10 “‘Raha misy amin’ny taranak’Israely, na ny vahiny monina eo aminareo, mihinana ra,+ na ran’inona izany na ran’inona, dia hanameloka* ny olona*+ mihinan-dra aho, ka haringako tsy ho eo amin’ny fireneny izy.
34 Tokony hataonareo toy ny teratany eo aminareo ihany ny vahiny monina eo aminareo. Ary tiavo tahaka ny tenanao izy,+ fa efa mba mpivahiny tany Ejipta ihany koa ianareo.+ Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
14 “‘Ary raha misy mpivahiny monina eo aminareo, dia tokony hikarakara ny sorona fanao amin’ny Paska ho an’i Jehovah koa izy.+ Araka ny lalàn’ny Paska sy araka izay efa fanao amin’izy io no hanaovany azy.+ Ho iray ihany ny lalàna ho anareo, na vahiny izy na teratany.’”+