Oviana no Rava i Jerosalema Fahiny?: Fizarana Voalohany
Nahoana Izany no Ilaina Fantarina? Inona no Asehon’ny Porofo?
Manam-pahaizana maro no manontany hoe oviana no rava i Jerosalema fahiny. Hisy lahatsoratra roa hiresaka an’izany hivoaka amin’ny Tilikambo Fiambenana, ka ity no voalohany. Horesahina amin’izany ny fikarohana lalina natao sy ny valiny omen’ny Baiboly an’ireo fanontaniana manahiran-tsaina ny olona.
“Milaza ny mpahay tantara sy ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany fa eken’ny besinimaro ny hoe tamin’ny taona 586 na 587 T.K. no rava i Jerosalema.a Nahoana anefa ianareo Vavolombelon’i Jehovah no milaza fa tamin’ny 607 T.K. izy io no rava? Inona no anaporofoanareo an’izany?”
IZANY no nosoratan’ny olona iray mpamaky ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nahoana tokoa moa no ilaina fantarina ny daty marina nandravan’i Nebokadnezara II, mpanjaka babylonianina, ny tanànan’i Jerosalema? Voalohany, satria nisy fiovana lehibe teo amin’ny tantaran’ny vahoakan’Andriamanitra tamin’io. Nilaza ny mpahay tantara iray fa io fandravana io no nahatonga “loza faran’izay mangidy.” Tamin’izay mantsy no rava ilay tempoly izay foiben’ny fivavahana tamin’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra nandritra ny 400 taona mahery. Hoy ny mpanao salamo: “Andriamanitra ô! Nolotoiny ny tempolinao masina, ary nataony korontam-bato miavosa i Jerosalema.”—Salamo 79:1.b
Faharoa, hatoky ianao fa marina ny Tenin’Andriamanitra. Ho fantatrao mantsy ny daty marina nitrangan’io “loza faran’izay mangidy” io. Ho hitanao koa fa tanteraka ilay faminanian’ny Baiboly hoe haverina amin’ny laoniny ny fivavahana marina ao Jerosalema. Nahoana àry ny Vavolombelon’i Jehovah no mino daty izay misy elanelany 20 taona be izao amin’ny daty eken’ny besinimaro? Noho ireo porofo lazain’ny Baiboly.
“Fitopolo taona” ho an’iza?
Niresaka hevitra lehibe hamantarana ny fanisan-taonan’ny Baiboly i Jeremia, taona maromaro talohan’ilay fandravana. Hoy izy tamin’ny ‘mponina rehetra tao Jerosalema’: ‘Ho rava tanteraka ity tany manontolo ity. Ary ireo firenena ireo kosa hanompo ny mpanjakan’i Babylona fitopolo taona.’ (Jeremia 25:1, 2, 11) Hoy koa izy tatỳ aoriana: “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Hitsinjo anareo aho rehefa tapitra ny fitopolo taona nijanonanareo tany Babylona, dia hotanterahiko aminareo ny fampanantenako, ka haveriko eto amin’ity toerana ity ianareo.’ ” (Jeremia 29:10) Inona àry ilay “fitopolo taona”, ary nahoana io fe-potoana io no manampy antsika hahafantatra ny daty nandravana an’i Jerosalema?
Tsy hoe 70 taona “tany Babylona” no nandikan’ny Baiboly sasany azy io fa hoe 70 taona “ho an’i Babylona.” (Jeremia 29:10, Fandikan-teny Katolika) Milaza àry ny mpahay tantara sasany fa mihatra amin’ny Fanjakana Babylonianina ilay 70 taona. Resahin’ny boky tsy ara-pivavahana sasany, ohatra, fa ny Babylonianina no nifehy an’i Joda sy Jerosalema nandritra ny 70 taona teo ho eo. Nanomboka tamin’ny 609 T.K. tany ho any, hono, izany ary nifarana rehefa resy ny renivohitr’i Babylona tamin’ny 539 T.K.
