HIRA 41
Mba Henoy ny Vavaka Ataoko
Endrika Sary
1. Jehovah ô, ’zao hirako izao
Vavaka ataoko, atolotro anao.
Lehibe tokoa ny anaranao!
(FIVERENANA)
Ray ô, henoy aho fa mitalaho.
2. Misaotra anao satria velon’aina,
Tantananao ka milamin-tsaina.
Mamiko erỳ ny fitiavanao!
(FIVERENANA)
Ray ô, henoy aho fa mitalaho.
3. Ny tiako hatao dia ny tsara ihany.
Ampio re aho, omeo hery hatrany,
Fa mafy anie ny fiainako izao.
(FIVERENANA)
Ray ô, henoy aho fa mitalaho.
(Jereo koa ny Eks. 22:27; Sal. 106:4; Jak. 5:11.)