HIRA 59
Derao i Jah!
Endrika Sary
1. Derao i Jah,
Tompon’ny aina,
Ray tena tia, mpanome ’zay ilaina.
Hery lehibe
No isehoany,
Mahagaga anefa ny hatsaram-pony.
Derao ny anarany fa tena ambony.
2. Derao i Jah
Fa mpanao soa,
Mamaly vavaka, miantra tokoa.
Raha kivy ianao
Na miady saina,
Eo ny fanahiny, azo antenaina.
Izy no mendrika ny hoderaina.
3. Derao i Jah,
Tia fahitsiana,
Manao ny rariny, azo itokiana.
’Zay fo tomany,
Tena iantrany.
Hitondra soa maro ny Fanjakany.
’Ndao àry isika hidera azy hatrany!
(Jereo koa ny Sal. 94:18, 19; 145:21; 147:1; 150:2; Asa. 17:25.)