Milaza anefa ny Baiboly fa nataon’Andriamanitra hanasaziana ny mponin’i Joda sy Jerosalema ilay 70 taona. Nanao fifanekena tamin’Andriamanitra mantsy izy ireo hoe hankatò azy. (Eksodosy 19:3-6) Rehefa tsy nety niala tamin’ny fanao ratsiny àry izy ireo, dia hoy Andriamanitra: “Hampanantsoiko i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona. ... Hoentiko hiady amin’ity tany ity sy amin’ny mponina eto ary amin’ny firenena rehetra manodidina izy ireo.” (Jeremia 25:4, 5, 8, 9) Marina fa nijaly noho ny hatezeran’ny Babylonianina koa ireo firenena nanodidina an’i Jerosalema. Nilaza anefa i Jeremia hoe ‘sazy’ ho an’i Jerosalema ny nandravana sy namaboana azy 70 taona, satria “nanota an-kitsirano” izy.—Fitomaniana 1:8; 3:42; 4:6.
Sazy henjana ho an’i Jerosalema àry ilay 70 taona raha ny Baiboly no jerena, ary ny Babylonianina no nampiasain’Andriamanitra hampihatra an’izany. Nilaza tamin’ny Jiosy anefa Andriamanitra fa ‘rehefa tapitra ny fitopolo taona, dia haveriny ao amin’ilay toerana izy ireo’, izany hoe ao Joda sy Jerosalema.—Jeremia 29:10.
Oviana no nanomboka ilay “fitopolo taona”?
Niresaka momba an’i Nebokadnezara i Ezra, mpahay tantara nahazo herin’ny fanahy masina ary niaina taorian’ny nahatanterahan’ilay faminanian’i Jeremia. Hoy izy: “Nentiny ho babo tany Babylona izay sisa tsy matin-tsabatra, ka nanjary nanompo azy sy ny taranany, mandra-pitondran’ny fanjakan’i Persa. Izany dia mba hahatanteraka ny tenin’i Jehovah nolazain’i Jeremia, mandra-panonitr’ilay tany ny sabatany. Nitandrina sabata ilay tany nandritra ny andro rehetra tsy nisian’ny mponina teo aminy, mandra-pahatapitry ny fitopolo taona.”—2 Tantara 36:20, 21.
‘Hitandrina sabata’ àry i Joda sy Jerosalema mandritra ilay 70 taona. Midika izany fa tsy hisy hamboly ilay tany, tsy hisy hamafy voa na handrantsana voaloboka. (Levitikosy 25:1-5) Tsy nankatoavin’ilay vahoakany Andriamanitra, anisan’izany angamba ny lalàny momba ny taona sabata. Ho sazin’izy ireo àry, dia tsy hambolena ny taniny ary ho lasa aolo mandritra ny 70 taona.—Levitikosy 26:27, 32-35, 42, 43.
Oviana i Jerosalema no lasa aolo sy tsy nambolena? Efa indroa raha ny marina no nanafika an’i Jerosalema ny Babylonianina notarihin’i Nebokadnezara, ary nifanelanelana folo taona teo ho eo izany. Oviana àry no nanomboka ilay 70 taona? Mazava ho azy fa tsy tamin’i Nebokadnezara nanao fahirano voalohany an’i Jerosalema. Fa nahoana moa? Marina fa olona maro no nentiny ho babo tany Babylona tamin’izay. Navelany hijanona tao anefa ireo “vahoaka ambany saranga.” Mbola tsy noravany koa ilay tanàna, ary nivelona tamin’ny vokatr’ilay tany ireo sisa nijanona tao, nandritra ny taona vitsivitsy taorian’ilay fanafihana voalohany. (2 Mpanjaka 24:8-17) Nisy fiovana lehibe anefa taorian’izay.
