Toko 14
Ahoana no Hiarovako Tena any Am-pianarana?
Marina sa diso izao:
1. Ny ankizy mamono anao ihany no atao hoe mampijaly anao.
□ Marina
□ Diso
2. Ny ankizilahy mikasikasika anao ihany no atao hoe manadala anao.
□ Marina
□ Diso
3. Misy ankizivavy koa mampijaly sy manadala ankizy.
□ Marina
□ Diso
4. Tsy misy azonao atao, raha ampijalin’ny ankizy na adalainy ianao.
□ Marina
□ Diso
TANORA an-tapitrisany no mihorohoro isan’andro. Misy mampijaly mantsy izy ireo any am-pianarana. Hoy i Rivo: “Nandeha bisy fahefak’adiny aho isan’andro, nefa hoatran’ny adiny zato ilay izy satria nampijalin’ny ankizy aho. Tsy vitan’ny hoe nompany aho fa novonoiny koa.” Ny ankizy hafa kosa misy manadala. Hoy i Antsa: “Nisy an’izay ankizilahy be mpitia izay, nanakana ahy teo an-dalantsara, dia nikasikasika ahy tany amin’izay tsy tokony hokasihina. Noteneniko moramora izy hoe: ‘Mipetraha tsara’, nefa tsy nety. Noheveriny fa nivazivazy aho.”
Ny sasany aza adalain’ny ankizy ao amin’ny Internet. Misy manadala na mampijaly koa ve ianao? Inona àry no azonao atao? Betsaka! Andeha anefa aloha hojerentsika raha marina na diso ireo zavatra voalaza teo am-piandohana.
1. Diso. Tsy mamono ny ankamaroan’ny mpampijaly. Efa mampijaly anao ny ankizy iray raha mandrahona, na manompa, manambany, na maneso anao.
2. Diso. Efa manadala anao ny olona iray, raha manao vazivazy vetaveta, na mangata-maso aminao, na mody midera anao nefa efa mieritreri-dratsy.
3. Marina. Tsy ny ankizilahy ihany no tia mampijaly na manadala. Misy ankizivavy tia manao an’izany koa.
4. Diso. Tena misy zavatra azonao atao raha misy mampijaly ianao. Andeha hojerentsika izany.
Ahoana no hanoherana azy nefa tsy hamono azy?
Te handrangitra anao fotsiny ny ankizy sasany. Manome ity torohevitra tsara ity anefa ny Baiboly: “Aoka ianao tsy ho mora tezitra.” (Mpitoriteny 7:9) Toy ny mandraraka lasantsy eo amin’ny afo ianao, raha “mamaly ratsy ny ratsy.” (Romanina 12:17) Vao mainka ianao hahita olana. Ahoana àry no hanoheranao an’ilay mpampijaly anao, nefa tsy voatery hamono azy?
Aza mivaky loha amin’ilay izy. Raha te hisangisangy fotsiny ilay ankizy, dia aza tezitra fa avelao amin’izao. Hoy i Johary: “Aleo tsy mivaky loha indraindray rehefa misy manao vava aminao.” Mety tsy hampijaly anao intsony izy, raha hitany fa tsy nahataitra anao ny teniny.
Miezaha halemy fanahy. Hoy ny Baiboly: “Mampitony fahatezerana mafy ny valin-teny malefaka.” (Ohabolana 15:1) Raha malemy fanahy ianao rehefa mamaly azy, dia ho gaga izy ka mety havelany ianao. Marina fa tsy maintsy mahay mifehy tena ianao mba ho tony, rehefa misy mampijaly. Izany anefa no tena tokony hatao. Hoy ny Ohabolana 29:11: “Ny fahatezeran’ny tsisy saina dia avoakany daholo, fa mahatsindry fo hatramin’ny farany kosa ny hendry.” Ny olona malemy fanahy no tena mafy be. Tsy mora tezitra mantsy izy, fa tsy mahatsindry fo kosa ny olona tia mampijaly. Marina àry izao lazain’ny Baiboly izao: “Aleo olona tsy mora tezitra toy izay lehilahy matanjaka.”—Ohabolana 16:32.
Mahaiza miaro tena. Mandosira raha tsy misy azonao atao. Hoy ny Ohabolana 17:14: “Mialà dieny mbola tsy raikitra ny fifamaliana.” Mialà haingana àry na mandosira, raha mitady hamono anao ilay mpampijaly anao. Raha tsy afa-mitsoaka ianao, dia miarova tena araka izay vitanao.
Alazao izy. Manan-jo hahalala izay mahazo anao ny ray aman-dreninao. Afaka manome torohevitra mahasoa anao koa izy ireo. Angamba ianao hasainy hiresaka amin’ny tompon’andraikitry ny sekoly, momba izay mahazo anao. Aza matahotra fa hitandrina ny ray aman-dreninao sy ny tompon’andraikitra, mba tsy hahatonga an’ilay ankizy nampijaly anao hamaly faty.
Tadidio foana fa tsy handresy izy, raha tsy mamaly azy araka izay tadiaviny ianao. Aza mora tezitra àry. Ampiharo kosa ireo soso-kevitra tetsy aloha, fa hanampy anao izany.
Ahoana indray raha misy manadala ianao?
Tena rariny raha tezitra ianao rehefa misy manadala. Inona àry no azonao atao? Betsaka! Ireto misy soso-kevitra:
Aoka ianao ho hentitra rehefa manao hoe tsia. Raha tsy izany mantsy, dia mety hihevitra ilay ankizy manadala anao fa manaiky ihany ianao, na mety hanaiky. Aoka àry ny teninao rehefa tsia dia tsia. (Matio 5:37) Raha mitsikanikany ianao na mody menatra, dia mety hihevitra izy fa manaiky adalainy ianao. Aoka àry ianao ho hentitra, ary lazao izay tena eritreritrao. Izany no fomba tsara indrindra hiarovanao tena!
