JONA, BOKIN’I
Io ihany no boky ao amin’ny Soratra Hebreo mitantara fa nisy mpaminanin’i Jehovah nirahina ho any amin’ny tanànan’ny firenena tsy israelita, mba hitory hoe hisy loza hanjo azy ireo. Nibebaka àry ny iray tanàna. Ny zavatra niainan’i Jona zanak’i Amitahy mihitsy no nosoratany. Izy ihany ilay Jona resahin’ny 2 Mpanjaka 14:25. Naminany tamin’ny andron’i Jeroboama II mpanjakan’ny Israely àry izy (t. 844-804 T.K.). Azo inoana fa nitranga tamin’ny taonjato fahasivy T.K. ireo zavatra nosoratany.—Jereo JONA No. 1.
Anisan’ny Soratra Masina. Hafakely ireo zava-nitranga resahin’ilay boky: Nisy rivo-mahery nifofofofo nefa nitsahatra tampoka avy eo, natelin’ny trondro i Jona dia naloany rehefa afaka telo andro nefa tsy naratra akory, ary nisy voatavomonta naniry tampoka nefa maty vetivety koa. Milaza àry ny mpitsikera Baiboly fa tsy nitranga ireo zavatra ireo satria tsy misy toy ireo ankehitriny. Tsy milaza anefa ny bokin’i Jona hoe efa fahita tamin’izany ireo. Zavatra niainan’ilay nampanaovin’Andriamanitra iraka manokana fotsiny ilay izy. Izay manizingizina àry hoe tsy nitranga ilay tantara, dia toy ny milaza hoe tsy misy Andriamanitra na tsy hainy ny mampiasa ny herin’ny natiora sy zavamaniry sy biby ary olona mba hanaovana fahagagana.—Jereo Mt 19:26.
Hazandrano hoatran’ny ahoana no afaka nitelina an’i Jona?
Mpitsikera maro taloha no nilaza hoe tsy misy hazandrano mahatelina olona. Tsy marina anefa izany. Mahatelina olona iray manontolo, ohatra, ny trozona lava loha (efa ho ampahatelon’ny halavany ny lohany ngezabe). (Biby Mampinono Eran-tany nataon’i Walker, nohavaozin’i R. Nowak sy J. Paradiso, 1983, Boky II, p. 901) Misy porofo koa hoe be sambo mpihaza trozona tao amin’ny seranan’i Jopa fahiny. Mety ho antsantsa fotsy lehibe koa ilay trondro nitelina an’i Jona. Nisy iray azo tamin’ny 1939, ary antsantsa roa nirefy 2 m avy mitovitovy habe amin’ny olona no hita tao anaty vavoniny. Alehan’ny antsantsa fotsy lehibe koa ny ranomasina rehetra, anisan’izany ny Ranomasina Mediterane. (Boky Momba Ireo Biby any Aostralia, Ireo Trondron’i Aostralia, nataon’i G. Whitley, Sydney, 1940, Fizarana 1—Antsantsa, p. 125; Ny Momba ny Antsantsa, nataon’i R. Backus sy T. Lineaweaver III, 1970, p. 111, 113) Tsy milaza ny Baiboly hoe inona ilay trondro, fa milaza fotsiny hoe: “Nandefa trondro ngezabe iray i Jehovah hitelina an’i Jona.” (Jo 1:17) Tsy fantatra àry hoe “trondro” inona ilay izy. Mbola betsaka koa ny hazan-dranomasina tsy fantatsika ankehitriny. Hoy ny gazetiboky Amerikanina Siantifika (Septambra 1969, p. 162): “Azo antoka fa hahita zavaboary mbola tsy fantatra na noheverina ho efa lany tamingana ireo mpikaroka ny any anaty ranomasina lalina, toy izay nitranga tamin’ny lasa ihany.”
Misy milaza fa tsy marina ny fitantaran’ny bokin’i Jona, satria tsy misy miresaka momba an’i Jona ny asa soratra asyrianina. Tsy mahagaga anefa izany satria fanaon’ny firenena fahiny ny nankalaza ny fahombiazany, fa tsy ny fahareseny sy izay nanala baraka azy. Nesoriny tao amin’ny asa sorany koa izay naharatsy laza azy. Efa potika na tsy hita koa ny asa soratra fahiny maro, ka tsy misy afaka milaza hoe tsy nisy asa soratra niresaka momba izay nitranga tamin’ny andron’i Jona.
