LESONA 13
Fijerena ny Mpihaino eo Amin’ny Masony
MANAMBARA ny toe-tsaintsika sy ny fihetseham-pontsika ny masontsika. Mety hilaza fahagagana na tahotra izy ireo, na haneho fangoraham-po na fitiavana. Mety hitory fisalasalana na alahelo izy ireo indraindray. Hoy ny lehilahy zokiolona iray momba ny mpiray tanindrazana aminy, izay nijaly mafy: “Ny masonay no miteny.”
Mety hitsara antsika sy izay lazaintsika, avy amin’izay jeren’ny masontsika, ny hafa. Any amin’ny firenena maro, dia matoky an’ireo mijery azy eo amin’ny masony amin-katsaram-panahy ny olona. Mifanohitra amin’izany kosa fa mety tsy hatokisany ny fahatsoram-po na ny fahaizan’ny olona iray mijery ny tongony na zavatra hafa, fa tsy ilay olona iresahany. Any amin’ny firenena hafa kosa, dia heverin’ny olona ho tsy mahalala fomba ianao, mila ady na mihantsy, raha mijery azy maharitra eo amin’ny masony, rehefa miresaka aminy. Marina indrindra izany, rehefa lehilahy sy vehivavy no mifampiresaka, na rehefa manam-pahefana no iresahana. Ary any amin’ny tany sasany, dia heverina ho tsy mahay manaja ny tanora mijery olon-dehibe mivantana eo amin’ny masony, rehefa miresaka aminy.
Rehefa tsy manafintohina olona anefa ny fijerena azy eo amin’ny masony, dia ataovy izany, satria manamafy ny zava-dehibe lazainao. Mety ho hita amin’izany fa matoky izay lazainao ianao. Mariho ny fomba namalian’i Jesosy, rehefa naneho fahagagana be ny mpianany ka nilaza hoe: “Iza indray no azo hovonjena?” Hoy ny Baiboly: “Ary Jesosy, nijery azy ka nanao taminy hoe: Tsy hain’ny olona izany, fa hain’Andriamanitra ny zavatra rehetra.” (Matio 19:25, 26) Asehon’ny Soratra Masina koa fa nandinika akaiky ny fihetsik’ireo nihaino azy ny apostoly Paoly. Nandahateny izy indray mandeha, ary nisy lehilahy iray nalemy hatramin’ny nahaterahany nanatrika teo. Hoy ny Asan’ny Apostoly 14:9, 10: “Izy nahare an’i Paoly nitori-teny; ary Paoly, nony nibanjina azy mafy ka nahita fa nanam-pinoana hositranina io, dia niteny tamin’ny feo mahery hoe: Mijoroa amin’ny tongotrao.”
Torohevitra ho an’ny fanompoana. Aoka ianao ho sariaka sy tsara fanahy rehefa manatona olona eny am-pitoriana. Mametraha fanontaniana mampisaintsaina, raha mety, mba hanombohan-dresaka momba ny zavatra iray mety hahaliana anareo. Eo am-panaovana izany, dia miezaha hijery an’ilay olona eo amin’ny masony, na fara faharatsiny, hijery ny endriny amim-panajana sy amin-katsaram-panahy. Tena mahafinaritra ny hafa ny olona mitsiky amin-katsaram-panahy sy maneho eo amin’ny masony ny fifaliana tsapany ao anatiny. Mety hilaza amin’ny hafa izany hoe olona manao ahoana ianao, no sady hanampy azy ho tony kokoa mandritra ilay resaka.
Raha tsy manafintohina ny fijerena olona eo amin’ny masony any amin’ny misy anao, dia ataovy izany, satria ny fijeriny dia mety hanoro anao izay tokony ho fihetsikao. Mety ho hitanao eo amin’ny masony raha tezitra izy, ohatra, na tena tsy liana mihitsy. Mety ho hitanao koa raha tsy azony ny tianao holazaina. Ho hitanao koa raha manomboka tsy manana faharetana izy. Hiharihary koa raha tena liana izy. Izay ambaran’ny mason’ilay olona dia mety hampahafantatra anao raha mila miteny miadana kokoa ianao, mampiteny azy kokoa, mamarana ilay resaka, na angamba manohy ny teninao kosa mba hampisehoana ny fomba fianarana ny Baiboly.
Miezaha hijery an’ilay olona eo amin’ny masony amim-panajana foana na eny am-pitoriana ianao, na mampianatra Baiboly any an-tranon’olona. Aza mibanjina azy maharitra anefa, ka hahasanganehana azy. (2 Mpanj. 8:11) Jereo matetika anefa ny endrik’ilay olona, amin’ny fomba tsotra sy amin-katsaram-panahy. Mitory fiahiana amim-pahatsorana izany, any amin’ny tany maro. Mazava ho azy fa rehefa mamaky ny Baiboly na boky hafa ianao, dia hibanjina ilay pejy vakinao ny masonao. Mety ho tianao anefa ny hijery mivantana an’ilay olona, na dia vetivety monja aza, mba hanamafisana hevitra iray. Ho afaka hahita ny fihetsiny koa ianao, raha mampitraka ny lohanao tsindraindray.
