ABELA
(Abèla).
1. [mety hidika hoe Fofonaina; Zava-poana]. Zanakalahy faharoa naterak’i Adama sy Eva, ary zandrin’i Kaina lahimatoan’izy mivady.—Ge 4:2.
Azo inoana fa nanana anabavy maromaro i Abela tamin’izy mbola velona. Milaza mantsy ny Baiboly fa niteraka zazavavy maromaro ny ray aman-dreniny, saingy tsy voalaza ny anaran’izy ireo. (Ge 5:1-4) Lasa mpiandry ondry izy rehefa lehibe, fa mpamboly kosa ilay rahalahiny.—Ge 4:2.
Nanao fanatitra ho an’i Jehovah Andriamanitra i Abela, tatỳ aoriana. Nanao toy izany koa i Kaina. Samy nitondra izay nananany izy roa lahy: Ny voalohan-teraky ny andian’ondriny no natolotr’i Abela, fa ny vokatry ny tany kosa ny an’i Kaina. (Ge 4:3, 4) Samy nino an’Andriamanitra izy mirahalahy. Azo inoana fa ny ray aman-dreniny no niresaka taminy momba an’Andriamanitra. Tsy maintsy ho fantatr’izy ireo koa hoe nahoana izy mianakavy no tany ivelan’ny zaridainan’i Edena sy tsy nahazo nankao. Matoa nanao fanatitra izy roa lahy dia te hahazo sitraka tamin’Andriamanitra, satria tsapany fa tafasaraka taminy izy ireo. Na dia azo inoana aza hoe nampiasa alitara izy ireo rehefa nanao fanatitra, dia tsy resahin’ny Baiboly izany.
Ny fanatitr’i Abela no nankasitrahan’Andriamanitra, fa tsy ny an’i Kaina. Tsy resahin’ny Baiboly hoe ahoana no nampahafantaran’Andriamanitra izany. Azo inoana anefa fa tsy niafina tamin’izy roa lahy izany. Misy manazava hoe “ny sasany tamin’ny voalohan-teraky ny andian’ondriny, mbamin’ny tavin’ireny” mantsy no fanatitra natolotr’i Abela, fa ny an’i Kaina kosa tsy resahin’ny Baiboly hoe ny tsara indrindra tamin’ny voankazo. Nieritreritra ve i Abela hoe fanatitra sarobidy kokoa ny zavamananaina iray rehefa alatsaka ny rany? Nosaintsaininy ve ilay fampanantenan’Andriamanitra ao amin’ny Genesisy 3:15 momba an’ilay taranaka, izay tsy maintsy halatsaka ny rany? Taonjato maro taorian’i Abela, dia noharina tamin’ny sorona zanak’ondry tsy misy kilema ny sorona nataon’ilay Zanak’Andriamanitra lavorary. (Jn 1:29) Azo antoka anefa fa tsy nahafantatra an’izany mihitsy i Abela. Tatỳ aoriana ny Soratra Masina vao nanazava hoe nahoana no ny fanatitr’i Abela ihany no nankasitrahan’Andriamanitra. I Abela no resahin’ny apostoly Paoly ho olona voalohany nanam-pinoana, ao amin’ny Hebreo 11:4. Nilaza izy fa ny finoany no nahatonga ny fanatiny ‘hisy vidiny kokoa’ noho ny an’i Kaina. Ny 1 Jaona 3:11, 12 kosa milaza fa ratsy ny tao am-pon’i Kaina. Hita izany, tatỳ aoriana, rehefa nanda ny torohevitra sy ny fampitandreman’Andriamanitra izy, ary nitetika ny hamono an’i Abela.
Nohazavain’i Jesosy fa i Abela no olona voalohany maty maritiora sy nenjehina noho ny fivavahany, ary i Kaina rahalahiny ihany no nankahala sy nanenjika azy. Nilaza koa i Jesosy fa niaina tamin’ny fotoana “nanorenana izao tontolo izao” i Abela. (Lk 11:48-51) Kôsmôs ilay teny grika nadika hoe “izao tontolo izao”, ary ny taranak’olombelona no tiana holazaina amin’izany eto. Katabôle kosa ilay teny grika nadika hoe “nanorenana”, ary midika ara-bakiteny hoe “manipy [voa, na taranaka].” (He 11:11, Int) Oviana àry ilay fotoana nolazain’i Jesosy hoe “nanorenana izao tontolo izao”? Rehefa nanomboka niteraka i Adama sy Eva, izany hoe rehefa nanomboka nisy ny taranak’olombelona. Nilaza i Paoly fa anisan’ireo “vavolombelona maro be” talohan’ny andro kristianina i Abela.—He 11:4; 12:1.
Inona no dikan’ny hoe “miteny tsara kokoa noho ny ran’i Abela” ny ran’i Jesosy?
Toy ny hoe mbola mitory i Abela, satria voatantara ao amin’ny Baiboly ny finoany sy ny fankasitrahan’Andriamanitra azy. Azo lazaina fa “mbola miteny ihany” izy “na efa maty aza.” (He 11:4) Resahin’i Paoly ao amin’ny Hebreo 12:24 kosa fa “mpanelanelana amin’ny fifanekena vaovao” i Jesosy, ary “miteny tsara kokoa noho ny ran’i Abela” ny rany. Marina fa maty maritiora i Abela, nefa tsy nanavotra na iza na iza ny rany, toy ny ran’ilay ondry nataony sorona ihany. Toy ny hoe niantsoantso ny hamaliana faty an’i Kaina ny ran’i Abela, satria mpamono olona i Kaina. Ny ran’i Jesosy kosa nampanan-kery ny fifanekena vaovao, ka miteny tsara kokoa noho ny ran’i Abela, satria miangavy an’Andriamanitra mba hamindra fo amin’ny olona rehetra manam-pinoana toa an’i Abela. Ny ran’i Jesosy koa no ahafahana manavotra azy ireo.
Azo inoana fa taoriana kelin’ny nahafatesan’i Abela i Seta no teraka, tamin’i Adama 130 taona. Mety ho efa 100 taona àry i Abela tamin’izy maty maritiora.—Ge 4:25; 5:3.
2. [Renirano]. Tanàna antsoina koa hoe Abela-beti-maka na Abela any Beti-maka. Ampiasaina ho tovona amin’ny anaran-toerana maro koa ny hoe Abela.—2Sa 20:18; jereo ABELA-BETI-MAKA.
3. Miresaka momba ny “vato lehibe an’i Abela” ny Fandikan-tenin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy, ao amin’ny 1 Samoela 6:18. “Vato lehibe” na “vatolampy lehibe” fotsiny anefa no hita ao amin’ny Baiboly maoderina maromaro. (Ampit. Prot.; Kat.; DIEM.) ʼAvel no ampiasain’ny soratra hebreo nataon’ny Masoreta, eo amin’io andininy io. Hafa kosa anefa no lazain’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo sy ny Targoma Aramianina, satria toy ny hoe ʼeven no nadikany, izay midika hoe “vato.” Mifanaraka tsara amin’ny andininy faha-14 ao amin’io toko io izany. Tsy mety ho ilay Abela any Beti-maka àry no resahin’ny 1 Samoela 6:18, satria tany akaikin’i Beti-semesy, any Joda, no nitranga ilay zavatra tantaraina ao.