Tantaram-piainana
Mahafantatra Izay Tokony Hatao ary Manao Izany
NOTANTARAIN’I HADYN SANDERSON
Hoy i Jesosy tamin’ny apostoliny, indray andro: “Raha fantatrareo izany, dia sambatra ianareo raha manao izany.” (Jaona 13:17) Mety ho fantatsika tokoa ny tokony hatao, nefa ny manao an’ilay izy no sarotra indraindray. Efa 80 taona mahery aho izao, ary misionera nandritra ny 40 taona. Miaiky aho ankehitriny, fa marina ireo tenin’i Jesosy ireo. Mahasambatra tokoa ny manao izay asain’Andriamanitra atao. Aleo ange hohazavaiko e!
NATAO tany amin’ny tanànanay tany Newcastle, Aostralia, tamin’ny 1925, ilay lahateny hoe “Olona An-tapitrisany Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy.” Telo taona aho tamin’izay. Nanatrika azy io ny ray aman-dreniko, ary niaiky i Neny fa nahita ny fahamarinana. Nanomboka nanatrika fivoriana kristianina tsy tapaka àry izy. Vetivety anefa dia tsy liana tamin’ny fahamarinana intsony i Dada. Notoheriny ilay fivavahana vaovao narahin’i Neny, ary nilaza izy fa handao azy raha tsy miala amin’io. Tia an’i Dada i Neny, ary tsy tiany ho rava ny tokantranony. Fantany anefa fa zava-dehibe kokoa ny mankatò an’Andriamanitra. Tapa-kevitra àry izy fa hanao izay asain’Andriamanitra atao. (Matio 10:34-39) Nandao anay i Dada, ary mahalana izy vao hitako taorian’izay.
Rehefa mitodika ny lasa aho, dia midera an’i Neny noho izy tsy nivadika tamin’Andriamanitra. Nahazo fitahiana maro avy amin’i Jehovah izahay sy Beulah zokiko vavy, noho ny fanapahan-keviny. Nisy lesona lehibe nianaranay koa avy tamin’izany: Rehefa mahafantatra ny tokony hatao isika, dia tsy maintsy miezaka mafy manao izany.
Fitsapam-pinoana
Niezaka mafy nanampy ny fianakavianay ny Mpianatra ny Baiboly (Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny). Nifindra tany aminay i Nenibe, ary nanaiky ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly koa. Izy sy Neny foana no niara-nitory. Sariaka izy ireo sady nanao fitafiana mendrika, ka nohajain’ny olona.
Nikarakara ahy manokana kosa ireo rahalahy kristianina sady nampiofana ahy tsara. Tsy ela dia nianatra nampiasa karatra fitoriana aho, mba hanaovana fitoriana tsotra tamin’ny olona isan-trano. Nandefa lahateny ara-baiboly tamin’ny grafofaonina fitondra mandehandeha koa aho, ary nandray anjara tamin’ny fiambozonana takelaka nanerana ny lalamben’ny tanàna. Tsy mora tamiko izany satria natahotra olona aho. Fantatro anefa fa tokony hatao ilay izy, ka tapa-kevitra aho nanao izany.
Niasa tamin’ny banky aho, rehefa vita ny fianarako. Nitety ny sampan’io banky io eran’i Nouvelle-Galles du Sud, aho. Vitsy ny Vavolombelona tany, nefa nanatanjaka ny finoako foana ilay fampiofanana azoko. Nandefa taratasy nampahery ahy koa i Neny.
