Deoteronomia
20 “Raha mandeha miady amin’ny fahavalonao ianao, ka hitanao fa betsaka noho ny anao ny soavaliny sy ny kalesiny ary ny miaramilany, dia aza matahotra azy. Manampy anao mantsy i Jehovah Andriamanitrao, ilay nitondra anao niakatra avy tany Ejipta.+ 2 Rehefa handeha hiady ianareo, dia tokony hanatona hiresaka amin’ny miaramila ny mpisorona,+ 3 hoe: ‘Mihainoa, ry Israely ô! Handeha hiady amin’ny fahavalonareo ianareo izao, ka aza mitebiteby. Aza matahotra na mihorohoro na mangovitra noho ny aminy. 4 Fa miara-mandeha aminareo i Jehovah Andriamanitrareo ka hiady amin’ny fahavalonareo, ary hamonjy anareo.’+
5 “Hilaza amin’ny miaramila koa ny mpifehy hoe: ‘Iza no nahavita trano vaovao nefa mbola tsy nitokana an’ilay izy? Aleo izy mody any an-tranony, sao maty any an’ady ka lehilahy hafa no hitokana an’ilay trano. 6 Iza koa no namboly voaloboka nefa mbola tsy nioty ny vokatra amin’ilay izy? Aleo izy mody any an-tranony, sao maty any an’ady ka lehilahy hafa no hioty amin’ilay izy. 7 Iza koa no manana fofombady nefa mbola tsy nanambady an’ilay vehivavy? Aleo izy mody any an-tranony,+ sao maty any an’ady ka lehilahy hafa no hanambady an’ilay vehivavy.’ 8 Tokony hanontanian’ny mpifehy koa ny miaramila hoe: ‘Iza no matahotra na mitebiteby?+ Tokony hody any an-tranony izy, sao izy indray no hahatonga ny rahalahiny hatahotra hoatr’azy.’*+ 9 Rehefa avy miresaka amin’ny miaramila ny mpifehy, dia hanendry lehiben’ny tafika izy hitarika ny miaramila.
10 “Raha manatona tanàna iray ianao mba hiady aminy, dia lazao amin’ny mponina ao izay tokony hataony mba tsy hisian’ny ady.+ 11 Raha manaiky izy ireo hoe tsy hiady ka manokatra vavahady mba hidiranao, dia ho lasanao ny olon-drehetra ao amin’ilay tanàna ka hampanaovinao asa an-terivozona ary hanompo anao.+ 12 Raha tsy manaiky hihavana aminao kosa izy fa te hiady aminao, dia tokony hataonao fahirano. 13 Dia hataon’i Jehovah Andriamanitrao resinao tokoa ilay tanàna, ka vonoy amin’ny sabatra ny lehilahy rehetra ao. 14 Azonao atao babo kosa ny vehivavy, ny ankizy, ny biby fiompy, ary ny zava-drehetra ao amin’ilay tanàna, dia ny fananana rehetra ao.+ Hano koa ny zavatra nentinao ho babo avy tamin’ny fahavalonao, dia izay nomen’i Jehovah Andriamanitrao anao.+
15 “Hoatr’izany no hataonao amin’ny tanàna lavitra be rehetra, izay tsy anisan’ny tanànan’iretsy firenena etsy akaiky iretsy. 16 Aza avela hisy zavamananaina ho velona anefa ao amin’ny tanànan’iretsy firenena homen’i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao iretsy.+ 17 Fa aringano tanteraka ny Hetita, ny Amorita, ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita, ary ny Jebosita,+ araka ny didy nomen’i Jehovah Andriamanitrao anao. 18 Sao izy ireo hampianatra anareo hanao ny zava-maharikoriko rehetra fanaony amin’ny andriamaniny, ka hahatonga anareo hanota amin’i Jehovah Andriamanitrareo.+
19 “Raha manao fahirano tanàna iray ianao mba hahazoana azy ary efa niady taminy nandritra ny andro maromaro, dia aza aripaka sy kapaina amin’ny famaky daholo ny hazo maniry ao. Azonao hanina ny voany, fa aza tapahina ny hazo.+ Ny hazo koa ve dia hataonao fahirano hoatran’ny olona? 20 Izay hazo misy voany fantatrao hoe tsy fihinana ihany no azonao aripaka. Azonao tapahina ilay izy ka ampiasainao hanaovana fahirano an’ilay tanàna miady aminao, mandra-paharesiny.