STATERA
(statèra).
Vola madinika volafotsy nandoavan’i Jesosy sy ny apostoly Petera ny hetran’ny tempoly. Drakma efatra ny statera iray, na karama efatra andro teo ho eo tamin’izany. (Mt 17:24, 27) Io ilay tetradrakma natao tany Antiokia any Syria na tany Tyro, hoy ny manam-pahaizana maro. Mitovitovy habe amin’ny antsasa-dolara amerikanina ny tetradrakma tany Tyro. Nisy sarin’ny lohan’i Melkart andriamanitra izy io, ary tao ambadika nisy sarina voromahery eo ambony familian-tsambo, sy soratra hoe “Tyro Masina Tsy Mety Resy.” Nahitana sarin’i Aogosto Mpanjaka ny tetradrakma tany Antiokia.