Salamo
Hira fiderana nataon’ny taranak’i Kora.+
48 Lehibe i Jehovah ka tena mendrika hoderaina+
Ao amin’ny tanànan’Andriamanitsika,+ ao amin’ny tendrombohiny masina.+
2 Kanto sy manerinerina ilay fifalian’ny tany manontolo,+
Dia ny Tendrombohitra Ziona any amin’ny farany avaratra,+
Eny, ny tanànan’ilay Mpanjaka Be Voninahitra.+
3 Fantatra ho tendrombohitra fandosirana Andriamanitra, ao amin’ireo tilikambo fonenana any Ziona.+
7 Ataonao rendrika ny sambon’i Tarsisy, noho ny rivotra avy any atsinanana.+
8 Araka izay efa rentsika no hitantsika+
Ao amin’ny tanànan’i Jehovah Tompon’ny tafika, dia ny tanànan’Andriamanitsika.+
Andriamanitra mihitsy no hampiorina mafy azy mandritra ny fotoana tsy voafetra.+ Sela.
9 Andriamanitra ô, misaintsaina ny hatsaram-panahinao feno fitiavana izahay,+
Ao amin’ny tempolinao.+
10 Ny anaranao+ sy ny fiderana anao, Andriamanitra ô,
Tonga hatrany amin’ny faran’ny tany.
Feno fahamarinana ny tananao ankavanana.+
11 Aoka hifaly ny Tendrombohitra Ziona.+
Aoka hiravoravo ireo tanàna miankina amin’i Joda,+ noho ny didim-pitsaranao.+