FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2027)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
Fampandrenesana
Fiteny vaovao misy: Bangla Sign Language, Benin Sign Language
  • Androany

Alatsinainy 28 Septambra

Esory tsy ho eo aminareo ilay mpanao ratsy.​—1 Kor. 5:13.

Raha efa imbetsaka ny anti-panahy no nanampy ny mpanota iray hibebaka fa izy mihitsy no tsy nanaiky, dia tsy maintsy hesorina tsy ho anisan’ny fiangonana izy. (2 Mpanj. 17:12-15) Hita amin’ny ataony hoe nifidy ny tsy hankatò ny fitsipik’i Jehovah izy. (Deot. 30:19, 20) Ampandrenesina ny fiangonana hoe tsy Vavolombelon’i Jehovah intsony izy. Tsy ny hanala baraka azy akory no tanjon’ilay fampandrenesana, fa mba hahafahan’ny fiangonana manaraka an’ilay toromariky ny Soratra Masina hoe ‘tsy hifanerasera aminy intsony’, ary tsy tokony hatao “na dia ny miara-misakafo” aminy aza. (1 Kor. 5:9-11) Misy antony tsara nanomezana an’io toromarika io. Nanoratra mantsy ny apostoly Paoly hoe: “Lalivay kely fotsiny dia efa mampitombo ny koba manontolo.” (1 Kor. 5:6) Mety hahatonga ny hafa ho kamo hanaraka ny fitsipik’i Jehovah àry ny mpanota tsy mibebaka raha tsy esorina.​—Ohab. 13:20; 1 Kor. 15:33. w24.08 27 § 3-4

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2026

Talata 29 Septambra

Manana ny hery hiatrehana an’izay rehetra mitranga aho, noho ilay manome hery ahy.​—Fil. 4:13.

Tsy hahavita hanome hery ho an’ny hafa hoatran’ny ataon’i Jehovah isika. Afaka mampiasa ny herintsika anefa isika mba hanampiana ny hafa. Azontsika atao, ohatra, ny miantsena ho an’ny Kristianina zokiolona na marary, na ataon-dry zareo irakiraka. Azo atao koa ny manolo-tena hanadio sy hikojakoja Efitrano Fanjakana. Tadidio koa hoe manan-kery ny teny. Misy olona eritreretinao ve hoe mila teny fiderana avy amin’ny fo? Sa ianao mahafantatra olona mila ampiononina? Maninona raha ianao mihitsy no miresaka aminy? Azonao atao ny mitsidika azy, na miantso azy an-telefaonina, na angamba mandefa karta, na email, na SMS. Tsy voatery hoe hilaza zavatra miavaka be ianao. Mety hoe teny tsotra avy amin’ny fo no tena ilain’ilay mpiara-manompo mba hanampy azy tsy hivadika amin’iny andro iny, na mba hihiratra kely ny androny.​—Ohab. 12:25; Efes. 4:29. w24.09 28 § 8-10

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2026

Alarobia 30 Septambra

Raha misy olona miezaka ho lasa mpiandraikitra, dia maniry hanao asa tsara izy.​—1 Tim. 3:1.

Efa elaela ve ianao no mpikarakara fiangonana? Raha izany, dia efa niezaka hanana ny toetra takina amin’ny anti-panahy ianao. Te hiezaka hanao an’io “asa tsara” io ve ianao? Inona avy no ataon’ny anti-panahy? Mitarika ny asa fitoriana ry zareo, miezaka mafy mikarakara ny andian’ondry sy mampianatra an-dry zareo, ary manatanjaka ny finoan’ny fiangonana amin’izay lazainy sy ataony. Mety tsara raha antsoin’ny Baiboly hoe ‘lehilahy natao fanomezana’ ireny anti-panahy miasa mafy ireny. (Efes. 4:8) Inona no tokony hataon’ny rahalahy iray mba hahafeno fepetra ho anti-panahy? Tsy mitovy amin’ny mitady asa ilay miezaka ho lasa anti-panahy. Matetika ny mpampiasa no mitady an’izay olona manana ny fahaizana ilaina amin’ilay asa. Rehefa anananao ilay fahaizana dia mety ho voaray ianao. Tsy hoatr’izany kosa ny amin’ny anti-panahy. Raha te ho voatendry anti-panahy ianao, dia tsy hoe mila mahay mitory sy mampianatra fotsiny. Mila mahafeno ny fepetra takin’ny Soratra Masina ho an’ny anti-panahy ianao. Ho hitanao ao amin’ny 1 Timoty 3:1-7 sy Titosy 1:5-9 izany. w24.11 20 § 1-3

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2026
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara