EFAJORO 13A
Tempoly Samy Hafa, Lesona Samy Hafa
Ilay tempoly hitan’i Ezekiela:
Nohazavain’i Ezekiela tamin’ny Jiosy natao sesitany tany Babylona
Be dia be ny sorona natao teo amin’ny alitara
Manasongadina ny fitsipika tian’i Jehovah harahin’izay manompo azy
Manasongadina hoe naverina tamin’ny laoniny ny fivavahana madio nanomboka tamin’ny 1919
Ilay tempoly ara-panahy lehibe:
Nohazavain’i Paoly tamin’ny Kristianina Hebreo
Iray ihany ny sorona natao teo amin’ny alitara ary “indray mandeha fotsiny” (Heb. 10:10)
Manampy antsika hahazo hoe ny tranolay masina sy ireo tempoly teto an-tany dia mampiseho ny fandaharana nataon’i Jehovah mba hahafahan’ny olona hanaraka ny fivavahana madio, miorina amin’ny soron’i Kristy
Manasongadina ny zavatra nataon’i Kristy tamin’ny taona 29 ka hatramin’ny taona 33 amin’ny maha Mpisoronabe azy