Tonga tamin’ny fotoana tena nilako azy ireny taratasy ireny. Nanomboka mantsy ny Ady Lehibe II, ka voantso ho miaramila aho. Mpiangona nafana fo ilay tompon’andraikitry ny banky niasako, sady lehiben’ny miaramila teo an-toerana. Nandrahona ahy izy rehefa nohazavaiko taminy fa tsy hanao miaramila aho, satria Kristianina. Nomeny safidy aho, na hiala amin’ny fivavahako na hiala amin’ny asako! Rehefa nankany amin’ny birao fiantsoana miaramila aho vao tena sarotra be ilay raharaha. Teo ilay tompon’andraikitry ny banky. Nodinihiny tsara aho, rehefa nanatona ny latabatra fisoratana anarana. Tezitra be ireo manam-pahefana, rehefa tsy nety nanao sonia ilay taratasy fiantsoana ho miaramila aho. Nitebiteby aho, nefa tapa-kevitra fa hanao izay fantatro fa tokony hatao. Nanampy ahy i Jehovah, ka tony foana aho sady nijoro tamin’ny hevitro hatramin’ny farany. Reko tatỳ aoriana fa nokarohina aho mba hampijalina. Nampirimiko haingana àry ny entako ka nandeha lamasinina avy hatrany niala tao an-tanàna aho!
Niara-notsaraina tamin’ny rahalahy fito tsy nety nanao raharaha miaramila aho, rehefa tonga tany Newcastle. Voasazy hiasa an-terivozona tany am-ponja nandritra ny telo volana izahay. Mafy ny fiainana tany, nefa nahazo fitahiana maro aho satria nanao izay fantatro fa tokony hatao. Nanasa ahy hiasa tao aminy i Hilton Wilkinson, rahalahy niara-nigadra tamiko, rehefa nivoaka ny fonja izahay. Nanana trano fakana sary izy. Tao no nahitako an’i Melody voalohany. Mpandray olona tao izy, ary lasa vadiko tatỳ aoriana. Nanolo-tena ho an’i Jehovah aho ary natao batisa, tsy ela taorian’ny nivoahako ny fonja.
Naniry hanompo manontolo andro
Nanokatra trano fakana sary ho anay manokana, tany Newcastle, izahay sy Melody, taorian’ny mariazinay. Tsy ela dia lasa be asa izahay, ka nisy vokany teo amin’ny fahasalamanay sy ny fifandraisanay tamin’i Jehovah izany. Niresaka taminay momba ny tanjonay teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah àry i Ted Jaracz, nanompo tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Aostralia. Anisan’ny Filan-kevi-pitantanana izy izao. Nanapa-kevitra izahay taorian’ilay resaka, fa hivarotra ilay trano fakana sary, ary hanatsotra ny fiainanay. Nividy tranofiara kely izahay, tamin’ny 1954, ary nifindra tany Ballarat, any Victoria. Nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana, na mpitory ny vaovao tsara manontolo andro, izahay tany.
Niara-niasa tamin’ilay fiangonana kely tao Ballarat izahay, ary nitahy ny ezaka nataonay i Jehovah. Nitombo haingana ny isan’ny mpivory, tao anatin’ny herintaona sy tapany. Lasa 70 izany raha 17 teo aloha. Voatendry ho mpiandraikitra ny faritra, tany Aostralia Atsimo, aho tatỳ aoriana. Nahafinaritra anay ny nitsidika ireo fiangonana tany Adélaïde nandritra ny telo taona nanaraka. Toy izany koa ireo tany amin’ny toerana mpanamboatra divay sy mpamboly voasary nanamorona ny Renirano Murray. Niova be mihitsy ny fiainanay! Nahafaly anay ny niara-nanompo tamin’ireo rahalahy sy anabavy be fitiavana. Mitondra valisoa tokoa ny manao izay fantatra fa tokony hatao!
Voatendry ho misionera
Nilaza tamin’ny biraon’ny sampana teto Aostralia izahay tamin’ny 1958, fa te hanatrika ilay Fivoriambe Iraisam-pirenena “Sitrapon’Andriamanitra”, tany New York. Hatao ny faramparan’io taona io ilay izy. Ho valiny, dia nandefasan-dry zareo taratasy fangatahana ho an’ireo te hanao Sekoly Ara-baibolin’i Gileada, any Etazonia, izahay. Efa 35 taona teo ho eo izahay tamin’izay, ka nieritreritra fa tsy afaka manatrika an’io sekoly io intsony. Nalefanay ihany anefa ilay taratasy, ary voasa hanatrika ny kilasy faha-32 izahay. Mbola tsy nifarana ilay sekoly dia nolazaina taminay ny tany hanendrena anay. Voatendry ho any Inde izahay! Natahotahotra ihany izahay tamin’ny voalohany, nefa faly nanaiky izany, satria te hanao izay fantatray fa tokony hatao.
