Ohabolana
29 Izay efa nanarina imbetsaka+ nefa manamafy hatoka+ dia ho torotoro tampoka, ka tsy hisy fanafany intsony.+
2 Faly ny vahoaka+ rehefa mihamaro ny olo-marina, fa misento kosa izy raha ny ratsy fanahy no mitondra.+
3 Mampifaly ny rainy ny olona tia fahendrena,+ fa manimba zava-tsarobidy kosa izay miaraka amin’ny mpivaro-tena.+
4 Ny rariny no ahafahan’ny mpanjaka mampiorina mafy ny taniny,+ fa mandrava azy kosa ny olona tia kolikoly.+
5 Izay lehilahy mandoka ny namany+ dia mamelatra harato hamandrihana azy.+
6 Mamandrika ny tenany ny olon-dratsy mandika lalàna,+ fa mihoby sy mifaly kosa ny marina.+
7 Ny marina mahalala ny zon’ny mahantra,+ fa ny ratsy fanahy kosa tsy miraharaha izany.+
8 Mampikorontana ny iray tanàna+ ny olona mizahozaho, fa mampitony fahatezerana+ kosa ny hendry.
9 Raha toa ny hendry ka miady amin’ny adala eo anatrehan’ny fitsarana, dia misafoaka sy mihomehy ilay adala, ary tsy misy filaminana kosa ho an’ilay hendry.+
10 Halan’ny lian-dra ny tsy manan-tsiny,+ fa mitsimbina foana ny ain’ny tsirairay kosa ny olo-mahitsy.+
11 Ny fahatezeran’ny tsisy saina dia avoakany daholo, fa mahatsindry fo hatramin’ny farany kosa ny hendry.+
12 Raha mihaino lainga ny mpitondra, dia ho ratsy fanahy daholo ny mpanompony.+
13 Mihaona ny mahantra sy ny mpampahory,+ fa i Jehovah no mampahazava ny mason’izy roa tonta.+
14 Raha araka ny fahamarinana no itsaran’ny mpanjaka ny mahantra,+ dia ho mafy orina mandrakizay ny seza fiandrianany.+
15 Ny tsorakazo sy ny anatra no mampahahendry,+ fa mahatonga henatra ho an-dreniny kosa ny zaza avela hanaram-po.+
16 Maro be ny fandikan-dalàna rehefa mihamaro ny ratsy fanahy, fa hahita ny hahalavoan’ireny kosa ny marina.+
17 Faizo ny zanakao, dia hampilamin-tsaina anao izy sady tena hahafinaritra anao.+
18 Samy manao izay tiany fotsiny ny olona rehefa tsy misy fahitana avy amin’Andriamanitra,+ fa sambatra kosa izay mitandrina ny lalàna.+
19 Tsy ampy hanitsiana ny mpanompo raha teny fotsiny,+ satria azony tsara izany nefa tsy ankatoaviny.+
20 Mahita olona faingam-bava+ ve ianao? Ny tsisy saina aza misy antenaina kokoa noho izy.+
21 Raha ampihantaina hatramin’ny fahakeliny ny mpanompo, dia tsy hahay hankasitraka izy rehefa any aoriana any.
22 Izay mora tezitra mampisy fifandirana,+ ary izay mora misafoaka dia be fahadisoana.+
23 Ny fiheveran’ny olona ny tenany ho ambony no hampietry azy,+ fa izay manetry tena kosa no hahazo voninahitra.+
24 Mankahala ny tenany ny olona miray tsikombakomba amin’ny mpangalatra.+ Nandre fianianana misy ozona izy, nefa tsy milaza na inona na inona.+
25 Fandrika ny tahotra olona,+ fa izay matoky an’i Jehovah no ho voaro.+
26 Maro no mangataka hihaona amin’ny* mpitondra,+ fa i Jehovah kosa no mitsara ny olona.+
27 Izay manao ny tsy rariny dia maharikoriko ny olo-marina,+ ary izay manana fitondran-tena mahitsy dia maharikoriko ny ratsy fanahy.+