Salamo
Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida. Tamin’i Natana mpaminany nankao aminy, taorian’ny nanaovan’i Davida firaisana tamin’i Batseba.+
51 Iantrao aho Andriamanitra ô, araka ny hatsaram-panahinao feno fitiavana.+
Koseho ny fahadisoako, araka ny haben’ny famindram-ponao.+
4 Taminao dia taminao irery ihany no nanotako,+
Ary izay ratsy teo imasonao no nataoko,+
Mba ho hita fa marina ianao rehefa miteny,+
Ary tsy misy tsiny ianao rehefa mitsara.+
5 Efa nanam-pahadisoana aho rehefa nateraky ny reniko tao anatin’ny fanaintainana.+
Ary efa mpanota aho raha vao niforona tao an-kibon-dreniko.+
8 Enga anie ianao ka hanao izay hahitako fifaliana sy firavoravoana!+
Mba ho faly ny taolako izay nopotipotehinao.+
12 Ampodio amiko indray ny fifaliana avy amin’ny famonjenao,+
Ary ampio aho hanam-paniriana hankatò anao.+
14 Afaho amin’ny trosan-dra aho,+ ry Andriamanitra ô, eny, ry Andriamanitra mpamonjy ahy,+
Mba hiresahako amim-pifaliana ny fahamarinanao.+
16 Tsy sorona no ankasitrahanao, fa raha izany dia ho efa nanao ihany aho.+
Ary tsy fanatitra dorana no sitrakao.+
17 Ny alahelo mafy vokatry ny nenina no sorona sitrak’Andriamanitra.+
Tsy hataonao tsinontsinona ny fo torotoro sy kivy, Andriamanitra ô!+