HIRA 142
Fikiro Mafy Ilay Fanantenana
Endrika Sary
1. Miezaka ny olona saingy tsy mahomby,
Ny fitondrany dia zava-poana ihany.
Samy mpanota ireo ka tsy mahavonjy,
Ho very maina ny fikasany.
(FIVERENANA)
’Lay Fanjakana no fanantenana;
Hanala ny tahotra, hanao fanovana.
Koa mifalia fa manjaka i Kristy!
’Lay fanantenana aza afoy, sanatria!
2. Be no misento hoe: ‘Jehovah ô, mba rahoviana?’
Ny tena farany efa tsy ho ela intsony.
Tena hesoriny ireo fijaliana,
Koa derao izy ary ekeo ny zony!
(FIVERENANA)
’Lay Fanjakana no fanantenana;
Hanala ny tahotra, hanao fanovana.
Koa mifalia fa manjaka i Kristy!
’Lay fanantenana aza afoy, sanatria!
(Jereo koa ny Sal. 27:14; Mpito. 1:14; Joela 2:1; Hab. 1:2, 3; Rom. 8:22.)