HIRA 5
Mahatalanjona ny Asan’Andriamanitra
Endrika Sary
1. Ianao mandinika ahy, Jehovah.
Hitanao aho, na mandry na mifoha,
Ka fantatrao ny alehako rehetra,
’Zay ao an-tsaiko sy ’zay tiako
hambara koa.
Na dia vao noforonin’aza aho
Dia hitanao, tsy nisy niafina.
Midera anao noho ny fahaizanao aho,
Fa mahagaga ka tsy hay
tahafina.
Mampiaiky ahy tokoa ny fahalalanao,
Mahatalanjona ny asanao.
Matahotra ny haizina aho indraindray,
Soa fa eo foana ny fanahinao.
Aiza no handosirako anao?
Hitanao aho na any ambany tany,
Na dia hankany an-tendrombohitra aza,
Na any an-dranomasimbe
’zay lavitr’any.
(Jereo koa ny Sal. 66:3; 94:19; Jer. 17:10.)