Nomery
25 Rehefa nipetraka tao Sitima+ ny Israely, dia nijangajanga tamin’ny zanakavavin’i Moaba ny olona.+ 2 Nasain’ireo vehivavy ireo hiaraka aminy hanao sorona ho an’ny andriamaniny ny olona.+ Nihinana àry izy ireo, dia niankohoka tamin’ny andriamanitr’ireny.+ 3 Koa nanompo an’i* Balan’i Peora ny Israely,+ ka tezitra be tamin’izy ireo i Jehovah. 4 Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Sambory ny mpitarika* rehetra eo amin’ny vahoaka, dia ahantòny eo anatrehan’i Jehovah ny fatiny, ho hitan’ny olona rehetra.* Amin’izay tsy ho tezitra be amin’ny Israely intsony i Jehovah.” 5 Hoy i Mosesy avy eo tamin’ny mpitsaran’ny Israely:+ “Samia mamono an’izay lehilahy eo ambany fahefany izay nanompo an’i* Balan’i Peora!”+
6 Tamin’izay mihitsy anefa no nisy Israelita anankiray nitondra vehivavy midianita+ nankeo amin’ny rahalahiny, teo imason’i Mosesy sy ny vahoakan’Israely manontolo. Izy ireo anefa tamin’izay mbola nitomany teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana. 7 Vao nahita an’izany i Finehasa+ zanak’i Eleazara, zanak’i Arona mpisorona, dia nitsangana avy teo amin’ny vahoaka ary naka lefona. 8 Nanaraka an’ilay lehilahy israelita nankao an-tranolay izy, dia nataony indray nandefona ilay lehilahy israelita sy ilay vehivavy. Dia nilentika hatrany amin’ny taovam-pananahan’ilay vehivavy ilay lefona. Dia nitsahatra ilay loza nahazo ny Israelita.+ 9 Nahatratra 24 000 ny olona matin’ilay loza.+
10 Avy eo dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: 11 “I Finehasa+ zanak’i Eleazara, zanak’i Arona mpisorona, no nahatonga ahy tsy ho tezitra amin’ny vahoakan’Israely intsony, satria tsy nilefitra mihitsy izy rehefa nisy nivadika tamiko tamin’ilay vahoaka.+ Tsy naripako tanteraka àry ny Israelita, na dia tiako aza hoe izaho irery ihany no tompoina.+ 12 Noho izany, dia teneno izy hoe: ‘Manao fifanekena aminy aho satria ankasitrahako izy. 13 Manao fifanekena aminy aho fa hanao ny asan’ny mpisorona foana izy sy ny taranany mandimby azy.+ Tsy nilefitra mihitsy mantsy izy rehefa nisy nivadika tamin’Andriamaniny.+ Nandrakotra ny fahotan’ny vahoakan’Israely koa izy tamin’izany.’”
14 Ary Zimry no anaran’ilay lehilahy israelita novonoina niaraka tamin’ilay vehivavy midianita. Zanak’i Salo izy, ary mpiadidy teo amin’ny fianakaviamben’ny Simeonita. 15 Ary Kosby kosa no anaran’ilay vehivavy midianita novonoina. Zanakavavin’i Zora+ lehibem-poko teo amin’ny fianakaviambe iray tany Midianina+ izy.
16 Tatỳ aoriana dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: 17 “Mandehana tafiho ny Midianita ka aringano,+ 18 satria nila ady taminareo ry zareo ka nampiasa fitaka isan-karazany mba hahatonga anareo hanompo an’i Balan’i Peora.+ Nampiasainy koa i Kosby anabavin’izy ireo sady zanakavavin’ny mpiadidy midianita, dia ilay novonoina+ tamin’ilay andro nandefasana loza taminareo noho ianareo nanompo an’i Balan’i Peora.”+