Nandeha sambo izahay, ary tonga vao maraina be tao Bombay (Mumbai ankehitriny), tamin’ny 1959. Nahita mpiasa an-jatony natory teo an-tseranana izahay, sady nandre fofona tsy nahazatra anay. Azonay an-tsaina ny zavatra niandry anay, raha vao niposaka ny masoandro. Mbola tsy nandre hafanana toy izany mihitsy izahay! Nitsena anay ry Lynton sy Jenny Dower, mpivady misionera. Efa niara-nanao ny asan’ny mpisava lalana taminay tany Ballarat izy ireo. Nentiny tany amin’ny Betelan’i Inde izahay. Tany afovoan-tanàna no nisy azy io, ary trano ambony rihana teritery izay ilay izy. Betelita enina no nipetraka tao. Misionera tany Inde nanomboka tamin’ny 1926 ny Rahalahy Edwin Skinner. Nanoro hevitra anay izy mba hividy valizy lamba roa, alohan’ny handehananay any amin’ny toerana anendrena anay. Fitondran’ny olona rehefa mandeha lamasinina ireny any Inde, ary tena nilainay tamin’ny dianay.
Voatendry tany atsimo izahay, tany Tiruchirapalli, any Madras (Tamil Nadu ankehitriny). Tonga tany izahay, rehefa avy nandeha lamasinina roa andro. Niaraka tamin’ny mpisava lalana manokana karàna telo izahay, tany amin’io toerana nisy mponina 250 000 io. Tsotra ny fiainan’ny olona any. Indray mandeha, dia vola efatra dolara latsaka sisa (Ar 8 700 eo ho eo) no teo am-pelatananay. Tsy nahafoy anay anefa i Jehovah, rehefa lany ilay vola. Nisy mpianatra Baiboly nampisambo-bola anay, mba hanofanay trano azo ivoriana. Nanome sakafo karàna ho anay koa ny mpifanila trano taminay, indray mandeha, rehefa lany ny sakafonay. Tiako ilay izy, saingy nasiaka loatra ka tsakoahina aho!
Nitory teny amin’ny saha
Miteny tamoul ny ankabeazan’ny mponina any Tiruchirapalli, na dia misy mahay miteny anglisy ihany aza. Niezaka mafy nianatra fomba fitory tsotra tamin’ny teny tamoul àry izahay, ka nanjary nanaja anay ny olona maro teo an-toerana.
Tena nahafinaritra anay ny nitory isan-trano. Tia mandray vahiny ny Karàna, ka nampandroso anay ny ankamaroany, mba hiara-miala hetaheta aminy. Tena nankasitrahanay izany, satria 40 degre foana matetika ny hafanana any. Tsy maintsy nilaza ny mombamomba anay izahay talohan’ny nitorianay. Izany no fomba teo an-toerana. Matetika no manontany anay mivady ny olona hoe: “Avy aiza ianareo? Manan-janaka ve ianareo? Fa nahoana no tsy manana?” Matetika izy ireo no milaza fa mahita dokotera mahay azonay aleha, rehefa fantany fa mbola tsy niteraka izahay! Afaka nampahafantatra ny momba anay anefa izahay tamin’ireny resaka ireny, ary nanazava ny maha zava-dehibe ny asa fampianarana Baiboly ataontsika.
Hindoa ny ankabeazan’ny olona nitorianay, ary tsy mitovy amin’ny Kristianisma mihitsy io fivavahana io. Saro-takarina ny zavatra inoan-dry zareo. Tsy niady hevitra momba izany àry izahay, fa ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no noresahinay, ka nahita vokatra tsara izahay. Nisy 20 teo ho eo ny olona nanomboka nivory tao amin’ilay trano misionera nipetrahanay, tao anatin’ny enim-bolana. Anisan’ireny i Nallathambi, injeniera mpanao lalana. Nanampy olona 50 teo ho eo ho lasa mpanompon’i Jehovah, izy sy Vijayalayan zanany lahy. Nanompo elaela tao amin’ny Betelan’i Inde koa i Vijayalayan.
