SYRIA
(Syrì).
Faritra antsoina koa hoe Arama ao amin’ny Soratra Hebreo. I Mezopotamia no teo atsinanany, ny Tandavan-tendrombohitra Libanona no teo andrefana, ny Tendrombohitra Taurus no teo avaratra, ary Palestina sy ny Tany Efitr’i Arabia no teo atsimo. Sisin-tany ankapobeny fotsiny anefa ireo, satria niovaova foana ny faritra nofehezin’i Syria.
Tamin’ny andron’i Jakoba. Ny zava-nitranga tany Harana, tao amin’ny fianakavian’i Rebeka, no hany resahin’ny Baiboly momba ny Syrianina tamin’ny andron’i Jakoba. Samy nantsoina hoe Syrianina (a.b.t.: Aramianina) i Betoela rain-dRebeka sy Labana anadahiny. (Ge 25:20; 28:5; 31:20, 24) Voalaza koa fa “Syrianina efa saika maty” i Jakoba. Nipetraka 20 taona tany akaikin’i Harana mantsy izy. Nanambady azy roa vavy zanak’i Labana izy tany, ary niteraka zazalahy sy zazavavy. Niaritra ny mafy izy tamin’izy nanompo an’i Labana. Syrianina koa ny reniny.—De 26:5; Ge 31:40-42; Ho 12:12.
Tamin’ny andron’ny Mpitsara. Nanompo an’i Kosana-risataima mpanjaka syrianina ny Israelita nandritra ny valo taona, satria niala tamin’i Jehovah. (Mpts 3:7-10) Nisy fotoana koa i Syria nahataona ny Israely hanompo an’ireo andriamaniny sy ireo sampin’ny firenen-kafa.—Mpts 10:6.
Tamin’ny andron’ny mpanjakan’ny Israely sy Joda. Nila ady tamin’ny firenen’Israely ny tafika syrianina, rehefa nanana mpanjaka ny Israelita. Niady foana izy sy ny fanjakana tany avaratra. Niady tamin’ireo mpanjakan’i Zoba tany Syria, i Saoly mpanjaka voalohany teo amin’ny Israely. (1Sa 14:47) Resin’i Davida Mpanjaka ny tafik’i Hadadezera mpanjaka syrianina. Naka volamena sy volafotsy ary varahina be dia be tamin’izy ireo izy, ary nohamasininy ho an’i Jehovah ireny. Nasiany toby miaramila koa tao Damaskosy, ary notereny handoa hetra taminy ny Syrianina. (2Sa 8:3-12; 1Ta 18:3-8) Nandositra teo anoloan’ny Israelita ireo mpikarama an’ady syrianina 30 000 mahery nokaramain’ny Amonita, tatỳ aoriana. Nisy Syrianina hafa àry nantsoina hanampy an’ilay tafika resy. Be dia be anefa no maty tamin’ny Syrianina rehefa raikitra indray ny ady, ka nangataka ny hihavana tamin’ny Israelita izy ireo.—2Sa 10:6-19; 1Ta 19:6-19.
Nandositra an’i Hadadezera ny Syrianina mpikomy iray atao hoe Rezona, taorian’izay. Nanandra-tena ho mpanjakan’i Damaskosy izy, ary nanohitra an’ireo Israelita tamin’ny andro rehetra nanjakan’i Solomona. (1Mp 11:23-25) Lasa tanàna nalaza indrindra tany Syria àry i Damaskosy. Izy ilay nantsoina hatry ny ela hoe “lohan’i Syria”, sy ilay nomelohin’i Jehovah rehefa nanameloka an’i Syria Izy.—Is 7:8; 17:1-3; Am 1:5.
Rehefa nizara roa ny fanjakan’ny Israely. Nizara roa ny fanjakan’ny Israely taorian’ny nahafatesan’i Solomona, ka ny iray tany avaratra ary ny iray tany atsimo. Milaza ny Baiboly fa mbetika ny Syrianina nandresy azy ireo, mbetika resy. Voatantara ao ireo zava-nitranga tamin’ny andro nanjakan’i Asa (1Mp 15:18-20; 2Ta 16:2-4, 7), Ahaba (1Mp 20:1-34; 22:3, 4, 29-35; 2Ta 18:10, 28-34), Jorama mpanjakan’ny Israely (2Mp 6:24–7:16; 8:28, 29; 9:14b, 15; 2Ta 22:5, 6), Joasy mpanjakan’ny Joda (2Mp 12:17, 18; 2Ta 24:23, 24), Joahaza (2Mp 13:3-7, 22), Joasy mpanjakan’ny Israely (2Mp 13:14-19, 24, 25), Jotama (2Mp 15:37, 38), Ahaza (2Mp 16:5-9; 2Ta 28:5; Is 7:1-8; 9:12), ary Joiakima (2Mp 24:2). Zavatra naningana ilay hoe “tsy nisy ady teo amin’ny Syrianina sy ny Israely nandritra ny telo taona.”—1Mp 22:1.
