14 mainka fa ny ran’i+ Kristy? Nanolotra+ ny tenany tsy misy tsiny tamin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fanahy mandrakizay mantsy izy, ary ny rany no manadio+ ny feon’ny fieritreretantsika ho afaka amin’ny asa maty+ mba hanaovantsika fanompoana masina+ ho an’ilay Andriamanitra velona.
2 Tsy efa natsahatra ve ny fanolorana sorona raha vitan’ny olona izany? Raha izany mantsy no izy, dia tsy ho nahatsiaro ny tenany ho mpanota intsony ireo manao fanompoana masina, izay nodiovina indray mandeha monja.+