Mpitsara
12 Ary novorina ny lehilahy efraimita ka niampita nankany Zafona.* Dia niteny tamin’i Jefta izy ireo hoe: “Fa maninona izahay no tsy mba nantsoinao hiaraka taminao, tamin’ianao niampita hiady tamin’ny Amonita?+ Hodoranay miaraka amin’ny tranonao ianao.” 2 Hoy anefa i Jefta tamin’izy ireo: “Niady be tamin’ny Amonita izaho sy ny vahoakako. Ary efa niantso vonjy taminareo mihitsy aho, fa ianareo tsy mba nanampy anay. 3 Dia rehefa hitako hoe tsy hanampy ahy ianareo, dia tapa-kevitra aho fa hanao vivery ny aiko, ka handeha hiady amin’ny Amonita.+ Dia nataon’i Jehovah resiko ry zareo. Koa maninona ianareo androany no tonga mba hiady amiko?”
4 Ary nangonin’i Jefta ny lehilahy gileadita rehetra,+ ka niady tamin’ny Efraimita izy ireo. Dia resin’ny lehilahy gileadita ny Efraimita, izay nilaza hoe: “Efraimita ihany ange ianareo ry Gileadita e, fa nandositra dia lasa any amin’ny faritr’i Efraima sy Manase!” 5 Dia nalain’ny Gileadita ireo toerana fiampitana ny Reniranon’i Jordana,+ dieny mbola tsy tonga teny ny Efraimita, ary nasiany olona niandry teny. Ary rehefa nisy lehilahy efraimita nandositra ka nangataka ny hiampita, dia nanontany azy ireo tsirairay ny lehilahy gileadita hoe: “Efraimita ve ianao?” Raha namaly izy hoe: “Tsia!”, 6 dia nilaza taminy izy ireo hoe: “Mitenena àry, azafady, hoe: Shiboleta.” Tsy hainy tsara anefa ny nanonona an’ilay teny, dia hoy izy: “Siboleta.” Dia nosamborin’izy ireo izy, ary novonoiny teo amin’ny toerana fiampitana an’i Jordana. Efraimita 42 000 no maty tamin’izay.
7 Ary nitsara ny Israely nandritra ny enin-taona i Jefta. Maty i Jefta Gileadita taorian’izay, ka nalevina tao an-tanànany tany Gileada.
8 I Ibzana, avy any Betlehema, no nitsara ny Israely taorian’i Jefta.+ 9 Nanan-janakalahy 30 sy zanakavavy 30 izy. Nalefany nanambady lehilahy tsy anisan’ny fianakaviambeny ny zanany vavy. Ary naka zazavavy 30 izy mba ho vadin’ireo zanany lahy. Fito taona izy no nitsara ny Israely. 10 Dia maty i Ibzana, ka nalevina tany Betlehema.
11 Ary taorian’i Ibzana, dia i Elona Zebolonita no nitsara ny Israely. Ary nitsara ny Israely nandritra ny folo taona izy. 12 Dia maty i Elona Zebolonita, ka nalevina tany Aialona, tao amin’ny tanin’i Zebolona.
13 Ary taorian’i Elona, dia i Abdona zanak’i Elela Piratonita no nitsara ny Israely. 14 Nanan-janakalahy 40 sy zafikely 30 lahy izy. Ary nitaingina ampondra 70 izy ireo. Nitsara ny Israely nandritra ny valo taona i Abdona. 15 Dia maty i Abdona zanak’i Elela Piratonita, ka nalevina tany Piratona, tany amin’ny tanin’i Efraima, tany amin’ny tendrombohitry ny Amalekita.+