefa manaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana aza izy. Mitana ny toerana voalohany eo amin’ny fiainany ve ny Fanjakan’Andriamanitra? Nampirisika ny mpianany i Jesosy mba ‘hikatsaka ilay fanjakana aloha.’ (Matio 6:33) Ahoana no azontsika anampiana ny Kristianina hafa hanao izany? Ireto misy fanoloran-kevitra sasany: Aoka ny tenantsika ho ohatra tsara, sy hiresaka momba ireo fahafahana hikatsaka ilay Fanjakana aloha. Anontanio ilay olona raha efa nieritreritra fomba ahafahany manao izany, ary tantarao ny zavatra ataon’ny hafa. Resaho ireo fitantarana ao amin’ny Baiboly, mba hampitomboana ny fitiavany an’i Jehovah. Hamafiso fa tena misy ilay Fanjakana. Antitrantero fa tena zava-dehibe ny asa fanambarana ilay Fanjakana. Ny tsara indrindra matetika, dia ny tsy milaza amin’ny olona izay tokony hataony, fa ny mandrisika azy haniry hanao izany.
Tsy isalasalana fa momba an’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy ary ilay Fanjakana, voalohany indrindra, ilay hafatra tsy maintsy torintsika rehetra. Tsy maintsy manantitrantitra ny fahamarinana momba azy ireo isika, rehefa eny amin’ny fanompoana sy ao amin’ny Efitrano Fanjakana ary eo amin’ny fiainantsika manokana. Asehontsika amin’izany fa tena mandray soa avy amin’ny Sekolin’ny Fanompoana isika.