Nikomy ireo Jiosy tao Jerosalema. (2 Mpanjaka 24:20) Niverina tany indray àry ny Babylonianina ka noravan’izy ireo ilay tanàna, hatramin’ny tempoliny masina, ary nobaboin’izy ireo ny ankamaroan’ny mponina tao. (2 Mpanjaka 25:8-10) Nandritra ny roa volana, dia “niainga ny olona rehetra [ireo sisa najanona tao amin’ilay tany], na kely na lehibe, mbamin’ireo lehiben’ny tafika”, ka nitsoaka ‘nankany Ejipta, noho izy ireo natahotra ny Babylonianina.’ (2 Mpanjaka 25:25, 26) Tamin’ny volana Tisry (Septambra/Oktobra), volana fahafito amin’ny Jiosy, izany no nitranga. Tamin’io taona io àry vao azo nolazaina hoe nitandrina sabata ilay tany satria lasa aolo sy tsy nambolena. Izao kosa no nasain’Andriamanitra nolazain’i Jeremia tamin’ireo Jiosy nitsoaka tany Ejipta: “Efa hitanareo ny loza rehetra nataoko tamin’i Jerosalema sy ny tanàna rehetran’ny Joda. Rava tanteraka izy ireo ankehitriny, sady tsy misy mponina.” (Jeremia 44:1, 2) Afaka milaza àry isika fa nanomboka tamin’izay ilay 70 taona. Tamin’ny taona firy anefa izany? Mba hamaliana an’izany, dia hofantarintsika hoe oviana izy io no nifarana.
Oviana no nifarana ilay “fitopolo taona”?
Mbola velona i Daniela mpaminany tamin’ny mpanjakan’i Persa lasa nifehy an’i Babylona. Tany Babylona izy tamin’izay ary nanao kajikajy hoe oviana ilay 70 taona no tokony hifarana. Hoy izy: “Izaho Daniela dia nandinika an’izay noraketin’ny boky, ka nahafantatra ny isan’ireo taona aharavan’i Jerosalema, araka ny tenin’i Jehovah tonga tamin’i Jeremia mpaminany. Fantatro àry fa fitopolo taona izany.”—Daniela 9:1, 2.
Nisaintsaina ny faminanian’i Jeremia koa i Ezra. Nampifandraisiny tamin’ny fotoana ‘nanentanan’ny TOMPO an’i Kyrosy mpanjakan’i Persa mba hanao antso avo’ ny faran’ilay “fitopolo taona.” (2 Tantara 36:21, 22, Dikan-teny Vaovao Iraisam-pirenena) Oviana ny Jiosy no nafahana? “Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Kyrosy mpanjakan’i Persa” no nivoaka ny didy hoe tapitra ilay sesitany. (Jereo ilay efajoro hoe “Daty Manan-tantara.”) Tamin’ny faramparan’ny taona 537 T.K. àry ny Jiosy no niverina tany Jerosalema, mba hamerina tamin’ny laoniny ny fivavahana marina.—Ezra 1:1-5; 2:1; 3:1-5.
Tena ara-bakiteny ilay 70 taona raha ny Baiboly no jerena, ary nifarana tamin’ny 537 T.K. izy io. Raha avy eo amin’io taona io àry isika no manisa 70 taona miverina, dia ho tonga any amin’ny taona 607 T.K.
Tamin’ny 607 T.K. àry i Jerosalema no rava, raha ny Soratra Masina no jerena. Nahoana anefa no mbola milaza ihany ny manam-pahaizana sasany fa tamin’ny taona 587 T.K. izany? Ny asa soratry ny mpahay tantara fahiny sy ny lisitra nataon’i Ptolémée no inoan’izy ireo. Ireo ve anefa no azo antoka kokoa noho ny Soratra Masina?
Marina ve ny asa soratr’ireo mpahay tantara fahiny?
