MPIADIDY
1. Manam-pahefana, toy ny lehibem-poko na lohan’ny fianakaviambe iray. Nifandovana io toerana io. Nadikan’ny Baiboly samihafa hoe “andriana”, “mpitarika”, “mpitondra” na “mpiadidy” ny teny hebreo hoe nasiʼ. (Jereo ANDRIANA, MPITARIKA, OLONA AMBONY.) Nantsoina hoe “mpiadidy” ny lohan’ireo fianakaviambe na foko 12 tany Israely (No 1:16; Js 22:14), ny lehiben’ireo foko 12 avy tamin’i Ismaela (Ge 17:20; 25:16), ary Solomona sy Zedekia Mpanjaka (1Mp 11:34; Ezk 21:25). Nanaja an’i Abrahama ny Hitita, matoa nilaza fa “voatendrin’Andriamanitra ho mpiadidy” izy na mpiadidy mahery.—Ge 23:6.
Nitarika ny fanompoana an’Andriamanitra ireo mpiadidy tamin’ny andron’i Mosesy. Izy ireo koa no nisolo tena ny vahoaka teo anatrehan’i Mosesy sy ny mpisorona ary Jehovah. Nifidy mpiadidy avy tamin’ny foko tsirairay (afa-tsy ny an’i Levy) i Mosesy, mba hijery taratra ny Tany Nampanantenaina. Nisy vokany be tamin’ny vahoaka ny tatitra ratsy nataon’ny folo tamin’izy ireo. (No 13:2-16, 25-33) Nisy mpiadidy 250 niandany tamin’i Kora mpikomy, izay te haka ny toeran’i Arona mpisorona sy ny taranany. (No 16:2, 10, 17, 35) Anisan’ny nanao fifanekena tamin’ny Gibeonita ny mpiadidy teo amin’ny Israely. (Js 9:15, 18) Anisan’ny nizara ny tany Kanana koa izy ireo, rehefa resin’ny Israely notarihin’i Josoa ireo firenena tao. (No 34:18; Js 14:1) Voatendry ho lohan’ireo fianakaviamben’ny Levita i Eleazara zanak’i Arona, ka lasa “lehiben’ireo mpiadidy.” (No 3:32) Novorin’i Solomona Mpanjaka tao Jerosalema ny mpiadidy rehetra teo amin’ireo foko, rehefa nentina tao amin’ny tempoly vaovao ny Vata misy ny fifanekena.—1Mp 8:1.
Tokony hanaja fa tsy hanevateva mpiadidy ny Israelita. (Ek 22:28) Nasain’i Ananiasy mpisoronabe namely ny vavan’i Paoly ireo nijoro teo anilany, tamin’izy nentina teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy. Hoy àry i Paoly: “Hamely anao koa Andriamanitra, ry rindrina voalalotra fotsy!” Rehefa nampahafantarina azy anefa hoe mpisoronabe ilay niresahany, dia hoy izy: “Tsy fantatro hoe mpisoronabe izy, ry rahalahy, fa voasoratra aloha hoe: ‘Aza vingavingaina ny mpitondra eo amin’ny firenenao.’”—As 23:1-5.
Tokony hankatò ny lalàn’Andriamanitra anefa ny mpiadidy, na dia tokony hohajaina aza. Nisy zavatra notakina taminy rehefa nandika ny Lalàna izy. Noho ny andraikitra notanany sy izay mety ho vokatry ny nataony sy ny fitondran-tenany teo amin’ny olon-kafa, dia tsy nitovy tamin’ny an’ny hafa ny fanatitra noho ny ota nataony raha sendra nandika tsy nahy ny didin’Andriamanitra izy. Nanolotra vantotr’ombilahy ny mpisoronabe, osilahy kely iray ny mpiadidy, ary osivavy na ondrivavy ny olon-tsotra.—Le 4:3, 22, 23, 27, 28, 32.
Fahitan’i Ezekiela. Naminany momba ny mpiadidy i Ezekiela. (Ezk 44-48) Hitany tao amin’ny fahitana ny faritra iray voatokana ho an’ny mpiadidy, nanomboka teo amin’ny sisiny atsinanan’ny Reniranon’i Jordana sy ny Ranomasina Maty, ka hatrany amin’ny Ranomasina Andrefana na Mediterane. Nozaraina ho an’ireo fokon’ny Israely ny tany nifanila tamin’io faritra io, teo avaratr’izy io sy teo atsimony. Nisy efamira natao hoe “fanomezana” teo afovoan’io faritra io, ka 25 000 hakiho (13 km) ny lafiny iray. Nizara telo ilay izy: An’ny Levita tsy mpisorona ny tapany avaratra, nisy ny toerana masin’i Jehovah ny teo afovoany, ary nisy tanàna iray ny tapany atsimo. (Jereo FANOMEZANA MASINA; HAKIHO.) “Ny mpiadidy” no nifehy an’ilay tanàna.
Tsy tao amin’ilay tanàna ny tempoly na ny toerana masina, tao amin’ilay fahitana. Tsy mpisorona koa ilay “mpiadidy”, matoa ny mpisorona no nanolotra ny “fanatitra dorana manontolo sy sorona iombonana” nentiny. (Ezk 46:2) Tsy ny fanjakan’i Jesosy Kristy sy ny an’ireo mpanjaka sady mpisorona hiara-mitondra aminy any an-danitra àry ilay tanàna. Zavatra etỳ an-tany sy hita maso kosa izy io, dia ny fitantanan-draharaha eo ambany fitarihan’ilay Fanjakana any an-danitra. Ireo voatendry ho “andriana” hisolo tena an’ilay Fanjakana àry ilay “mpiadidy.”—Sl 45:16; Is 32:1, 2.
2. Manam-pahefana ambany kokoa noho ny lehibem-paritany, tao amin’ny fanjakan’i Babylona. Hita ao amin’ny Daniela 2:48 ny hoe mpiadidy. Voaresaka ao koa ireo ‘olon-kendrin’i Babylona’ izay toa nosokajina arakaraka ny andraikiny. Voatendry ho mpiadidy hifehy “ny olon-kendry rehetran’i Babylona” i Daniela.—Da 3:2, 3, 27.
“Nirohotra” nankao amin’i Dariosy mpanjaka medianina ny olom-panjakana maro be, anisan’izany ny mpiadidy. Nangatahin’izy ireo ny hamoahana lalàna hoe tsy misy mahazo manao fangatahana afa-tsy amin’ny mpanjaka mandritra ny 30 andro. Nanao fangatahana tamin’i Jehovah ihany anefa i Daniela, ka nafahany. Natsipy tao an-davaky ny liona kosa ireo nitetika ny hamandrika azy ka maty.—Da 6:6, 7, 24.