A5
Ny Anaran’Andriamanitra ao Amin’ny Soratra Grika Kristianina
Manaiky ireo manam-pahaizana momba ny Baiboly fa hita ao amin’ny Soratra Hebreo tany am-boalohany ny anaran’Andriamanitra. Eken’izy ireo fa miverina ao efa ho im-7 000 ny Litera Efatra (יהוה) fanoratana an’io anarana io. Maro amin’izy ireo anefa no mihevitra fa tsy nisy an’io anarana io ny Soratra Grika Kristianina tany am-boalohany. Tsy ahitana ny anarana hoe Jehovah àry ny Soratra Grika (antsoin’ny olona hoe Testamenta Vaovao), ao amin’ny ankamaroan’ireo Baiboly maoderina. Ary na dia andininy avy ao amin’ny Soratra Hebreo aza no miverina ao ka nisy an’ireo Litera Efatra, dia nosoloan’ny ankamaroan’ny mpandika teny hoe “Tompo” ilay anarana.
Tsy nanao hoatr’izany kosa ireo nandika Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Miseho ao im-237 ny anarana hoe Jehovah, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Nandinika tsara an’ireto antony lehibe roa ireto ny mpandika teny vao namerina ny anaran’Andriamanitra tao: 1) Tsy ananantsika intsony ny Soratra Grika tany am-boalohany, fa dika soratra an’arivony no misy. Efa roanjato taona teo ho eo taorian’ny nanoratana an’ilay tena izy anefa vao vita ny ankamaroan’izy ireny. 2) Efa nosoloan’ny mpanao dika soratra an’ilay teny grika hoe Kyriôs, izany hoe “Tompo”, ireo Litera Efatra, tamin’izany. Nisy koa nandika avy tamin’ireo sora-tanana efa tsy nisy an’ilay anarana.
Nitady porofo ampy tsara ny Komitin’ny Fandikana ny Baibolin’ny Tontolo Vaovao, hoe tena nisy an’ireo Litera Efatra tokoa tao amin’ny Soratra Grika tany am-boalohany. Nanapa-kevitra ny hampiasa an’ilay anarana izy ireo noho ireto antony ireto:
Nahitana an’ireo Litera Efatra ny Soratra Hebreo nampiasaina tamin’ny andron’i Jesosy sy ny apostoliny. Nisy olona vitsivitsy tsy nanaiky an’izany, taloha. Voaporofo anefa ankehitriny hoe nisy an’ireo Litera Efatra ny Soratra Hebreo tamin’izany, rehefa hita tany akaikin’i Qoumrân ireo dika soratra misy ny Soratra Hebreo tamin’ny taonjato voalohany.
Nahitana ny Litera Efatra koa ireo Soratra Hebreo nadika tamin’ny teny grika, izay nampiasaina tamin’ny andron’i Jesosy sy ny apostoliny. Anisan’izy ireny ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Marina aloha fa efa taonjato maro ny manam-pahaizana no nieritreritra hoe tsy nisy an’ireo Litera Efatra io fandikan-teny io. Tamin’ny 1950 tany ho any anefa, dia hita ny sombiny tamin’ilay fandikan-teny izay efa nisy hatramin’ny andron’i Jesosy. Hita tao ny anaran’Andriamanitra, izay nosoratana tamin’ny litera hebreo. Mazava àry fa nahitana ny anaran’Andriamanitra ny Soratra Masina tamin’ny teny grika, tamin’ny andron’i Jesosy. Rehefa natao dika soratra anefa ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, dia nisy nanala ny anaran’Andriamanitra, tao amin’ny Genesisy ka hatramin’ny Malakia. Anisan’ny nalaza tamin’ireny dika soratra ireny ny Kôdeksa Vaticanus sy Kôdeksa Sinaiticus, tamin’ny taonjato fahefatra. (Marihina anefa fa nisy an’io anarana io ny dika soratra hafa talohan’izay.) Tsy mahagaga àry raha tsy ahitana ny anaran’Andriamanitra koa ny Soratra Grika (antsoin’ny olona hoe Testamenta Vaovao), ao amin’ireo sora-tanana nadika taorian’izay.