Velona taoriana kelin’ny nandravana an’i Jerosalema ny mpahay tantara sasany. Samy hafa anefa ny fanazavan’izy ireny momba an’ireo mpanjakan’ny Fanjakana Babylonianina Vaovao.c (Jereo ilay efajoro hoe “Ireo Mpanjaka Tamin’ny Fanjakana Babylonianina Vaovao.”) Tsy mifanaraka amin’ny daty lazain’ny Baiboly ny daty omen’izy ireo. Azo itokisana ve anefa ny asa soratr’izy ireo?
Anisan’ny mpahay tantara velona taoriana kelin’ilay fotoana nisian’ny Fanjakana Babylonianina Vaovao i Bérose, “mpisoron’i Bela” andriamanitra babylonianina. Nanoratra boky hoe Ny Tantaran’i Babylonia (grika) izy tamin’ny 281 T.K. tany ho any. Very anefa izy io ka sombiny sisa no voatahiry any amin’ny asa soratry ny mpahay tantara hafa. Nilaza i Bérose fa naka hevitra avy tamin’ireo “boky voatahiry tsara tao Babylona” izy.1 Nilaza ny marina tokoa ve anefa izy?
Nilaza i Bérose fa nandimby ny “rahalahiny” i Sankeriba, mpanjaka asyrianina. “Ny zanany lahy [Esara-hadona] indray avy eo no nandimby azy ary nanjaka 8 taona. Taorian’izay [i Shamash-shom-o-kin] izay nanjaka 21 taona.” (III, 2.1, 4) Araka ny tantaran’i Babylona, izay nosoratana ela be talohan’ny nisian’i Bérose, anefa dia i Sargona II rainy fa tsy ny rahalahiny no nodimbiasan’i Sankeriba. I Esara-hadona kosa nanjaka 12 taona fa tsy 8 taona, ary i Shamash-shom-o-kin nanjaka 20 taona fa tsy 21 taona. Niaiky i R. van der Spek, manam-pahaizana, fa naka hevitra tao amin’ireo boky momba ny tantaran’i Babylona i Bérose. Hoy anefa izy: “Tsy nisakana azy tsy hampitombo filaza sy hanao dika vilana izany.”2
Ary ahoana no fahitan’ny manam-pahaizana hafa an’i Bérose? Hoy i S. Burstein, izay nandinika lalina ny asa sorany: “Noheverina ho mpahay tantara foana i Bérose fahiny.” Hoy anefa izy: “Tsy azo lazaina hoe mpahay tantara izy raha jerena ny asa sorany. Na ilay sombiny sisa tavela amin’ilay bokiny hoe Ny Tantaran’i Babylonia aza misy diso nefa zavatra tsotra ilay resahina ... Tsy azo ekena raha mpahay tantara no manao fahadisoana toy izany. Tsy ny hitantara ny tena marina àry no tena tanjon’i Bérose.”3
Ahoana ny hevitrao amin’izany rehetra izany? Tena marina ve ny kajikajy nataon’i Bérose? Ary ahoana ny amin’ireo mpahay tantara hafa fahiny, izay nilaza daty niorina tamin’ny asa soratr’i Bérose? Azo itokisana ve ny zavatra notantarain’izy ireo?
Ny lisitra nataon’i Ptolémée
Nanao lisitra mpanjaka i Claude Ptolémée, manam-pahaizana momba ny kintana sy planeta, tamin’ny taonjato faharoa. Io lisitra io koa no nampiasaina mba hanamarinana an’ilay taona 587 T.K., taona noheverina fa nandravana an’i Jerosalema. Izy io no noheverina fa fototry ny fanisan-taonan’ny tantara fahiny, anisan’izany ny fe-potoana nisian’ny Fanjakana Babylonianina Vaovao.
