Mitomboa Hatrany Amin’ny Fahalalana
“Ny finoanareo, ampio fahalalana”. — 2 PETERA 1:5, NW.
1, 2. a) Inona no mety hianaranao avy amin’ny fijerena ny lanitra? (Romana 1:20). b) Tonga hatraiza marina ny fitomboan’ny olombelona eo amin’ny fahalalana?
INONA no mety hianaranao amin’ny fandehanana any alatrano amin’ny alina mazava iray, ka mijery ny volana baliaka mbamin’ireo kintana tsy tambo isaina? Afaka miana-javatra momba Ilay namorona izany rehetra izany ianao. — Salamo 19:1-2; 69:34.
2 Raha maniry hampitombo izany fahalalana izany ianao, moa ve ianao hiakatra eny an-tafon-tranonao ary hitazana avy eny? Azo inoana fa tsia. Indray mandeha i Albert Einstein dia nampiasa izany ohatra izany mba hanazavana fa ireo mpahay siansa dia tsy tena nitombo loatra teo amin’ny fahalalana an’izao rehetra izao, ary azo antoka fa tsy nitombo firy teo amin’ny fahalalana Ilay namorona izany.a Nanoratra toy izao ny Dr. Lewis Thomas: “Ny hany fahavitan-javatra lehibe indrindra nataon’ny siansa tao amin’itỳ taonjato namokatra indrindra ara-tsiansa itỳ, dia ny fahitana voalohany fa tsy manam-pahalalana tanteraka isika; mahafantatra zavatra kely dia kely momba ny natiora isika ary mbola kely kokoa noho izany no takatry ny saintsika.”
3. Amin’ny heviny ahoana ny fampitomboana fahalalana no mampitombo fahoriana?
3 Na dia mandany ireo taona sisa rehetra amin’ny halavan’ny androm-piainana ara-dalàna aza ianao mba hitadiavana izany fahalalana izany, dia mety hanjary ho takatrao bebe kokoa fotsiny fa fohy aoka izany ny fiainana, ary ho hitanao mazava kokoa fa ny fampiasan’ny olombelona ny fahalalana dia voafetran’ny tsy fahatanterahana sy ny ‘maha-meloka’ an’itỳ tontolo itỳ. Nanao izao fanamarihana izao i Solomona tamin’ny fanoratana hoe: “Izay be fahendrena dia be alahelo, ary izay mitombo fahalalana dia mitombo fahoriana.” (Mpitoriteny 1:15, 18). Eny, ny fahazoana fahalalana sy fahendrena tsy misy ifandraisany amin’ny fikasan’Andriamanitra mazàna dia mahatafiditra fahoriana sy alahelo. — Mpitoriteny 1:13, 14; 12:12; 1 Timoty 6:20.
4. Fahalalana inona no tokony hirintsika ho azo?
4 Moa ve ny Baiboly mampirisika ny tsy hahaliana antsika amin’ny fampitomboana ny fahalalantsika? Nanoratra toy izao ny apostoly Petera: “Fa mitomboa [hatrany, NW ] amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay.” (2 Petera 3:18). Azontsika raisina, sady tokony horaisintsika io fampirisihana io ho toy ny mihatra amintsika, mandrisika antsika hitombo amin’ny fahalalana. Fahalalana karazany inona anefa? Ahoana no ahafahantsika mitombo ao aminy? Ary tena manao toy izany tokoa ve isika?
5, 6. Ahoana no nanantitranteran’i Petera fa mila mahazo fahalalana isika?
