BERA-ELIMA
(Bera-elìma) [Lavadranon’ny Hazobe].
Toerana notononin’i Isaia tao amin’ny loza hanjo an’i Moaba. (Is 15:8) Voalaza fa ho tonga hatrany Eglaima sy Bera-elima ny “fidradradradrana” noho ilay faharavana. Tsy fantatra ny toerana nisy azy io. Maro ny manam-pahaizana milaza fa izy io ihany ilay Bera resahin’ny Nomery 21:16.—Jereo BERA, II No. 1.