Tokotokony ho 600 taona taorian’ny nifaranan’ny Fanjakana Babylonianina Vaovao i Ptolémée no nanao an’ilay lisitra. Ahoana àry no namaritany ny daty nanjakan’i Nabonasara, ilay mpanjaka nataony teo amin’ny laharana voalohany? Nilaza i Ptolémée fa “afaka nikajy ny daty nanombohan’i Nabonasara nanjaka” izy ireo rehefa nandinika ny zava-nitranga teny amin’ny lanitra, anisan’izany ny fanakonam-bolana.4 Nilaza àry i Christopher Walker, avy ao amin’ny Tranombakoka Britanika, fa ilay lisitr’i Ptolémée dia “lisitra tsy tena izy fa natao hanomezana daty tsy miovaova ho an’ny manam-pahaizana momba ny kintana sy planeta fotsiny. Tsy natao ho an’ny mpahay tantara izy io satria tsy manome daty marina nanombohan’ireo mpanjaka nanjaka sy ny daty nahafatesany.”5
Hoy i Leo Depuydt, anisan’ny mpanohana nafana fo an’i Ptolémée: “Niaiky ny olona hatramin’izay fa afaka nitoky tamin’ilay lisitra ireo manam-pahaizana momba ny kintana sy planeta. Tsy midika anefa izany hoe azon’ireo mpahay tantara itokisana koa izy io.” Hoy koa izy: “Tokony hampitahaina izay voalazan’ilay lisitra sy ny asa soratra fahiny momba an’ireo mpanjaka voalohandohany [anisan’izany ireo mpanjaka tamin’ny Fanjakana Babylonianina Vaovao]. Tokony hampitahaina tsirairay ny taona nanjakan’izy ireo.”6
Inona àry ilay “asa soratra fahiny” ahafahana manamarina ny lisitr’i Ptolémée? Ny mpanora-dalàna, velona nandritra ny Fanjakana Babylonianina Vaovao na taoriana kelin’izany, no nanoratra azy. Anisan’izany ny tantaran’i Babylona sy ny lisitr’ireo anarana mpanjaka ary ny takelaka momba ny raharaham-barotra tamin’izany.7
Manao ahoana ny lisitra nataon’i Ptolémée raha ampitahaina amin’ilay asa soratra fahiny? Miresaka santionany amin’izany ilay efajoro hoe “Fampitahana ny Lisitra Nataon’i Ptolémée sy ny Takelaka Fahiny.” (Jereo etsy ambany.) Mariho fa mpanjaka efatra fotsiny no nolazain’i Ptolémée fa nanjaka teo anelanelan’i Kandalano sy Nabonida. Asehon’ilay Lisitry ny Mpanjaka Ourouk, izay anisan’ilay asa soratra fahiny, anefa fa nisy mpanjaka fito nifandimby teo anelanelan’izy ireo. Fohy kely ve ny fotoana nanjakan’izy ireo ka tsy dia nisy dikany? Hita tamin’ireo takelaka momba ny raharaham-barotra fa nanjaka fito taona ny iray tamin’izy ireo.8
Milaza koa ilay asa soratra fahiny fa nisy mpanjaka (Asoro-etel-ilani) nanjaka efa-taona tany Babylona talohan’ny nanjakan’i Nabopolasara (mpanjaka voalohany tamin’ny Fanjakana Babylonianina Vaovao). Nisy fotoana koa tsy nisy mpanjaka, ary naharitra herintaona mahery izany.9 Tsy voalaza ao amin’ilay lisitra nataon’i Ptolémée anefa izany rehetra izany.
Nahoana àry no nisy mpanjaka tsy notononin’i Ptolémée? Noheveriny ho tsy ara-dalàna angamba ny fitondran’izy ireo tao Babylona.10 Tsy notononiny, ohatra, i Labashi-Mardoka, mpanjaka tamin’ny Fanjakana Babylonianina Vaovao. Tena nanjaka tao Babylona anefa ireo mpanjaka tsy noresahin’i Ptolémée ireo, araka ny voalazan’ilay asa soratra fahiny.
Amin’ny ankapobeny, dia heverin’ny olona ho marina ny lisitr’i Ptolémée. Raha jerena anefa ireo zavatra tsy noresahiny, azo ampiasaina ve ny lisitra nataony mba hilazana daty marina eo amin’ny tantara?