Nifindrafindra toerana
Vao enim-bolana latsaka monja no nahatongavanay tany Inde, dia voatendry ho mpiandraikitra ny vondrom-paritra aho. Izahay no voalohany nanao an’izany tany. Nitety an’i Inde izahay, ka nandamina fivoriambe, ary niara-niasa tamin’ireo fiangonana mampiasa fiteny sivy. Tena sarotra ilay asa. Nampiriminay tao anaty vata vy telo sy tao anatin’ireo valizy fitondranay, ny akanjo sy ny fitaovana hampiasainay mandritra ny enim-bolana, ary nandray lamasinina tany Madras (Chennai ankehitriny) izahay. Nifindrafindra foana izahay, satria mirefy 6 500 kilaometatra ny manodidina an’ilay vondrom-paritra notsidihinay. Avy nanao fivoriambe tany Bangalore, any atsimo, ohatra, izahay indray alahady, ary nianavaratra nankany Darjeeling mba hanao fivoriambe hafa ny herinandro nanaraka. Any amin’ireo havoana any am-pototr’i Himalaya no misy azy io. Lalana 2 700 kilaometatra no nataonay tamin’izany, ary indimy izahay no niova lamasinina.
Nahafinaritra anay ny nampijery ny olona an’ilay filma hoe Ny Fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao Miasa, nandritra ireo fitsidihanay voalohandohany. Nampahafantatra ny asa ataon’ny mpanompon’i Jehovah eran-tany izy io. Olona an-jatony matetika no tonga nijery. Indray mandeha, ohatra, dia nalefanay teo amoron-dalana ilay izy mba hojeren’ny olona maromaro. Nisy rahona matevina nihananatona haingana, raha mbola nandeha ilay filma. Tsy najanoko anefa ilay izy, fa nalefako haingana be fotsiny. Efa nisy rotaka mantsy, indray andro, rehefa nanao izany aho. Soa ihany, fa vita hatramin’ny farany ilay filma, vao nilatsaka ny orana.
Saika voatetinay sy Melody daholo i Inde manontolo, tatỳ aoriana. Toy ny hoe nitsidika tany samihafa izahay, satria samy nanana ny sakafo, fitafiana, fiteny, ary toerana tsara tarehy nampiavaka azy ny faritra tsirairay. Isan-karazany tokoa ny zavaboarin’i Jehovah! Anisan’izany ny bibidia any Inde. Nahita tigra lehibe, ohatra, izahay tany anaty alan’i Népal. Tsara tarehy ilay izy! Vao mainka te hiaina ao amin’ny Paradisa izahay, rehefa nahita azy io. Hihavana mantsy ny olona sy ny biby ao!
Nanaraka kokoa ny toromariky ny fandaminana
Nila nanaraka kokoa ny toromarika mahakasika ny fomba andaminana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo rahalahy tany Inde, tamin’izany. Nipetraka teo amin’ny andaniny iray amin’ny Efitrano Fanjakana, ohatra, ny lehilahy, tany amin’ny fiangonana sasany, ary ny vehivavy teny amin’ny ilany. Mahalana vao nanomboka ara-potoana ny fivoriana. Nisy lakolosy nampanenoina tany amin’ny toerana iray, mba hiantsoana ny mpitory hivory. Nijery ny masoandro ny mpitory tany amin’ny faritra hafa, mba hanombanana ny ora hanombohan’ny fivoriana. Tonga tsirairay tamin’ny ora noheveriny fa tokony hanombohana àry izy ireo. Mahalana vao nisy fivoriambe sy fitsidihan’ny mpiandraikitra mpitety faritany. Vonona hanao izay tokony hataony anefa ireo rahalahy, saingy nila fampiofanana.
