Salamo
Ho an’ny mpitarika. “Aza mandringana.” Miktama nataon’i Davida, tamin’i Saoly naniraka olona hanao andry maso ny tranony, mba hamonoana azy ho faty.+
59 Afaho tsy ho azon’ny fahavaloko aho, ry Andriamanitro ô!+
Hiaro ahy amin’ireo mitsangana hanohitra ahy anie ianao!+
3 Fa miafina hamely ahy ireny satria mifofo ny aiko.+
Manafika ahy ny mahery,+
Nefa tsy nisy fikomiana na fahotana vitako akory, Jehovah ô!+
4 Tsy nisy fahadisoako, nefa mihazakazaka sy mivonona hamely ahy ireny.+
Mifohaza rehefa miantso aho, ka mba jereo.+
5 Ianao, ry Jehovah Andriamanitry ny tafika ô, no Andriamanitry ny Israely.+
Mifohaza handinika ny firenena rehetra.+
Aza iantrana ny mpamadika tia manao an-kasomparana.+ Sela.
6 Miverina foana izy ireo rehefa harivariva.+
Mivovò hoatran’ny alika+ izy ireo ary mandeha manodidina ny tanàna.+
10 Hitsena ahy ilay Andriamanitra naneho hatsaram-panahy tamiko.+
Hataon’Andriamanitra hitako izay manjo ny fahavaloko, ary ho faly aho mijery izany.+
11 Aza aringana ireny, sao hanadino izany ny oloko.+
Ampiasao ny herinao ka ataovy mirenireny+
Sy lavo ireny, ry Jehovah ampinganay ô,+
12 Noho ny fahotan’ny vavany, eny, noho ny tenin’ny molony.+
Ary aoka ireny ho voafandriky ny fireharehany,+
Noho ny ozona sy fitaka averimberiny.
13 Aringano amin-katezerana ireny,+
Eny, aringano tsy hisy intsony.
Ary aoka ho fantany fa Andriamanitra no manjaka eo amin’i Jakoba ka hatrany amin’ny faran’ny tany.+ Sela.
14 Aoka hiverina ireny rehefa harivariva.
Aoka ireny hivovò hoatran’ny alika, ary handeha manodidina ny tanàna.+