Manova Olona ny Baiboly
HITAN’NY lehilahy iray fa misy zavatra mahasoa kokoa noho ny hoe manana raharaham-barotra mandeha tsara. Nisy lehilahy hafa indray ratsy fitondran-tena be sy mpifoka rongony, nefa niala tamin’izany. Mpisotro toaka be kosa ny lehilahy iray, kanefa afaka tamin’izany koa izy.
“Hoatran’ny tsara erỳ ny fiainako!”—JOHN RICKETTS
TERAKA: 1958
FIRENENA: EKOSY
FIAINANY TALOHA: MPANAO RAHARAHAM-BAROTRA
NY FIAINAKO TALOHA: Niadana be aho tamin’ny mbola kely. Manam-boninahitra tao amin’ny tafika britanika ny dadanay, ka nifindrafindra foana izahay. Efa nipetraka tany Ekosy, Angletera, Alemaina, Kenya, Malezia, Irlandy, ary Chypre izahay. Nianatra tany amin’ny sekoly kilasimandry tany Ekosy aho, nanomboka tamin’izaho valo taona. Nahazo diplaoma tany amin’ny Oniversiten’i Cambridge aho tatỳ aoriana.
Niasa tamin’ny orinasa mpivarotra solika aho, tamin’izaho 20 taona. Niasa valo taona tao aho. Tany Amerika Atsimo aho no niasa tamin’ny voalohany, dia avy eo tany Afrika, ary farany tany Aostralia Andrefana. Nanangana orinasa aho rehefa tany Aostralia, nefa namidiko ilay izy tatỳ aoriana.
Nahazo vola be aho tamin’izany ka vao 40 taona aho, dia tsy niasa intsony fa nandeha nitety tany. Efa nahavita nandeha môtô nanodidina an’i Aostralia indroa aho, ary nandehandeha eran’izao tontolo izao koa. Hoatran’ny tsara erỳ ny fiainako!
NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Tamin’izaho mbola niasa, dia efa nitady fomba hisaorana an’Andriamanitra satria nahafinaritra ahy ny fiainako. Nankany amin’ny Eglizy Anglikanina aho, satria tany izahay no nivavaka tamin’ny mbola kely. Tsy tena nampianatra Baiboly anefa ny tany. Nianatra tamin’ny Mormons indray aho, nefa nitovy ihany.
Nisy Vavolombelon’i Jehovah tonga tao amiko, indray andro. Tonga dia hitako hoe avy ao amin’ny Baiboly daholo ny zavatra nampianarin’izy ireo. Noresahiny tamiko, ohatra, ny 1 Timoty 2:3, 4, hoe: “Sitrapon’Andriamanitra ny hamonjena ny karazan’olona rehetra sy ny hananany fahalalana marina tsara ny fahamarinana.” Gaga aho fa nohamafisin-dry zareo tsara hoe tsy fahalalana fotsiny no ilaina, fa fahalalana marina tsara mifanaraka amin’ny Baiboly.
Lasa nanana an’izany fahalalana marina tsara izany aho rehefa nianatra Baiboly tamin’izy ireo. Lasa fantatro, ohatra, fa samy hafa mihitsy Andriamanitra sy Jesosy, ary tsy anisan’ny Andriamanitra telo izay iray izy ireo. (Jaona 14:28; 1 Korintianina 11:3) Faly be aho nahafantatra an’izany, nefa sosotra koa satria hay zavatra diso sady tsy ho azo mihitsy no nianarako taloha.
Nivory tany amin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho taoriana kelin’izay. Niaiky mihitsy aho satria tsara fanahy be ry zareo sady miavaka ny fitsipika arahiny. Tena mifankatia ry zareo ka resy lahatra aho hoe ny fivavahany no marina.—Jaona 13:35.
NY SOA NORAISIKO: Natao batisa aho, ary nihaona tamin’i Diane taorian’izay. Zanaka Vavolombelon’i Jehovah izy, ary tena mahafinaritra sady tsara toetra be. Nivady izahay tatỳ aoriana. Tena notahin’i Jehovah aho satria nahazo an’i Diane izay tena tia sy manampy ahy.
Tena te hifindra tany amin’ny toerana nila mpitory bebe kokoa izahay ka nankatỳ Belize, atỳ Amerika Afovoany, tamin’ny 2010. Mitory amin’ny olona tia an’i Jehovah sy tena te hahalala izay voalazan’ny Baiboly izahay atỳ.
Lasa milamin-tsaina aho satria mahalala ny marina momba an’Andriamanitra sy ny Teniny. Mpitory manontolo andro koa aho, ka afaka manampy olona be dia be hianatra Baiboly. Tena mahafaly ny mahita olona miova rehefa mahafantatra izay lazain’ny Baiboly, toy izay nitranga tamiko ihany. Nahita fomba hisaorana an’Andriamanitra ihany aho nony farany.
“Tsara fanahy be tamiko ry zareo.”—MAURÍCIO ARAÚJO
TERAKA: 1967
FIRENENA: BREZILA
FIAINANY TALOHA: RATSY FITONDRAN-TENA BE
NY FIAINAKO TALOHA: Tany Avaré, tanàna kely milamindamina any São Paulo, izahay no nipetraka tamin’ny mbola kely. Antonontonony ny fari-piainan’ny olona any.
Maty ny dadanay tamin’ny mamanay bevohoka ahy. Hoatran’ny vavivavy kely aho tamin’izaho mbola kely. Nanaovako, ohatra, ny akanjon’ny mamanay rehefa tsy tao an-trano izy. Lasa hoatran’ny vehivavy ny fiteniko sy ny fihetsiko ka nolazain’ny olona fa sarimbavy aho. Nanao firaisana tamin’ny lehilahy koa aho tatỳ aoriana, na tanora izany na efa lehibe.
Mbola tsy ampy 20 taona aho dia efa nitady olona hanao firaisana tamiko foana, na lehilahy io na vehivavy. Nandeha tany amin’izay toerana nety ho nahitako aho, na tany amin’ny bara izany na alim-pandihizana, ary na tany am-piangonana aza. Rehefa tonga ny fety atao hoe karnavaly, dia nanao akanjom-behivavy aho, ary nilahatra nandihy niaraka tamin’ny mpandihy be dia be. Tena nalaza aho tamin’izany.
Nana-namana sarimbavy sy mpivaro-tena ary mpifoka rongony aho. Nampirisika ahy hanandrana rongony atao hoe kôkainina ry zareo, ka tsy ela aho dia lasa zatra nifoka. Indraindray izahay nifoka nandritra ny alina tontolo. Nisy fotoana koa anefa aho nitokana irery, dia nifoka nandritra ny andro. Lasa nahia kely aho ka nolazain’ny olona fa voan’ny SIDA.
NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho. Tsara fanahy be tamiko ry zareo. Anisan’ny novakiny tamiko ny Romanina 10:13, hoe: “Izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no hovonjena.” Niaiky aho fa tena ilaina ny mampiasa ny anaran’i Jehovah. Rehefa avy nifoka kôkainina aho ny alina tontolo, dia matetika no nitalaho tamin’i Jehovah mba hampiany. Nosokafako ny varavarankely, dia niandrandra ny lanitra aho sady nitomany no nivavaka.
Sahiran-tsaina be ny mamanay nahita ahy nanimba tena tamin’ny rongony. Natahotra aho ka tapa-kevitra ny tsy hifoka intsony. Nanaiky hianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho taorian’izay. Nilaza izy ireo fa vao mainka aho tsy te hifoka intsony raha mianatra, ary izany tokoa no nitranga.
Lasa tsapako fa tokony hiova aho rehefa nanohy nianatra. Tena sarotra ilay izy, satria izaho efa sarimbavy hatramin’izay. Vitako ihany anefa izany satria tsy niaraka tamin’ny namako taloha intsony aho, sady tsy nankany amin’ny bara sy alim-pandihizana intsony.
Na dia tsy mora aza ny niova, dia nampahery ahy ny nahalala fa tia ahy i Jehovah ary takany tsara ny ady mafy ataoko. (1 Jaona 3:19, 20) Niala tamin’ny zava-dratsy rehetra fanaoko tamin’izaho sarimbavy aho nanomboka tamin’ny 2002, ary natao batisa ka lasa Vavolombelon’i Jehovah.
NY SOA NORAISIKO: Gaga be ny mamanay nahita ahy niova, ka lasa nianatra Baiboly koa izy. Nampalahelo anefa fa lasa tapaka lalan-dra izy. Mbola tia an’i Jehovah sy ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly foana anefa izy.
Efa valo taona aho izao no lasa mpitory manontolo andro, ka manampy ny olona hianatra Baiboly foana. Ekeko aloha fa mbola manana fanirian-dratsy ihany aho indraindray. Manampy ahy anefa ny mieritreritra fa mampifaly an’i Jehovah aho, raha tsy manao an’ilay izy.
Nahatsiaro tena ho tsy nisy dikany aho taloha. Lasa tsy mahatsapa an’izany intsony anefa aho, satria mifandray tsara amin’i Jehovah sy mampifaly azy. Tena sambatra aho!