5 Ny fitomboana eo amin’ny fahalalana araka ny marina momba ny Mpamorona izao rehetra izao sy momba an’i Jesosy no hevitra fototra ao amin’ny taratasy faharoan’i Petera. Eo am-piandohany, dia izao no nosoratany: “Hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika. Efa nomen’ny herin’Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ny fahalalana [araka ny marina, NW ] Ilay niantso antsika tamin’ny voninahiny sy ny fahatsarany”. (2 Petera 1:2, 3). Koa ampifandraisiny amin’ny fananana fahasoavana sy fiadanana àry ny fahazoantsika fahalalana an’Andriamanitra sy ny Zanany. Azon’ny saina ekena izany, satria i Jehovah, ilay Mpamorona, no votoaty ifantohan’ny tena fahalalana. Izay matahotra an’Andriamanitra dia afaka mahita zavatra amin’ny fomba fahitan-javatra mety ary tonga amin’ny fanatsoahan-kevitra marim-pototra. — Ohabolana 1:7.
6 Avy eo i Petera dia nampirisika hoe: “Ampio hatsaran-toetra ny finoanareo, ampio fahalalana ny hatsaran-toetranareo, ampio fifehezan-tena ny fahalalanareo, ampio fiaretana ny fifehezan-tenanareo, ampio fifikirana amin’Andriamanitra ny fiaretanareo, ampio firaiketam-pon-drahalahy ny fifikiranareo amin’Andriamanitra, ampio fitiavana ny firaiketam-pon-drahalahy anananareo. Fa raha misy ao aminareo ireo zavatra ireo, ary tondraka, dia hisakana anareo tsy hipetra-potsiny na tsy hamokatra raha ny amin’ny fahalalana araka ny marina an’i Jesosy Kristy Tompontsika.” (2 Petera 1:5-8, NW ).b Ao amin’ilay toko manaraka, dia vakintsika fa ny fahazoana fahalalana dia manampy ny olona ho afaka amin’ny fahalotoan’izao tontolo izao. (2 Petera 2:20). Nataon’i Petera mazava tsara araka izany, fa ireo izay eo am-pahatongavana ho Kristiana dia mila fahalalana, toy ireo izay efa manompo an’i Jehovah. Ao anatin’ny iray amin’ireo sokajiny ireo ve ianao?
Ianaro, averimbereno, ampiasao
7. Tamin’ny fomba ahoana no nahazoan’ny maro fahalalana araka ny marina ny amin’ireo fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly?
7 Angamba manana fianarana ny Baiboly miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ianao satria fantatrao ny fanenon’ny fahamarinana ao amin’ny hafatra entin’izy ireo. Indray mandeha isan-kerinandro, mandritra ny adiny iray na ny toy izany, dia mandinika foto-kevitra iray ao amin’ny Baiboly ianao amin’ny fampiasana boky fanampiana toy ny Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany. Tena tsara izany! Maro amin’ireo izay nanana fianarana toy izany niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah no nahazo fahalalana araka ny marina. Inona anefa no azonao atao mba hampitomboana ny habetsahan’izay ianaranao manokana? Ireto misy fanipazan-kevitra vitsivitsy.c
8. Eo am-piomanana ho amin’ny fianarana iray, inona no azon’ny mpianatra iray atao mba hianarana bebe kokoa?
8 Eo am-panomananao ny fianaranao, dia diniho mialoha ilay zavatra ianarana tokony hovelabelarina. Izany dia midika ho fanaovana topy maso amin’ny lohatenin’ilay toko, ireo lohatenikely, ary na inona na inona sary nampiasaina mba hanazavana ilay zavatra ianarana. Avy eo, eo am-pamakianao ny fehintsoratra na tapany iray amin’ilay boky, dia tadiavo ireo hevi-dehibe sy ireo andinin-teny manohana azy, amin’ny fanipihana na amin’ny fampisongadinana izany. Mba hahitana raha hainao ireo fahamarinana novelabelarina, dia miezaha mamaly ireo fanontaniana mikasika ireo fehintsoratra samihafa. Amin’ny fanaovana izany, dia andramo atao amin’ny fiteninao manokana ireo valin-teny. Farany, dia asio famerenana ilay fianarana, amin’ny fiezahana hitadidy ireo hevi-dehibe sy ireo fanaporofoan-kevitra manohana izany.