Ataovy izay hahamenatra azy. Hoy i Antsa: “Nataoko afa-baraka tsara teo imason’ny namany izy. Noteneniko mafy be izy hoe: ‘AZA mikasikasika ahy hoatr’izany!’ ” Inona no vokany? Hoy ihany i Antsa: “Nihomehezan’ny namany rehetra izy. Niavonavona be tamiko izy tamin’ny voalohany, fa nifona ihany avy eo. Narovany mihitsy aza aho tamin’izaho nadalain’ny ankizy hafa.”
Mialà raha tsy mety mihaino anao izy. Mandosira mihitsy raha azo atao. Raha tsy afa-mitsoaka ianao, dia zonao ny miaro tena amin’ny fametavetana. (Deoteronomia 22:25-27) Hoy ny ankizivavy kristianina iray: “Nisy ankizilahy nitazona ahy, indray mandeha. Nomeko totohondry mafy be izy dia lasa aho nitsoaka!”
Alazao izy. Hoy i Vero, 16 taona: “Nisy ankizilahy noheveriko hoe namana fotsiny, nefa nanadala ahy foana. Vao mainka nisisika izy arakaraka ny nitenenako azy. Hoatran’ny hoe kilalao ilay izy taminy. Voatery nangataka torohevitra tamin’ny ray aman-dreniko aho nony farany.” Tena tsara ny torohevitr’izy ireo, ka voalamina ilay olana. Azo inoana fa afaka manampy anao koa ny ray aman-dreninao.
Mafy ny manjo anao rehefa misy mampijaly na manadala ianao. Tadidio foana anefa izao: Tsy tokony hieritreritra ianareo tanora kristianina hoe tsy afaka manao na inona na inona mihitsy rehefa misy mampijaly. Tsy tokony hanaiky hadalain’ny ankizy koa ianareo. Handresy ianareo, raha arahinareo ny torohevitra etsy aloha.
JEREO ILAY BOKY TEO ALOHA, TOKO 18, RAHA MILA FANAZAVANA FANAMPINY
Anisan’ny zavatra mafy indrindra amin’ny tanora ny manohitra ny fitaoman’ny namany. Inona no azonao atao mba ho sahy hanao an’izany?
ANDININ-TENY
“Raha azo atao, ka mbola miankina aminareo koa, dia mihavàna amin’ny olona rehetra.”—Romanina 12:18.
SOSO-KEVITRA
Ampijalin’ny ankizy ve ianao? Aza mila ady aminy, fa tonga dia teneno izy hoe: ‘Aza atao an’izany aho!’ Mialà moramora avy eo. Raha tsy mety izy, dia alazao amin’ny olon-dehibe.
FANTATRAO VE... ?
Misy andian-jatovo maditra manana ny akanjo na loko mampiavaka azy. Mety ho tezitra izy, raha maka tahaka azy ianao. Hoy ny lehilahy iray efa anisan’izy ireny: “Novonoinay izay ankizy tratranay nanao akanjo hoatran’ny anay, nefa tsy namanay. Na izy miaraka aminay, na izy vonoinay.”
ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!
Izao no hataoko, raha misy manompa na mandrangitra ahy: ․․․․․
Izao no hataoko mba tsy hisy hampijaly na hanadala ahy: ․․․․․
Izao no hanontaniako ny ray aman-dreniko momba izany: ․․․․․
AHOANA NY HEVITRAO?
● Misy ankizy tia mampijaly ny hafa. Inona no azonao atao mba ho hitan’izy ireny hoe tsy matahotahotra ianao, ka tsy hohararaotiny?
● Inona no hataonao raha misy manadala anao? (Eritrereto izay fanaon’ny mpanadala, ary lazao izay azonao atao amin’izany.)
● Nahoana ianao no tsy tokony hiaritra fotsiny, raha misy ankizy manadala anao?
[Teny notsongaina, pejy 123]
Rehefa misy ankizy mitady hiady, dia aza miditriditra amin’ilay izy fa mandehana mody. Misy mbola mijanonjanona eo ihany, ka izy indray no mahita faisana.’’—Tojo
[Efajoro, pejy 125]
Inona no azonao atao mba tsy hisy hanadala anao?
Aza miadaladala amin’ny ankizilahy na ankizivavy. Hadalainy mantsy ianao, raha manao an’izany. Hoy ny Baiboly: “Misy olona afaka manangona vainafo eo an-tratrany ve, nefa tsy ho may ny akanjony?” (Ohabolana 6:27) Hidiran-doza toy ny olona milalao afo ianao, raha miadaladala.
Mahaiza mifidy namana. Izay toetran’ny namanao no tonga dia heverin’ny olona hoe toetranao koa. Hoy i Zo: “Raha miarakaraka amin’ny ankizy mora adalaina ianao, na ankizy falifaly rehefa adalaina, dia hadalain’ny ankizy koa ianao.”—1 Korintianina 15:33.
Tandremo ny fiakanjonao. Raha manao akanjo tsy maotina ianao, dia hoheverin’ny olona avy hatrany fa mitady lehilahy na mitady vehivavy. Ary dia ho avy tokoa izy hanadala anao.—Galatianina 6:7.
Lazao fa Kristianina ianao. Tsy ho hain’ny olona hoe manaraka ny fitsipiky ny Baiboly ianao, raha tsy ampahafantarinao fa Kristianina ianao.—Matio 5:15, 16.
[Sary, pejy 124]
Toy ny mandraraka lasantsy eo amin’ny afo ianao, raha tezitra rehefa misy mampijaly
[Sary, pejy 127]
Teneno izay manadala anao hoe: ‘Aza mikasikasika ahy!’