FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
Fampandrenesana
Fiteny vaovao misy: Chedungun (Coast), Dominican Sign Language, French (Canada)
  • Androany

Alatsinainy 7 Septambra

Mpamaly soa an’izay mitady mafy azy [izy].​—Heb. 11:6.

Dieny izao isika dia efa ataon’i Jehovah milamin-tsaina sy afa-po, ary homeny fiainana mandrakizay amin’ny hoavy. Afaka manantena an’i Jehovah isika, satria resy lahatra hoe maniry hamaly soa antsika izy sady manana hery hanaovana an’izany. Raha resy lahatra hoatr’izany isika dia ho be atao amin’ny fanompoana foana, hoatran’ny mpanompon’Andriamanitra tsy nivadika taloha. Hoatr’izany mihitsy i Timoty tamin’ny taonjato voalohany. (Heb. 6:10-12) Nanantena an’ilay Andriamanitra velona izy. (1 Tim. 4:10) Izay no nahatonga azy hiasa mafy sy hikely aina. Inona no nataony? Nampirisihin’ny apostoly Paoly izy mba hahay hampianatra sy hahay handaha-teny kokoa. Nilaza taminy koa i Paoly fa tokony ho modely ho an’ny mpiara-manompo izy, na antitra na tanora. Nampanaovina asa sarotra koa izy, anisan’izany ilay hoe nanome torohevitra hentitra nefa feno fitiavana ho an’izay nila an’izany. (1 Tim. 4:11-16; 2 Tim. 4:1-5) Afaka natoky i Timoty fa hamaly soa azy i Jehovah.​—Rom. 2:6, 7. w24.06 25:10-11

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2026

Talata 8 Septambra

Efa nampitandrina ny Israely sy ny Joda foana i Jehovah, tamin’ny alalan’ny mpaminaniny rehetra.​—2 Mpanj. 17:13.

Matetika i Jehovah no nampiasa ny mpaminaniny mba hampitandrina sy hanitsy an’ilay vahoakany. Izao, ohatra, no nasainy nolazain’i Jeremia: “Miverena ry Israely mpikomy ô, ... Tsy hanao tsinontsinona anareo aho na ho sosotra aminareo, satria tsy mivadika aho. ... Tsy ho tezitra mandrakizay aho. Ekeo fotsiny hoe diso ianareo, satria nikomy tamin’i Jehovah.” (Jer. 3:12, 13) Izao koa no nolazain’i Jehovah tamin’ny alalan’i Joela: “Miverena amiko amin’ny fonareo manontolo.” (Joela 2:12, 13) Nasainy nilaza koa i Isaia hoe: “Diovy ny tenanareo. Esory tsy ho eo imasoko ny zava-dratsy ataonareo, ary aza manao ratsy intsony.” (Isaia 1:16-19) Nanontany tamin’ny alalan’i Ezekiela koa izy hoe: “Angaha sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy? ... Tsy satriko aza ve izy mba miala amin’ny ratsy fanaony dia ho velona? Tsy sitrako mihitsy ny hahafatesan’ny olona, na iza izany na iza. ... Koa aza manao ratsy intsony mba ho velona ianareo!” (Ezek. 18:23, 32) Mahafinaritra an’i Jehovah ny mahita olona mibebaka satria tiany ho velona mandrakizay ry zareo. w24.08 32:5-6

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2026

Alarobia 9 Septambra

Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa.​—2 Tim. 3:16.

Mahazo an’izay sakafo ara-panahy sy tari-dalana ary fiarovana ilainy ny vahoakan’Andriamanitra rehetra. Hita hoe tsy manavakavaka i Jehovah, satria ataony afaka mahazo Baiboly daholo, ohatra, ny olona eran-tany amin’izao. Nosoratana tamin’ny fiteny telo anefa ny Soratra Masina tany am-boalohany: Hebreo, aramianina, ary grika. Akaiky kokoa an’i Jehovah noho ny olon-kafa ve izany izay mahay mamaky ny Baiboly amin’ireo fiteny ireo? Tsy izany mihitsy! (Mat. 11:25) Tsy miankina amin’ny fianarana vitantsika na ny fiteny haintsika ny fankasitrahan’i Jehovah antsika. Tsy hoe izay avara-pianarana ihany no afaka mahazo ny fahendreny, fa ny olona rehetra eran-tany koa, na nahita fianarana na tsia. Nadika tamin’ny fiteny an’arivony ny Teniny na ny Baiboly, ka afaka mandray soa avy amin’ny fampianarana ao ny olona eran-tany, sady afaka mianatra hoe inona no tokony hatao raha te ho lasa namany.​—2 Tim. 3:16, 17. w24.06 23:13-15

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2026
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara