Fanavotana any Amin’ny Nosy Robinson Crusoé
NY NOSY Robinson Crusoé dia iray amin’ireo nosy telo any amin’ny Oseana Pasifika izay mahaforona ny vondronosy atao hoe Juan Fernández. Tokony ho 640 kilaometatra miala amin’ny morontsirak’i Silia no misy azy.a Io nosy 93 kilaometatra tora-droa io dia nahazo izany anarany izany avy tamin’ny tantara fanta-daza iray tamin’ny taonjato faha-18, izay mitondra ny lohateny hoe Robinson Crusoé, ary nosoratan’ilay mpanoratra anglisy atao hoe Daniel Defoe. Azo inoana fa tamin’ny ankapobeny, ilay tantara dia nifototra tamin’ny zavatra nanjo an’i Alexander Selkirk, Ekosey iray nipetraka irery teo amin’ilay nosy nandritra ny efa-taona teo ho eo.
Ahitana takelaka hazo milaza toy izao, amin’ny ampahany, eo amin’ilay nosy: “Teto amin’ity toerana ity no nizaha fatratra ny faravodilanitra ilay tantsambo ekosey atao hoe Alexander Selkirk, nanantena ilay sambo hanavotra azy amin’ny fitoerany ho manirery. Mihoatra ny efa-taona no nanaovany izany isan’andro.” Voavotra i Selkirk tamin’ny farany, ary nentina nody tany an-tanindrazany, tany amin’ny tontolo iray izay tsy nahafa-po azy intsony rehefa avy niaina tao amin’ilay paradisa keliny izy. Toa nilaza àry, hono, izy tatỳ aoriana hoe: “Indrisy ry nosy malalako! Inay aho tsy nandao anao mihitsy!”
Rehefa nandeha ny fotoana dia lasa fonja ilay nosy, ary nonenan’ny sasany tamin’ireo izay nivadika tamin’ny finoana katolika. Fiovana re izany raha oharina amin’ilay nosy toa paradisa niainan’i Selkirk! Na izany aza, dia mankafy filaminana sy fiadanana izay tsy fantatry ny faritra maro eto amin’izao tontolo izao, ny mponin’ilay nosy ankehitriny. Mora ny manombo-dresaka saika amin’ny olon-drehetra noho ny fomba fiaina tsy mirotoroto izay mampiavaka ny nosy maro.
Eo amin’ny 500 eo ho eo no tena isan’ny mponina ao Robinson Crusoé. Nefa eo amin’ny 400 monja ny olona mipetraka saika mandavantaona ao amin’ilay nosy. Anisan’ny antony mahatonga izany ny hoe mandritra ny taom-pianarana, dia miaraka amin’ny zanany any amin’ny kontinantan’i Silia ny renim-pianakaviana sasany, ka tsy miverina ao amin’ilay nosy raha tsy amin’ny vakansy mba hiarahana amin’ny sisa amin’ny fianakaviana.
Na dia toy ny zaridaina tsara tarehy aza ny tontolo iainana ao Robinson Crusoé, dia mahatsapa ny mponina sasany ao amin’ilay nosy fa mila zavatra ara-panahy ny tenany ary mitady valin’ireo fanontaniany izy ireo. Ny hafa dia toa nahatsiaro tena ho nila navotana teo amin’ny lafiny ara-panahy.
Fanavotana ara-panahy
Nanomboka tamin’ny1979 tany ho any izany asa fanavotana ara-panahy izany. Ny vehivavy iray izay nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Santiago, any Silia, dia nifindra monina tao amin’ilay nosy ary nanomboka nampianatra ny hafa momba izay nianarany. Tatỳ aoriana, noho ny asany, ny loholon’ny kongregasiona iray dia nitsidika ilay nosy, ary gaga nahita antokon’olom-bitsy nianatra ny Baiboly sady nandroso ara-panahy noho ny fanampian’ilay vehivavy. Rehefa niverina nitsidika ilay nosy indray ilay loholona telo volana tatỳ aoriana, dia efa vonona ho amin’ny batisa ilay mpampianatra ny Baiboly mitokana sy ny mpianany roa. Koa nitarika ny fanaovana batisa azy ireo àry ilay loholona. Nanambady ny iray tamin’ireo Kristianina vao vita batisa ireo tatỳ aoriana, ary nanohy nitady olon-kafa nila fanavotana ara-panahy izy mivady. Nitarika ny fanorenana Efitrano Fanjakana tsotsotra iray ny vadiny ary mbola ampiasain’ilay antokon’olom-bitsy eo amin’ilay nosy izy io. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nandao an’i Robinson Crusoé izy ireo noho ny antony ara-bola, ka nifindra tany amin’ny kongregasiona iray any Silia afovoany. Manohy manompo an’i Jehovah amim-paharisihana any izy ireo.
