Fanontanian’ny Mpamaky
Nilaza ny apostoly Paoly hoe nentina tany amin’ny “lanitra fahatelo” sy tany amin’ny “paradisa” izy. Inona no tiany holazaina amin’izany?—2 Kor. 12:2-4.
Niresaka momba ny olona iray “nentina ho any amin’ny lanitra fahatelo” i Paoly, ao amin’ny 2 Korintianina 12:2, 3. Nohamafisiny tao amin’ny taratasiny ho an’ny fiangonan’i Korinto hoe apostoly ampiasain’Andriamanitra izy. (2 Kor. 11:5, 23) Niresaka ‘fahitana avy amin’ny Tompo’ izy avy eo, ary nilaza hoe nisy ‘zavatra naharihary taminy.’ Matoa izy tsy niresaka rahalahy hafa, dia izy no nampisehoana an’ireo.—2 Kor. 12:1, 5.
I Paoly ihany àry ilay nentina tany amin’ny “lanitra fahatelo” sy tany amin’ny “paradisa.” (2 Kor. 12:2-4) Ny hoe ‘zavatra naharihary’ indray dia midika hoe amin’ny hoavy no hitranga ireo zavatra noresahiny.
Inona ilay “lanitra fahatelo” hitan’i Paoly?
Mety ho ara-bakiteny ny hoe “lanitra”, ao amin’ny Baiboly. (Gen. 11:4; 27:28; Mat. 6:26) Mety hidika hoe fitondran’olombelona koa izy io indraindray. (Dan. 4:20-22) Atao hoe “lanitra” koa anefa ny fitondran’Andriamanitra, anisan’izany ny fitondrany amin’ny alalan’ny Fanjakany.—Apok. 21:1.
Inona àry no tian’i Paoly hotenenina tamin’ilay hoe “lanitra fahatelo”? Averina intelo ny teny sasany ao amin’ny Baiboly, mba hanamafisana na hanasongadinana hevitra. (Isaia 6:3; Ezek. 21:27; Apok. 4:8) Te hanasongadina fitondrana iray faran’izay tsara sy ambony angamba i Paoly, tamin’izy nilaza hoe “lanitra fahatelo.” Tsy inona izany fa ny Fanjakan’ny Mesia. I Jesosy Kristy sy ireo 144 000 no ho mpitondra ao amin’izy io. (Jereo ny Fandalinana ny Soratra Masina, ao amin’ilay hoe “Lanitra”: “Lanitra vaovao sy tany vaovao.”) Io Fanjakana io no tian’ny apostoly Petera horesahina, tamin’izy nilaza hoe misy “lanitra vaovao” andrasantsika, araka ny fampanantenan’Andriamanitra.—2 Pet. 3:13.
Inona kosa ilay hoe “paradisa”?
Mety hanana heviny maromaro izy io: 1) Mety ho ilay Paradisa eto an-tany amin’ny hoavy izy io, hoatran’ilay nisy ny mpivady voalohany. 2) Mety ho ilay paradisa ara-panahy any amin’ny tontolo vaovao koa izy io. Hihavana tsara ny mpanompon’i Jehovah amin’izay sady hifandray tsara aminy. 3) Mety ho ilay fiainana mahafinaritra be any an-danitra, izay antsoina hoe “paradisan’Andriamanitra”, koa izy io.—Apok. 2:7; jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 2015, pejy 8, fehintsoratra 8.
Mety ho ireo paradisa telo ireo no tian’i Paoly horesahina ao amin’ny 2 Korintianina 12:4.
Raha fintinina àry dia izao:
Mety ho ny Fanjakan’ny Mesia no tiana horesahina amin’ilay hoe “lanitra fahatelo”, ao amin’ny 2 Korintianina 12:2. I Jesosy Kristy sy ireo 144 000 no ho mpitondra ao amin’izy io. Izy io no “lanitra vaovao.”—2 Pet. 3:13.
“Lanitra fahatelo” izy io satria fitondrana faran’izay tsara sy ambony.
Ny “paradisa” nitondrana an’i Paoly kosa dia mety ho 1) ilay Paradisa eto an-tany amin’ny hoavy, 2) ilay paradisa ara-panahy hisy antsika any amin’ny tontolo vaovao, izay ho lehibe kokoa noho ny paradisa ara-panahy misy antsika amin’izao, ary 3) ilay “paradisan’Andriamanitra” any an-danitra. Hisy daholo ireo telo ireo any amin’ny tontolo vaovao.
Ny tontolo vaovao àry dia ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao. Vaovao tanteraka izy io, satria fitambaran’ilay fitondram-panjakana any an-danitra sy ny mpanompon’i Jehovah ao amin’ny paradisa eto an-tany.