KEDESY
(Kedèsy) [Toerana Masina].
1. Tanàna tany amin’ny faritra atsimon’i Joda. (Js 15:21, 23) Mety ho izy ihany no Kadesi-barnea.—Jereo KADESY, KADESI-BARNEA.
2. Tanànan’i Naftaly nomena ny Gersonita, ary natokana ho tanàna fialokalofana. (Js 20:7; 21:32, 33; 1Ta 6:71, 76) Noho ny toerana nisy azy dia nantsoina koa hoe “Kedesi-naftaly” (Mpts 4:6) sy “Kedesy any Galilia” izy io. (Js 20:7) Toa tany i Baraka Mpitsara no nonina, ary tany no novoriny ireo 10 000 lahy avy tamin’ny fokon’i Naftaly sy Zebolona talohan’ny nandresen’izy ireo ny tafika kananita notarihin’i Sisera. (Mpts 4:6, 10) Azon’i Tiglato-pilesera III mpanjakan’i Asyria i Kedesy, taonjato maro tatỳ aoriana, tamin’ny andron’i Peka mpanjakan’ny Israely (t. 778-759 T.K.).—2Mp 15:29.
Misy milaza an’i Kedesy ho i Tell Kades (Tel Kedesh), dongon-tany iray ahatazanana lemaka kely mahavokatra, ary tokotokony ho 20 km any atsimoandrefan’i Dana.
3. Toerana tao amin’ny faritanin’i Isakara ary nomena “ny taranak’i Gersoma.” (1Ta 6:71, 72) Andininy mifanitsy amin’io ny Josoa 21:28, ary toa “Kisiona” no anaran’i Kedesy ao. Misy milaza an’i Kedesy ho i Tell Abou Kedeis (Tel Kedesh), tokotokony ho 4 km any atsimoatsinanan’i Megido. Toa mifanaraka amin’ny Josoa 12:21, 22 izany, satria voalaza ao fa toa tany akaikin’i Megido sy Jokneama no nisy an’i Kedesy. Mety ho tany akaikin’io Kedesy io (fa tsy ilay No. 2) no namonoan’i Jaela an’i Sisera mpitari-tafika kananita tao an-tranolain’i Jaela, satria tany amin’ny faritr’i Megido no resin’i Baraka i Sisera.—Mpts 4:11, 17, 21; 5:19.