Tsy marina koa, hono, ny tantara ao amin’ilay boky satria tsy resahiny, ohatra, ny anaran’ilay mpanjaka asyrianina na ny toerana nandoavan’ilay trondro an’i Jona. Tsara hotadidina anefa fa tsy fanaon’ny mpahay tantara ny milaza ny tsipirian-javatra rehetra, fa izay heveriny ho tena ilaina ihany no raketiny an-tsoratra. Hoy i C. Keil, mpivaofy teny: “Tsy misy asa soratry ny mpahay tantara fahiny na iray aza ahitana ny tsipirian-javatra rehetra: Tsy tokony hanantena àry isika hoe hisy mpanoratra tantara ao amin’ny Baiboly hiresaka tsipiriany tsy misy ifandraisany amin’ny votoatin’ilay tantara na amin’ny fivavahana na zavatra ninoan’ireo olona voatantara.”—Fanazavana ny Testamenta Taloha, 1973, Boky Faha-10, Sasin-tenin’ny bokin’i Jona, p. 381.
Tokotokony ho 13 km monja ny refin’ny manda nanodidina an’i Ninive fahiny, araka ny hitan’ireo mpikaroka. Nanitatra àry, hono, i Jona rehefa nilaza fa nanao dia an-tongotra telo andro izy vao nahatety an’ilay tanàna. (Jo 3:3) Tsy mitombina anefa izany fitsikerana izany satria na taloha na ankehitriny, dia azo lazaina hoe anisan’ny tanàna iray koa ireo tanàna kely manodidina azy. I Ninive sy Rehobota-ira sy Kala ary Resena mitambatra, ohatra, no nantsoina hoe “tanàna lehibe.”—Ge 10:11, 12.
Tsy nampiasa ny hoe “izaho” na “aho” i Jona rehefa nitantara ny zavatra nataony na nolazainy. Tsy izy àry, hono, no nanoratra an’ilay boky. Tsy izy irery anefa no mpanoratra Baiboly tsy nampiasa ny hoe “izaho” na “aho.” (Ek 24:1-18; Is 7:3; 20:2; 37:2, 5, 6, 21; Je 20:1, 2; 26:7, 8, 12; 37:2-6, 12-21; Da 1:6-13; Am 7:12-14; Hg 1:1, 3, 12, 13; 2:1, 10-14, 20; Jn 21:20) Tsy nampiasa izany koa i Xénophon sy Thucydide mpahay tantara fahiny, nefa tsy misy milaza mihitsy hoe tsy marina ny fitantarany.
Avy amin’Andriamanitra izay raketin’ny bokin’i Jona, satria hoy ny Jona 1:1: ‘Tonga tamin’i Jona ny tenin’i Jehovah.’ Ahitana teny mitovy amin’ireo koa ny andininy voalohany amin’ny bokim-paminaniana hafa. (Je 1:1, 2; Ho 1:1; Mi 1:1; Ze 1:1; Hg 1:1; Za 1:1; Ml 1:1) Neken’ny Jiosy hatry ny ela ho anisan’ny Soratra Masina ny bokin’i Jona sy ireny boky ireny. Anisan’ny Baiboly koa àry ilay boky. Hoy Ny Diksioneram-panjakana Momba ny Baiboly: ‘Azo antoka fa nanana porofo marim-pototra tsara ny mpitondra fivavahana jiosy hoe marina sy anisan’ny Soratra Masina ilay boky, matoa izy io nataon’izy ireo ao anatin’ny lisitr’ireo boky nekeny ho anisan’ny Soratra Masina.’—Nataon’i P. Fairbairn, Londres, 1874, Boky I, p. 945.
Mifanaraka amin’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly koa izy io. Resahiny, ohatra, hoe avy amin’i Jehovah ny famonjena (Jo 2:9; ampit. Sl 3:8; Is 12:2; Ap 7:10), ary asongadiny fa mamindra fo i Jehovah, mahari-po, manam-paharetana, ary maneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa amin’ny olombelona mpanota.—Jo 3:10; 4:2, 11; ampit. De 4:29-31; Je 18:6-10; Ro 9:21-23; Ef 2:4-7; 2Pe 3:9.