Inona no hita avy amin’ireo porofo ireo?
Mazava tsara ny voalazan’ny Baiboly hoe natao sesitany 70 taona ny Jiosy. Misy porofo lehibe manamarina fa niverina tany amin’ny taniny izy ireo tamin’ny 537 T.K., ary manaiky an’izany ny ankamaroan’ny manam-pahaizana. Raha avy eo amin’io daty io isika no manisa 70 taona miverina, dia ho tonga any amin’ny taona 607 T.K. Tamin’izay i Jerosalema no rava. Tsy manaiky an’izany i Ptolémée sy ny mpahay tantara hafa fahiny. Hitantsika teo anefa fa tsy azo antoka ny asa soratr’izy ireo. Tena tsy afaka manaporofo tokoa izy ireo hoe diso ny fanisan-taonan’ny Baiboly.
Tsy misy mihitsy àry ve fitantarana manamarina an’ilay daty 607 T.K.? Inona no porofo omen’ireo asa soratra fahiny, izay fantatra ny daty nisiany sady olona nahita maso ny zava-nitranga no nanoratra azy? Hodinihintsika ao amin’ny Tilikambo Fiambenana manaraka ny valin’ireo.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Samy voaresaka ao amin’ny boky tsy ara-pivavahana sasany ireo daty roa ireo. Mba hanamora azy anefa, dia ilay taona 587 T.K. no horesahintsika ato amin’ity andian-dahatsoratra ity. “Aorian’i Kristy” no dikan’ny hoe A.K.
b Namoaka fandikan-tenin’ny Baiboly hoe Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ny Vavolombelon’i Jehovah, ary azo itokisana izy io. Raha tsy Vavolombelon’i Jehovah anefa ianao, dia mety ho tianao ny hampiasa fandikan-teny hafa.
c Tamin’ny fitondran’i Nabopolasara, rain’i Nebokadnezara, no nanomboka ny Fanjakana Babylonianina Vaovao, ary nifarana tamin’ny fitondran’i Nabonida. Nahaliana ny manam-pahaizana io fe-potoana io satria efa ho 70 taona mitovy amin’ilay fotoana nahalao an’i Jerosalema ny faharetany.
[Efajoro/Sary, pejy 28]
DATY MANAN-TANTARA
Tamin’ny 539 T.K. i Kyrosy II no nandresy an’i Babylona, ary manamarina an’izany:
▪ Ny bokin-tantara sy ny takelaka tanimanga fahiny: Nilaza i Diodore avy any Sisila (t. 80-20 T.K.)d fa lasa mpanjakan’i Persa i Kyrosy tamin’ny “taona voalohany tamin’ny Lalao Olympika Faha-55.” (Tranomboky Ara-tantara, anglisy, Boky Faha-9, 21) Tamin’ny taona 560 T.K. izany. Nilaza koa i Hérodote, mpahay tantara grika (t. 485-425 T.K.), fa nisy namono i Kyrosy tamin’ny 530 T.K. “rehefa avy nanjaka 29 taona.” (Tantara, anglisy, Boky I, Clio, 214) Misy takelaka tanimanga anefa milaza fa nanjaka tao Babylona i Kyrosy, sivy taona talohan’ny nahafatesany. Raha avy eo amin’ny 530 T.K., taona nahafatesany, àry isika no manisa sivy taona miverina, dia ho tonga eo amin’ny 539 T.K. Midika izany fa tamin’io taona io izy no nandresy an’i Babylona.
Ny takelaka misy porofo lehibe: Misy takelaka tanimanga babylonianina momba ny kintana sy planeta (BM 33066), manamarina fa tamin’ny 530 T.K. i Kyrosy no maty. Marina fa misy diso ny zavatra resahin’io takelaka io momba ny toeran’ny zavatra eny amin’ny lanitra. Voalaza ao anefa fa nisy fanakonam-bolana indroa tamin’ny taona fahafito nanjakan’i Cambyse II, ilay zanakalahin’i Kyrosy izay nandimby azy. Ireo ilay fanakonam-bolana hita tany Babylona tamin’ny 16 Jolay 523 T.K. sy tamin’ny 10 Janoary 522 T.K. Nanomboka tamin’ny lohataonan’ny taona 523 T.K. àry ny taona fahafito nanjakan’i Cambyse, ary tamin’ny 529 T.K. izy no nanomboka nanjaka. Hita avy amin’izany koa fa tamin’ny 530 T.K. i Kyrosy no nanjaka farany, izany hoe tamin’ny 539 T.K. izy no nanomboka nanjaka tao Babylona.
[Fanamarihana ambany pejy]
d “Tany ho any” no dikan’ny hoe t.
[Sary nahazoan-dalana]
Takelaka: © The Trustees of the British Museum
[Efajoro, pejy 31]
FAMINTINANA
▪ Matetika ireo mpahay tantara no milaza fa tamin’ny 587 T.K. i Jerosalema no rava.
▪ Asehon’ny fanisan-taonan’ny Baiboly anefa fa tamin’ny 607 T.K. no rava i Jerosalema.
▪ Ny asa soratry ny mpahay tantara fahiny sy ny lisitr’i Ptolémée no tena hakan’ny mpahay tantara tsy ara-pivavahana hevitra.
▪ Misy diso be anefa ny asa soratry ny mpahay tantara fahiny, ary tsy mitovy amin’izay voasoratra ao amin’ny takelaka tanimanga izy ireny indraindray.
[Efajoro, pejy 31]
Fanamarihana
1. Ny Tantaran’i Babylonia (grika), Boky Voalohany, 1.1.
2. Fandinihana ny Fisainana sy ny Fiaraha-monin’ny Tatsinanana Fahiny (anglisy), pejy 295.
3. Ny Tantaran’i Babylonia Nosoratan’i Bérose (anglisy), pejy 8.
4. Almageste, III, 7, nadikan’i G. Toomer, avy tamin’ny Almageste Nataon’i Ptolémée (anglisy), pejy 166, nivoaka tamin’ny 1998. Fantatr’i Ptolémée fa nampiasa tabilao misy asa marika ny astronoma tany Babylona, mba “hikajiana” ny fotoana nisian’ny fanakonam-bolana taloha sy amin’ny hoavy. Fantatr’izy ireo mantsy fa mipoitra isaky ny 18 taona ny fanakonam-bolana toy ireny.—Almageste, Faha-4, 2.
5. Mezopotamia sy Iran Tamin’ny Andron’ny Persianina (anglisy), pejy 17-18.
6. Fandinihana ny Soratra Miendri-pantsika, (anglisy), Boky Faha-47, 1995, pejy 106-107.
7. Zavatra telozoro mitovy bika amin’ny fantsika no nataon’ny mpanora-dalàna teo amin’ny tanimanga mando mba hamela marika, ka nahatonga ny hoe “soratra miendri-pantsika.”
8. Nanjaka fito taona i Sin-sharra-ishkon. Takelaka tanimanga 57 momba ny raharaham-barotra nataony no hita. Tamin’izy vao nanjaka ka hatramin’ny taona fahafito nanjakany no natao izy ireny. Jereo ny Fandinihana ny Soratra Miendri-pantsika, Boky Faha-35, 1983, pejy 54-59.
9. Tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Asoro-etel-ilani no nisian’ny takelaka tanimanga C.B.M. 2152, izay miresaka raharaham-barotra. (Raharaham-barotra Ara-dalàna Tamin’ny Andron’ny Asyrianina sy ny Fanjakana Babylonianina Vaovao ary ny Persianina avy any Nippour, nosoratan’i A. Clay, 1908, pejy 74.) Voalaza ao amin’ny Soratra Nataon’i Nabonida tany Harana, (H1B), tsanganana 1, andalana 30, fa nanjaka talohan’i Nabopolasara i Asoro-etel-ilani. (Fikarohana natao tany Anatolia, Boky Faha-8, 1958, pejy 35, 47.) Miresaka ny fotoana tsy nisian’ny mpanjaka ny Tantara Faha-2, andalana 14, ao amin’ny Tantaran’i Asyria sy Babylona, pejy 87-88.
