Ahoana no Nahatonga ny Baiboly ho Boky?
NANDRITRA ny taonjato maro, dia nampiasa fomba isan-karazany ny olona mba handraketana an-tsoratra. Ireo mpanoratra fahiny, ohatra, dia nampiasa tsangambato, vato na hazo fisaka, hodi-biby malefaka, na zavatra hafa. Tamin’ny taonjato voalohany indray, dia ny horonam-boky no tena fampiasan’ny olona tany Israely sy ny firenena nanodidina azy. Nisolo azy io anefa ny kôdeksa, tatỳ aoriana, ka io indray no lasa be mpampiasa. Anisan’ny tena nahatonga ny Baiboly hiely patrana ny kôdeksa. Fa inona moa ny kôdeksa, ary nahoana izy io no nanjary nampiasaina?
Ny kôdeksa no niandohan’ny boky. Takelaka maromaro naforitra roa no natambatra teo amin’ny fisasahany, ary nasiana fonony mba hiaro azy. Nisy soratra avokoa ny lafiny roa tamin’ireo pejy. Tsy tena mitovy endrika amin’ny boky ankehitriny anefa ny kôdeksa voalohany. Toy ny zavatra hafa noforonin’ny olona ihany, dia nivoatra tsikelikely izy io, ary novana hifanaraka amin’izay ilaina sy izay tian’ireo nampiasa azy.
Hazo sy savoka ary hodi-biby
Takelaka hazo nohosorana savoka manify no nanamboarana ireo kôdeksa voalohany. Nahitana takelaka maro nisy soratra, ohatra, tao Herculanum, tanàna iray niara-rava tamin’i Pompéi tamin’ilay fipoahan’ny Volkano Vésuve, tamin’ny taona 79. Natambatra nanaraka ny halavany, tamin’ny alalan’ny savily, ireo takelaka ireo. Takelaka afaka miforitra no nampiasaina, tatỳ aoriana. Amin’ny teny latinina dia nantsoina hoe membranae, izay midika hoe hodi-biby, ireny kôdeksa na boky voalohany ireny. Hodi-biby mantsy mazàna no nanamboarana azy.
Vita tamin’ny karazan-jozoro na papyrus ny kôdeksa sasany mbola tsy simba. Hita tany amin’ny faritra maina iray tany Ejipta ny tranainy indrindra amin’ny Baiboly vita tamin’ny kôdeksa, nampiasain’ny Kristianina fahiny. Taratasy papyrus no nanaovana azy io.
Horonam-boky sa kôdeksa?
Toa ny horonam-boky no tena nampiasain’ny Kristianina, hatramin’ny faramparan’ny taonjato voalohany, fara faharatsiny. Nanomboka tamin’izay ka hatramin’ny faramparan’ny taonjato fahatelo, dia samy naniry handresy lahatra ny olona, na ireo mpomba ny kôdeksa na ny mpomba ny horonam-boky. Zatra nampiasa horonam-boky ireo olona tsy tia fiovana, ka tsy naniry hiala tamin’ny nahazatra azy. Diniho anefa izay tsy maintsy natao, rehefa namaky horonam-boky. Matetika ny horonam-boky no vita tamin’ny hodi-biby malefaka na taratasy papyrus maromaro, izay natambatambatra mba hahazoana raviny lava be iray azo nahorona. Teo amin’ny lafy tsaran’ilay horonana no nisy ny soratra, ary nahitana tsanganana maro ilay izy. Tsy maintsy namelatra ilay horonana ny olona nampiasa azy, raha te hahita ny andalan-teny tiany hovakina. Tsy maintsy nahorony indray ilay izy, avy eo, rehefa avy namaky izy. (Lioka 4:16-20) Horonana maro mazàna vao antonona asa soratra iray. Izany no vao mainka nanasarotra ny famakiana azy. Marina fa mbola nitohy nandritra ny taonjato maro ny fampiasana horonam-boky. Azo inoana anefa fa naleon’ny Kristianina tamin’ny taonjato faharoa sy taorian’izay, nandika ny Soratra Masina tamin’ny kôdeksa. Mino ny manam-pahaizana fa anisan’ny tena nahatonga ny kôdeksa hiely ny fampiasan’ny Kristianina azy io.
Miharihary ny tombony azo avy amin’ny kôdeksa: antonona soratra be dia be ilay izy, mora ampiasaina, ary mora entina. Na dia nahita izany tombony izany aza ny olona sasany, dia elaela ny ankamaroany vao niala tamin’ny fampiasana horonana. Noho ny antony maro anefa, dia nihanahazo vahana ny fampiasana kôdeksa, arakaraka ny fandehan’ny fotoana.
Tsy mandany kokoa ny fanamboarana kôdeksa, raha oharina amin’ny horonam-boky. Azo nanoratana ambadika sy ambadika mantsy ny pejiny, ary azo natambatra ho boky iray ihany ny boky maromaro. Milaza ny olona sasany fa mora erỳ ny mikaroka andininy ao amin’ny kôdeksa, ka izany no tena nahatonga azy io ho tian’ny Kristianina sy ny mpiasa matihanina toy ny mpisolovava. Tena nety tsara teo amin’ny asa fitoriana nataon’ny Kristianina koa izy io, satria antonona andininy maro sady mora nentina. Ankoatra izany, dia nateza kokoa noho ny horonam-boky ilay izy, satria mazàna no vita tamin’ny hazo ny fonony.
Nety tsara hamakian-teny samirery koa ny kôdeksa. Nisy Filazantsara fanao am-paosy niampitampita teo amin’ireo nitonona ho Kristianina, tamin’ny faramparan’ny taonjato fahatelo. Vita tamin’ny hodi-biby malefaka ny pejin’izy io. Nanomboka tamin’izay, dia an’arivony tapitrisa ny Baiboly manontolo na ampahany, navoaka tamin’ny kôdeksa.
Zavatra maro ankehitriny no azo ampiasaina mba hahazoana mora foana sady haingana ny fahendrena avy amin’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly. Anisan’izany ny ordinatera sy kasety ary boky. Na inona na inona fomba tianao hamakiana ny Baiboly, dia miezaha foana ho tia ny Tenin’Andriamanitra, ka saintsaino isan’andro izy io.—Salamo 119:97, 167.
[Sary, pejy 15]
Anisan’ny tena nahatonga ny Baiboly hiely patrana ny kôdeksa