Aza kivy, raha saro-kenatra ianao ka sarotra aminao ny mijery ny olona eo amin’ny masony amin’ny voalohany. Handeha ho azy izany amin’ny farany, rehefa mihazatra ianao. Mety hanatsara ny fahaizanao miresaka amin’ny hafa koa izany.
Rehefa manao lahateny. Milaza amintsika ny Baiboly fa “nanopy ny masony tamin’ny mpianany” i Jesosy, talohan’ny nanombohany ny Toriteniny teo An-tendrombohitra. (Lioka 6:20) Tahafo ny ohatra nomeny. Raha hiteny eo anoloan’olona maro ianao, dia atreho izy ireo, ary miatoa mandritra ny segondra vitsivitsy aloha vao miteny. Any amin’ny tany maro, dia mety harahin’ny fijerena ny mpanatrika sasany eo amin’ny masony izany fotoam-piatoana kely izany, ary mety hanampy anao tsy hatahotahotra. Hanampy ny mpanatrika hahita izay fihetsika sy fihetseham-po ahariharin’ny endrikao koa izany. Ary farany, hanampy ny mpanatrika hitombina tsara ka ho vonona hanongilan-tsofina ny fanaovana izany.
Jereo ny mpanatrika mandritra ny lahateninao. Aza mijery azy ireo amin’ny fitambarany fotsiny, fa miezaha hijery ny isam-batan’olona. Saika any amin’ny firenena rehetra, dia antenaina amin’ny mpandahateny ny hijereny ny mpihaino azy eo amin’ny masony.
Tsy fanopaza-maso tsindraindray etsy sy eroa fotsiny akory no atao hoe mijery ny mpihaino anao. Mijere olona iray eo amin’ny masony amim-panajana, ary milazà fehezanteny feno iray aminy, raha mety. Olona hafa indray jerena avy eo, ary milazà fehezanteny iray na roa amin’io olona io koa. Aza mijery olona ela loatra anefa, ka hahasanganehana azy, ary aza mifantoka amin’ny olona sasantsasany fotsiny. Manaova toy izany amin’ny mpanatrika rehetra. Rehefa miteny amin’ny olona iray anefa ianao, dia tena miresaha aminy mihitsy ary mariho ny fihetsiny, alohan’ny hifindranao amin’ny olon-kafa.
Tokony ho eo ambonin’ny polipitra ny taratasinao, na eo an-tananao, na ao anaty Baibolinao, mba hahafahanao hanopy maso kely fotsiny rehefa hijery azy ireo. Ho very ny fifandraisanao amin’ny mpihaino, raha mila manetsika ny lohanao manontolo ianao mba hijerena ny taratasinao. Tokony hofantarinao hoe impiry sy hoe rahoviana ianao no hijery ny taratasinao. Aza mijery azy ireo, rehefa tonga eo amin’ny hevitra misongadina iray amin’ilay lahateny, satria tsy hahita ny fihetsiky ny mpihaino ianao amin’izay, no sady tsy dia hanan-kery firy intsony ny fiteninao. Toy izany koa, fa ho very ny fifandraisanao amin’ny mpihaino, raha mijery foana ny taratasinao ianao.
Rehefa manipy baolina amin’ny olona iray ianao, dia mijery raha voatantiny ilay izy. Toy ny “fanipazana baolina” amin’ny mpihaino ny hevitra tsirairay ao amin’ny lahateninao. Ilay “fanantazana baolina” kosa dia mety ho ny fihetsiny: mihatokato-doha, mitsiky, mifantoka tsara. Raha mijery ny mpihaino eo amin’ny masony ianao, dia hanampy anao izany hahita raha “voatantiny” ireo hevitrao.
Raha asaina mamaky teny ho an’ny fiangonana ianao, tokony hijery ny mpanatrika ve ianao mandritra ilay vakiteny? Raha manaraka ny famakian-teninao ao amin’ny Baiboliny izy ireo, ny ankamaroany dia tsy hahatsikaritra akory raha mijery ianao na tsia. Hanampy anao hanome aina ny vakiteninao anefa ny fijerenao ny mpanatrika, satria ho hitanao tsara ny fihetsiny. Ary raha sendra misy tsy manaraka ao amin’ny Baiboliny na miriorio saina, ny fijeren’ny mpandahateny azy eo amin’ny masony dia mety hanampy azy hifantoka indray amin’izay vakina. Mazava ho azy fa tsy afaka mijery ny mpanatrika afa-tsy vetivety fotsiny ianao, ary tsy tokony hatao ilay izy raha mampiakanakana ny vakiteninao. Noho izany, hazòny eo an-tananao ny Baibolinao ary mitrakà foana, fa aza miondrika.
Omena lahateny hovakina any amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra ireo anti-panahy indraindray. Mitaky fahazarana sy fanomanana tsara ary fanazaran-tena be dia be ny fanaovany izany tsara. Mazava ho azy fa voafetra ny fahafahana hijery ny mpihaino eo amin’ny masony, amin’ny lahateny vakina. Raha nanomana tsara anefa ilay mpandahateny, dia tokony ho afaka hijery ny mpihaino tsindraindray, nefa ho afaka hahita indray ilay soratra novakiny farany. Hanampy ny mpihaino hifantoka foana izany, ka hahatonga azy handray soa feno avy amin’ilay fampianarana ara-panahy lehibe atolotra azy.