Ny fahatsoran’i Jona koa no porofo hafa fa anisan’ny Soratra Masina ilay boky. Notantarainy, ohatra, hoe nandositra izy rehefa nirahina, ary tezitra rehefa tsy naringan’Andriamanitra ny Ninivita.
Ny tenin’ny Zanak’Andriamanitra anefa no porofo lehibe indrindra fa marina ny voalazan’ny bokin’i Jona. Hoy izy: “Tsy hisy famantarana homena [an’ity taranaka ity] afa-tsy ilay famantarana ny amin’i Jona mpaminany. Fa tahaka ny nitoeran’i Jona telo andro sy telo alina tao an-kibon’ilay trondro goavana, no hitoeran’ny Zanak’olona telo andro sy telo alina ao an-kibon’ny tany koa. Hiara-mitsangana amin’ity taranaka ity mandritra ny fitsarana ny mponin’i Ninive ka hanameloka azy, satria nibebaka izy ireo rehefa nitory taminy i Jona. Misy lehibe noho i Jona anefa eto.” (Mt 12:39-41; 16:4) Tena nitsangana tamin’ny maty i Kristy Jesosy, hoatran’i Jona izay tena nivoaka avy tao an-kibon’ilay trondro. Tena nisy koa ilay taranaka nitorian’i Jona, hoatran’ilay taranaka nandre ny tenin’i Kristy Jesosy. Raha angano fotsiny mantsy ny Ninivita, dia tsy ho afaka hitsangana sy hanameloka an’ilay taranaka jiosy tsy nety nibebaka izy ireo, mandritra ny fitsarana.
[Tabilao, pejy 91]
HEVITRA MISONGADINA: JONA
Izay niainan’i Jona tamin’izy nasaina naminany tamin’ny mponin’i Ninive mpanompo sampy
Nosoratana tamin’ny 844 T.K. tany ho any, 100 taona teo ho eo talohan’ny nanaovan’ny Asyrianina sesitany ny Israely
Nandositra i Jona (1:1–2:10)
Nirahin’i Jehovah hampitandrina ny Ninivita i Jona, saingy nandositra nankany Tarsisy
Nisy rivo-mahery be ka natahorana ho vaky ny sambo nandehanany
Niantso ny andriamaniny avy ireo tantsambo, nanao izay hanamaivanana ny sambo, ary nanao antsapaka hoe iza no tompon’antoka tamin’ilay loza
I Jona no tratra; hoy àry izy: ‘Atsipazo any an-dranomasina aho fa noho ny amiko no mahatonga izao’
Niezaka namerina an’ilay sambo teny an-tanety ny tantsambo; voatery nanipy an’i Jona tany an-dranomasina ihany; nitsahatra ilay rivo-mahery
Natelin’ny trondro ngezabe i Jona
Nivavaka tamin’i Jehovah izy tao an-kibon’ilay trondro, ary nampanantena fa hanefa ny voadiny
Farany, naloan’ilay trondro teo amin’ny tany maina izy
Nankany Ninive i Jona (3:1–4:11)
Nirahin’i Jehovah hampitandrina ny Ninivita indray i Jona
Nankany Ninive izy ka nilaza fa horavana izy io rehefa afaka 40 andro
Nibebaka ny Ninivita; nitafy lamba gony izy ireo sy ny bibiny, araka ny didin’ny mpanjaka, nitalaho tamin’Andriamanitra mba hamindra fo; ‘nanenina’ i Jehovah ka tsy nandefa an’ilay loza
Tezitra be i Jona fa tsy noravana i Ninive; nanangana trano rantsankazo teny ivelan’ny tanàna, nialokaloka teo niandry izay hitranga
Nampaniry voatavomonta i Jehovah mba hanalokaloka an’i Jona; nalazo anefa ilay izy ny ampitso fa nisy kankana namely azy; nalahelo i Jona, ary nohazavain’i Jehovah hoe nalahelo koa izy matoa namindra fo tamin’ireo Ninivita 120 000 mahery