I Jesosy mihitsy no niteny hoe: ‘Tonga tamin’ny anaran’ny Raiko aho.’ Nohazavainy koa fa ny asa nataony dia nataony ‘tamin’ny anaran’ny Rainy’
Ny Soratra Grika Kristianina mihitsy no milaza fa matetika i Jesosy no nampiasa ny anaran’Andriamanitra sy nampahafantatra azy io. (Jaona 17:6, 11, 12, 26) I Jesosy mihitsy no niteny hoe: ‘Tonga tamin’ny anaran’ny Raiko aho.’ Nohazavainy koa fa ny asa nataony dia nataony ‘tamin’ny anaran’ny Rainy.’—Jaona 5:43; 10:25.
Mifameno ny Soratra Hebreo sy ny Soratra Grika Kristianina satria samy avy amin’Andriamanitra, ka hafahafa raha tsy hita tampoka ao amin’ny Soratra Grika ilay anarana hoe Jehovah. Hoy i Jakoba mpianatr’i Jesosy tamin’ny anti-panahin’i Jerosalema, tamin’ny taona 50 tany ho any: “Notantarain’i Simeona tamin’ny an-tsipiriany teo hoe vao voalohany Andriamanitra no nanaiky an’ireo hafa firenena, mba hakany olona avy amin’izy ireo hitondra ny anarany.” (Asan’ny Apostoly 15:14) Tsy ho niteny an’izany mihitsy i Jakoba, raha tsy nisy nampiasa na nahafantatra intsony ny anaran’Andriamanitra tamin’izany.
Misy fanafohezana ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Ao amin’ny Apokalypsy 19:1, 3, 4, 6 no ahitana an’izany, amin’ilay teny hoe “Haleloia.” Avy amin’ny teny hebreo midika ara-bakiteny hoe “Miderà an’i Jah” izy io. Fanafohezana ny hoe Jehovah ny hoe “Jah.” Ankoatra izay, dia anaran’olona maro ao amin’ny Soratra Grika no misy ny anaran’Andriamanitra. Misy boky milaza fa ny anaran’i Jesosy mihitsy aza dia midika hoe “I Jehovah dia Famonjena.”
Hita ao amin’ny boky jiosy fahiny fa nampiasa ny anaran’Andriamanitra ny Kristianina jiosy tao amin’ny boky nosoratany. Manaporofo an’izany, ohatra, ny Tôsefta, izay boky misy an’ireo lalàna nampitaina am-bava, nosoratana tamin’ny taona 300 tany ho any. Izao no voalaza ao momba an’ireo boky kristianina nodorana tamin’ny Sabata: “Avelao ho may daholo ny bokin’ny Evanjelisitra sy ny bokin’ny minim [mety hoe ny Kristianina jiosy]. Tokony havela ho may ireny, sy ny Anaran’Andriamanitra voasoratra ao anatiny.” Voalaza ao koa ny tenin’ny Raby Yosé, Galilianina velona taoriana kelin’ny taona 100, momba an’izay tokony hatao rehefa tsy andro sabata. Izao no nolazainy: “Tokony hohetezana avy ao amin’ireo [boky kristianina] ny Anaran’Andriamanitra ary tehirizina, fa ny ambiny kosa hodorana.”
