16 “Fa lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra+ an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana+ mba tsy ho ringana+ izay rehetra maneho finoana+ azy, fa hanana fiainana mandrakizay.+
32 Tsy mba niaro ny Zanany izy,+ fa nanolotra azy hamonjy antsika rehetra.+ Koa nahoana no tsy homeny antsika amin-katsaram-panahy miaraka aminy koa ny zavatra hafa rehetra?+
14 Nanolotra ny tenany+ ho antsika izy mba hanafahany+ antsika amin’ny karazana fandikan-dalàna rehetra sy mba hanadiovany+ firenena iray ho azy manokana,+ dia firenena mazoto amin’ny asa tsara.+
7 Fa raha mandeha ao amin’ny mazava kosa isika, tahaka azy izay ao amin’ny mazava,+ dia tena manan-javatra iombonana isika rehetra,+ ary ny ran’i+ Jesosy Zanany no manadio+ antsika ho afaka amin’ny ota rehetra.+
16 Izao no nahafantarantsika ny fitiavana:+ Satria nahafoy ny ainy* ho antsika+ izy. Koa tsy maintsy mahafoy ny aintsika ho an’ny rahalahintsika+ isika.