9. Amin’ny ahoana ny fampiharana ireo fanipazan-kevitra momba ny fianarana no hanampy olona iray hianatra?
9 Afaka manantena ny hitombo eo amin’ny fahalalana ianao raha mampihatra ireo fanipazan-kevitra ireo. Nahoana? Ny antony iray dia satria ianao handinika ilay zavatra hianarana amin’ny faniriana lalina ny hianatra, hanomana ilay tany, raha azo atao ny milaza izany. Amin’ny fanaovana topy maso ary avy eo dia amin’ny fitadiavana ireo hevi-dehibe sy ny lalan’ny fanjohian-kevitra, dia ho hitanao ny fomba ifandraisan’ireo tsipiriany amin’ilay lohateny na ilay fanatsoahan-kevitra. Ny fanaovana famerenana farany dia hanampy anao hahatadidy izay nianaranao. Inona no hanampy anao atỳ aoriana, mandritra ny fianaranao ny Baiboly?
10. a) Nahoana ny famerimberenana fotsiny zava-misy na filazana vaovao no tsy misy vidiny firy? b) Inona no tafiditra amin’ny “fanalavana tsikelikely ny fitadidiana”? d) Ahoana no nety ho nandraisan’ireo zanaka isiraelita soa avy tamin’ny famerimberenana?
10 Ireo manam-pahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fampianarana dia mahafantatra ny hasarobidin’ny famerimberenana amin’ny fotoana mety sy ho fikendren-javatra. Izany akory tsy famerimberenan-teny atao tsy an-jery fotsiny, izay mety ho nandramanao tany an-tsekoly rehefa nianatra tsy an-jery anarana, na zava-misy, na hevitra sasany ianao. Hitanao ve anefa fa tsy ela dia hadinonao izay nataonao tsy an-jery, fa nanjavona vetivety tao amin’ny fitadidiana izany? Nahoana? Ny famerimberenana tsy an-jery fotsiny teny vaovao na zava-misy dia mety hanorisory, ary tsy maharitra ela ny vokany. Inona no afaka manova izany? Ny tena fanirianao hianatra marina tokoa dia hanampy. Fomba hafa iray ny famerimberenana ho fikendren-javatra. Minitra vitsivitsy aorian’ny nianaranao hevitra iray, alohan’ny hanjavonan’izany avy ao amin’ny fitadidiana, dia miezaha manovo avy ao anatinao izay nianaranao. Izany dia antsoina hoe “fanalavana tsikelikely ny fitadidiana”. Amin’ny famelombelomana ny fitadidianao alohan’ny hanjavonany, dia manitatra ny halavan’ny zavatra tadidy ianao. Teo amin’ny Isiraely, ireo raim-pianakaviana dia tokony ho nandentika tao an-tsain’ny zanany ireo didin’Andriamanitra. (Deoteronomia 6:6, 7, NW ). Ny hoe “mandentika ao an-tsaina” dia midika hoe mampianatra amin’ny famerimberenana. Azo inoana fa maro tamin’ireo raim-pianakaviana ireo no nampiseho ireo lalàna tamin’ny zanany aloha; tatỳ aoriana izy ireo dia namerimberina ilay filazana; ary avy eo dia nanontany ireo zanany ny amin’izay nianarany izy ireo.
11. Inona no azo atao mandritra ny fianarana ny Baiboly mba hampitomboana ny fahalalana azo tamin’ny fianarana?
11 Raha mitarika fampianarana Baiboly aminao ny Vavolombelona iray, dia mety hanampy anao hianatra izy amin’ny fanaovana famintinana miandalana eny anelanelany eny, mandritra ny fizotran’ilay fianarana. Tsy natao ho an’ny ankizy akory izany. Fomba iray manatsara ny fianarana izany, koa mandraisa anjara amim-pifaliana amin’ireo famerenana atao ara-potoana. Avy eo, amin’ny fiafaran’ilay fianarana, dia mandraisa anjara amin’ilay famerenana farany izay anaovanao valin-teny an-kandrina. Amin’ny fiteninao manokana, dia azonao hazavaina ireo hevitra, toy izay hataonao raha mampianatra olon-kafa ianao. (1 Petera 3:15). Izany dia hanampy izay nianaranao ho tonga tapany amin’ilay fitadidiana maharitra anananao. — Ampitahao amin’ny Salamo 119:1, 2, 125; 2 Petera 3:1.