Nisy fotoana i Elisa mpaminanin’i Jehovah nifandray tamin’ny Syrianina. Nositraniny, ohatra, i Namàna lehiben’ny tafika syrianina (2Mp 5:1-20), ary nilazany i Hazaela fa izy no handimby an’i Beni-hadada II mpanjakan’i Syria. (2Mp 8:7-15) Nangataka tamin’Andriamanitra koa izy mba hataony jamba ireo miaramila syrianina nanodidina an’i Dotana mba hisambotra azy. Nentiny tany Samaria izy ireo, ary nampahiratina ny mason’izy ireo tany. Nasainy nomena sakafo izy ireo, ary avy eo nalefa nody. (2Mp 6:8-23) Misy fanazavana amin’ny an-tsipiriany momba ireo tantara ireo ao amin’ny ELISA.
Taranak’i Sema ny Syrianina ka havan’ny Israelita. Nanjary samy hafa anefa ny fitenin’izy ireo tatỳ aoriana, ka tsy azon’ny ankamaroan’ny Jiosy ny fiteny aramianina tamin’ny taonjato fahavalo T.K. (2Mp 18:26-28; Is 36:11, 12; jereo ARAMIANINA [Fiteny].) Tsy nitovy mihitsy koa ny fivavahan’ny Syrianina sy ny Jiosy, satria nivavaka tamin’andriamanitra maro ny Syrianina. Rehefa nivadi-pinoana ihany ny Jiosy, vao tafiditra tany Israely ny fivavahana tamin’ireo andriamanitr’i Syria.—Mpts 10:6; 2Mp 16:10-16; 2Ta 28:22, 23.
Tamin’ny taonjato voalohany. Nozanahin’i Pompée i Syria ka lasa faritany romanina tamin’ny 64 T.K. Io faritany io no nantsoina hoe Syria tamin’ny andron’ny apostoly, ary nitovitovy tamin’ny an’i Syria fahiny ny habeny. Niandraikitra an’i Palestina manontolo koa ny governoran’i Syria. I Kyrenio, izay solontenan’i Aogosto Mpanjaka, no governoran’i Syria tamin’i Jesosy teraka. Nipetraka tany Antiokia teo amoron’ny Reniranon’i Oronte izy. Renivohitr’ilay faritany i Antiokia tamin’izay, sady tanàna fahatelo lehibe indrindra tao amin’ny Fanjakana Romanina. (Lk 2:1, 2) Tany Palestina ihany i Jesosy no nanao ny fanompoany, kanefa niely “nanerana an’i Syria” ny fitantarana momba ireo fahagagana nataony.—Mt 4:24.
Niparitaka ny Kristianina nenjehina tany Jerosalema taorian’ny nitoraham-bato an’i Stefana. Nisy àry nitory ny vaovao tsara tany Antiokia, renivohitr’i Syria. Ny Jiosy aloha no nandre ilay hafatra, vao ny hafa firenena. Nampahery ny fiangonana tany Antiokia i Barnabasy sy Paoly. Tao amin’io tanàna syrianina io no “niantsoana voalohany ny mpianatra hoe Kristianina, noho ny fitondran’Andriamanitra.”—As 11:19-26; Ga 1:21.
Nisy mosary lehibe tamin’ny taona 46 tany ho any, tamin’ny andron’i Klaodio Mpanjaka. Nanome fanampiana ho an’ireo rahalahiny tany Jerosalema àry ny Kristianina tany Antiokia sy ny manodidina, ka nampitondrainy an’i Barnabasy sy Paoly izany. (As 11:27-30) Ireo fiangonana tany Antiokia sy Syria ary Kilikia (faritra teo akaiky teo) no tena nandefasan’ireo apostoly sy ny anti-panahy tany Jerosalema ilay taratasy momba ny famorana. (As 15:23) I Antiokia any Syria no toerana fiaingan’i Paoly nandritra ireo taona maro nanaovany dia misionera.—As 15:40, 41; 18:18; 20:3; 21:3; Ga 2:11.