JESOA
(Jesòa) [“I Jehovah dia Famonjena”].
1. Mpisorona taranak’i Arona tamin’ny andron’i Davida. Ny ankohonany no nampiandraiketina ny fizarana faha-9 tamin’ny antoko-mpisorona 24 nalamin’i Davida. Mety ho anisan’ny niara-nody tamin’i Zerobabela avy tany an-tsesitany tany Babylona (537 T.K.) ny avy amin’ny ankohonany.—1Ta 24:1, 11, 31; Ezr 2:1, 36; Ne 7:39.
2. Anisan’ny Levita voatendry hizara ny ampahafolon-karena sy fanomezana tao amin’ny tanànan’ny mpisorona, tamin’ny andron’i Hezekia Mpanjaka.—2Ta 31:15.
3. Israelita anisan’ny fianakavian’i Pahata-moaba. Nisy niara-nody tamin’i Zerobabela avy tany an-tsesitany tany Babylona ny taranany.—Ezr 2:1, 2, 6; Ne 7:11.
4. Mpisoronabe (nantsoin’i Hagay sy Zakaria hoe Josoa) zanakalahin’i Jozadaka ary zafikelin’i Seraia. (Ezr 3:8; Ne 12:26; 1Ta 6:14) Taranak’i Eleazara izy.—Ahitana ny tetirazan’i Eleazara hatreo amin’i Seraia ny Ezra 7:1-5.
Novonoin’i Nebokadnezara i Seraia Mpisoronabe fa i Jozadaka kosa nentiny ho babo tany Babylona, rehefa noravany i Jerosalema. (2Mp 25:18-21; 1Ta 6:14, 15) Niara-nody tamin’i Zerobabela avy tany Babylona (537 T.K.) i Jesoa, izay lasa mpisoronaben’ny Jiosy tafaverina an-tanindrazana. (Ezr 2:2; 5:2; Ne 7:7; Hg 1:1) Tsy navelan’i Jehovah ho lany tamingana àry ny mpisoronabe, ka nisy asa fisoronana foana tany Israely, nanomboka teo ka mandra-pahatongan’ny Mesia. Nitarika ny fanorenana ny alitara sy tempoly i Jesoa sy Zerobabela, izay nampirisihin’i Hagay sy Zakaria mpaminany. (Ezr 3:2; 5:1, 2) Nanohana an’i Zerobabela i Jesoa rehefa nisy nanohitra ilay asa.—Ezr 4:1-3.
Efa nahita ny hatsaran’ny tempolin’i Solomona ny zokiolona sasany nody an-tanindrazana, ka nihevitra an’ilay tempoly voaorina indray ho toy ny tsinontsinona. Nirahina hilaza tamin’i Zerobabela sy Josoa (Jesoa) anefa i Hagay fa ho be voninahitra kokoa noho ilay taloha izy io. Hoentin’i Jehovah ao mantsy “ny zava-tsarobidin’ny firenena rehetra.”—Hg 2:1-4, 7, 9.
Nijoro teo anoloan’ny anjelin’i Jehovah i Josoa (Jesoa) Mpisoronabe, ary teo ankavanan’i Josoa i Satana mba hanohitra azy, tao amin’ny fahitan’i Zakaria. Nosoloana akanjo mihaja be sy satroka lamba madio ny akanjo maloto be teny amin’i “Josoa.” Noresahina taminy avy eo ny momba ny mpanompon’Andriamanitra hoe Tsimoka.—Za 3:1-8.
Nilazan’i Jehovah i Zakaria, indray mandeha, mba hanisy satroboninahitra teo amin’ny lohan’i Josoa (Jesoa) sy hiteny hoe: “Io ilay lehilahy antsoina hoe Tsimoka. ... Hanorina ny tempolin’i Jehovah izy. ... Ho mpisorona mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana izy.” Ho tanteraka amin’ny hoavy io faminaniana io. Samy hafa mihitsy mantsy ny asan’ny mpisorona sy ny an’ny mpanjaka teo ambanin’ny Lalàna, sady tsy nanjaka tany Israely i Josoa Mpisoronabe.—Za 6:11-13.
5. Lohan’ny fianakaviana levita. Nisy niara-nody tamin’i Zerobabela avy tany an-tsesitany tany Babylona (537 T.K.) ny taranany. (Ezr 2:40; Ne 7:43) Nanao “fianianana” ny mpisorona sy andriana ary vahoaka fa hankatò ny lalàn’Andriamanitra, ka ny solontenan’ny fianakavian’i Jesoa, na olona mitovy anarana aminy, no nanao sonia azy io. Zanak’i Azania i Jesoa (Ne 9:38; 10:1, 9), ary mety ho izy ihany ilay resahin’ny Nehemia 12:8, 24.
Avy tamin’io fianakaviana io angamba i “Jozabada zanak’i Jesoa”, izay anisan’ny Levita notoloran’i Ezra volafotsy sy volamena ary fitaovana ho an’ny tranon’Andriamanitra.—Ezr 8:33.
Mety ho anisan’io fianakaviana io koa i Ezera zanak’i Jesoa, andrianan’i Mizpa nasain’i Nehemia nanamboatra ny mandan’i Jerosalema.—Ne 3:19.
6. Levita anisan’ny nanara-maso ny fanorenana indray ny tempoly.—Ezr 3:9.
7. Levita anisan’ny namaky sy nanazava ny Lalàna tamin’ny vahoaka, ary nitarika fotoam-pivavahana niaraka tamin’i Ezra. Anisan’ny fianakaviana No. 5 angamba izy.—Ne 8:7; 9:4, 5.
8. Tanàna tany amin’ny faritra atsimon’i Joda nisy Jiosy avy tany an-tsesitany. I Tell es-Saʽveh (Tel Yeshoʽa), 15 km eo ho eo any atsinanana avaratratsinanan’i Beri-sheba izy io, hoy ny manam-pahaizana sasany. (Ne 11:25, 26) Mety ho io ilay Sema resahin’ny Josoa 15:26, sy Sheba ao amin’ny Josoa 19:2.