MASINA INDRINDRA
Ny efitra anatiny indrindran’ny tranolay masina sy ny tempoly. (Ek 26:33; 1Mp 6:16) Samy folo hakiho (4,5 m) ny lavany sy ny sakany ary ny haavon’ilay tao amin’ny tranolay masina. Avo roa heny noho izany kosa ny refin’ny Masina Indrindra tao amin’ny tempolin’i Solomona, ka avo valo heny ny velarany.—Ek 26:15, 16, 18, 22, 23; 1Mp 6:16, 17, 20; 2Ta 3:8.
Isaky ny Andro Fandrakofam-pahotana ihany ny mpisoronabe no niditra tao amin’ny Masina Indrindra. Tsy nisy olon-kafa nahazo nankao ambadiky ny ridao nanasaraka azy io sy ny Masina, na oviana na oviana. (Le 16:2) Voaravaka kerobima miloko natao peta-kofehy ireo lamba sy ridao tao amin’ny Masina Indrindran’ny tranolay masina. (Ek 26:1, 31, 33) Hazo sedera nopetahana takela-bolamena kosa ny rindrina sy valindrihana, tao amin’ny tempolin’i Solomona. Nasiana sary sokitra kerobima sy hazo palmie sy voatango ary felam-boninkazo ny rindrina.—1Mp 6:16-18, 29; 2Ta 3:7, 8.
Intelo niditra tao ny mpisoronabe tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana: Voalohany, nitondra fitondrana afo volamena nasiana vainafo avy teo amin’ny alitara sy emboka manitra izy; faharoa, nitondra ny ran’ny omby natao fanatitra noho ny otan’ny mpisorona; farany, nitondra ny ran’ny osilahy natao fanatitra noho ny otan’ny vahoaka. (Le 16:11-15; He 9:6, 7, 25) Nafafiny tamin’ny tany teo anoloan’ny Vata volamena misy ny fifanekena ny ran’ireo biby. Teo ambonin’ny saron’ilay Vata ny kerobima volamena sy ny rahona izay porofo hoe nanatrika teo i Jehovah. (Ek 25:17-22; Le 16:2, 14, 15) Namirapiratra ilay rahona, izay hany nanazava an’ilay efitra, satria tsy nisy fitoeran-jiro tao.
Teo ambonin’ny Masina Indrindra ny andry rahona tamin’ny antoandro, ary ny andry afo tamin’ny alina, ka hitan’ny tobin’ny Israely manontolo tany an-tany efitra.—Ek 13:22; 40:38; No 9:15; ampit. Sl 80:1.
Tsy nisy Vata tao amin’ny tempoly naorina tatỳ aoriana. Tsy fantatra hoe oviana ary ahoana no nanjavonan’ny Vata misy ny fifanekena. Tsy anisan’ireo fitaovan’ny tempoly nalain’ny Babylonianina izy io, tamin’izy ireo nandroba sy nandrava ny tempoly tamin’ny 607 T.K. (2Mp 25:13-17; Ezr 1:7-11) Tsy nisy Vata koa tao amin’ny Masina Indrindran’ny tempoly naorin’i Zerobabela sy ny an’ilay tempoly tsara tarehy kokoa naorin’i Heroda. Tezitra Andriamanitra rehefa maty i Jesosy, ka notriariny roa hatrany ambony ka hatrany ambany ilay ridao matevina nanasaraka ny Masina Indrindra sy ny Toerana Masina. Nahatazana ny tao amin’ny Masina Indrindra àry ireo nanompo tao amin’ny Toerana Masina. Hitany fa tsy tao ilay Vata. Midika izany fa tsy nomba azy ireo intsony Andriamanitra. Tsy nisy vidiny taminy intsony àry ny sorona ho fandrakofam-pahotana natolotry ny mpisoronabe jiosy, ary tsy nilaina intsony ny asan’ny Levita mpisorona.—Mt 27:51; 23:38; He 9:1-15.