Tamin’ny 1959 ny Vavolombelon’i Jehovah no nanomboka nanao ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana. Natao hampiofanana mpiandraikitra ny faritra, mpisava lalana manokana, misionera, ary anti-panahin’ny fiangonana izy io, mba hamitany tsara ny andraikiny. Tamin’ny Desambra 1961, izy io no natao voalohany tany Inde, ary izaho no nampianatra. Nandray soa tsikelikely tamin’ny vokatr’ilay fampiofanana ny fiangonana nanerana an’i Inde, ka nandroso haingana. Raha vao fantatr’ireo rahalahy ny tokony hataony, dia nandrisika azy ireo hanao izany ny fanahin’Andriamanitra.
Nampahery an’ireo rahalahy sy nahatonga azy ireo hiray saina koa ireo fivoriambe lehibe. Niavaka tamin’izany ny Fivoriambe Iraisam-pirenena “Vaovao Tsara Mandrakizay”, natao tany New Dehli tamin’ny 1963. Nanao dia an’arivony kilaometatra ny Vavolombelona nanerana an’i Inde, mba hanatrehana azy io. Maro no nandany ny vola tahiriny tamin’izany. Nisy solontena 583 avy any amin’ny firenena 27 tonga nanatrika azy io. Sambany ny Vavolombelona tany Inde vao nihaona sy niaraka tamin’ny rahalahy maro be avy any an-tany hafa toy izany.
Voantso ho anisan’ny fianakavian’ny Betela tany Bombay izahay sy Melody, tamin’ny 1961. Ary voatendry ho anisan’ny Komitin’ny Sampana aho, taorian’izay. Nahazo fanendrena fanampiny aho, rehefa nandeha ny fotoana. Nanao ny asan’ny mpiandraikitra mpitety sampana nanerana an’i Azia sy Moyen-Orient aho, nandritra ny taona maro. Voafetra ny asa fitoriana, tany amin’ny maro tamin’ireny firenena ireny. Tsy maintsy “malina tahaka ny bibilava” àry ireo mpitory, “nefa tsy hanan-tsiny tahaka ny voromailala.”—Matio 10:16.
Fanitarana sy fanovana
Nisy 1 514 ny mpitory tany Inde, tamin’izahay vao tonga, tamin’ny 1959. Lasa 24 000 mahery izany ankehitriny. Indroa nafindra ny Betela noho io fitomboana io. Tany Bombay tamin’ny voalohany, ary tany akaikiny avy eo. Nifindra indray ny fianakavian’ny Betela, tamin’ny Martsa 2002. Nankany amin’ny trano maoderina vao naorina, any akaikin’i Bangalore, izy ireo. Misy 240 izao ny Betelita mipetraka ao, ary mandika boky sy gazety amin’ny fiteny 20 ny sasany aminy.
Tsy andrinay sy Melody ny hifindrana tany Bangalore. Tsy salama anefa izahay, ka voatery nody tatỳ Aostralia, tamin’ny 1999. Anisan’ny fianakavian’ny Betela eto Sydney izahay izao. Nandao an’i Inde izahay, nefa mbola mitoetra ao am-ponay foana ny fitiavana an’ireo namanay sy olona nampianarinay ny fahamarinana tany. Faly erỳ izahay rehefa mahazo taratasy avy amin’izy ireo!
Rehefa mitodika ireo 50 taona mahery nanaovanay fanompoana manontolo andro izahay sy Melody, dia tsapanay fa nahazo fitahiana tondraka izahay. Mpaka sary ny asanay taloha, ary natao hitadidiana ny endriky ny olona izany. Tsara lavitra noho izany anefa ny asa nofidinay hatao taorian’izay, satria nanao izay hahatonga ny olona ho tadidin’Andriamanitra hatrany izahay. Nanapa-kevitra ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra ho loha laharana teo amin’ny fiainanay izahay, ka tena nahafinaritra ny fiainanay! Mahasambatra tokoa ny manao izay lazain’Andriamanitra fa tokony hatao!
[Sarintany, pejy 15]
(Jereo ny gazety)
INDE
New Delhi
Darjeeling
Bombay (Mumbai)
Bangalore
Madras (Chennai)
Tiruchirapalli
[Sary, pejy 13]
Hadyn sy Melody, 1942
[Sary, pejy 16]
Fianakavian’ny Betela tany Inde, 1975