Manontany ny Mpamaky
Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Tsy Mandeha Miady?
Tsy nandray anjara tamin’ny ady mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah hatramin’izay, na ady an-trano izany na ady hafa. Hoy ny Rakipahalalana Aostralianina, 50 taona lasa izay: “Tsy miditra amin’ny ady mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah.”
Ny tena antony mahatonga ny Vavolombelona tsy hiady, dia satria tsy eken’ny feon’ny fieritreretany izany. Manaraka ny didin’i Jesosy Kristy Tompo sy ny modely nomeny mantsy izy ireo. Nandidy ny mpanara-dia azy izy, mba ho tia ny namany. Hoy koa izy: “Tiavo foana ny fahavalonareo, manaova soa mandrakariva amin’izay mankahala anareo.” (Lioka 6:27; Matio 22:39) Nilaza toy izao izy, rehefa nampiasa sabatra mba hiarovana azy ny mpianany iray: “Avereno amin’ny toerany ny sabatrao, fa ho fatin’ny sabatra izay rehetra mandray sabatra.” (Matio 26:52) Nasehon’i Jesosy mazava tamin’ny teniny sy izay nataony, fa tsy tokony hampiasa fitaovam-piadiana ny mpianany.
Nahoana koa ny Vavolombelona no tsy miady? Satria misy mpiara-mivavaka amin’izy ireo eran-tany. Lasa miady amin’ireny rahalahiny ireny izy, raha mandray anjara amin’ny ady. Mifanohitra amin’ilay didin’i Jesosy hoe ‘mifankatiava’ anefa izany.—Jaona 13:35.
Tsy resaka fotsiny akory izany, fa tena ampiharin’ny Vavolombelona eo amin’ny fiainany. Tsy nivadika mihitsy, ohatra, izy ireo nandritra ny Ady Lehibe II, tamin’ny 1939-1945. Vavolombelona maherin’ny 4 300 tany Etazonia no naiditra am-ponja, satria tsy nety nanao miaramila. Tany Grande-Bretagne indray, mihoatra ny 1 500 no nogadraina, anisan’izany ny vehivavy 300 mahery, satria tsy nety nanao asa nifandray tamin’ny ady. Tany Alemaina, dia Vavolombelona 270 mahery no nasain’ny fitondrana nazia novonoina, satria tsy nety nandray fiadiana. Maherin’ny 10 000 no nogadraina sy nalefa tany amin’ny toby fitanana. Nijaly be koa ny Vavolombelona tany Japon. Afaka matoky ireo namoy havana tamin’ny Ady Lehibe II, na ady tatỳ aoriana, fa tsy Vavolombelon’i Jehovah mihitsy no namono azy ireny.
Mahalaza tsara ny hevitry ny Vavolombelona momba ny ady ny tenin’i Wolfgang Kusserow, talohan’ny namonoan’ny Nazia azy. Notapahin-doha io Vavolombelona alemà vao 20 taona io tamin’ny 1942, satria tsy nety nandeha niady. (Isaia 2:4) Hoy izy rehefa notsaraina: “Vavolombelon’i Jehovah aho, ary notezaina araka ny Soratra Masina. Ny didy voalohany sady lehibe indrindra nasaina notandreman’ny olona dia hoe: ‘Tiavo Andriamanitrao, ambonin’ny zavatra rehetra, ary tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.’ Misy didy koa manao hoe: ‘Aza mamono olona.’ Nataon’ny Mpamorona ho an’ny hazo angaha moa ireny didy ireny?”—Marka 12:29-31; Eksodosy 20:13.
Mino ny Vavolombelona fa i Jehovah, ilay Andriamanitra mahery indrindra ihany, no hitondra fiadanana maharitra eto an-tany. Miandry azy hanatanteraka ny fampanantenany ‘hampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany’, izy ireo.—Salamo 46:9.