Nitombo niandalana hatrany ilay antokon’olom-bitsy teo amin’ilay nosy, arakaraka ny nanavotana olon-kafa avy tamin’ny fivavahan-diso. Koa satria anefa ireo mpianatra tsy maintsy nifindra tany amin’ny kontinanta mba hanohy ny fianarany eny amin’ny lise, dia anabavy vita batisa roa sy ankizivavy iray sisa tavela. Mitombo isa izy ireo mandritra ny vakansy rehefa miverina ao amin’ilay nosy ny renim-pianakaviana sasany. Izany dia mamelombelona indray ireo Kristianina telo izay mijanona irery ao amin’ilay nosy mandavantaona. Fantatra tsara ao Robinson Crusoé ny Vavolombelon’i Jehovah noho ny asa mafy ataon’ireo anabavy ireo. Marina fa nanohitra ny asan’izy ireo ny mponina sasany tao amin’ilay nosy ary nitady hanery ny hafa handa ny hafatra momba ilay Fanjakana. Na izany aza, dia mbola mitsimoka ihany ny voan’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly izay nambolena tao amin’ireo fo tsotra.
Hatanjahina ireo navotana
Indray mandeha isan-taona dia mitsidika ilay nosy ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray. Manao ahoana moa ny fitsidihana Vavolombelona vitsy dia vitsy toy izany any amin’ny nosy faran’izay mitokana? Milazalaza ny fitsidihany voalohany tao Robinson Crusoé ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray:
“Tena nahafinaritra tsy nisy ohatra izany ilay dia. Tamin’ny fito maraina izahay no nanainga tamin’ny fiarakodia avy tao Valparaiso nankany amin’ny seranam-piaramanidin’i Cerrillos, ao Santiago. Niondrana tamin’ny fiaramanidina kely iray mahazaka olona fito izahay. Rehefa afaka adiny telo latsaka fahefany, dia nahatazana tampon-tendrombohitra iray nihoatra ny rahona izahay. Rehefa nanatona akaiky kokoa izahay dia nahita ilay nosy—vatolampy mahatalanjona teo afovoan’ny ranomasimbe. Toa nitsinkafona teo amin’ny rano ilay izy, tahaka ny sambo very eo afovoan’ny ranomasina.
“Rehefa nipetraka ilay fiaramanidina, dia nitondra anay tany an-tanàna ny lakana iray. Nisy antontam-bato nipoitra avy tamin’ny ranomasina teny rehetra teny ka nahaforona nosy kely fialana sasatra ho an’ireo loutres (karazana lambondriaka misy volony matevina sy malefaka) ao Juan Fernández . Karazam-biby arovana ny loutres satria mila ho lany tamingana. Tampoka teo dia nisy zavatra nanidina teo akaikin’ilay lakana ka avy eo dia nanjavona tao anaty ranomasina indray. Trondro manidina ilay izy, ary mitovy amin’ny elatra ny vombony miforitra. Toa nahafinaritra azy io ny mitsambikina avy ao anaty rano mba hisambotra bibikely. Indraindray koa anefa izy dia mba voasambotra; izy mitsambikina iny mantsy dia mety hisarika ny sain’ireo biby mpiremby hafa izay vonona ny hitelina azy rehefa iny izy hipetraka eo amin’ny rano iny.
“Tonga tao an-tanànan’i San Juan Bautista (Md. Joany Batista) izahay rehefa ela ny ela. Maro ny mponin’ilay nosy tonga teo amin’ny fiantsonana, na mba hitsena mpitsidika na liana ta hahafantatra fotsiny hoe mba iza no tonga amin’ity indray mandeha ity. Talanjona tamin’ny zavatra kanto tazan’ny masonay izahay: ilay tendrombohitra tsara tarehy atao hoe El Yunque (Ny Riandriana), izay sady mijoalajoala no mikinifinify, toy ny hoe rakotra volory maitso antitra ary ao andamosiny ny lanitra manga voahodidin’ny rahona fotsy.
“Tsy ela dia nahamarika ireo anabavy sy ny zanany niandry anay teo amin’ny fiantsonana izahay. Fotoam-pialan-tsasatra tamin’izay, ka betsaka noho ny mahazatra ry zareo. Rehefa avy nifampiarahaba tamim-pitiavana izahay dia nentina tany amin’ny trano kely iray mahafinaritra, izay ho fonenanay mandritra ny herinandro.