“Hoatran’ny barìka tsy mety feno, hono, aho.”—LUKA ŠUC
TERAKA: 1975
FIRENENA: SLOVENIA
FIAINANY TALOHA: MPISOTRO TOAKA BE
NY FIAINAKO TALOHA: Teraka tany Ljubljana, renivohitr’i Slovenia, aho. Nahafinaritra ny fiainako hatramin’izaho efa-taona. Nampalahelo anefa fa namono tena ny dadanay avy eo. Tsy maintsy niasa mafy àry ny mamanay mba hamelomana ahy sy ny zokiko lahy.
Nifindra tany amin’ny bebeko aho, tamin’izaho 15 taona. Tiako ilay izy satria teny akaikiny teny ny ankamaroan’ny namako no nipetraka. Tsy dia voafehifehy be toy ny tany an-tranonay koa aho. Ninamana tamin’ny olona mpisotro toaka be aho, tamin’izaho 16 taona. Nisotro foana ry zareo isaky ny faran’ny herinandro. Lasa naditra aho ary hita tamin’ny paoziko izany. Nohalavaiko ny voloko ary lasa nifoka koa aza aho.
Efa nanandrana rongony isan-karazany aho. Toaka anefa no tena tiako ka lasa zatra nisotro aho. Divay eran’ny vera vitsivitsy no fisotroko tamin’ny voalohany, nefa lasa iray tavoahangy mahery tatỳ aoriana. Lasa tena haiko ny nanafina hoe mamo aho. Ny fofom-bavako fotsiny no nahalalana fa avy nisotro aho. Efa divay na labiera dimy litatra teo ho eo aza no laniko indraindray, nefa mbola tsy nisy nahalala. Mbola nisotro vodka koa aza aho tamin’izany.
Rehefa samy avy nisotro tany amin’ny alim-pandihizana izahay, dia izaho foana no nanampy ny namako tsy hianjera rehefa nody. Ny toaka laniko aza anefa mbola indroan’ny an-dry zareo. Nisy namako nifosa ahy, indray mandeha, hoe hoatran’ny barìka tsy mety feno, hono, aho. Izany no fomba fitenin’ny Slovenianina rehefa maneso olona mahavita misotro toaka betsaka kokoa noho ny hafa. Sendra henoko ilay izy dia tezitra be aho.
Nanomboka nandinika ny fiainako aho ka lasa nahatsapa aho hoe hoatran’ny tsisy ilana azy. Hoatran’ny tsy nisy dikany daholo izay nataoko.
NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Tsikaritro tamin’izay fa niova be ny mpiara-mianatra tamiko anankiray. Lasa nihatsara toetra izy. Nasaiko tany amin’ny hotely kely iray izy, dia nanontaniako. Nilaza izy fa mianatra Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Notantarainy tamiko ny zavatra sasany nianarany. Vaovao be tamiko daholo anefa ilay izy, satria tsy mba notezaina tamin’ny fivavahana mihitsy aho. Nanomboka nianatra Baiboly sy niara-nivory tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho.
Lasa nahafantatra zavatra maro aho, ary tena nandrisika ahy hiova izany. Lasa fantatro, ohatra, fa miaina amin’ny “andro farany” isika, horinganin’Andriamanitra ny olon-dratsy, ary hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa ny olo-marina. (Salamo 37:29; 2 Timoty 3:1-5) Tena te hiova aho satria te ho anisan’izany olo-marina izany.
Noresahiko tamin’ny namako ny zavatra nianarako. Naneso ahy anefa ny ankamaroany, ka vao mainka aho tonga saina hoe tsy namana tsara ry zareo. Hitako hoe tsy ho afaka amin’ny toaka mihitsy aho raha mbola miaraka amin’izy ireo. Tsy andriny foana mantsy ny faran’ny herinandro hisotroana be indray.
Tsy ninamana tamin-dry zareo intsony aho, fa niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanampy be ahy izy ireo, satria tena tia an’Andriamanitra sy miezaka mankatò ny fitsipiny. Tsy nisotro toaka be intsony aho rehefa nandeha ny fotoana.
NY SOA NORAISIKO: Misaotra an’i Jehovah aho satria tsy mila toaka intsony vao faly. Tsy haiko intsony izay niafarako hoatr’izay raha mbola nanao ny fanaoko taloha aho. Tsara kokoa ny fiainako izao!
Fito taona izay no niasako teto amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Slovenia. Lasa tena misy dikany ny fiainako satria mahalala an’i Jehovah sy manompo azy aho.