12. Inona no azon’ilay mpianatra mihitsy atao mba hanatsarana ny fitadidiany?
12 Dingana hafa iray mahasoa ho anao ny filazana izay nianaranao amin’olon-kafa, angamba amin’ny mpiara-mianatra na mpiara-miasa na mpiara-monina iray, ao anatin’ny andro iray na roa. Azonao tononina ilay foto-kevitra, ary avy eo dia lazao fa maniry hahita fotsiny ianao raha afaka mahatadidy ireo lalan’ny fanjohian-kevitra lehibe, na ireo andinin-teny manohana izany ao amin’ny Baiboly. Izany dia mety hanaitra ny fahalianan’ilay olon-kafa. Na dia tsy izany aza, ny famerenanao fotsiny ilay filazana vaovao taorian’ny elanelan’andro iray na roa dia hampitoetra izany ao anatin’ny fitadidianao. Amin’izay dia tena ho nianatra azy io marina ianao, amin’ny fanaovana izay ampirisihan’ny 2 Petera 3:18.
Fianarana amim-paharisihana
13, 14. Nahoana isika no tokony haniry ho lasa lavitra kokoa noho ny fahazoana sy fitadidiana filazana fotsiny?
13 Ny fianarana dia tsy vitan’ny fahatakarana zava-misy, na fahafahana mitadidy filazana fotsiny. Ireo olona tia fivavahana tamin’ny andron’i Jesosy dia nanao izany tao amin’ireo vavaka niverimberina fanaony. (Matio 6:5-7). Nanao ahoana anefa ny fiantraikan’ilay filazana tao amin’izy ireo? Moa ve izy ireo namokatra voan’ny fahamarinana? Tsy izany velively. (Matio 7:15-17; Lioka 3:7, 8). Tapany tamin’ilay zava-nanahirana ny hoe tsy tafiditra tao am-pon’izy ireo ny fahalalana sady tsy nisy akony tsara teo aminy.
14 Araka ny voalazan’i Petera, dia tokony ho hafa noho izany ny Kristiana tamin’izany sy amin’izao. Mampirisika antsika izy mba hanampy fahalalana ny finoantsika. Izany fahalalana izany dia hanampy antsika hanalavitra ny fipetraham-potsiny sy ny tsy famokarana. (2 Petera 1:5, 8, NW ). Mba hahamarina izany amintsika, dia tsy maintsy maniry hitombo ao amin’izany fahalalana izany isika ary tsy maintsy maniry ny hananan’izany hery lalina ao amintsika, hahatohina ny maha-isika antsika lalina indrindra. Mety tsy hitranga foana izany.
15. Inona no zava-nanahirana nitombo teo amin’ny Kristiana hebreo sasany?
15 Tamin’ny andron’i Paoly, dia nisy Kristiana hebreo nanan-java-nanahirana tamin’io lafiny io. Noho izy ireo Jiosy, dia nanana fahalalana sasany momba ny Soratra Masina izy ireo. Nahafantatra an’i Jehovah sy ny fitakiany sasany izy ireo. Tatỳ aoriana, dia nanampy fahalalana momba ny Mesia izy ireo, naneho finoana, ary natao batisa tamin’ny naha-Kristiana. (Asan’ny Apostoly 2:22, 37-41; 8:26-36). Nandritra ny volana maro sy taona maro, dia tsy maintsy ho efa nanatrika ireo fivoriana kristiana izay nety ho nandraisany anjara tamin’ny famakiana andinin-teny sy ny fanomezana fanazavana izy ireo. Na dia izany aza, dia tsy nitombo teo amin’ny fahalalana ny sasany. Nanoratra toy izao i Paoly: “Fa na dia tokony ho efa mpampianatra aza hianareo noho ny fahelan’ny andro, dia mbola mila izay hampianatra anareo ny abidim-pianaran’ny tenin’Andriamanitra indray; ary efa toy izay tokony homen-dronono hianareo, fa tsy ventin-kanina.” (Hebreo 5:12). Ahoana no nety ho nahatonga izany? Mety hitranga amintsika koa ve izany?
16. Inona no atao hoe permafrost, ary amin’ny ahoana izy io no misy fiantraikany eo amin’ny zavamaniry?
16 Ho fanoharana, dia diniho ny permafrost, ilay tany nohamafisin’ny hatsiaka ho toy ny ranomandry amin’ny fomba maharitra, any amin’ny Arktika sy any amin’ny faritra hafa izay manana antsalan’ny maripana ambanin’ny zero degre. Ny tany sy ny vato ary ny fanambanin’ny rano dia nohamafisin’ny hatsiaka ho tonga vaingan-javatra, indraindray lalina hatrany amin’ny 900 metatra. Amin’ny lohataona, dia mety hisy fiempoana eo amin’ny vohon’ilay tany (antsoina hoe sosony miasa). Io sosony manify amin’ny tany miempo io anefa dia mazàna mamotapotaka satria tsy afaka mitsika ao anatin’ilay permafrost eo ambaniny ny hamandoana. Matetika dia madinika sy botry kely ny zavamaniry eo amin’ilay sosony manify eo ambony; tsy afaka mitsofoka ao amin’ny permafrost ny fakany. Mety hanontany tena angamba ianao hoe: ‘Inona no idiran’ny permafrost amin’ny fitomboako na tsia eo amin’ny fahalalana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly?’
17, 18. Ahoana no azo ampiasana ny permafrost sy ny sosony miasa mba hanazavana izay nitranga tamin’ny Kristiana hebreo sasany?
17 Ny permafrost dia manazava tsara ny toe-javatra misy ny olona iray izay manana hery ara-tsaina tsy ampiasaina amim-paharisihana amin’ny fahatakarana sy fitadidiana ary fampiasana ny fahalalana marina. (Ampitahao amin’ny Matio 13:5, 20, 21.) Azo inoana fa ilay olona dia manana fahafahana ara-tsaina ny hianatra foto-kevitra samihafa, anisan’izany ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Nianatra ireo “abidim-pianaran’ny tenin’Andriamanitra” izy, ary mety ho nahafeno fepetra ho amin’ny batisa, toy ny nataon’ireo Kristiana hebreo. Mety ho tsy “nandroso haingana ho amin’ny fahamatorana” anefa izy, dia ho amin-javatra ankoatra ny “abidim-pianarana momba an’i Kristy”. — Hebreo 5:12; 6:1, NW.
18 Alao sary an-tsaina ny sasany tamin’ireo Kristiana ireo, tany amin’ny fivoriana tamin’izany. Tonga teo izy ireo ary nifoha, kanefa moa ve ny sain’izy ireo revo tamin’ny fianarana? Moa ve izy ireo mitombo amim-paharisihana sy amin-kafanam-po eo amin’ny fahalalana? Tsy izany angamba. Ho an’ireo tsy matotra, izay fandraisana anjara rehetra tamin’ny fivoriana dia nitranga tao amin’ny sosony miasa manify iray, raha azo atao ny milaza izany, raha mbola nohamafisin’ny hatsiaka toy ny ranomandry ny lalina tao ambaniny. Tsy tafiditra tao anatin’io faritry ny permafrost ara-tsaina io ny fakan’ireo fahamarinana ventin-kanina kokoa, na sarotra kokoa. — Ampitahao amin’ny Isaia 40:24.
19. Amin’ny fomba ahoana no mety hahatongavan’ny Kristiana ampy fanandraman-javatra iray amin’izao andro izao ho sahala amin’ireo Kristiana hebreo?