Miaiky ny manam-pahaizana sasany fa azo inoana hoe nahitana ny anaran’Andriamanitra ny Soratra Grika Kristianina, raha andininy avy any amin’ny Soratra Hebreo no naverina tao. Hoy Ny Diksionera Vatofantsika Momba ny Baiboly (anglisy), eo ambanin’ny lohateny hoe “Ny Litera Efatra ao Amin’ny Testamenta Vaovao”: “Azo inoana fa tamin’ny vao nosoratana ny Test[amenta] V[aovao], dia tao ny Litera Efatra, na ny Anaran’Andriamanitra hoe Iaveh, rehefa nisy andininy nalaina tany amin’ny Test[amenta] T[aloha]. Mety ho ny andininy sasany izany, na izy rehetra.” Hoy koa i George Howard, manam-pahaizana: “Ny Baiboly grika [Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo] no nampiasain’ny eglizy voalohany. Mbola hita tao anefa ny Litera Efatra. Mitombina àry hoe nampiasa azy io ireo mpanoratra ny Test[amenta] V[aovao], rehefa naka andininy tao amin’ny Soratra [Hebreo].”
Be dia be ny fandikan-teny malaza, mampiasa ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Efa ela be talohan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ny sasany tamin’izy ireny no nampiasa an’ilay anarana. Anisan’izany ireto: Fandikana Ara-bakiteny ny Testamenta Vaovao ... avy Amin’ny Sora-tanana Vaticanus, nataon’i Herman Heinfetter (1863, anglisy); The Emphatic Diaglott, nataon’i Benjamin Wilson (1864); Epistilin’i Paoly Amin’ny Teny Anglisy Maoderina, nataon’i George Stevens (1898); Epistilin’ny Md. Paoly ho An’ny Romanina, nataon’i W. Rutherford (1900, anglisy); ary Ireo Taratasy ao Amin’ny Testamenta Vaovao, nataon’i J. Wand, Evekan’i Londres (1946, anglisy). Ankoatra an’ireo, dia nampiasa ny hoe “Jehová” koa i Pablo Besson tao amin’ny fandikan-teny espaniola nataony, taoriana kelin’ny 1900. Hita izany, ohatra, ao amin’ny Lioka 2:15 sy Joda 14. Efa injato mahery koa izy tao amin’ny fanamarihana ambany pejy nataony no nanamarika hoe mety ho nahitana ny anaran’Andriamanitra teo amin’ilay andininy. Nanomboka tamin’ny 1500 tany ho any aza, dia efa nisy mpandika teny nandika ny Soratra Grika tamin’ny teny hebreo, ka nampiasa ny Litera Efatra tao amin’ny andininy maro. Amin’ny teny alemà fotsiny, dia fandikan-teny 11, fara fahakeliny, no mampiasa ny hoe “Jehovah” (na “Yahveh”, izay avy amin’ny teny hebreo) ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Mpandika teny efatra kosa no nanoratra an’io anarana io ao anaty fononteny, aorian’ny hoe “Tompo.” Fandikan-teny alemà 70 mahery koa no mampiasa an’ilay anaran’Andriamanitra any amin’ny fanamarihana ambany pejy na fanazavana.
Baiboly amin’ny fiteny zato mahery no mampiasa ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Anisan’izany ireo Baiboly amin’ny fiteny maro fampiasa atỳ Afrika, any Amerika, Azia, Eoropa, ary any amin’ireo nosin’i Pasifika. (Jereo ny lisitra, pejy 1934 sy 1935.) Mitovy amin’ireo antony notanisaina teo ihany no nahatonga azy ireny hampiasa ny anaran’Andriamanitra. Azo atao hoe vao haingana ihany ny sasany amin’ireny. Iray amin’izany ny Soratra Grika Kristianina amin’ny teny rotumien (1999): Misy hoe “Jihova” in-51 ao amin’ny andininy miisa 48. Toy izany koa ny amin’ny teny batak na toba (1989), any Indonezia: Miverina im-110 ao ny hoe “Jahowa.”
Mazava tsara araka izany fa tokony haverina ao amin’ny Soratra Grika Kristianina ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah. Izany mihitsy no nataon’ireo nandika ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Tena manaja ny anaran’Andriamanitra izy ireo, sady tsy sahy nanala na inona na inona avy tao amin’ny Soratra Masina tany am-boalohany.—Apokalypsy 22:18, 19.