TANALAHY
[Heb.: tinshemet].
Biby mandady anisan’ny “biby mifanaretsaka” sy “maloto”, araka ny Lalàn’i Mosesy. (Le 11:29, 30) Heverina fa avy amin’ny fototeny hoe nasham (“misefosefo”) ilay hoe tinshemet. (Ampit. Is 42:14.) “Miefonefona” kosa no dikany, hoy i Koehler sy Baumgartner, izay nampitaha azy io tamin’ny teny arabo. (Lexicon in Veteris Testamenti Libros, Leyde, 1958, p. 1035) Mety ho azo ilazana ny tanalahy ilay anarana, na dia tsy tena fantatra aza ny dikany. Fahita any Ejipta sy Palestina ny tanalahy Chamaeleo chamaeleon.
Karazana androngo miadam-pamindra sy monina eny ambony hazo ny tanalahy. Mampiavaka azy ny fahaizany miova loko arakaraka ny mari-pana, hazavana, ary ny fihetseham-pony.
Nadika hoe gisa mpanidina (anisan’ny vorona “maloto”) ny hoe tinshemet ao amin’ny Levitikosy 11:18.