10. Voalaza fa ny mpanjakan’i Babylona ihany no nataon’i Ptolémée lisitra. Milaza àry ny manam-pahaizana fa tsy nataon’i Ptolémée tao ny anaran’ny mpanjaka sasany, satria “Mpanjakan’i Asyria” no niantsoana azy ireny. Araka ilay efajoro ao amin’ny pejy 30 anefa, dia nantsoina koa hoe “Mpanjakan’i Asyria” ny ankamaroan’ireo mpanjaka ao amin’ilay lisitr’i Ptolémée. Hita amin’ny takelaka momba ny raharaham-barotra sy taratasy misy soratra miendri-pantsika ary ny asa soratra hafa fa nanjaka tao Babylonia i Asoro-etel-ilani sy Sin-shomo-lishir ary Sin-sharra-ishkon.
[Tabilao/Sary, pejy 29]
(Jereo ny gazety)
IREO MPANJAKA TAMIN’NY FANJAKANA BABYLONIANINA VAOVAO
Raha azo itokisana ireto mpahay tantara ireto, nahoana izy ireo no tsy mitovy hevitra?
BÉR- POLYHIS- JOSÈ- PTOLÉ-
OSE TOR PHE MÉE
t. 350-270 105-? 37-?100 t. 100-170
T.K. T.K. A.K. A.K.
Mpanjaka
Nabopo-
lasara 21 20 — 21
Nebokadn-
ezara II 43 43 43 43
Amila-
Mardoka 2 12 18 2
Nerig-
lisara 4 4 40 4
Labashi-
Mardoka 9 volana — 9 volana —
Nabo
nida 17 17 17 17
Halavan’ny taona nanjakan’ireo mpanjaka, araka ny hevitr’ireo mpahay tantara fahiny
Photograph taken by courtesy of the British Museum
[Tabilao/Sary, pejy 30]
(Jereo ny gazety)
Fampitahana Ny Lisitra Nataon’i Ptolémée Sy Ny Takelaka Fahiny
Nahoana no tsy nataon’i Ptolémée tao amin’ilay lisitra ny mpanjaka sasany?
LISITRA NATAON’I PTOLÉMÉE
Nabonasara
Nabo-nadin-zery (Nadino)
Mokin-zery sy Pola
Ololayo (Salmanesera Faha-5)
“Mpanjakan’i Asyria”
Merodaka-baladana
Sargona II “Mpanjakan’i Asyria”
Fe-potoana voalohany tsy nisy
mpanjaka
Bel-ibni
Asoro-nadin-shomi
Nergala-osheziba
Mosheziba-Mardoka
Fe-potoana faharoa tsy nisy LISITRY NY MPAN-
mpanjaka
Esara-hadona “Mpanjakan’i Asyria” JAKA OUROUK,ARAKA NY
Shamash-shom-o-kin TAKELAKA FAHINY
Kandalano Kandalano
Sin-shomo-lishir
Sin-sharra-ishkon
Nabopolasara Nabopolasara
Nebokadnezara Nebokadnezara
Amila-Mardoka Amila-Mardoka
Neriglisara Neriglisara
Labashi-Mardoka
Nabonida Nabonida
Kyrosy
Cambyse
[Sary]
Manampy antsika hanamarina ny lisitra nataon’i Ptolémée ny tantaran’i Babylona izay anisan’ny asa soratra fahiny
[Sary nahazoan-dalana]
Photograph taken by courtesy of the British Museum
[Sary nahazoan-dalana, pejy 31]
Photograph taken by courtesy of the British Museum