Salamo
Ho an’ny mpitarika ny Jedotona.+ Hiran’i Davida.
39 Hoy aho: “Hitandrina ny lalako aho+
Mba tsy hanotan’ny lelako.+
Ambenako ny vavako ka hasiako fehivava,+
Raha mbola misy ratsy fanahy eo anatrehako.”+
Ka tsy nilaza na dia zavatra tsara aza.+
Ary notazoniko tao am-poko ny fijaliako.
3 Nihanafana ny foko tao anatiko tao,+
Ary mbola niredareda ihany ilay afo, nandritra ny fisentoako,
Ka hoy aho:
4 “Jehovah ô, ampahafantaro ahy fa vetivety dia hifarana ny fiainako+
Ary tena fohy ny androm-piainako,+
Mba hahalalako fa mihelina ihany aho.+
Ary tsinontsinona eo anatrehanao ny androm-piainako.+
Mihelina toy ny fofonaina tokoa ny olombelona rehetra, na dia matanjaka aza.+ Sela.
6 Mandehandeha eny ny olona nefa toy ny aloka ihany.+
Mifofotra mafy izy ireo nefa tsy misy vokany akory izany.+
Manangona fananana izy nefa tsy fantany izay ho tompon’izany.+
11 Manitsy ny olona ianao, ka mananatra azy noho ny fahadisoany.+
Ary ataonao potipotika toy ny nohanin’ny koroka+ ny zava-tsarobidiny.
Mihelina toy ny fofonaina tokoa ny olombelona rehetra.+ Sela.