Heviny an’ohatra. Tao amin’ny Masina Indrindran’ny tranolay fihaonana (tranolay masina) ny Vata misy ny fifanekena. Nisy kerobima volamena roa teo ambonin’ny saron’izy io. Oharina amin’io sarony io ny seza fiandrianan’Andriamanitra. Sary an’ohatra ilazana ny lanitra fonenan’i Jehovah Andriamanitra àry ny Masina Indrindra. Niditra isan-taona tao amin’ny Masina Indrindra ny mpisoronabe, tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana. I Jesosy Kristy Mpisoronabe kosa niditra indray mandeha monja tao amin’ny Masina Indrindra an’ohatra tamin’izy nanolotra ny vidim-panavotana. Hoy ny Hebreo 9:7-12, 23, 24: ‘Ny mpisoronabe irery ihany no miditra indray mandeha isan-taona ao amin’ilay efitra faharoa [ny Masina Indrindra]. Ary tsy miditra ao izy raha tsy mitondra ra, izay atolony noho ny amin’ny tenany sy noho ny fahotana nataon’ny vahoaka vokatry ny tsy fahalalany. ... Fanoharana enti-milaza an’izao fotoana voatondro izao io tranolay io. ... Fa rehefa tonga kosa i Kristy, izay mpisoronabe ny amin’ny zava-tsoa efa ananantsika, dia tao amin’ny tranolay lehibe kokoa sy lavorary kokoa ary tsy nataon-tanana, izany hoe, tranolay tsy anisan’izao zavatra ary izao, no nidirany. Ary tsy ran’osilahy sy ran’ny vantotr’ombilahy no nentiny niditra, fa ny ran’ny tenany mihitsy, ka niditra indray mandeha monja tao amin’ny toerana masina izy, ary nahazo fanafahana mandrakizay ho antsika. Koa tokony hodiovina amin’izany fomba izany [ran’ny biby nafafy] koa ny tandindon’ny zavatra any an-danitra, fa ny zavatra any an-danitra kosa dia diovina amin’ny sorona tsara kokoa. Fa tsy toerana masina nataon-tanana, izay tahaka an’ilay tena izy, no nidiran’i Kristy, fa ny lanitra mihitsy, mba hisehoany ankehitriny eo anatrehan’Andriamanitra ho antsika.’
Mifanitsy amin’izay nataon’ny mpisoronabe taranak’i Arona tamin’izy niditra tao amin’ny Masina Indrindra àry ny nataon’i Jesosy Kristy, Mpisoronabe tahaka an’i Melkizedeka. (He 9:24) Mampahery an’ireo mpiara-mandova amin’i Kristy ireto teny ireto: “[Izany] no ahazoantsika fampirisihana mafy mba hifikitra amin’ny fanantenana napetraka teo anoloantsika, dia isika izay nandositra ho amin’ny fialofana. Izany fanantenana ananantsika izany no vatofantsiky ny aintsika, sady azo antoka no mafy orina, ary miditra ao ambadiky ny ridao. Tao koa no niditra ho antsika ny mpialoha lalana, dia i Jesosy, izay tonga mpisoronabe mandrakizay tahaka an’i Melkizedeka.”—He 6:18-20.
Tokony ho sahy sy ho feno toky izy ireo manatona an’Andriamanitra, ary tokony hifikitra amin’ny fanantenany ka tsy hisalasala. Hoy i Paoly: “Manana fahasahiana hiditra eo amin’ilay lalana mankao amin’ny toerana masina isika, ry rahalahy, noho ny ran’i Jesosy. Izany lalana izany no nosantariny ho antsika ho lalam-baovao sy velona izay mamaky eo amin’ilay ridao, izany hoe ny nofony. Ary manana mpisoronabe miandraikitra ny ao an-tranon’Andriamanitra koa isika. Noho izany, dia aoka isika hanatona an’Andriamanitra amin’ny fo mahitsy sy fatokisana tanteraka avy amin’ny finoana, satria efa voadio ho afaka amin’ny feon’ny fieritreretana ratsy ny fontsika, ary ny vatantsika efa voasasa tamin’ny rano madio. Ary aoka hofikirintsika mafy ny fanambarana ampahibemaso ny fanantenantsika, ka tsy hisalasala isika, satria tsy mba mivadika amin’ny teniny ilay nampanantena.”—He 10:19-23.