19 Mety ho toy izany ny Kristiana iray amin’izao andro izao. Na dia tonga any amin’ny fivoriana aza izy, dia mety tsy hampiasa ireo fahafahana ireo mba hitomboana amin’ny fahalalana. Ahoana ny amin’ny fandraisana anjara amim-paharisihana amin’izany? Ho an’ny vaovao iray na tanora iray, ny fanolorana ny tenany hamaky andinin-teny na hanome valin-teny amin’ny famakiana izay voasoratra ao amin’ny fehintsoratra dia mety hitaky ezaka lehibe, ka haneho taratry ny fampiasany ny fahaizany amin’ny fomba tsara sy mendri-piderana. Nasehon’i Paoly anefa fa ny hafa, raha jerena amin’ny fotoana naha-Kristiana azy, dia tokony handroso mihoatra an’io dingana voalohany eo amin’ny fandraisana anjara io raha maniry hitombo hatrany ao amin’ny fahalalana. — Hebreo 5:14.
20. Fandinihan-tena inona no tokony hataon’ny tsirairay amintsika?
20 Raha tsy mandroso mihitsy mihoatra ny famakiana andinin-teny ao amin’ny Baiboly na fanomezana valin-teny fototra avy ao amin’ny fehintsoratra mivantana fotsiny ny Kristiana iray ampy fanandraman-javatra, dia azo inoana fa ny fandraisany anjara dia avy amin’ilay “sosony miasa” ivelany amin’ny sainy. Mety hisesisesy handalo ireo fivoriana kanefa dia hitoetra ho mafy toy ny ranomandry noho ny hatsiaka ny halalin’ny fahafahany ara-tsaina, raha tohizina ilay fanoharana momba ny permafrost. Tokony hanontany tena isika hoe: ‘Izany ve no mitranga amiko? Moa ve aho namela karazana permafrost ara-tsaina hitombo? Toy inona moa ny fahamailahako sy ny fahalianako ara-tsaina eo amin’ny fianarana?’ Na dia tsy azoazontsika aza ny valin-tenintsika amim-pahatsorana, dia afaka manomboka manao ireo dingana mba hitomboana eo amin’ny fahalalana isika izao.
21. Dingana inona avy, nodinihina teo aloha, no azonao ampiharina rehefa manomana na manatrika ireo fivoriana ianao?
21 Afaka mampihatra isam-batan’olona ireo fanipazan-kevitra ao amin’ny fehintsoratra faha-8 isika. Tsy mampaninona na hafiriana na hafiriana no nifaneraserantsika tamin’ny kongregasiona, fa afaka manapa-kevitra ny handroso haingana ho amin’ny fahamatorana sy ho amin’ny fahalalana lehibe kokoa isika. Ho an’ny sasany, izany dia hidika ho fanomanana amim-pitandremana kokoa ireo fivoriana, angamba amin’ny famelomana indray ireo fahazarana izay narahina taona maro lasa izay, saingy nialana tsikelikely. Eo am-panomanana dia miezaha mamaritra hoe inona avy no hevi-dehibe ary miezaha mahatakatra ireo andinin-teny tsy mahazatra izay ampiasaina mba hamelabelarana ny lalan’ny fanjohian-kevitra. Tadiavo izay mety ho fomba fijery zavatra vaovao, na lafiny vaovao amin’ilay zavatra ianarana. Toy izany koa, mandritra ny fivoriana, dia miezaha mampihatra ho an’ny tenanao manokana ireo fanipazan-kevitra voalaza eo amin’ny fehintsoratra faha-10 sy faha-11. Mikeleza aina mba ho mailaka ara-tsaina, toy ny hoe mitana ny maripanan’ny sainao hahamay hatrany. Izany dia hanohitra izay mety ho fironan’ny “permafrost” hitombo; io fiezahana amim-pitandremana io koa dia hampiempo izay mety ho toe-piainana “nihamafy toy ny ranomandry noho ny hatsiaka” izay nety ho nitombo teo aloha. — Ohabolana 8:12, 32-34.