“Herinandro tena manokana tokoa ilay izy ary takatray fa handalo vetivety izany. Nila nampiasa ny fotoananay tamin’ny fomba tsara izahay. Androtr’iny ihany, vao avy nisakafo antoandro, dia nandeha nitsidika mpianatra ny Baiboly iray izahay. Ho lasa anabavy ara-panahy tsy ho ela izy sy ho anisan’ilay paradisa ara-panahin’Andriamanitra. Dibo-kafaliana izy nefa somary natahotahotra ihany koa. Nihantomotra ny batisany, tanjona izay efa nandrasany hatry ny ela. Niara-nandinika lafin-javatra tena nilaina sasany izahay mba hahafahany hahafeno fepetra ho tonga mpitory ny vaovao tsara. Ny ampitson’iny izy dia nandray anjara voalohany tamin’ny asa fitoriana. Ny andro fahatelo dia niara-nandinika ny fepetra takina ho amin’ny batisa izahay. Mbola tsy nifarana akory ny herinandro dia natao batisa izy.
“Notohanana tsara ireo fivoriana natao nandritra ny herinandro. Nahatratra 14 ny isan’ny mpanatrika betsaka indrindra. Isan’andro, dia nisy fandaharana ho an’ny fanompoana eny amin’ny saha, ny fiverenana mitsidika sy ny fampianarana ny Baiboly ary ny fitsidihan’ny mpiandry. Tena fampaherezana tokoa izany ho an’ireo anabavy izay manatontosa irery ny asany mandavantaona!”
Sarotra kokoa ho an’ireo lehilahy teo amin’ilay nosy ny nanaiky ny fahamarinana, angamba noho ny asan’izy ireo mitaky be aminy. Ny fanjonoana oran-dranomasina no asa lehibe indrindra eto ary mitaky fahafoizan-tena be. Anisan’ny antony mahatonga ny olona tsy hanaiky ilay hafatra ihany koa ny fitsarana an-tendrony. Na izany aza, dia antenaina fa ho maro kokoa ireo mponin’ilay nosy no handray tsara amin’ny hoavy, na lehilahy izany na vehivavy.
Hatramin’izao dia olona folo no navotana teo amin’ilay nosy noho ny fahalalana ny fahamarinana sy ny fikasan’i Jehovah Andriamanitra. Nandao ilay nosy ny sasany taminy noho ny antony samihafa. Kanefa, na mijanona izy ireo na tsia, dia voaporofo fa zava-dehibe kokoa noho ny famonjena an’i Alexander Selkirk ny fanavotana azy ireo ara-panahy. Na aiza na aiza misy azy ireo ankehitriny dia ao anatin’ny paradisa ara-panahy izy ireo. Ireo anabavy izay mbola mipetraka ao amin’ilay nosy sy ny zanany dia mankafy faritra toy ny zaridaina, nefa mihoatra noho izany aza, fa manantena ny hiaina amin’ny fotoana hahatonga ny tany manontolo ho tena paradisa tokoa izy ireo.
Mitohy ny asa fanavotana
Faran’izay lavitra an’ireo rahalahiny sy anabaviny ara-panahy hafa no misy ireto Vavolombelon’i Jehovah vitsy an’isa eto Robinson Crusoé ireto. Tsy mahatsiaro tena ho nafoy toa an’ilay Ekosey atao hoe Selkirk anefa izy ireo. Mihazona fifandraisana akaiky amin’ny fandaminan’i Jehovah izy ireo amin’ny alalan’ny zavatra vita an-tsoratra teokratika, ny vidéo-n’ireo fivoriambe sy fivoriamben’ny distrika izay alefan’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower ao Silia tsy tapaka ho azy ireo intelo isan-taona, ary ny fitsidihana ataon’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany isan-taona. Araka izany, dia mbola anisan’ireo ‘rahalahy rehetra eran’izao rehetra izao’ izay marisika, izy ireo.—1 Petera 5:9.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Más a Tierra no tena anaran’ilay nosy.
[Sarintany/Sary, pejy 9]
(Jereo ny gazety)
SILIA
Santiago
NOSY ROBINSON CRUSOÉ
San Juan Bautista
El Yunque
OSEANA PASIFIKA
NOSY SANTA CLARA
[Sary]
Rehefa tazana ilay nosy, dia mahita vatolampy mahatalanjona eo afovoan’ny ranomasina ianao
[Sary nahazoan-dalana]
Sarintanin’i Silia: Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.
[Sary, pejy 8, 9]
Ny tendrombohitra manerinerina sy mikitoantoana atao hoe El Yunque (Ny Riandriana)
[Sary, pejy 9]
Ny tanàna San Juan Bautista (Md. Joany Batista)
[Sary, pejy 9]
Nosy kely fialan-tsasatra ho an’ireo loutres sy karazana lambondriaka hafa
[Sary, pejy 10]
Fiaramanidina kely no niondranany avy tao Santiago, any Silia
[Sary, pejy 10]
Ny morontsiraka mikinifinifin’ny nosy Robinson Crusoé
[Sary, pejy 10]
Ilay Efitrano Fanjakana tsotsotra ao amin’ilay nosy