Nomery
2 Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy sy Arona: 2 “Rehefa mitoby ny Israelita, dia tokony hitoby ao amin’ny fizarana*+ anendrena azy avy izy ireo, ary tokony ho eo akaikin’ny famantarana ny* fianakaviambeny ny tsirairay. Tokony hitoby manodidina ny tranolay fihaonana izy ireo, sady hanatrika azy io.
3 “Ny hitoby eo atsinanana, izany hoe tandrifin’ny fiposahan’ny masoandro, dia ny fizarana misy ny tobin’i Joda, arakaraka ny antokony* avy. I Nasona+ zanak’i Aminadaba no mpiadidy eo amin’ny taranak’i Joda, 4 ary 74 600+ ireo voasoratra anarana ao amin’ny tafik’i Nasona. 5 Ny fokon’i Isakara no hitoby eo akaikiny, ka i Netanela+ zanak’i Zoara no mpiadidy eo amin’ny taranak’i Isakara, 6 ary 54 400+ ireo voasoratra anarana ao amin’ny tafik’i Netanela. 7 Ho eo amin’ny ilany iray kosa ny fokon’i Zebolona, ka i Eliaba+ zanak’i Helona no mpiadidy eo amin’ny taranak’i Zebolona, 8 ary 57 400+ ireo voasoratra anarana ao amin’ny tafik’i Eliaba.
9 “Misy 186 400 àry ireo voasoratra anarana rehetra ao amin’ny tafiky ny tobin’i Joda. Izy ireo no tokony hifindra lasy voalohany.+
10 “Ho eo atsimo kosa ny fizarana misy ny tobin’i Robena,+ arakaraka ny antokony* avy. I Elizora+ zanak’i Sedeora no mpiadidy eo amin’ny taranak’i Robena, 11 ary 46 500+ ireo voasoratra anarana ao amin’ny tafik’i Elizora. 12 Ny fokon’i Simeona no hitoby eo akaikiny, ka i Selomiela+ zanak’i Zorisaday no mpiadidy eo amin’ny taranak’i Simeona, 13 ary 59 300+ ireo voasoratra anarana ao amin’ny tafik’i Selomiela. 14 Ho eo amin’ny ilany iray kosa ny fokon’i Gada, ka i Eliasafa+ zanak’i Regoela no mpiadidy eo amin’ny taranak’i Gada, 15 ary 45 650+ ireo voasoratra anarana ao amin’ny tafik’i Eliasafa.
16 “Misy 151 450 àry ireo voasoratra anarana rehetra ao amin’ny tafiky ny tobin’i Robena. Izy ireo no tokony hifindra lasy faharoa.+
17 “Rehefa afindra ny tranolay fihaonana,+ dia tokony ho eo afovoan’ireo toby hafa ny tobin’ny Levita.
“Tokony ho arakaraka ny filaharan’izy ireo rehefa mitoby ihany no ho filaharany rehefa miainga,+ ka samy ho eo amin’ny filaharany avy ny tsirairay, arakaraka ny fizarana misy azy.
18 “Ho eo andrefana ny fizarana misy ny tobin’i Efraima, arakaraka ny antokony* avy. I Elisama+ zanak’i Amihoda no mpiadidy eo amin’ny taranak’i Efraima, 19 ary 40 500+ ireo voasoratra anarana ao amin’ny tafik’i Elisama. 20 Ny fokon’i Manase+ no ho eo akaikiny, ka i Gamaliela+ zanak’i Pedazora no mpiadidy eo amin’ny taranak’i Manase, 21 ary 32 200+ ireo voasoratra anarana ao amin’ny tafik’i Gamaliela. 22 Ho eo amin’ny ilany iray kosa ny fokon’i Benjamina, ka i Abidana+ zanak’i Gideony no mpiadidy eo amin’ny taranak’i Benjamina, 23 ary 35 400+ ireo voasoratra anarana ao amin’ny tafik’i Abidana.
24 “Misy 108 100 àry ireo voasoratra anarana rehetra ao amin’ny tafiky ny tobin’i Efraima. Izy ireo no tokony hifindra lasy fahatelo.+
25 “Ho eo avaratra kosa ny fizarana misy ny tobin’i Dana, arakaraka ny antokony* avy. I Ahiezera+ zanak’i Amisaday no mpiadidy eo amin’ny taranak’i Dana, 26 ary 62 700+ ireo voasoratra anarana ao amin’ny tafik’i Ahiezera. 27 Ny fokon’i Asera no hitoby eo akaikiny, ka i Pagiela+ zanak’i Okrana no mpiadidy eo amin’ny taranak’i Asera, 28 ary 41 500+ ireo voasoratra anarana ao amin’ny tafik’i Pagiela. 29 Ho eo amin’ny ilany iray kosa ny fokon’i Naftaly, ka i Ahira+ zanak’i Enana no mpiadidy eo amin’ny taranak’i Naftaly, 30 ary 53 400+ ireo voasoratra anarana ao amin’ny tafik’i Ahira.
31 “Misy 157 600 àry ireo voasoratra anarana rehetra ao amin’ny tobin’i Dana. Izy ireo no tokony hifindra lasy farany,+ araka ny fizarana misy azy.”
32 Ireo no Israelita voasoratra anarana, arakaraka ny fianakaviambeny avy. Nisy 603 550+ ireo voasoratra anarana rehetra tao amin’ireo toby ka afaka nanompo tao amin’ny tafika. 33 Ny Levita kosa tsy nosoratana anarana+ niaraka tamin’ireo Israelita ireo,+ araka ny didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy. 34 Dia nanao araka ny didy rehetra nomen’i Jehovah an’i Mosesy ny Israelita. Izany no nataon’izy ireo rehefa nitoby, araka ny fizarana+ nisy azy avy. Izany koa no nataony rehefa nifindra lasy,+ araka ny fianakaviany avy, sy arakaraka ny fianakaviambeny avy.