Fahalalana, fanampiana hiadiana amin’ny tsy famokarana
22. Amin’ny ahoana isika no handray soa raha miezaka mampitombo ny fahalalantsika?
22 Ahoana no handraisantsika soa isam-batan’olona raha toa isika miezaka eo amin’io raharaha momba ny fitomboana eo amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika io? Amin’ny fanaovantsika ezaka amim-pitandremana mba hitanana ny herintsika ara-tsaina ho mailaka, ho vonona ny handray fahalalana, dia hamaka lalina tokoa ireo voan’ny fahamarinana vaovao sy sarotra kokoa ao amin’ny Baiboly, ary hitombo sy hanjary ho raikitra ny fahatakarantsika zavatra. Izany dia hitovy amin’izay nolazain’i Jesosy tao amin’ny fanoharana hafa iray momba ny fo. (Lioka 8:5-12). Ireo voa latsaka eo amin’ny tany tsara dia afaka mamoaka fakany matanjaka mba hanohanana ireo zavamaniry izay mamokatra sy mitondra voany. — Matio 13:8, 23.
23. Inona avy no vokatra mety ho azo rehefa mandatsaka am-po ny 2 Petera 3:18 isika? (Kolosiana 1:9-12).
23 Somary hafa ilay fanoharan’i Jesosy, kanefa ny vokany tsara dia nitovy tamin’izay nampanantenain’i Petera hoe: “Amin’ny fanaovanareo ny ezaka mafy rehetra ho setrin’izany, dia ampio hatsaran-toetra ny finoanareo, ampio fahalalana ny hatsaran-toetranareo (...) Fa raha misy ao aminareo ireo zavatra ireo, ary tondraka, dia hisakana anareo tsy hipetra-potsiny na tsy hamokatra raha ny amin’ny fahalalana araka ny marina an’i Jesosy Kristy Tompontsika.” (2 Petera 1:5-8, NW ). Eny, ny fitomboantsika eo amin’ny fahalalana dia hanampy antsika hamokatra. Ho hitantsika fa ny fandraisana fahalalana mbola betsaka kokoa dia hahafinaritra kokoa mihitsy aza. (Ohabolana 2:2-5). Izay ianaranao dia ho tadidinao mora foana ary ho azonao ampiasaina rehefa mampianatra ny hafa mba ho tonga mpianatra ianao. Amin’io fomba io koa àry, dia hamokatra kokoa ianao ary hanome voninahitra an’Andriamanitra sy ny Zanany. Namarana ny taratasiny faharoa toy izao i Petera: “Fa mitomboa [hatrany, NW ] amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay.” — 2 Petera 3:18.
[Fanamarihana ambany pejy]
a “[Ny fitomboantsika eo amin’ny fahalalana] dia azo ampitahaina amin’ny fahalalana azon’ny lehilahy iray liana ny hahafantatra bebe kokoa momba ny volana, rehefa miakatra eny an-tafon-tranony izy mba hahitana akaiky kokoa io fanazavana io.”
b Ireo toetra tsara roa voalohany amin’io andinin-teny io, ny finoana sy ny hatsaran-toetra, dia voaresaka ao amin’ny nomeraon’ny 15 Jolay 1993.
c Ireto fanipazan-kevitra ireto dia afaka manampy koa ireo Kristiana efa hatramin’ny ela mba handray soa bebe kokoa amin’ny fianaran’izy ireo manokana sy ny fanomanan’izy ireo ny fivoriana.
Afaka Mitadidy ve Ianao?
◻ Nahoana ianao no tokony ho liana amin’ny fampitomboana ny fahalalanao?
◻ Ahoana no ahafahan’ny mpianatra ny Baiboly vaovao iray mandray soa bebe kokoa avy amin’ny fianarany?
◻ Loza inona no irinao hohalavirina, araka ny asehon’ny ohatra ny amin’ny permafrost?
◻ Nahoana ianao no tokony ho tapa-kevitra ny hihatsara eo amin’ny fahaizanao mampitombo fahalalana?
[Sary, pejy 15]
Manan-java-manahirana amin’ny permafrost ara-tsaina ve aho?