HIRA 112
Jehovah, Andriamanitry ny Fiadanana
Endrika Sary
1. Jehovah ô, androtsahy
Ny fiadananao ’zahay;
Ka mitalaho, mba izarao
’Lay fanahy ’zay mampiray.
Kristy nanampy anay
Mba ho lasa tafaray,
Mba ho tianao, mba hampianao;
Ka ho namanao indray.
2. Toa maizim-pito izao;
Jiro ho anay ny Teninao
Ka manoro mba hijoro,
Tsy hivadika aminao.
Manampy tsy ho very
Ny fanahinao mahery;
Omeo anay fa ilainay
Hampitony, hampahery.
3. ’Zahay nangoninao,
Tafaray manompo anao;
Ka milaza, manazava
Momba ny Fanjakanao.
Fa ho avy ny fotoana,
Ny ady rehetra dia ho foana.
Tsy hijaly, hiara-paly
’Zay rehetra tafahaona!
(Jereo koa ny Sal. 4:8; Fil. 4:6, 7; 1 Tes. 5:23.)